FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Levitikosy 18:24
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 24 “‘Aza mandoto tena amin’izany zavatra izany mihitsy. Ireny zavatra rehetra ireny mantsy no nataon’ireo firenena ka lasa naloto izy ireo, dia ireo firenena izay horoahiko tsy ho eo anatrehanareo.+

  • Nomery 35:33, 34
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 33 “‘Aza mandoto ny tany misy anareo. Mandoto ny tany mantsy ny ra.+ Tsy misy fandrakofam-pahotana ho an’ilay tany raha misy ra nalatsaka teo amin’ilay izy, afa-tsy ny ran’izay nandatsaka an’izany ihany.+ 34 Aza mandoto an’ilay tany ipetrahanareo, izay sady onenako koa. Fa izaho Jehovah dia monina eo afovoan’ny vahoakan’Israely.’”+

  • 2 Tantara 33:9
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 9 Notaomin’i Manase hanao ratsy foana ny Joda sy ny mponin’i Jerosalema, ka ny ratsy vitan’izy ireo dia mbola mihoatra noho ny nataon’ireo firenena naringan’i Jehovah tsy ho eo anatrehan’ny Israelita.+

  • Jeremia 3:1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 Misy manontany hoe: “Mahazo miverina amin’ny vadiny indray ve ny lehilahy raha efa noroahiny ilay vehivavy, ka nandao azy ary lasa vadin’olon-kafa?”

      Tsy efa voaloto tanteraka ve izany tany izany?+

      “Efa nivaro-tena tamin’olona maro+ ve ianao,

      Dia hiverina amiko indray izao?”, hoy i Jehovah.

  • Jeremia 23:10, 11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Feno mpanitsakitsa-bady+ mantsy ilay tany.

      Misaona koa ilay tany+ satria voaozona,

      Ary maina ny kijana any an-tany efitra.+

      Ratsy ny ataon’izy ireo, ary manampatra fahefana izy ireo.

      11 “Samy maloto* na ny mpaminany na ny mpisorona.+

      Na dia ao an-tranoko aza, dia ahitako ny faharatsian’izy ireo”,+ hoy i Jehovah.

  • Fitomaniana 4:13
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 Nitranga izany noho ny fahotan’ny mpaminaniny sy ny fahadisoan’ny mpisorony,+

      Izay nandatsaka ny ran’ireo olo-marina teo anivony.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara