FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 2 Korintianina 4
  • Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

2 Korintianina: Topy Maso

      • Fahazavan’ny vaovao tsara (1-6)

        • Nohajambaina ny sain’ny tsy mpino (4)

      • Harena ao anaty vilany tany (7-18)

2 Korintianina 4:2

Fanamarihana Ambany Pejy

  • *

    Na: “manova; manolana ny hevitry.”

  • *

    Abt: “feon’ny fieritreretan’ny olona.”

Fanondroana Andininy Hafa

  • +2Ko 2:17; Ga 1:9
  • +2Ko 6:3, 4

2 Korintianina 4:4

Fanamarihana Ambany Pejy

  • *

    Na: “andriamanitr’izao vanim-potoana izao.” Jereo F.T. “Izao tontolo izao.”

Fanondroana Andininy Hafa

  • +2Ko 11:14
  • +Jn 14:30; Ef 2:2; 1Jn 5:19
  • +Is 60:2; Jn 8:12
  • +Kl 1:15; He 1:3

2 Korintianina 4:6

Fanondroana Andininy Hafa

  • +Ge 1:3
  • +1Pe 2:9

2 Korintianina 4:7

Fanamarihana Ambany Pejy

  • *

    Na: “siny tanimanga.”

Fanondroana Andininy Hafa

  • +2Ko 4:1
  • +Is 64:8; As 9:15; 1Ko 15:47
  • +2Ko 12:9, 10; Fi 4:13

2 Korintianina 4:8

Fanamarihana Ambany Pejy

  • *

    Na mety hoe “tsy hoe kivy tanteraka.”

Fanondroana Andininy Hafa

  • +1Ko 10:13

2 Korintianina 4:9

Fanondroana Andininy Hafa

  • +He 13:5
  • +Ap 2:10

2 Korintianina 4:10

Fanamarihana Ambany Pejy

  • *

    Abt: “hiharihary eo amin’ny vatanay koa ny fiainan’i Jesosy.”

Fanondroana Andininy Hafa

  • +Fi 3:10; 1Pe 4:13

2 Korintianina 4:11

Fanamarihana Ambany Pejy

  • *

    Abt: “hiharihary eo amin’ny nofonay mety maty koa ny fiainan’i Jesosy.”

Fanondroana Andininy Hafa

  • +Ro 8:36; 1Ko 4:9; 15:31

2 Korintianina 4:13

Fanamarihana Ambany Pejy

  • *

    Abt: “fanahin’ny finoana.”

Fanondroana Andininy Hafa

  • +Sl 116:10

2 Korintianina 4:14

Fanondroana Andininy Hafa

  • +1Ko 6:14

2 Korintianina 4:15

Fanondroana Andininy Hafa

  • +2Ti 2:10

2 Korintianina 4:16

Fanamarihana Ambany Pejy

  • *

    Na: “ny vatantsika.”

  • *

    Na: “ny fontsika sy ny saintsika.”

2 Korintianina 4:17

Fanamarihana Ambany Pejy

  • *

    Na: “fitsapana.”

  • *

    Abt: “mavesatra.”

Fanondroana Andininy Hafa

  • +Mt 5:12; Ro 8:18

2 Korintianina 4:18

Fanondroana Andininy Hafa

  • +2Ko 5:7; He 11:1

Ankapobeny

2 Kor. 4:22Ko 2:17; Ga 1:9
2 Kor. 4:22Ko 6:3, 4
2 Kor. 4:42Ko 11:14
2 Kor. 4:4Jn 14:30; Ef 2:2; 1Jn 5:19
2 Kor. 4:4Is 60:2; Jn 8:12
2 Kor. 4:4Kl 1:15; He 1:3
2 Kor. 4:6Ge 1:3
2 Kor. 4:61Pe 2:9
2 Kor. 4:72Ko 4:1
2 Kor. 4:7Is 64:8; As 9:15; 1Ko 15:47
2 Kor. 4:72Ko 12:9, 10; Fi 4:13
2 Kor. 4:81Ko 10:13
2 Kor. 4:9He 13:5
2 Kor. 4:9Ap 2:10
2 Kor. 4:10Fi 3:10; 1Pe 4:13
2 Kor. 4:11Ro 8:36; 1Ko 4:9; 15:31
2 Kor. 4:13Sl 116:10
2 Kor. 4:141Ko 6:14
2 Kor. 4:152Ti 2:10
2 Kor. 4:17Mt 5:12; Ro 8:18
2 Kor. 4:182Ko 5:7; He 11:1
  • Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
  • 1
  • 2
  • 3
  • 4
  • 5
  • 6
  • 7
  • 8
  • 9
  • 10
  • 11
  • 12
  • 13
  • 14
  • 15
  • 16
  • 17
  • 18
Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
2 Korintianina 4:1-18

Korintianina Faharoa

4 Koa tsy kivy izahay satria manana an’izany fanompoana izany, noho izahay nanehoana famindram-po. 2 Fa nolavinay ny zavatra mahamenatra sy afenimpenina, ka tsy mamitaka izahay na manatsatso* ny tenin’Andriamanitra.+ Mampiseho miharihary ny fahamarinana kosa izahay, ka ohatra tsara ho an’ny olona* rehetra, eo imason’Andriamanitra.+ 3 Raha tsy mazava ny vaovao tsara torinay, toy ny hoe misy lamba manarona, dia amin’izay ho ringana izany no tsy mazava. 4 Nohajambain’ny+ andriamanitr’izao tontolo izao*+ ny sain’ireny tsy mpino ireny, mba tsy hamirapiratra amin’izy ireny ny fahazavan’ny vaovao tsara be voninahitra,+ dia ilay vaovao tsara momba an’i Kristy, izay endrik’Andriamanitra.+ 5 Tsy mitory momba anay mantsy izahay, fa mitory momba an’i Jesosy Kristy hoe izy no Tompo. Lazainay koa hoe mpanomponareo izahay, noho ny amin’i Jesosy. 6 Fa Andriamanitra no niteny hoe: “Aoka ny hazavana hamirapiratra avy ao amin’ny haizina.”+ Ary nataony mamirapiratra ao am-ponay amin’ny alalan’ny tarehin’i Kristy ny hazavany,+ ka lasa mahalala an’Andriamanitra izahay, ary be voninahitra izany fahalalana izany.

7 Manana an’izany harena+ izany ao anaty vilany tany*+ anefa izahay, mba ho hita hoe nahazo hery mihoatra noho ny an’ny olombelona izahay, dia hery avy amin’Andriamanitra, fa tsy avy aminay.+ 8 Voageja amin’ny lafiny rehetra izahay, nefa tsy hoe tery loatra ka tsy afa-mihetsika. Very hevitra izahay, nefa tsy hoe tsy misy lalan-kivoahana mihitsy.*+ 9 Enjehina izahay, nefa tsy afoy.+ Azera izahay, nefa tsy maty.+ 10 Miaritra ny mafy foana izahay ka atahorana hatramin’ny ainay, hoatran’ny nanjo an’i Jesosy.+ Amin’izay dia ho hita hoe hoatran’izay niainan’i Jesosy koa ny zavatra iainanay.* 11 Fa velona izahay nefa tandindomin-doza foana ny ainay+ noho izahay manara-dia an’i Jesosy. Amin’izay dia ho hita hoe hoatran’izay niainan’i Jesosy koa ny zavatra iainanay.* 12 Miasa ao aminay àry ny fahafatesana, fa miasa ao aminareo kosa ny fiainana.

13 Koa satria izahay manana an’ilay finoana* mitovy amin’ilay voasoratra hoe: “Nino aho, ka niteny”,+ dia mino koa izahay ka miteny. 14 Fantatray mantsy fa Ilay nanangana an’i Jesosy dia hanangana anay koa mba hiaraka amin’i Jesosy, ary hampiseho anay eo anatrehany miaraka aminareo.+ 15 Fa noho ianareo no anaovana an’izany zavatra rehetra izany. Amin’izay dia vao mainka hitombo ny hatsaram-panahy miavaka izay efa be dia be, satria mihabetsaka ny olona manolotra fisaorana mba hanomezana voninahitra an’Andriamanitra.+

16 Tsy kivy àry isika, fa na mihaosa aza isika etỳ ivelany,* dia azo antoka fa havaozina isan’andro kosa ny ao anatintsika ao.* 17 Fa na vetivety sy maivana aza ny fahoriana* iaretantsika, dia mitondra voninahitra ho antsika izany, dia voninahitra lehibe* lavitra sy mandrakizay.+ 18 Koa mampifantoka ny masontsika amin’ny zavatra tsy hita isika, fa tsy amin’ny hita.+ Mihelina mantsy ny zavatra hita, fa ny tsy hita kosa maharitra mandrakizay.

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara