-
Jeremia 23:16, 17Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
16 Izao no lazain’i Jehovah Tompon’ny tafika:
“Aza mihaino ny tenin’ireo mpaminany milaza faminaniana aminareo.+
Mamitaka* anareo fotsiny izy ireo.
17 Izao no averimberiny amin’ireo tsy manaja ahy:
‘Izao no lazain’i Jehovah: “Hiadana ianareo.”’+
Ary izay rehetra mikiry manao izay tian’ny fony kosa ataony hoe:
‘Tsy hisy loza hanjo anareo.’+
-
-
Jeremia 28:1, 2Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
28 Tamin’iny taona iny ihany, izany hoe teo am-piandohan’ny fanjakan’i Zedekia+ mpanjakan’ny Joda, tamin’ny volana fahadimy, tamin’ny taona fahefatra, dia niteny an’izao tamiko, tao an-tranon’i Jehovah teo anatrehan’ny mpisorona sy ny vahoaka rehetra, i Hanania zanak’i Azora, mpaminany avy any Gibeona:+ 2 “Izao no lazain’i Jehovah Tompon’ny tafika, Andriamanitry ny Israely: ‘Hotapahiko ny ziogan’ny mpanjakan’i Babylona.+
-