Salamo
Ho an’ny mpitarika. Ampiarahina amin’ny zavamaneno fitendry. Maskila* nataon’i Davida.
2 Mba henoy aho, ka valio.+
Tsy mahatombina aho noho ny tebiteby ato anatiko,+
Ary miady saina aho
3 Noho izay lazain’ny fahavalo
Sy ny fampijaliana ataon’ny ratsy fanahy.
Fa ataon’izy ireo tototry ny loza aho,
Ary mitana lolompo amiko izy ireo sady tezitra.+
5 Raiki-tahotra sy tora-kovitra aho,
Ary mipararetra mafy.
6 Miteny foana aho hoe: “Raha mba nanana elatra hoatran’ny voromailala mantsy aho,
Dia ho nitsoaka nanidina, ka ho nonina tsy manana ahiahy.
7 Handositra lavitra aho,+
Ka hipetraka any an-tany efitra.+ (Sela)
8 Hamonjy fialofana haingana aho,
Mba tsy ho azon’ny tafio-drivotra sy ny oram-baratra.”
9 Ataovy tsy mifanara-tsaina izy ireo, Jehovah ô, ary ataovy tsy tanteraka ny fikasany,*+
Fa mahita herisetra sy ady aho ao an-tanàna.
10 Mandehandeha eny ambonin’ny mandan’ny tanàna izy ireo,* na andro na alina;
Faharatsiana sy fahoriana no hita ao.+
11 Misy loza ao;
Tsy miala eo amin’ny tany malalak’ilay tanàna mihitsy ny fampahoriana sy ny fitaka.+
12 Tsy fahavalo mantsy no manaratsy ahy,+
Fa raha izany, dia ho zakako ihany.
Tsy olona mankahala ahy no mitsangana hanohitra ahy,
Fa raha izany, dia ho niafina azy aho.
14 Mpinamana be isika hatramin’izay,
Ary mpandeha tany an-tranon’Andriamanitra niaraka tamin’ny vahoaka.
15 Enga anie ho ringana izy ireny,+
Ka hidina velona any amin’ny Fasana!*
Fa zava-dratsy foana no ao am-pony na aiza na aiza misy azy.
16 Fa izaho kosa hiantso an’Andriamanitra,
Ka hamonjy ahy i Jehovah.+
17 Na hariva na maraina na antoandro, dia mitebiteby sy mitaraindraina* aho,+
Ka maheno ny feoko izy.+
19 Handre Andriamanitra ka hamaly an’ireny,+
Dia ilay Andriamanitra mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana efa hatramin’ny taloha ela be.+ (Sela)
Tsy hanaiky hiova mantsy izy ireny,
Dia ireo tsy matahotra an’Andriamanitra.+
21 Malefaka noho ny dibera ny teniny,+
Nefa ady no ao am-pony.
Malefaka noho ny menaka ny teniny,
Nefa toy ny sabatra efa notsoahana tao anaty tranony.+
Tsy havelany hianjera* mihitsy ny olo-marina.+
23 Fa ianao Andriamanitra ô, no hampidina ny ratsy fanahy any amin’ny lavaka faran’izay lalina.+
Tsy hahatratra ny antsasaky ny androny ny mpandatsa-dra sy ny mpamitaka.+
Fa izaho kosa hatoky anao.