Salamo
Maskila* nataon’i Etana+ Ezrahita.
89 Hohiraiko mandrakizay hoe be fitiavana sy tsy mivadika i Jehovah.
Hampahafantariko an’ireo taranaka fara aman-dimby fa mendri-pitokisana ianao.
2 Fa hoy aho: “Ho mafy orina* mandrakizay ny fitiavana sy ny tsy fivadihana,+
Ary ataonao tsara fototra any an-danitra ilay toetranao hoe mendri-pitokisana.”
4 ‘Hataoko maharitra mandrakizay ny taranakao,+
Ary hataoko mafy orina hatramin’ny taranaka fara aman-dimby ny seza fiandriananao.’”+ (Sela)
5 Midera an’ireo zava-mahagaga nataonao ny lanitra, Jehovah ô;
Midera ny tsy fivadihanao ny fiangonan’ireo masina.
6 Fa iza any an-danitra no afaka mifampitaha amin’i Jehovah?+
Iza amin’ireo zanak’Andriamanitra+ no mitovy amin’i Jehovah?
7 Hajaina sy atahorana Andriamanitra eo anivon’ireo* masina;+
Be voninahitra izy amin’izay rehetra manodidina azy+ sady atahoran’izy ireo.
8 Jehovah Andriamanitry ny tafika ô,
Iza no mahery hoatr’anao, ry Jah?+
Mendri-pitokisana ianao amin’ny zava-drehetra.+
10 Notorotoroinao i Rahaba,+ ka toy ny novonoina ho faty.+
Ny sandrinao matanjaka no nanaparitahanao ny fahavalonao.+
14 Ny rariny sy ny hitsiny no fototra iorenan’ny seza fiandriananao;+
Eo anatrehanao ny fitiavana sy ny tsy fivadihana.+
15 Sambatra izay olona manao horakora-pifaliana;+
Mandeha amin’ny hazavanao* izy ireo, Jehovah ô!
16 Mifaly amin’ny anaranao izy ireo tontolo andro,
Ary noho ny fahamarinanao dia misandratra izy ireo.
17 Fa ianao no mahatonga azy ireo hahery+ sy ho be voninahitra,
18 Fa avy amin’i Jehovah ny ampinganay,
Ary avy amin’Ilay Masin’ny Israely ny mpanjakanay.+
19 Niteny tao amin’ny fahitana ianao tamin’izany, ka nilaza tamin’ireo tsy nivadika taminao hoe:
21 Hanohana azy ny tanako,+
Ary hanatanjaka azy ny sandriko.
22 Tsy hisy fahavalo hitaky hetra aminy,
Ary tsy hisy olona tsy marina hampijaly azy.+
24 Hasehoko azy hoe tia azy sy tsy mivadika aminy aho sady mendri-pitokisana,+
Ary noho ny anarako dia hitombo ny heriny.*
26 Dia hiantso ahy izy hoe: ‘Raiko ianao,
Andriamanitro sy Vatolampy mpamonjy ahy.’+
28 Ho tia azy sy tsy hivadika aminy mandrakizay aho,+
Ary hanan-kery foana ny fifanekena nataoko taminy.+
29 Hataoko maharitra mandrakizay ny taranany,
Ary haharitra toy ny lanitra ny seza fiandrianany.+
30 Raha tsy mankatò ny lalàko ny taranany,
Ka tsy manaraka ny baiko omeko azy,*
31 Ary raha mandika ny fitsipiko izy ireo,
Ka tsy mitandrina ny didiko,
32 Dia hofaiziko amin’ny tsorakazo ny tsy fankatoavan’izy ireo,*+
Ary hokaravasiko ny fahadisoany.
33 Ho tia azy foana sy tsy hivadika aminy mihitsy anefa aho,+
Ary tsy hivadika amin’ny fampanantenana nataoko.*
35 Masina aho, ka efa nianiana indray mandeha tsy miverina;
Tsy handainga amin’i Davida aho.+
36 Haharitra mandrakizay ny taranany;+
Haharitra eo anatrehako toy ny masoandro ny seza fiandrianany.+
37 Ho mafy orina mandrakizay toy ny volana izy io,
Tahaka ny vavolombelona mendri-pitokisana eny amin’ny lanitra.” (Sela)
38 Ianao kosa anefa nanary sy nanda an’ilay voahosotrao,+
Ary nisafoaka taminy.
39 Nohamavoinao ny fifanekena nataonao tamin’ilay mpanomponao;
Nozimbazimbainao ny satroboninahiny* ka natsipinao tamin’ny tany.
40 Narodanao daholo ny mandany* vita amin’ny vato;
Noravanao ny toerany voaro mafy.
41 Nandroba azy daholo izay rehetra nandalo;
Latsain’ny mpiara-monina aminy izy.+
43 Nahemotrao koa ny sabany,
Ary tsy nampianao izy tany an’ady.
44 Nesorinao taminy ny voninahiny,
Ary natsipinao tamin’ny tany ny seza fiandrianany.
45 Nohafohezinao ny andron’ny fahatanorany;
Nataonao nitafy henatra izy. (Sela)
46 Mandra-pahoviana ianao no hiafina, Jehovah ô? Ho mandrakizay ve?+
Hirehitra foana toy ny afo ve ny fahatezeranao?
47 Tsarovy fa fohy ihany ange ny androm-piainako e!+
Dia tsy misy antony ve ny namoronanao ny olombelona rehetra?
48 Iza no olona velona ka tsy ho faty mihitsy?+
Afaka mamonjy ny tenany tsy ho voagejan’ny* Fasana* ve izy? (Sela)
49 Jehovah ô, aiza ireny fitiavana sy tsy fivadihana nasehonao taloha ireny,
Izay nianiananao tamin’i Davida noho ianao mendri-pitokisana?+
50 Tsarovy ny latsa natao tamin’ny mpanomponao, Jehovah ô,
Dia ny latsa nozakaiko* avy tamin’ny firenena rehetra;
51 Tsarovy ny teny ratsy nolazain’ireo fahavalonao, Jehovah ô,
Dia ny teny ratsy nataon’izy ireo tamin’ny voahosotrao tany amin’izay rehetra nandehanany.
52 Hoderaina mandrakizay anie i Jehovah! Amena! Amena!+