Ohabolana
3 Aza manadino ny fampianarako,* anaka,
Ary enga anie ny fonao hankatò ny didiko!
2 Fa hahatonga anao ho lava andro iainana ireny,
Ary hahatonga anao ho ela velona sy hiadana.+
3 Aza avela hiala aminao ny fitiavana sy ny tsy fivadihana.*+
Afatory eo amin’ny vozonao ireo toetra ireo,
Ary soraty eo amin’ny fonao,+
4 Dia hahazo sitraka amin’Andriamanitra sy ny olona ianao,+
Ka ho hitan’izy ireo hoe misaina tsara.
7 Aza mihevi-tena ho hendry,+
Fa matahora an’i Jehovah ka aza manao ratsy intsony.
8 Hanasitrana ny vatanao* izany,
Sady hamelombelona ny taolanao.
9 Manomeza voninahitra an’i Jehovah amin’ireo zava-tsarobidy anananao,+
Sy amin’ny voaloham-bokatrao* rehetra.+
10 Dia ho feno mitafotafo ny trano fitehirizam-bokatrao,+
Ary ny divay vaovao hihoatra an’ireo fanantazanao divay.*
11 Aza lavina ny famaizan’i Jehovah, anaka,+
Ary aza ankahalaina ny anatra omeny.+
12 Fa izay tian’i Jehovah no anariny,+
Toy ny ataon’ny ray amin’ny zanaka tiany.+
13 Sambatra ny olona mahita fahendrena,+
Sy ny olona lasa mahay mandinika.
14 Aleo mahazo fahendrena toy izay mahazo volafotsy,
Ary mahazo tombony kokoa izay manana azy noho izay manana volamena.+
15 Sarobidy noho ny haran-dranomasina* izy io,
Ary tsy misy azo ampitahaina aminy izay rehetra tianao.
16 Androm-piainana lava be no eny an-tanany ankavanana,
Ary harena sy voninahitra no eny an-tanany ankavia.
17 Mahafinaritra ny lalany,
Ary hahita fiadanana izay mandeha amin’ny lalany rehetra.+
18 Hazon’aina ho an’izay mitazona azy izy io,
Ary izay mifikitra mafy aminy no hatao hoe sambatra.+
19 Nampiasa ny fahendreny i Jehovah tamin’izy nanorina ny tany,+
Ary nasehony hoe mahira-tsaina* izy tamin’izy nanao ny lanitra ho mafy orina.+
20 Ny fahalalany no nampisaraka ny rano lalina,
Sy nahatonga ny lanitra hitete ando.+
21 Afantohy amin’izany* foana ny masonao, anaka.
Arovy ny fahendrena sy ny fahaiza-misaina,
22 Fa hahazoanao fiainana izany,
Ary ho firavaka eo amin’ny tendanao.
23 Amin’izay dia handeha tsy manana ahiahy ianao eo amin’ny lalanao,
28 Aza miteny amin’ny namanao hoe: “Mandehana dia miverena amin’ny manaraka! Rahampitso ianao homeko”,
Nefa afaka manome eo no ho eo ihany ianao.
29 Aza mitetika ny hanisy ratsy ny namanao,+
Nefa izy miara-monina aminao sady matoky anao.
31 Aza mitsiriritra olona mahery setra,+
Na mifidy ny lalany.
32 Halan’i Jehovah ny olona fetsifetsy,+
Fa ataony namana akaiky kosa ny olona manao izay mahitsy.+
33 Ny ozon’i Jehovah dia ao an-tranon’ny ratsy fanahy,+
Fa ny fitahiany kosa ao an-tranon’ny olo-marina.+
35 Hahazo voninahitra ny hendry,
Fa zavatra manala baraka kosa no sarobidy amin’ny adala.+