-
Jeremia 27:6, 7Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
6 Koa efa nomeko an’i Nebokadnezara+ mpanjakan’i Babylona sady mpanompoko, ireo tany rehetra ireo. Na ny bibidia aza efa nomeko azy mba hanompo azy. 7 Hanompo azy sy ny zanany ary ny zafikeliny ny firenena rehetra, mandra-pahatongan’ny fotoana haharesy ny taniny.+ Firenena maro sy mpanjaka lehibe no hanao azy ho andevo amin’izay fotoana izay.’+
-
-
Jeremia 50:1, 2Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
50 Izao no tenin’i Jehovah tamin’i Jeremia mpaminany momba an’i Babylona,+ ilay tanin’ny Kaldeanina:
2 “Lazao any amin’ireo firenena, ary ambarao!
Manangàna famantarana,* ary ambarao.
Aza misy afenina mihitsy!
Lazao hoe: ‘Azo babo i Babylona.+
Menatra i Bela.+
Mihorohoro i Merodaka.
Menatra ireo sary nivavahany.
Mihorohoro ireo sampiny maharikoriko.’*
-