-
Eksodosy 7:5Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
5 Dia ho fantatry ny Ejipsianina tokoa fa izaho no Jehovah,+ rehefa hanatsotra ny tanako hamely an’i Ejipta aho ary hitondra an’ireo Israelita hiala eo amin’izy ireo.”
-
-
Eksodosy 9:15, 16Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
15 Fa azoko natao ny nanatsotra ny tanako dia nasiako tamin’ny areti-mandringana ianao sy ny vahoakanao, ka efa ripaka tsy nisy teto an-tany intsony ianao hoatr’izay. 16 Izao anefa no tena antony mbola namelako anao ho velona: Mba hampisehoana aminao ny heriko sy mba hanambarana ny anarako eran-tany.+
-
-
Deoteronomia 4:34Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
34 Sa Andriamanitra efa mba nanandrana naka firenena ho an’ny tenany avy tamin’ny firenena iray, ka namoaka didim-pitsarana* sy nanao famantarana sy fahagagana+ ary niady,+ sady nampiasa ny tanany matanjaka+ sy ny sandriny mahery, ary nanao zavatra mampahatahotra?+ Efa nanao toy izany ve i Jehovah Andriamanitrareo, hoatran’ny nataony taminareo tany Ejipta teo imasonareo?
-
-
2 Samoela 7:23Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
23 Ary iza amin’ny firenena eto an-tany moa no hoatran’ny Israely vahoakanao?+ Navotan’Andriamanitra izy ireo mba ho lasa vahoakany,+ ka nataony nalaza ny anarany+ rehefa nanao zavatra miavaka sy mahagaga ho azy ireo+ izy. Noroahinao ireo firenena sy ny andriamanitr’izy ireny, noho ny amin’ny vahoakanao izay navotanao ho anao avy tany Ejipta.
-