36 Tokony ho mizana marina+ sy vatomizana marina no hanananareo, ary koa efaha marina sy hina marina. Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, izay nitondra anareo nivoaka avy tany Ejipta.
15 Vatomizana marina sy ara-dalàna foana no tokony hanananao. Ary efaha marina sy ara-dalàna foana no tokony hanananao, mba ho lava andro iainana ianao eo amin’ilay tany omen’i Jehovah Andriamanitrao anao.+
5 ka miteny hoe: ‘Rahoviana vao ho tapitra ny tsinam-bolana+ mba hivarotanay varimbazaha,*+ ary ny sabata+ mba hivarotanay ny vokatray? Amin’izay dia hohakelezinay ny efaha+ sady hohalehibeazinay ny sekely, ary hamboarinay ny mizana mba hamitahana.+