-
Josoa 20:2, 3Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
2 “Ilazao ny Israelita hoe: ‘Mifidiana tanàna fialokalofana ho anareo,+ araka ny efa nolazaiko taminareo tamin’ny alalan’i Mosesy, 3 mba ho afaka handositra any izay nahafaty olona tsy nahy na nahafaty olona noho ny zavatra tsy nampoizina.* Ho fialokalofana ho anareo ireny tanàna ireny, mba tsy ho tratran’ny mpamaly ra ianareo.+
-
-
Josoa 20:7, 8Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
7 Nohamasinin’izy ireo* àry i Kedesy+ any Galilia any amin’ny faritra be tendrombohitr’i Naftaly, sy Sekema+ any amin’ny faritra be tendrombohitr’i Efraima, ary Kiriata-arba,+ izany hoe Hebrona, any amin’ny faritra be tendrombohitr’i Joda. 8 Ary ireto avy no nofidin’izy ireo tany amin’ny faritr’i Jordana, atsinanan’i Jeriko: I Bezera+ any an-tany efitra, eny amin’ny lembalemba,* no avy tamin’ny fokon’i Robena; Ramota+ any Gileada no avy tamin’ny fokon’i Gada; ary Golana+ any Basana no avy tamin’ny fokon’i Manase.+
-