FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Deoteronomia 15:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 4 Tsy tokony hisy ho lasa mahantra anefa eo aminao, satria hitahy anao tokoa i Jehovah+ ao amin’ilay tany omen’i Jehovah Andriamanitrao ho lovanao, sy halainao ho fanananao,+

  • Deoteronomia 15:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Tena tokony homenao izy,+ ary tsy tokony ho kahihitra ny fonao rehefa manome azy, satria izany no hitahian’i Jehovah Andriamanitrao anao amin’ny asanao rehetra sy izay rehetra hataonao.+

  • Ohabolana 19:17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 Izay miantra ny mahantra dia mampisambotra an’i Jehovah,+ ary Izy no hanonitra an’izay nafoin’ilay olona.+

  • Lioka 6:35
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 35 Mifanohitra amin’izany kosa fa tiavo foana ny fahavalonareo, manaova soa mandrakariva, mampisambora vola+ tsy misy zanany, ary aza manantena valiny. Amin’izay dia ho lehibe ny valisoanareo ary ho zanaky ny Avo Indrindra ianareo,+ satria izy tsara fanahy+ amin’izay tsy mankasitraka sy amin’ny ratsy fanahy.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara