Isaia
41 “Mangìna, ry nosy, dia henoy aho.*
Avelao hahazo hery indray ireo firenena.
Avelao izy ireo hanatona dia hiteny.+
Andao isika hiaraka ho any amin’ny fitsarana.
2 Iza no nampirisika olona iray avy any amin’ny fiposahan’ny masoandro?*+
Iza no niantso azy araka ny fahamarinana mba ho eo an-tongony,*
Amin’izay dia hatolotra eo anatrehany ireo firenena,
Ary havela ho resiny ireo mpanjaka?+
Iza no manorotoro azy ireo amin’ny sabatra mba ho lasa vovoka,
Sady manaparitaka azy ireo amin’ny tsipìka, hoatran’ny mololo tsofin’ny rivotra?
3 Manenjika an’ireny firenena ireny izy ary tsy misy manakantsakana
Eny amin’ny lalana mbola tsy nandehanany.
4 Iza no nanao sy nahavita an’izany,
Ka niantso an’ireo taranaka mifandimby, efa hatramin’ny voalohany?
Tsy iza fa izaho Jehovah, Ilay Voalohany.+
Ary tsy miova aho na dia hatrany amin’ny taranaka farany aza.”+
5 Nahita an’izany ireo nosy ka natahotra.
Nangovitra koa ny faran’ny tany.
Dia niangona izy ireo ka nihananatona.
6 Samy manampy ny namany izy ireo,
Ary samy milaza amin’ny rahalahiny hoe: “Mahereza!”
7 Ny mpanao asa tanana dia mampahery ny mpanefy.+
Ilay manafisaka vy amin’ny marotoa kosa
Mampahery an’ilay mively eo amin’ny riandriana.*
Hoy izy: “Mitambatra tsara izy izany!”
Dia fantsihana ilay sampy avy eo mba tsy hitongilangilana.
8 “Fa ianao kosa, ry Israely, dia mpanompoko,+
Ary ianao no nofidiko, ry Jakoba,+
Ilay taranak’i Abrahama namako.+
9 Ianao ilay nalaiko avy any amin’ny faran’ny tany,+
Ary ianao ilay nantsoiko avy any amin’ny toerana lavitra indrindra.
10 Aza matahotra fa manohana anao aho.+
Aza manahy fa izaho no Andriamanitrao.+
Hanatanjaka anao aho ka hanampy anao.+
Hitazona anao mafy amin’ny tanako ankavanana aho, dia ny tanako manao ny rariny.’
11 Ho menatra sy ho afa-baraka izay rehetra tezitra be aminao,+
Ary ho lasa tsinontsinona sy ho ripaka izay miady aminao.+
12 Hitady an’ireo olona mamely anao ianao, fa tsy hahita.
Ho lasa toy ny tsy misy sy ho tsinontsinona ny olona miady aminao.+
13 Fa izaho Jehovah Andriamanitrao no mitazona anao mafy amin’ny tananao ankavanana,
Dia Ilay milaza aminao hoe: ‘Aza matahotra fa hanampy anao aho.’+
14 Aza matahotra, ry Jakoba kankana,*+
Hanampy anao aho, ry vahoakan’Israely”, hoy i Jehovah Mpanavotra anao,+ Ilay Masin’ny Israely.
15 “Nataoko hoatran’ny fitaovana fanosihosena varimbazaha ianao,+
Hoatran’ny fitaovana vaovao sy maranitra fanosihosena varimbazaha.
Hohitsakitsahinao ny tendrombohitra ka hopotipotehinao,
Ary hataonao toy ny akofa ny havoana.
16 Hokororohinao ireny,
Ka hoentin’ny rivotra,
Ary haelin’ny tafio-drivotra.
17 “Mitady rano ny sahirana sy ny mahantra nefa tsy misy.
Mainan’ny hetaheta ny lelan’izy ireo.+
Izaho Jehovah no hamaly azy,+
Ary tsy mba handao azy aho, ilay Andriamanitry ny Israely.+
18 Hasiako renirano mikoriana eny amin’ny havoana mangadihady,+
Dia hasiako loharano eny amin’ny lohasaha.+
Hovako ho farihy anirian’ny bararata ny tany efitra,
Ary hovako ho loharano ny tany tsy misy rano.+
19 Hamboleko hazo sedera,
Sy hazo akasia, sy mirta, ary hazo kesika+ ny tany karakaina.
Hamboleko hazo zenevrie
Sy hazo volondavenona ary siprey+ ny lemaka karakaina.
20 Amin’izay dia ho hitan’ny olon-drehetra sy ho fantany,
Ary ho henony tsara sy ho takany
Fa ny tanan’i Jehovah no nanao an’izany,
Ary Ilay Masin’ny Israely no namorona an’izany.”+
21 “Resaho amiko ny adinareo”, hoy i Jehovah.
“Asehoy ny porofo anananareo”, hoy ilay Mpanjakan’i Jakoba.
22 “Asehoy ny porofo dia teneno anay izay hitranga.
Na lazao aminay izay zavatra ho avy.+
23 Teneno anay izay hitranga amin’ny hoavy,
Dia ho fantatray hoe andriamanitra ianareo.+
Manaova zavatra, na tsara na ratsy,
Mba ho gaga izahay rehefa mahita an’izany.+
24 Jereo anefa fa hoatran’ny tsy misy ianareo,
Ary tsinontsinona ny zava-bitanareo.+
Maharikoriko izay mifidy anareo.+
25 Nampirisika olona iray avy any avaratra aho, ka ho tonga izy,+
Olona iray avy any amin’ny fiposahan’ny masoandro,*+ izay hiantso ny anarako.
Hohitsakitsahiny hoatran’ny manitsakitsaka tanimanga+ ny mpitondra,*
Hoatran’ny ataon’ny mpanefy tanimanga manosihosy tanimanga mbola lena.
26 Iza no nilaza an’izany zavatra izany hatrany am-boalohany mba ho fantatray,
Na nilaza an’izany hatramin’ny taloha, mba ho afaka hiteny izahay hoe: ‘Marina ny azy’?+
Tsy nisy niteny an’izany mihitsy!
Tsy nisy nilaza an’izany!
Ary tsy nisy naheno an’izay nolazainareo!”+
27 Izaho no voalohany niteny tamin’i Ziona hoe: “Ireny ry zareo!”+
Ary handefasako olona hitondra vaovao tsara i Jerosalema.+
28 Nijery foana anefa aho, fa tsy nahita olona.
Tsy nisy tamin’izy ireo afaka nanoro hevitra.
Nanontaniako foana izy ireo, fa tsy nisy namaly.
29 Sandoka* daholo izy rehetra,
Ary tsinontsinona ny zavatra ataony.
Rivotra ihany ny sarivongana metaly* nataony sady tsisy dikany.+