FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Eksodosy 24:9, 10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 9 Niakatra nankany an-tendrombohitra i Mosesy sy Arona, Nadaba sy Abiho, ary ireo 70 lahy anisan’ny anti-panahin’ny Israely. 10 Dia hitan’izy ireo ny Andriamanitry ny Israely.+ Teo ambany tongony dia nisy toy ny rarivato vita tamin’ny safira, ary toy ny lanitra manga tena madio no fahitana an’ilay izy.+

  • Isaia 6:1-3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 6 Tamin’ny taona nahafatesan’i Ozia Mpanjaka,+ dia hitako i Jehovah nipetraka teo amin’ny seza fiandrianana avo sy manerinerina,+ ary nameno ny tempoly ny akanjony lava mirebareba. 2 Nisy serafima nijoro teo amboniny. Samy nanana elatra enina avy izy ireo,* ka ny roa nanaronany ny tarehiny, ny roa nanaronany ny tongony, ary ny roa nanidinany.

       3 Ary niteny mafy tamin’ny iray ny anankiray hoe:

      “Masina, masina, masina i Jehovah Tompon’ny tafika!+

      Feno ny voninahiny ny tany manontolo.”

  • Ezekiela 1:27, 28
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 27 Dia nahita zavatra namirapiratra hoatran’ny metaly manjelatra+ sy hoatran’ny afo aho, avy eo amin’ilay hoatran’ny andilany no ho miakatra. Avy eo amin’ny andilany no ho midina indray, dia zavatra mitovy amin’ny afo+ no tazako. Ary nisy hazavana be nanodidina azy, 28 hoatran’ny hazavan’ny avana+ eny amin’ny rahona rehefa avy ny orana. Sahala amin’izany no fahitana an’ilay hazavana namirapiratra nanodidina azy. Hoatran’ny voninahitr’i Jehovah+ no fahitana an’ilay izy. Rehefa nahita an’izany aho, dia niankohoka, ary nanomboka naheno feon’olona niteny.

  • Apokalypsy 4:2, 3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 2 Tonga dia niasa tamiko ny fanahin’Andriamanitra, taorian’izay. Dia io fa nisy seza fiandrianana+ tany an-danitra, ary nisy nipetraka teo amboniny. 3 Hoatran’ny vato jaspa+ sy vatosoa sardoanina* no fahitana an’Ilay nipetraka. Ary nanodidina an’ilay seza fiandrianana dia nisy avana hoatran’ny emeraoda.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara