Salamo
Ho an’ny mpitarika; atao Jedotona.* Hiran’i Asafa.+
77 Hanandratra ny feoko hiantso an’Andriamanitra aho;
Andriamanitra no hantsoiko, dia hihaino ahy izy.+
2 Mitady an’i Jehovah aho rehefa ao anatin’ny sarotra.+
Tsy mitsahatra mivavaka aho* mandritra ny alina.
Tsy mety ampiononina aho.
3 Mitaraindraina aho rehefa mahatsiaro an’Andriamanitra;+
Sahiran-tsaina aho sady lasa kely ny heriko.+ (Sela)
4 Tazoninao tsy hikimpy ny hodi-masoko;
Mitebiteby mafy aho, ka tsy mahateny.
5 Mamisavisa ny andro taloha aho,+
Dia ireo taona lasa efa ela be.
6 Mitamberina ato an-tsaiko ny hirako* rehefa alina;+
Mandinika ato am-poko aho,+
Ary mamakafaka tsara.
7 Dia hanary anay mandrakizay ve i Jehovah?+
Tsy hiantra anay intsony ve izy?+
8 Tsy haneho fitiavana sy tsy fivadihana intsony ve izy mandrakizay?
Dia tsy hisy taranaka hahita ve hoe tanteraka ny fampanantenany?
9 Hadinon’Andriamanitra ve ny niantra anay,+
Sa tezitra izy dia tsy namindra fo intsony? (Sela)
10 Dia hiteny foana ve aho hoe: “Izao no mampalahelo ahy:*+
Nanova ny fomba itondrany anay* ilay Avo Indrindra”?
11 Hotsaroako ny zavatra nataon’i Jah;
Hotsaroako ny zavatra mahagaga nataonao taloha ela be.
12 Dia hosaintsainiko ny asanao rehetra,
Ary hoeritreretiko tsara ny zavatra nataonao.+
13 Masina ny lalanao, Andriamanitra ô!
Iza no andriamanitra lehibe hoatr’anao, Andriamanitra ô?+
14 Ianao no tena Andriamanitra, izay manao zava-mahagaga.+
Nasehonao an’ireo firenena ny tanjakao.+
15 Nampiasa ny herinao* ianao mba hamonjena* ny vahoakanao,+
Dia ny taranak’i Jakoba sy ny taranak’i Josefa. (Sela)
16 Nahita anao ny rano, Andriamanitra ô!
Nahita anao ny rano ka nanonjanonja,+
Ary lasa nisamboaravoara ny rano lalina.
17 Nandrotsaka orana ny rahona.
Nikotrokotroka ny lanitra feno rahona,
Ary nisidina teny rehetra teny ny zana-tsipìkanao.+
18 Toy ny feona kodiarana kalesy ny feon’ny kotroka+ nalefanao;
Nanazava ny tany misy mponina* ny tselatra;+
Nihorohoro sy nihovotrovotra ny tany.+
19 Namakivaky ranomasina+ ianao,
Ary nandeha teny amin’ny rano be.
Tsy nisy nahita anefa ny dian-tongotrao.