12 Hifaly eo anatrehan’i Jehovah Andriamanitrareo+ ianareo sy ny zanakareo lahy sy ny zanakareo vavy sy ny mpanompolahinareo sy ny mpanompovavinareo mbamin’ny Levita ao an-tanànanareo, fa ny Levita tsy mba manana anjara na lova eo aminareo.+
10 Hoy koa izy tamin’ireo: “Mandehana ka hano ny matavy ary sotroy ny mamy, dia anatero anjara+ izay tsy manana sakafo hokarakaraina. Fa masina amin’ny Tompontsika ity andro anio ity, koa aza malahelo fa ny fifaliana avy amin’i Jehovah no fiarovana mafy ho anareo.”
18 Ny zavatra tsara indrindra hitako, eny, izay tena tsara ho an’ny olona, dia ny mihinana sy misotro ary mifaly noho ny asa mafy+ nisasarany tetỳ ambanin’ny masoandro, mandritra ny androm-piainana nomen’Andriamanitra azy, fa izany no valisoany.