Isaia
35 Hifaly ny tany efitra sy ny tany ngazana,+
Ary hiravoravo ny lemaka karakaina sady ho feno voninkazo.*+
2 Hamony tokoa ny lemaka karakaina,+
Sady ho faly sy hihoby.
Ho hitan’ny olona fa be voninahitra i Jehovah, ary henin-kaja ilay Andriamanitsika.
3 Hatanjaho ny tanana malemy,
Sy ny lohalika mangozohozo.+
4 Lazao amin’ireo mitebiteby hoe:
“Mahereza ary aza matahotra!
Ho avy hamaly ny fahavalonareo ilay Andriamanitrareo,
Ho avy hanasazy Andriamanitra,+
Ary ho avy hamonjy anareo izy.”+
5 Amin’izany fotoana izany, dia hatao lasa mahita ny mason’ny jamba,+
Ary hatao mandre ny sofin’ny marenina.+
6 Amin’izany fotoana izany koa, dia hitsambikina hoatran’ny serfa* ny malemy tongotra,+
Ary hihoby ny lelan’ny moana.+
Fa hisy rano hiboiboika any an-tany efitra,
Ary hisy rano mikoriana any amin’ny lemaka karakaina.
7 Ho lasa farihy anirian’ny bararata ny tany ngazana,
Ary ho lasa loharano ny tany karakaina.+
Hisy ahitra maitso sy bararata ary zozoro ny toerana ipetrahan’ny alikadia,+
Dia ny toerana fialany sasatra.
8 Hisy lalambe any,+
Dia lalana hatao hoe Lalan’ny Fahamasinana.
Tsy handeha eny ny olona tsy madio.+
Fa natokana ho an’izay mahazo mandeha eny ihany izy io,
Ka tsy hisy olona adala handehandeha eny.
9 Tsy hisy liona eny,
Sady tsy hankeny ny bibidia masiaka.
10 Hiverina+ any Ziona ireo navotan’i Jehovah sady hihoby.+
Hifaly foana izy ireo ka ho toy ny satroboninahitra eny aminy ny fifaliany.+
Ho falifaly sy ho ravoravo foana izy ireo,
Fa tsy halahelo na hisento intsony.+