Salamo
BOKY FAHADIMY
(Salamo 107–150)
2 Aoka hilaza an’izany ireo navotan’i Jehovah,
Dia ireo navotany avy teo an-tanan’ny* fahavalo,+
3 Sy nangoniny avy tany amin’ny tany maro,+
Avy tany atsinanana sy tany andrefana,*
Ary avy tany avaratra sy tany atsimo.+
4 Nirenireny tany an-tany efitra izy ireo, tany amin’ny tany karakaina,
Ary tsy nahita lalana hankanesana any amin’izay tanàna azony ipetrahana.
5 Noana sy nangetaheta izy ireo,
Ary efa saika torana noho ny harerahana.
6 Nitaraindraina tamin’i Jehovah izy ireo rehefa tao anatin’ny sarotra,+
Ka nafahany tamin’ny fahoriany.+
7 Nampandehaniny tamin’ny lalana tokony halehany+ izy ireo,
Mba ho tonga any amin’izay tanàna azony ipetrahana.+
8 Misaora an’i Jehovah+ noho izy be fitiavana sy tsy mivadika,
Sy noho ny zavatra mahatalanjona nataony ho an’ny zanak’olombelona.+
10 Nisy tamin’izy ireo niaina tao anatin’ny haizim-pito,
Sady voagejan’ny fahoriana sy ny gadra vy.
11 Nikomy tsy nanaraka ny tenin’Andriamanitra mantsy izy ireo;
Tsy noraharahiany ny torohevitr’ilay Avo Indrindra.+
12 Koa navelany hizaka fahoriana+ izy ireo mba hahatonga azy hanetry tena tao am-pony;
Tafintohina izy ireo, ary tsy nisy nanampy.
13 Dia niantso vonjy tamin’i Jehovah izy ireo rehefa tao anatin’ny sarotra,
Ka novonjeny tamin’ny fahoriany.
14 Navoakany avy tao anatin’ny haizim-pito izy ireo,
Ary notapahiny ny zavatra namatotra azy ireo.+
15 Misaora an’i Jehovah noho izy be fitiavana sy tsy mivadika,+
Sy noho ny zavatra mahatalanjona nataony ho an’ny zanak’olombelona.
16 Fa nopotipotehiny ny varavarana varahina
Ary notapahiny ny bara hidiny vy.+
18 Lasa nalain-komana* izy ireo,
Ary nanakaiky an’ireo vavahadin’ny fahafatesana.
19 Dia niantso vonjy tamin’i Jehovah izy ireo rehefa tao anatin’ny sarotra,
Ka novonjeny tamin’ny fahoriany.
20 Niteny izy ka nositraniny izy ireo+
Sady nafahany avy tao amin’ny lavaka nilatsahany.
21 Misaora an’i Jehovah noho izy be fitiavana sy tsy mivadika,
Sy noho ny zavatra mahatalanjona nataony ho an’ny zanak’olombelona.
22 Aoka izy ireo hanolotra sorona fisaorana,+
Sy hanambara ny asan’Andriamanitra sady hihoby.
23 Ireo mandeha sambo eny an-dranomasina,
Sy manao raharaham-barotra eny amin’ny rano midadasika,+
24 Dia mahita ny asan’i Jehovah
Sy ny zavatra mahatalanjona nataony any amin’ny rano lalina.+
25 Hitan’izy ireo fa miteny Andriamanitra dia misy tafio-drivotra+
Mampiakatra ny onjan-dranomasina.
26 Misavoana eny amin’ny lanitra ireo tantsambo,
Ary midina any amin’ny rano lalina avy eo.
Tsy manana herim-po intsony izy ireo noho ny loza mananontanona.
27 Tsy mandeha mahitsy izy ireo fa mivembena toy ny mamo,
Ka lasa tsy misy ilana azy ny fahaizany rehetra.+
28 Dia miantso vonjy amin’i Jehovah izy ireo rehefa ao anatin’ny sarotra,+
Ka afahany amin’ny fahoriany.
29 Mampitony ny tafio-drivotra izy,
Dia tsy misamboaravoara intsony ny onjan-dranomasina.+
30 Faly izy ireo rehefa tony ireny,
Ary tarihin’Andriamanitra ho any amin’ny seranana tiany hahatongavana izy ireo.
31 Misaora an’i Jehovah noho izy be fitiavana sy tsy mivadika,
Sy noho ny zavatra mahatalanjona nataony ho an’ny zanak’olombelona.+
32 Aoka izy ireo hanandratra azy eo anivon’ny vahoaka tafavory,+
33 Manova ny renirano ho tany efitra Andriamanitra,
Sy manova ny loharano ho tany karakaina,+
34 Ary ny tany mahavokatra ho tany ngazana feno sira,+
Noho ny ratsy ataon’ny olona mipetraka ao.
35 Manova ny tany efitra ho farihy anirian’ny bararata izy,
Ary manova ny tany maina ho lasa be loharano.+
38 Tahiny izy ireo ka lasa maro be;
Tsy avelany hihavitsy ny biby fiompiny.+
39 Mihavitsy indray anefa izy ireo ary afa-baraka,
Noho ny fampahoriana sy ny loza ary ny alahelo.
40 Ataony tototry ny fahafaham-baraka ny olona ambony,
Ary ataony mirenireny any amin’ny tany ngazana tsy misy lalana.+