FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Deoteronomia 32:35
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 35 Ahy ny famaliana, ary izaho no hamaly.+

      Hivembena+ izy ireo amin’ny fotoana voatondro,

      Satria akaiky ny andro hahitany loza,+

      Ary avy haingana ny zavatra voaomana hihatra aminy.’+

  • 2 Mpanjaka 7:2
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 2 Dia niteny tamin’ilay lehilahin’Andriamanitra ny manamboninahitra lefitra nitehenan’ny+ mpanjaka, nanao hoe: “Izany ve dia ho tanteraka,+ na dia hanao vavahadin-drano eny amin’ny lanitra aza i Jehovah?”+ Ary hoy i Elisa: “Ho hitan’ny masonao izany,+ nefa tsy hihinana amin’izany ianao.”+

  • 2 Tantara 36:16
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 16 Nataon’izy ireo ho fihomehezana+ foana anefa ny irak’Andriamanitra, ary nataony tsinontsinona ny tenin’Andriamanitra,+ sady nesoiny+ ny mpaminaniny, mandra-pihatran’ny fahatezeran’i+ Jehovah tamin’ny olony, ka tsy nisy fanafany intsony.+

  • Isaia 5:24
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 24 Toy ny vodivary levon’ny lelafo+ sy ny ahitra maina izay kilan’ny afo, dia toy izany koa fa ho toy ny fofona maimbo lo ny fakan’izy ireo sy ny fotony,+ ary ho toy ny vovoka ny felany. Nanda ny lalàn’i Jehovah Tompon’ny tafika mantsy izy ireo,+ sady tsy niraharaha ny tenin’Ilay Masin’ny Israely.+

  • Isaia 28:22
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 22 Ary aza manaraby+ sao hogejaina mafy kokoa ny tady mamatotra anareo. Reko mantsy fa efa nanapa-kevitra handripaka ny tany manontolo+ i Jehovah Tompon’ny tafika, ilay Tompo Fara Tampony.+

  • Nahoma 1:2
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 2 I Jehovah dia Andriamanitra mitaky ny hanompoana azy irery ihany,+ ary mamaly ny olona araka izay nataony. Eny, mamaly ny olona araka izay nataony i Jehovah,+ ary vonona hampihatra fahatezerana.+ Mamaly ny fahavalony araka izay nataony i Jehovah,+ ary mitahiry fahatezerana amin’ireny.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara