FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Nehemia 9:26
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 26 “Tsy nankatò+ anefa izy ireo, ary nikomy taminao+ sady tsy niraharaha ny lalànao.+ Novonoiny koa ny mpaminaninao,+ izay nampirisika azy hiverina aminao.+ Ary naniratsira anao tokoa izy ireo.+

  • Isaia 1:20
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 20 Raha tsy manaiky+ kosa anefa ianareo fa mikomy, dia ho lanin’ny sabatra. Fa ny vavan’i Jehovah no efa niteny.”+

  • Isaia 30:9
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 9 Fa vahoaka mpikomy+ izy ireo, ary zanaka tsy atokisana+ sady tsy vonona hihaino ny lalàn’i Jehovah.+

  • Isaia 63:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Nikomy anefa izy ireo,+ ka nanao izay hampalahelo ny fanahiny masina.+ Koa nanjary fahavalon’izy ireo izy+ ka niady taminy.+

  • Ezekiela 2:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 Hoy koa izy tamiko: “Ry zanak’olona, irahiko ho any amin’ny taranak’Israely ianao,+ dia any amin’ireo firenena mpikomy izay nikomy tamiko.+ Fa nandika ny lalàko izy ireo sy ny razany mandraka androany.+

  • Ezekiela 20:21
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 21 “‘“Nikomy tamiko anefa ny taranany.+ Tsy notandremany ny lalàko ary tsy nohajainy ny didim-pitsarako, ka tsy notanterahiny. Ho velona anefa ny olona raha mitandrina izany.+ Nozimbazimbain’izy ireo koa ny sabatako.+ Koa nilaza aho fa hampihariko aminy ny fahatezerako, mba hanamparako ny fahavinirako aminy any an-tany efitra.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara