Salamo
Ho an’ny mpitarika; atao mifanaraka amin’ilay hoe “Aza Mandringana.” Miktama* nataon’i Davida, tamin’i Saoly naniraka olona hanao andry maso ny tranon’i Davida,* mba hamonoana azy ho faty.+
59 Vonjeo amin’ny fahavaloko aho, Andriamanitro ô!+
Arovy aho mba tsy ho azon’ireo mitsangana hanohitra ahy.+
2 Afaho tsy ho azon’ireo manao ratsy aho,
Ary vonjeo tsy ho azon’ny olona mahery setra.*
3 Jereo fa miafina hamely ahy izy ireo!+
Manafika ahy ny lehilahy mahery,
Nefa izaho tsy mba nikomy na nanota,+ Jehovah ô!
4 Tsy nanao ratsy akory aho, nefa izy ireo mihazakazaka sy miomana hanafika ahy.
Mifohaza rehefa miantso aho, ka mba jereo.
5 Fa ianao, ry Jehovah Andriamanitry ny tafika ô, no Andriamanitry ny Israely.+
Mifohaza handinika ny firenena rehetra.
Aza misy iantrana ny mpamadika ratsy saina.+ (Sela)
6 Miverina izy ireo isan-kariva;+
Mierona* hoatran’ny alika+ izy ireo ary mandehandeha eran’ny tanàna.+
7 Jereo izay mivoaka* amin’ny vavany;
Hoatran’ny sabatra ny molony,+
Fa hoy izy ireo: “Iza moa no maheno antsika?”+
10 Ho avy hanampy ahy ilay Andriamanitra tia ahy sy tsy mivadika amiko;+
Hataon’Andriamanitra faly mahita ny fahavaloko resy aho.+
11 Aza vonoina izy ireo sao hanadino an’izany ny vahoakako.
Ampiasao ny herinao ka ataovy mirenireny izy ireo;
Ataovy resy izy ireo, ry Jehovah ampinganay ô!+
12 Noho ny fahotan’ny vavany, eny, noho ny tenin’ny molony,
Dia enga anie izy ireo ho voafandriky ny fireharehany,+
Noho ny ozona sy fitaka lazainy!
13 Aringano ao anatin’ny hatezerana izy ireo amin’ny farany;+
Aringano izy ireo mba tsy hisy intsony;
Ataovy fantany fa Andriamanitra no manjaka eo amin’i Jakoba ka hatrany amin’ny faran’ny tany.+ (Sela)
14 Avelao izy ireo hiverina rehefa hariva;
Avelao izy ireo hierona* hoatran’ny alika sy handehandeha eran’ny tanàna.+
15 Aoka izy ireo hirenireny hitady hanina;+
Aza avela ho voky na hahita toerana hilasiana izy ireo.
16 Fa izaho kosa hihira momba ny herinao;+
Hiresaka momba ny fitiavanao sy ny tsy fivadihanao aho, rehefa maraina.