FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 2 Samoela 7:8
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 8 Izao tenenina amin’i Davida mpanompoko: ‘Izao no tenin’i Jehovah Tompon’ny tafika: “Naka anao avy teny amin’ny kijana teny am-piandrasana ondry+ aho mba ho mpitarika ny Israely vahoakako.+

  • 2 Samoela 7:12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 Rehefa tapitra ny andronao+ ka hodimandry any amin’ny razambenao ianao, dia hotendreko ho mpanjaka handimby anao ny taranakao, dia ny zanakao lahy.* Ary hataoko mafy orina ny fanjakany.+

  • Salamo 132:11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 Efa nianiana tamin’i Davida i Jehovah;

      Tsy hivadika amin’izao teniny izao mihitsy izy:

      “Ny iray amin’ny taranakao

      No hapetrako eo amin’ny seza fiandriananao.+

  • Isaia 9:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  7 Hitombo foana ny fahefany,* ka tsy hifarana mihitsy izany.

      Tsy hisy farany koa ny fiadanana+

      Eo amin’ny seza fiandrianan’i Davida+ sy ny fanjakany.

      Ho mafy orina+ izy io,

      Ary ny rariny+ sy ny hitsiny+ no hampaharitra azy,

      Manomboka izao ka ho mandrakizay.

      Ny hafanam-pon’i Jehovah Tompon’ny tafika no hanatanteraka an’izany.

  • Isaia 11:1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 Hisy rantsana+ hitsiry avy amin’ny foto-kazon’i Jese,+

      Ary hisy tsimoka+ hipoitra avy amin’ny fakany ka hamoa.

  • Isaia 11:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
  • Jeremia 23:5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 5 “Henoy izao!”, hoy i Jehovah. “Ho avy ny andro hampipoirako tsimoka* marina+ ho an’i Davida. Hisy mpanjaka hitondra+ eo amin’ilay tany. Ho lalin-tsaina izy ary hanao ny rariny sy ny hitsiny.+

  • Matio 1:1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 1 Ny boky mirakitra ny tantaran’i* Jesosy Kristy,* zanak’i Davida,+ zanak’i Abrahama:+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara