Salamo
BOKY FAHATELO
(Salamo 73–89)
Hiran’i Asafa.+
73 Tena manao soa amin’ny Israely Andriamanitra, dia amin’izay madio fo.+
2 Izaho kosa saika nivily lalana;
Saika nibolisatra ny tongotro.+
6 Koa ny fireharehana no rojo iambozonany,+
Ary ny herisetra no akanjo anaovany.
7 Bongon’ny tavy* ny masony.
Mihoatra noho izay nokasainy tao am-pony ny zava-bitany.
8 Maneso sy miresaka zava-dratsy ireny.+
Mandrahona ny hampijaly olona ireny sady mizahozaho erỳ.+
9 Hita amin’ny resaka ataony hoe ambony hoatran’ny lanitra no fiheverany ny tenany,
Ary mirehareha erỳ ny lelany mandehandeha mitety ny tany.
10 Koa lasa mankany amin’izy ireny ny vahoakan’Andriamanitra,*
Ka misotro amin’ny rano be dia be ananany.
11 Milaza izy ireo hoe: “Ahoana moa no ahalalan’Andriamanitra an’izany?+
Angaha moa ilay Avo Indrindra tena mahalala an’izay mitranga?”
12 Hoatr’izany ny ratsy fanahy! Mandeha tsara foana ny fiainany.+
Ampitomboiny foana ny harenany.+
13 Very maina fotsiny ny ezaka nataoko mba hananana fo madio foana,
Sy ny nanasako ny tanako mba ho porofo fa tsy manan-tsiny aho.+
15 Raha niresaka an’izany zavatra izany anefa aho,
Dia ho nivadika tamin’ny vahoakanao.*
16 Rehefa niezaka hahatakatra an’izany aho,
Dia nikorontana ny saiko
17 Mandra-piditro tao amin’ny toerana masin’Andriamanitra,
Ka nahafantarako ny hoavin’izy ireny.
18 Apetrakao eo amin’ny toerana malama tokoa izy ireny.+
Ataonao izay hahalavo azy mba ho ringana izy.+
19 Tampoka teo dia ringana izy ireny!+
Mifarana tampoka ny fiainany sady loza no iafarany.
20 Toy ny hanadinoana ny nofy rehefa mifoha, Jehovah ô,
No hanesoranao azy* rehefa mifoha ianao.
22 Tsy nieritreritra aho sady tsy nahira-tsaina;
Toy ny biby tsy misaina aho teo anatrehanao.
23 Eo aminao foana anefa aho izao;
Nandray ny tanako ankavanana ianao.+
25 Manana an’iza moa aho any an-danitra?
Ary tsy misy na inona na inona iriko eto an-tany, afa-tsy ianao.+
26 Mety hihareraka ny vatako sy ny foko,
Fa Andriamanitra kosa no vatolampin’ny foko sy anjarako mandrakizay.+
27 Ho ripaka tokoa izay manalavitra anao.
Haringanao* izay mivadika aminao ka miala aminao.*+
28 Fa izaho kosa, ny manakaiky an’Andriamanitra no tsara amiko.+
I Jehovah Tompo Fara Tampony no ataoko fialofako,
Mba hanambarako ny zavatra rehetra ataony.+