-
Ezra 6:14, 15Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
14 Ary nanohy an’ilay asa fanorenana foana ny anti-panahin’ny Jiosy, ka nandroso tsara ilay izy.+ Nampahery azy ireo mantsy ny faminanian’i Hagay+ mpaminany sy Zakaria+ zafikelin’i Ido. Dia vitan’izy ireo ilay trano, noho ny baikon’ilay Andriamanitry ny Israely+ sy ny baikon’i Kyrosy+ sy Dariosy+ ary Artaksersesy+ mpanjakan’i Persa. 15 Vitany tanteraka ilay trano tamin’ny andro fahatelon’ny volana Adara,* tamin’ny taona fahenina nanjakan’i Dariosy Mpanjaka.
-