Salamo
106 Derao i Jah!*
2 Iza no mahavita milaza ny asa rehetra nataon’i Jehovah tamin’ny heriny,
Na manambara ny asa mendri-piderana rehetra nataony?+
3 Sambatra izay manao ny rariny,
Ka manao ny marina foana.+
4 Tsarovy aho, Jehovah ô, rehefa miantra* ny vahoakanao+ ianao.
Karakarao sy vonjeo aho,
5 Amin’izay aho dia hankafy ny zava-tsoa omenao an’ireo olom-boafidinao,+
Sy hiara-mifaly amin’ny firenenao,
Ary hirehareha hidera anao miaraka amin’ny lovanao.
7 Tsy nankasitrahan’ny* razambenay tany Ejipta ireo zavatra mahatalanjona nataonao.
Tsy tadidin’izy ireo fa be fitiavana sy tsy mivadika ianao.
Nikomy kosa izy ireo teo amin’ny ranomasina, dia ny Ranomasina Mena.+
9 Noteneniny mafy ny Ranomasina Mena, dia ritra.
Nentiny namakivaky rano lalina toy ny mamakivaky tany efitra*+ izy ireo;
10 Namonjy azy ireo teo an-tanan’izay mankahala azy izy,+
Sady nanavotra azy teo an-tanan’ny fahavalo.+
13 Vetivety anefa izy ireo dia nanadino an’izay nataon’Andriamanitra;+
Tsy niandry an’izay torohevitra avy taminy izy ireo.
14 Resin’ny faniriany feno fitiavan-tena izy ireo tany amin’ny tany karakaina;+
Nitsapa an’Andriamanitra izy ireo tany an-tany efitra.+
15 Nomeny azy ireo izay nangatahiny,
Nefa avy eo nasiany tamin’ny aretina mampahia izy ireo.+
17 Dia nisokatra ny tany ka nitelina an’i Datana,
Sy nanarona an’ireo niaraka tamin’i Abirama.+
18 Nisy afo nandoro an’ireo mpomba azy ireo;
Nisy lelafo nandevona an’ireo ratsy fanahy.+
19 Nanamboatra zanak’omby izy ireo tao Horeba,
Ary niankohoka teo anoloan’ny sarivongana metaly;*+
20 Ny voninahitro dia natakalony
Sarin’omby mpihinana ahitra.+
21 Nohadinoin’izy ireo Andriamanitra,+ ilay Mpamonjy azy,
Izay nanao zavatra miavaka tany Ejipta,+
22 Sy zavatra mahatalanjona tany amin’ny tanin’i Hama,+
Ary zavatra mampahatahotra teo amin’ny Ranomasina Mena.+
23 Efa saika nanome baiko izy hoe haripaka izy ireo,
Nefa nitalaho taminy* i Mosesy olom-boafidiny,
Mba hampitony ny fahatezerany Izy ka tsy handringana an’ireo.+
26 Koa nanangan-tanana izy ka nianiana momba azy ireo
Hoe hataony miampatrampatra any an-tany efitra ny fatin’izy ireo;+
27 Hataony miampatrampatra any amin’ireo firenena ny fatin’ny taranany,
Ary haparitany any amin’ny tany samy hafa izy ireo.+
28 Dia lasa nanompo an’i* Balan’i Peora+ izy ireo,
Ary nihinana an’ireo sorona natolotra ho an’ny maty.*
30 Rehefa nijoro anefa i Finehasa ka niditra an-tsehatra,
Dia nitsahatra ilay loza.+
31 Izany no nahatonga azy hekena hoe olo-marina,
Hatramin’ny taranaka fara aman-dimby, mandrakizay.+
32 Nanao izay nampahatezitra an’Andriamanitra izy ireo, teo amin’ny rano tao Meriba,*
Ka nidiran-doza i Mosesy noho ny nataon’izy ireo.+
33 Nampahasosotra azy izy ireo,
Ka nanao teny tsy voahevitra izy.+
37 Nataony sorona ho an’ny demonia
Ny zanany lahy sy ny zanany vavy.+
38 Nandatsaka ran’olona tsy manan-tsiny izy ireo,+
Dia ny ran’ny zanany lahy sy ny zanany vavy,
Izay nataony sorona ho an’ireo sampin’i Kanana;+
Dia naloto ilay tany noho ny fandatsahan-dra.
39 Nanjary nandoto tena izy ireo noho ny fanaony;
Nivaro-tena* tamin’ny andriamani-kafa izy ireo noho ny nataony.+
40 Koa tezitra be tamin’ny vahoakany i Jehovah,
Ka lasa halany ny lovany.
41 Imbetsaka izy ireo no nataony resin’ireo firenena,+
Mba hanjakazaka amin’izy ireo izay nankahala azy.+
42 Nampahorin’ny fahavalony izy ireo,
Ary lasa teo ambany fahefany.*
43 Imbetsaka izy no namonjy azy ireo,+
Nefa nikomy sy tsy nankatò izy ireo,+
Ka naetry noho ny fahadisoany.+
45 Nahatsiaro ny fifanekena nataony tamin’izy ireo izy,
Ary niantra azy,* satria tena be fitiavana sy tsy mivadika.+
46 Nataony lasa niantra azy
Izay rehetra naka azy ho babo.+
47 Vonjeo izahay, ry Jehovah Andriamanitray ô!+
Angony avy any amin’ireo firenena izahay+
Mba ho afaka hisaotra ny anaranao masina,
Sy ho faly hidera anao.+
Ary aoka ny olona rehetra hilaza hoe: “Amena!”*
Derao i Jah!*