FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Jeremia 13:14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 14 Ary hataoko mifamotika izy ireo, na ny ray na ny zanany”, hoy i Jehovah.+ “Tsy hangoraka aho na halahelo na hamindra fo amin’izy ireo. Tsy hisy hahasakana ahy tsy handringana azy.”’+

  • Jeremia 21:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 7 “‘“Aorian’izany”, hoy i Jehovah, “dia izao no hataoko amin’i Zedekia mpanjakan’ny Joda sy ny mpanompony ary ny vahoaka ato amin’ity tanàna ity, dia ireo tsy matin’ny areti-mandringana sy ny sabatra ary ny mosary: Hataoko resin’i Nebokadnezara* mpanjakan’i Babylona izy ireo, ary hataoko resin’ny fahavalony sy ireo mitady hamono azy.*+ Hamely azy ireo amin’ny sabatra i Nebokadnezara. Tsy hiantra izy na hangoraka na hamindra fo.”’+

  • Fitomaniana 3:43
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 43 Tezitra ianao dia nosakananao tsy hanatona anao izahay.+

      Nanenjika anay sy namono anay tsy nisy indrafo ianao.+

  • Ezekiela 5:11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 “‘Raha mbola velona koa àry aho’, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony, ‘dia hariako* ianareo satria nolotoinareo tamin’ny sampy maharikoriko sy ny zava-maharikoriko rehetra nataonareo ny toerako masina.+ Tsy hiantra anareo ny masoko, ary tsy hangoraka anareo aho.+

  • Ezekiela 9:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 6 Fa vonoy daholo na lehilahy efa antitra na tanora, na virjiny, na ankizikely, na vehivavy.+ Aza mankeo amin’izay olona misy an’ilay marika anefa.+ Dia atombohy ao amin’ny toerako masina izany.”+ Nanomboka teo amin’ny anti-panahy teo alohan’ilay trano+ àry izy ireo.

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara