FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Genesisy 1:1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 1 Tany am-piandohana,+ dia namorona+ ny lanitra sy ny tany+ Andriamanitra.+

  • Deoteronomia 10:17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 Fa Andriamanitry ny andriamanitra+ sy Tompon’ny tompo+ i Jehovah Andriamanitrareo. Izy no Andriamanitra lehibe sy mahery ary mendrika hatahorana,+ izay tsy miangatra amin’iza na iza,+ ary tsy mandray kolikoly,+

  • Deoteronomia 32:31
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 31 Fa tsy mitovy amin’ny Vatolampintsika ny vatolampin’ireny,+

      Ary na ny fahavalontsika aza niaiky an’izany+ koa.

  • Ezra 1:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 Koa na iza na iza manompo azy aminareo, dia homba azy anie ny Andriamaniny!+ Koa aoka izy hiakatra ho any Jerosalema, any Joda, ka hanorina indray ny trano tany Jerosalema,+ dia ny tranon’i Jehovah Andriamanitry ny Israely, ilay tena Andriamanitra.+

  • Salamo 145:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  3 Lehibe i Jehovah, ka tena mendrika hoderaina tokoa.+

      Tsy takatry ny saina ny fahalehibeazany.+

  • Daniela 2:47
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 47 Ary hoy ny mpanjaka tamin’i Daniela: “Tena Andriamanitry ny andriamanitra+ tokoa ny Andriamanitrareo, sady Tompon’ireo mpanjaka+ ary Mpampiharihary zava-miafina, satria vitanao ny nampiharihary ilay zava-miafina.”+

  • Daniela 4:34
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 34 “Rehefa tapitra izany fotoana+ izany, dia nanandratra ny masoko+ ho amin’ny lanitra izaho Nebokadnezara, ary nody tamiko indray ny saiko. Dia nisaotra an’ilay Avo Indrindra aho,+ sady nidera sy nankalaza an’Ilay velona mandritra ny fotoana tsy voafetra,+ satria ny fitondrany dia fitondrana mandritra ny fotoana tsy voafetra, ary ny fanjakany haharitra hatramin’ny taranaka fara mandimby.+

  • Daniela 6:26
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 26 Mamoaka didy+ aho fa tokony hangovitra eo anatrehan’ilay Andriamanitr’i Daniela sy hatahotra azy+ ny olona any amin’ny faritra rehetra manerana ny fanjakako. Fa izy no ilay Andriamanitra velona sy Ilay maharitra mandrakizay.+ Ny fanjakany+ dia fanjakana tsy ho rava,+ ary ny fitondrany haharitra mandrakizay.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara