-
Asan’ny Apostoly 13:50Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
50 Fa nampirisihin’ny Jiosy ny vehivavy manan-kaja izay mpivavaka tamin’Andriamanitra, sy ireo manam-pahefana tao an-tanàna, ka nitaona ny olona hanenjika+ an’i Paoly sy Barnabasy, sady nandroaka azy roa lahy tany ivelan’ny faritaniny.
-
-
2 Korintianina 11:23-26Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
23 Mpanompon’i Kristy ve izy ireo? Mamaly hoatran’ny adala aho. Mpanompon’i Kristy aho ary miavaka kokoa noho izy ireo aza: Betsaka kokoa ny asa nataoko,+ natao am-ponja matetika kokoa aho,+ tsy voaisa intsony ny kapoka nahazo ahy, ary efa saika maty imbetsaka aho.+ 24 Indimy aho no nokapohin’ny Jiosy in-40 latsaka iray avy,+ 25 intelo aho no nokapohina tamin’ny hazo,+ indray mandeha notoraham-bato,+ intelo vaky sambo,+ ary indray andro sy indray alina aho no tavela teny an-dranomasina. 26 Nandeha lavitra matetika aho, saika nahita loza tamin’ny renirano, saika nahita loza tamin’ny jiolahy, saika nahita loza tamin’ny mpiray firenena amiko,+ saika nahita loza tamin’ny hafa firenena,+ saika nahita loza tao an-tanàna,+ saika nahita loza tany an-tany efitra, saika nahita loza tany an-dranomasina, ary saika nahita loza teo anivon’ny rahalahy sandoka.
-