FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 2 Mpanjaka 25:9-11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 9 Dia nodorany ny tranon’i Jehovah+ sy ny tranon’ny* mpanjaka+ ary ny trano rehetra tao Jerosalema.+ Nodorany koa ny tranon’ny olona ambony rehetra.+ 10 Ary narodan’ny tafiky ny Kaldeanina manontolo, izay niaraka tamin’ilay lehiben’ny mpiambina, ny manda manodidina an’i Jerosalema.+ 11 Dia nentin’i Nebozaradana, lehiben’ny mpiambina, ny vahoaka sisa tao an-tanàna, sy ireo efa nitolo-batana tany amin’ny mpanjakan’i Babylona, ary ny mponina sisa tavela, ka nataony sesitany.+

  • 2 Tantara 36:17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 Koa nentin’Andriamanitra hanafika azy ireo ny mpanjakan’ny Kaldeanina.+ Dia novonoiny tamin’ny sabatra+ tao amin’ny toerana masina ny tovolahin’izy ireo.+ Tsy nisy nananany antra, na ny tovolahy na ny virjiny, na ny antitra na ny marefo.+ Natolotr’Andriamanitra teo am-pelatanany daholo ny zava-drehetra.+

  • 2 Tantara 36:19
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 19 Dia nodorany ny tranon’ilay tena Andriamanitra,+ ary noravany ny mandan’i Jerosalema.+ Nodorany koa ny tilikambo voaro mafy rehetra teo aminy, ary nopotehiny ny zava-tsarobidy rehetra.+

  • Nehemia 1:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 Dia hoy izy ireo: “Tena voa mafy sy afa-baraka ireo sisa avy natao sesitany, izay any amin’ny faritany.+ Ny mandan’i Jerosalema koa mbola rava,+ ary kilan’ny afo ny vavahadiny.”+

  • Jeremia 52:13-15
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 Dia nodorany ny tranon’i Jehovah+ sy ny tranon’ny* mpanjaka ary ny trano rehetra tao Jerosalema. Nodorany koa ny trano lehibe rehetra. 14 Ary narodan’ny tafiky ny Kaldeanina manontolo, izay niaraka tamin’ilay lehiben’ny mpiambina, ny manda manodidina an’i Jerosalema.+

      15 Dia nentin’i Nebozaradana, lehiben’ny mpiambina, ny olona sasany ambany saranga sy ny vahoaka sisa tao an-tanàna, ka nataony sesitany. Nentiny koa ireo efa nitolo-batana tany amin’ny mpanjakan’i Babylona, ary ny sisa tamin’ireo mpanao asa tanana tena mahay.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara