-
1 Mpanjaka 7:15-22Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
15 Nandrendrika varahina izy hanaovana ny andry roa:+ 18 hakiho avy ny haavony, ary tady 12 hakiho vao nahodidina* ny andry tsirairay.+ 16 Ary nanao loha andry roa tamin’ny varahina narendrika izy, mba hatao teo an-tampon’ireo andry. Dimy hakiho ny haavon’ny loha andry iray, ary dimy hakiho koa ny haavon’ny iray. 17 Nisy haingony hoatran’ny harato teo amin’ny loha andry tsirairay teo an-tampon’ireo andry. Rojo norarina no nanaovana an’ilay haingony.+ Fito no teo amin’ny loha andry iray, ary fito koa no teo amin’ny iray. 18 Ary nanao ampongabendanitra roa andalana manodidina ny harato izy mba handrakofana ny loha andry, izay teo an-tampon’ireo andry. Nataony toy izany ireo loha andry roa. 19 Nitovy tamin’ny voninkazo lisy ireo loha andry teo an-tampon’ireo andry, teo akaikin’ny tilikambo fidirana. Efatra hakiho ny haavon’ireo voninkazo. 20 Teo an-tampon’ny andry roa no nisy an’ireo ampahany tamin’ny loha andry ireo, izany hoe teo ambonin’ilay faritra mivohitra voahodidin’ireo harato. Nisy andalana ampongabendanitra nanodidina ny loha andry tsirairay, ary 200 ny isan’ireo ampongabendanitra ireo.+
21 Natsangany ireo andrin’ny tilikambo fidirana mankao amin’ny tempoly.*+ Natsangany ny andry ankavanana* ary nantsoiny hoe Jakina.* Natsangany koa ny andry ankavia* ary nantsoiny hoe Boaza.*+ 22 Nitovy tamin’ny voninkazo lisy ny tampon’ireo andry. Dia vita ny fanamboarana an’ireo andry.
-
-
2 Tantara 4:11-13Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
11 Nanamboatra fitoeran-davenona sy lapelina ary vilia baolina koa i Hirama.+
Dia vitan’i Hirama ny asa nataony ho an’i Solomona Mpanjaka, momba ny tranon’ilay tena Andriamanitra:+ 12 Ny andry roa+ sy ny loha andry nitovy tamin’ny vilia baolina, izay teo an-tampon’ny andry roa; ny harato roa+ nandrakotra ny loha andry roa* teo an-tampon’ireo andry; 13 ny ampongabendanitra 400+ ho an’ny harato roa, ka ampongabendanitra roa andalana ho an’ny harato tsirairay, mba handrakofana ny loha andry roa* teo ambonin’ny andry;+
-
-
Jeremia 52:22, 23Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
22 Varahina ny loha andry teo amboniny, ary dimy hakiho ny haavon’ny loha andry iray.+ Varahina daholo ny haingony hoatran’ny harato sy ny ampongabendanitra nanodidina ny loha andry. Hoatr’izany koa ilay andry faharoa sy ireo ampongabendanitra. 23 Nisy 96 ny ampongabendanitra teo ivelany.* Tamin’ny fitambarany, dia nisy ampongabendanitra 100 nanodidina an’ilay harato.+
-