30 Henoy ny mpanomponao sy ny Israely olonao rehefa mitalaho famindram-po+ aminao, ka mivavaka manandrify an’ity toerana ity. Ary enga anie ianao hihaino any an-danitra fonenanao,+ eny, mihainoa ka mamelà heloka!+
44 “Raha mivoaka hiady+ amin’ny fahavalony ny olonao, any amin’ny lalana andefasanao azy,+ ka mivavaka+ amin’i Jehovah manandrify ny tanàna nofidinao+ sy ny trano naoriko ho an’ny anaranao,+
38 ary miverina aminao amin’ny fony manontolo+ sy ny heriny manontolo izy, any amin’ny tany izay nitondran’ny mpamabo azy,+ ary mivavaka aminao manandrify ny taniny izay nomenao ny razany, eny, ny tanàna nofidinao+ sy ny trano naoriko ho an’ny anaranao,+