FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Deoteronomia 18:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Aoka tsy hisy eo aminao ny olona mandoro* ny zanany lahy na ny zanany vavy ao anaty afo,+ na manao sikidy,+ na mampiasa herin’ny maizina,+ na mitady fambara,+ na mpilalao ody,+

  • 1 Samoela 1:24
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 24 Raha vao nosarahi-nono ilay zaza, dia nentiny niara-niakatra taminy, niaraka tamin’ny ombilahy telo taona sy lafarinina iray efaha* ary divay eran’ny siny lehibe.+ Koa nankao an-tranon’i Jehovah tao Silo+ izy, niaraka tamin’ilay zaza.

  • 1 Samoela 1:28
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 28 Koa ampindramiko an’i Jehovah+ kosa izy izao. Omena an’i Jehovah izy mandritra ny androm-piainany.”

      Dia niankohoka teo anatrehan’i Jehovah+ teo i Elkana.

  • Salamo 66:13
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 Hankao an-tranonao hitondra fanatitra dorana aho.+

      Hefaiko aminao ny voadiko,+

  • Jeremia 7:31
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 31 Nanorina an’ireo toerana avo ao Tofeta+ izay ao amin’ny lohasahan’ny taranak’i Hinoma+ izy ireo, mba handoroany ny zanany lahy sy ny zanany vavy amin’ny afo,+ nefa tsy nandidy azy hanao izany aho ary tsy tao an-tsaiko* akory aza izany.’+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara