Salamo
74 Nahoana no dia nolavinao mandrakizay izahay, Andriamanitra ô?+
Nahoana ianao no tezitra be* amin’ny ondry ao amin’ny kijananao?+
Tsarovy ny Tendrombohitra Ziona, ilay toerana ipetrahanao.+
3 Mankanesa any amin’ilay toerana rava tanteraka.+
Nosimban’ny fahavalo ny zava-drehetra tao amin’ny toerana masina.+
4 Nierona tao amin’ny toerana fihaonana aminao ny fahavalonao.+
Natsangan’izy ireo tao ny saina keliny, mba ho famantarana.
5 Toy ny olona manainga famaky hikapa ala mikitroka izy ireo.
6 Nopotipotehiny tamin’ny famaky sy bara vy daholo ny asa sokitra+ tao.
7 Nodoran’izy ireo ny toeranao masina,+
Nozimbazimbainy ny tranolay mitondra ny anaranao ka natsipiny tamin’ny tany.
8 Samy miteny any am-pony any izy ireo sy ny zanany hoe:
“Hodorana daholo izay toerana fihaonana* amin’Andriamanitra, eto amin’ity tany ity.”
9 Tsy mahita an’ireo famantarana natao ho anay intsony izahay;
Tsy misy mpaminany intsony koa,
Ary tsy misy aminay mahalala hoe haharitra hafiriana izany.
10 Andriamanitra ô, mandra-pahoviana no mbola haneso anao ny mpanohitra anao?+
Tsy hanaja ny anaranao mandrakizay ve ny fahavalo?+
11 Nahoana no ahemotrao indray ny tananao, dia ny tananao ankavanana?+
Avoahy avy ao an-tratranao* ny tananao, dia aringano izy ireo.
12 Andriamanitra anefa no Mpanjakako efa hatry ny ela be;
Izy ilay manao asa famonjena eto an-tany.+
13 Nataonao nisamboaravoara ny ranomasina noho ny herinao;+
Nopotipotehinao ny lohan’ny biby ngezabe any an-dranomasina.
14 Notorotoroinao ny lohan’ny Leviatana;*
Nomenao hohanin’ny olona monina any an-tany efitra izy.
15 Nanokatra lalana hivoahan’ny loharano sy ny renirano ianao,+
Ary nataonao ritra ny renirano tsy mbola ritra mihitsy.+
16 Anao ny andro, ary anao koa ny alina.
Namorona ny hazavana sy ny masoandro ianao.+
18 Tadidio ny esoeson’ny fahavalo, Jehovah ô!
Tena tsy manaja ny anaranao+ ny olona adala!
19 Aza omena ny bibidia ny ain’ny domohinanao,
Ary aza hadinoina mandrakizay ny ain’ny vahoakanao mijaly.
20 Tsarovy ilay fifanekena,
Fa lasa anjakan’ny herisetra ny toerana maizina eto an-tany.
21 Enga anie izay ampahorina mba tsy ho diso fanantenana+ rehefa lasa;
Hidera ny anaranao+ anie ny madinika sy ny mahantra!
22 Mitsangàna, Andriamanitra ô, aoka ianao hiaro tena eny amin’ny fitsarana.
Tsarovy fa manesoeso anao tontolo andro+ ny olona adala.
23 Aza hadinoina izay lazain’ny fahavalonao.
Miakatra tsy an-kiato ny tabataban’ireo mila ady aminao.