Joba
17 “Lany ny heriko, ary tapitra ny androko.
Ny fasana no miandry ahy.+
2 Voahodidina mpaneso aho,+
Ary voatery mifantoka amin’ny fikomian’izy ireo ny masoko.
3 Mba ekeo re ny antoka omeko anao e, ka tehirizo any aminao izany!
Fa iza indray moa no hifandray tanana amiko ka hanaiky hiantoka ahy?+
4 Fa nafeninao tsy ho ao am-pon’izy ireo ny fahiratan-tsaina;+
Izany no antony tsy anandratanao azy.
5 Misy olona mizara an’izay ananany amin’ny namany,
Nefa ny zanany aza lali-maso noho ny hanoanana.
7 Mihamanjavozavo ny masoko noho ny fahoriana,+
Ary toy ny aloka sisa ny rantsambatako rehetra.
8 Midanàka ny olo-marina mahita an’izany,
Ary mikorontan-tsaina ny tsy manan-tsiny noho ny ataon’ny olona tsy matahotra an’Andriamanitra.*
10 Andao àry tohizo indray ny adihevitrareo,
Fa tsy hitako izay hendry aminareo.+
12 Ny alina no lazain’izy ireo fa andro,
Ka hoy izy ireo: ‘Akaiky ny mazava satria efa maizina izao.’
13 Raha mbola miandry aho, dia ny Fasana* no ho tranoko,+
Ary hamelatra ny fandrianako ao amin’ny haizina aho.+
14 Ny lavaka*+ no hantsoantsoiko hoe: ‘Ianao no raiko!’
Ary ny olitra hoe: ‘Ianao no reniko sy anabaviko!’
15 Koa aiza àry ny fanantenako?+
Iza no mahita hoe mbola misy azoko antenaina?