FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Deoteronomia 17:16
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 16 Aoka anefa izy tsy hampitombo ny isan’ny soavaliny,+ na hampiverina ny olona ho any Ejipta mba hahazoana soavaly maro.+ Efa niteny taminareo mantsy i Jehovah hoe: ‘Aza miverina amin’io lalana io intsony.’

  • 2 Mpanjaka 7:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 7 Koa lasa nandositra avy hatrany izy ireo tamin’ilay takariva maizimaizina iny,+ ka nilaozany ny tranolainy sy ny soavaliny+ ary ny ampondrany, dia nilaozany fotsiny teo ny tobiny. Eny, lasa nandositra izy ireo mba hamonjy ny ainy.*+

  • Salamo 20:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  7 Ny sasany miresaka momba ny kalesin’adiny, ary ny hafa miresaka momba ny soavaly,+

      Fa izahay kosa hiresaka momba ny anaran’i Jehovah Andriamanitray.+

  • Ohabolana 21:31
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 31 Voaomana ho amin’ny andro fiadiana ny soavaly,+ fa avy amin’i Jehovah kosa ny famonjena.+

  • Isaia 31:1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 31 Lozan’izay midina hitady fanampiana any Ejipta,+ sy miantehitra amin’ny soavaly,+ sy mitoky amin’ny kalesin’ady+ noho ny hamaroan’ireny, ary mitoky amin’ny soavaly fitondra miady satria tena mahery ireny. Tsy mitodika any amin’Ilay Masin’ny Israely izy ireo, ary tsy mitady an’i Jehovah.+

  • Hosea 14:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 Tsy hamonjy anay i Asyria,+ ary tsy hitaingin-tsoavaly izahay.+ Tsy hiteny amin’ny asan’ny tananay intsony izahay hoe: “Ry Andriamanitray ô!”, satria noho ianao no anehoana famindram-po amin’ny kamboty ray.’+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara