FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 2 Samoela 7:8
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 8 Izao tenenina amin’i Davida mpanompoko: ‘Izao no tenin’i Jehovah Tompon’ny tafika: “Naka anao avy teny amin’ny kijana teny am-piandrasana ondry+ aho mba ho mpitarika ny Israely vahoakako.+

  • 2 Samoela 7:12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 Rehefa tapitra ny andronao+ ka hodimandry any amin’ny razambenao ianao, dia hotendreko ho mpanjaka handimby anao ny taranakao, dia ny zanakao lahy.* Ary hataoko mafy orina ny fanjakany.+

  • Salamo 89:33-37
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 33 Ho tia azy foana sy tsy hivadika aminy mihitsy anefa aho,+

      Ary tsy hivadika amin’ny fampanantenana nataoko.*

      34 Tsy hivadika amin’ny fifanekena nataoko aho,+

      Na hanova ny teny efa nolazaiko.+

      35 Masina aho, ka efa nianiana indray mandeha tsy miverina;

      Tsy handainga amin’i Davida aho.+

      36 Haharitra mandrakizay ny taranany;+

      Haharitra eo anatrehako toy ny masoandro ny seza fiandrianany.+

      37 Ho mafy orina mandrakizay toy ny volana izy io,

      Tahaka ny vavolombelona mendri-pitokisana eny amin’ny lanitra.” (Sela)

  • Isaia 37:35
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 35 ‘Fa hiaro an’ity tanàna ity aho,+ ka hamonjy azy noho ny anarako,+

      Sy noho ny amin’i Davida mpanompoko.’”+

  • Jeremia 33:20, 21
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 20 “Izao no lazain’i Jehovah: ‘Raha vitanareo ny manafoana ny fifanekena nataoko momba ny andro sy ny fifanekena nataoko momba ny alina, mba hisakanana ny andro sy ny alina tsy ho tonga amin’ny fotoana tokony hahatongavany,+ 21 dia amin’izay ihany vao ho azo foanana ny fifanekena nataoko tamin’i Davida mpanompoko,+ ka tsy hanana zanakalahy ho mpanjaka hipetraka eo amin’ny seza fiandrianany+ izy. Amin’izay ihany koa vao ho azo foanana ny fifanekena nataoko tamin’ny Levita mpisorona mpanompoko.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara