Salamo
Ho an’ny mpitarika; atao mifanaraka amin’ny “Lisy.” Nataon’i Davida.
69 Vonjeo aho, Andriamanitra ô, fa miakatra ny rano ka mitady hahafaty ahy.+
2 Tafalentika ao anaty fotaka mandrevo aho, ka tsy misy tany maina hamikiran’ny tongotro.+
Latsaka ao anaty rano lalina aho,
Ary nofaohin’ny rano misasasasa.+
3 Sasatry ny miantso aho,+
Ary farina mihitsy ny feoko.
Reraka ny masoko eo am-piandrasana an’Andriamanitro.+
4 Maro noho ny volon-dohako
Ireo mankahala ahy tsy amin’antony.+
Lasa be dia be ireo mitady hamono ahy,
Dia ny fahavalo mpamadika ahy.*
Voatery nanolo zavatra tsy nangalariko aho.
5 Andriamanitra ô, fantatrao ny hadalako,
Ary tsy miafina aminao ny heloko.
6 Enga anie tsy ho menatra noho ny amiko ireo manantena anao,
Ry Jehovah Tompon’ny tafika ô, ry Tompo Fara Tampony!
Tsy ho afa-baraka noho ny amiko anie ireo mitady anao,
Ry Andriamanitry ny Israely ô!
8 Lasa toy ny olona tsy fantatry ny rahalahiko aho.
Toy ny hoe vahiny aho amin’ny zanak’i Neny.+
9 Toy ny afo miredareda ato anatiko ny hafanam-poko ho an’ny tranonao,+
Ary mihatra amiko ny latsa ataon’ireo mandatsa anao.+
10 Rehefa nanetry tena aho ka nifady hanina,*
Dia nolatsaina.
11 Rehefa niakanjo gony aho,
Dia nesoesoin’izy ireo.*
12 Izaho no ambentin-dresak’ireo mipetraka eo am-bavahadin’ny tanàna,
Ary manao hira momba ahy ny mpisotro toaka.
13 Fa enga anie ho tonga any aminao ny vavaka ataoko
Jehovah ô, amin’ny fotoana anehoanao fankasitrahana.+
Be fitiavana sy tsy mivadika ianao, Andriamanitra ô,
Ka valio aho ary asehoy fa ianao no tena mpamonjy.+
14 Afaho avy ao anaty fotaka aho,
Fa aza avela hilentika.
Afaho tsy ho azon’ireo mankahala ahy
Sy amin’ny rano lalina aho.+
15 Aza avela hifaoka ahy ny rano be misasasasa;+
Aza avela hitelina ahy ny rano lalina,
16 Valio aho, Jehovah ô, fa tsara ny fitiavanao sy ny tsy fivadihanao.+
Mba valio haingana aho fa mijaly.+
18 Manatòna dia afaho* aho.
Mba avoty tsy ho azon’ny fahavaloko aho.
19 Fantatrao ny latsa sy ny henatra ary ny fahafaham-baraka mahazo ahy.+
Hitanao daholo ny fahavaloko.
20 Nahavaky fo ahy ny latsa, ary tsy mety sitrana ny fery.*
Nanantena aho hoe mba hisy hangoraka, saingy indrisy fa tsy nisy,+
Ary mba hisy hampionona, saingy tsy nahita na iray aza.+
21 Poizina* kosa no nomen’izy ireo hohaniko,+
Ary vinaingitra no nomeny ahy hosotroiko rehefa nangetaheta aho.+
22 Aoka ho lasa fandrika ho azy ireo ny latabany,
Ary ho vela-pandrika ho azy ireo koa ny fahombiazany.+
23 Aoka ho jamba ny masony ka tsy hahita,
Ary ataovy mangozohozo foana ny andilany.
26 Fa enjehin’izy ireo ilay nokapohinao,
Ary ataony ambentin-dresaka ny fanaintainan’ireo noratrainao.
27 Ampio heloka ny helok’izy ireo,
Ary enga anie izy ireo tsy handray soa amin’ny fahamarinanao.
28 Aoka ny anarany hofafana tsy ho ao amin’ny boky misy ny anaran’ny velona,*+
Ary enga anie izy ireo tsy ho anisan’ny olo-marina.+
29 Fa ory sy mijaly aho.+
Manana hery hamonjena ianao, Andriamanitra ô, ka enga anie izany hiaro ahy!
30 Hihira fiderana ho an’ny anaran’Andriamanitra aho,
Ary hankalaza azy sady hisaotra azy.
31 Izany no ho tian’i Jehovah kokoa noho ny ombilahy,
Mihoatra noho ny vantotr’ombilahy misy tandroka sy kitro.+
32 Hahita an’izany ny mpandefitra ka ho faly.
Enga anie hatanjaka indray ny fonareo izay mitady an’Andriamanitra!
34 Aoka hidera azy ny lanitra sy ny tany,+
Ary ny ranomasina sy izay rehetra mihetsiketsika ao aminy.
35 Fa hamonjy an’i Ziona Andriamanitra,+
Ary hanorina indray an’ireo tanànan’i Joda.
Dia hipetraka ao ny vahoakany, ka ho lasany ilay tany.