FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Jeremia 47:1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 47 Nampita hafatra tamin’i Jeremia mpaminany momba ny Filistinina+ i Jehovah, talohan’ny nandresen’i Farao an’i Gaza.

  • Ezekiela 25:16
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 16 Izao àry no tenin’i Jehovah Tompo Fara Tampony: “Hanatsotra ny tanako hamely ny Filistinina+ aho, ka horinganiko ny Keretita,+ ary haripako ny mponina sisa any amoron-tsiraka.+

  • Joela 3:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  4 Dia sahinareo ve ny manao an’izany amiko,

      Ry Tyro sy Sidona, sy ry faritr’i Filistia rehetra?

      Te hamaly faty ahy angaha ianareo?

      Raha mamaly faty ahy ianareo,

      Dia havaliko aminareo* faran’izay haingana ny ataonareo.+

  • Amosa 1:6-8
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  6 Izao no tenin’i Jehovah:

      ‘“Tsy hovako ny didim-pitsarako satria nikomy intelo i Gaza,+ inefatra mihitsy aza.

      Nataony babo mantsy ny olona rehetra+ dia natolony an’i Edoma.

       7 Dia handefasako afo ny mandan’i Gaza,+

      Ka ho levon’ny afo ny tilikambony voaro mafy.

       8 Haringako ny mponina ao Asdoda+

      Sy ilay mpitondra* ao Askelona.+

      Ary hamely an’i Ekrona aho,+

      Ka ho ripaka izay sisa amin’ny Filistinina”,+ hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.’

  • Zefania 2:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  4 Fa tsy hisy hipetraka intsony ao Gaza,

      Ary tsy hisy mponina ao Askelona.+

      I Asdoda indray horoahina amin’ny andro antoandro be,*

      Ary i Ekrona hongotana.+

  • Zakaria 9:5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  5 Hahita an’izany i Askelona ka hatahotra,

      Ary hitebiteby be i Gaza.

      Ho toy izany koa i Ekrona, satria atao afa-baraka ilay nantenainy.

      Hisy mpanjaka ho faty ao Gaza,

      Ary tsy hisy mponina intsony ao Askelona.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara