-
Isaia 11:11, 12Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
11 Amin’izany andro izany, dia mbola hanolotra ny tanany fanindroany i Jehovah, mba hamerenana an’izay sisa tavela amin’ny vahoakany avy any Asyria+ sy Ejipta+ sy Patrosa+ sy Kosy+ sy Elama+ sy Sinara* sy Hamata ary avy any amin’ireo nosin-dranomasina.+ 12 Ary hanangana tsato-kazo famantarana ho an’ireo firenena izy, ka hanangona an’ireo Israelita niparitaka.+ Dia hangoniny avy any amin’ny vazan-tany efatra izay niely tamin’ny mponin’i Joda.+
-
-
Jeremia 30:10, 11Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
10 “Koa aza matahotra ianao, ry Jakoba mpanompoko”, hoy i Jehovah,
“Ary aza mihorohoro, ry Israely ô!+
Fa hovonjeko avy any an-tany lavitra ianao,
Ary ny taranakao hovonjeko avy any amin’ny tany nahababo azy.+
Dia hiverina i Jakoba, ka hilamina sy tsy hisy hanakorontana.
Tsy hisy hampatahotra azy ireo.”+
11 “Fa ho eo foana aho mba hamonjy anao”, hoy i Jehovah,
-
-
Ezekiela 34:13, 14Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
13 Havoakako avy any amin’ireo firenena izy ireo, ary hangoniko avy any amin’ny tany samy hafa ka hoentiko ao amin’ny taniny. Hiandry* ny ondriko eny amin’ny tendrombohitr’i Israely aho,+ dia eny amoron’ny renirano sy eny amin’izay rehetra azo onenana ao amin’ilay tany. 14 Eny amin’ny tanimbilona tsara aho no hiandry azy ireo, ary eny amin’ny tendrombohitra avon’i Israely izy ireo no hiraoka ahitra.+ Hitsilailay eny amin’ny tanimbilona tsara eny izy ireo.+ Eny amin’ny kijana feno ahi-maitso izy ireo no hiraoka ahitra, eny amin’ny tendrombohitr’i Israely.”
-
-
Amosa 9:14, 15Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
14 Hampodiko izay babo amin’ny Israely vahoakako.+
Haorin’izy ireo indray ny tanàna rava, ka ao izy no hipetraka.+
Hamboly voaloboka koa izy ireo ka hisotro ny divay azo avy amin’izany,+
Sady hanao zaridaina ka hihinana ny vokatra amin’izany.+
15 ‘Hamboleko eo amin’ny taniny izy ireo,
Ka tsy hongotana hiala amin’ilay tany nomeko azy intsony’,+
Hoy i Jehovah Andriamanitrao.”
-