FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Deoteronomia 28:49, 50
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 49 “Hisy firenena avy any lavitra, avy any amin’ny faran’ny tany,+ hampirisihin’i Jehovah hiady aminao. Hifaoka tampoka toy ny voromahery ilay firenena.+ Fiteny tsy ho azonao no ampiasainy,+ 50 ary masiaka be ny endriny ka tsy hiantrany ny antitra sady tsy horaharahiany ny tanora.+

  • 2 Mpanjaka 15:29
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 29 Tamin’ny andron’i Peka mpanjakan’ny Israely i Tiglato-pilesera+ mpanjakan’i Asyria no nanafika sy naka an’i Iona, Abela-beti-maka,+ Janoha, Kedesy,+ Hazora, Gileada,+ ary Galilia izany hoe ny tanin’i Naftaly+ manontolo. Ary nataony sesitany tany Asyria+ ny mponina tao amin’ireo.

  • 2 Mpanjaka 17:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 6 Resin’ny mpanjakan’i Asyria i Samaria,+ tamin’ny taona fahasivy nanjakan’i Hosea. Dia nataony sesitany+ tany Asyria ny vahoakan’Israely, ka napetrany tany Hala sy tany Habora izay eo akaikin’ny reniranon’i Gozana,+ ary tany amin’ireo tanànan’ny Medianina.+

  • Isaia 7:20
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 20 “Amin’izany andro izany, dia hareza nohofana avy any amin’ny faritry ny Renirano,* izany hoe ny mpanjakan’i Asyria,+ no hampiasain’i Jehovah hikakasana ny loha sy ny volon-tongotra, ary hanesorana tanteraka ny volombava.

  • Isaia 8:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 4 fa raha mbola tsy mahay miantso hoe ‘Dada’ sy ‘Neny’ ilay zaza, dia hoentin’ny olona ho any amin’ny mpanjakan’i Asyria ny fananan’i Damaskosy sy ny zavatra nobaboina tany Samaria.”+

  • Isaia 10:5, 6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  5 “Jereo ny Asyrianina!+

      Izy no tsorakazo hampiasaiko mba hanehoako ny fahatezerako,+

      Ary ny tehina eny an-tanany no hoentiko hanasaziana.

       6 Hirahiko hamely firenena mpikomy* izy,+

      Hamely vahoaka nampahatezitra be ahy.

      Hasaiko maka babo be dia be sy mandroba zavatra maro koa izy,

      Ary manosihosy an’ireny toy ny fanosihosy fotaka eny an-dalana.+

  • Hosea 10:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  6 Hoentina any Asyria izy io ka hatao fanomezana ho an’ny mpanjaka lehibe.+

      Hatao afa-baraka i Efraima,

      Ary ho afa-baraka ny Israely satria nanaraka ny torohevitr’izy io.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara