Salamo
Hira. Salamo nataon’i Asafa.+
83 Aza mangina fotsiny, Andriamanitra ô!+
Aza mangina tsy miteny na mijery fotsiny, Andriamanitra ô!
3 Fetsifetsy izy ireo ka manao tetika mangingina hamelezana ny vahoakanao;
Mikaon-doha hanohitra an’ireo olona tena tianao* izy ireo.
4 Hoy izy ireo: “Andao hofongorantsika ny fireneny,+
Amin’izay dia tsy hotsaroana intsony ny anarana hoe Israely.”
5 Miara-mamorona paikady* izy ireo;
Manao fifanekena hanoherana anao+ izy ireo,
6 Dia ny tranolain’i Edoma sy ny Ismaelita, Moaba+ sy ny Hagarita,+
7 Gebala sy Amona+ sy Amaleka,
9 Ataovy toy ny nanaovanao ny Midianina+ izy ireo,
Toy ny nanaovanao an’i Sisera sy Jabina teo amin’ny reniranon’i* Kisona.+
10 Naringana tany En-dora+ izy ireo,
Ka lasa zezika ho an’ny tany.
11 Ataovy toy ny nanaovanao an’i Oreba sy Zeba+ ny olona ambony eo aminy,
Ary ataovy toy ny nanaovanao an’i Zebaha sy Zalmona+ ny andrianany.*
12 Nilaza mantsy izy ireo hoe: “Andao halaintsika ilay tany ipetrahan’Andriamanitra.”
13 Ataovy hoatran’ny tsilo avadibadiky ny tadio izy ireo,+ ry Andriamanitro ô,
Hoatran’ny mololo entin’ny rivotra.
14 Toy ny afo mandoro ala,
Toy ny lelafo mandrehitra tendrombohitra,+
15 Ho toy izany anie no hanenjehanao azy amin’ny rivo-mahery,+
Sy hampihorohoroanao azy amin’ny tafio-drivotra avy aminao!+
16 Ataovy afa-baraka tanteraka izy ireo,*
Mba hitadiavany ny anaranao, Jehovah ô!