FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Genesisy 2:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 7 Ary i Jehovah Andriamanitra namorona ny olona avy tamin’ny vovoky+ ny tany,+ sady nitsoka fofonaina nankao am-bavorony,+ ka lasa zavamananaina* ny olona.+

  • Genesisy 6:17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 “Ary hahatonga safodrano+ eny ambonin’ny tany aho, mba handringanana ny nofo rehetra manam-pofonaina*+ tsy ho eny ambanin’ny lanitra. Dia ho faty ny zava-drehetra eny ambonin’ny tany.+

  • Joba 33:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  4 Ny fanahin’Andriamanitra no nanao ahy,+

      Ary ny fofonain’ilay Mahery Indrindra no nahatonga ahy ho velona.+

  • Mpitoriteny 3:19
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 19 Fa manam-piafarana ny zanak’olombelona ary manam-piafarana koa ny biby, ary mitovy ihany ny iafaran’izy roa tonta.+ Fa toy ny ahafatesan’ny iray no ahafatesan’ny iray koa.+ Iray ihany ny hery mamelona* azy roa tonta,+ koa tsy misy maha ambony ny olona amin’ny biby, fa zava-poana ny zava-drehetra.

  • Isaia 42:5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 5 Izao no lazain’i Jehovah, ilay tena Andriamanitra, ilay Mpamorona ny lanitra,+ Ilay Be Voninahitra mamelatra ny lanitra,+ Ilay mamelatra ny tany+ mbamin’izay vokariny,+ Ilay manome fofonaina+ ho an’ny mponin’ny tany,+ sy manome aina* ho an’izay mandeha eny ambonin’ny tany:+

  • Apokalypsy 11:11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 Rehefa afaka ny telo andro sy tapany,+ dia nisy aina avy tamin’Andriamanitra niditra tao anatin’ireo,+ ka nijoro tamin’ny tongony izy, ary raiki-tahotra indrindra izay nahita azy.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara