Salamo
105 Misaora an’i Jehovah,+ ary miantsoa ny anarany.
Ampahafantaro an’ireo firenena ny zavatra nataony!+
2 Mihirà ho azy, manaova hira fiderana* ho azy,
3 Ataovy ho reharehanareo ny anarany masina.+
Ary enga anie ho faly ny fon’izay mitady an’i Jehovah!+
4 Mitadiava an’i Jehovah+ ary miantehera amin’ny heriny.
Mitadiava sitraka aminy foana.*
5 Tadidio ny zavatra mahatalanjona nataony,
Sy ny fahagagana vitany ary ny didim-pitsarana nolazainy,+
6 Ry taranak’i Abrahama mpanompony,+
Ry taranak’i Jakoba, dia ianareo olom-boafidiny!+
7 Izy no Jehovah Andriamanitsika.+
Mihatra eran-tany ny didim-pitsarany.+
8 Tadidiny mandrakizay ny fifanekena nataony,+
Ary tsaroany hatrany amin’ny taranaka arivo mifandimby ny fampanantenana nataony,*+
9 Dia ilay fifanekena nataony tamin’i Abrahama,+
Sy ilay fianianana nataony tamin’i Isaka.+
10 Nataony fitsipika ho an’i Jakoba io fianianana io,
Sady fifanekena maharitra ela be ho an’i Israely.
11 Fa hoy izy: “Homeko anao ny tany Kanana,+
Ho anjara lovanareo.”+
13 Nifindrafindra tany amin’ny firenena samihafa izy ireo,
Ary nifindrafindra tany amin’ny fanjakana samihafa.+
14 Tsy nisy olona navelan’Andriamanitra hampijaly azy ireo,+
Fa nananatra mpanjaka mihitsy aza izy noho ny amin’izy ireo,+
15 Ka niteny hoe: “Aza mikasika an’ireo voahosotro,
Ary aza manisy ratsy an’ireo mpaminaniko.”+
17 Nirahiny hialoha azy ireo ny lehilahy iray,
Dia i Josefa, izay namidy ho andevo.+
18 Nogejaina* tamin’ny rojo ny tongony,+
Ary nasiana gadra vy ny tendany;
19 Ny tenin’i Jehovah no nanadio* azy,+
Mandra-pahatanteraky ny teniny.
20 Nanome baiko hanafahana azy ny mpanjaka,+
Nanafaka azy ilay mpitondra vahoaka.
21 Dia notendreny hiandraikitra ny ankohonany izy,
Sy hitantana ny fananany rehetra,+
22 Mba hifehy ny andrianany araka izay itiavany azy,
23 Dia nankany Ejipta i Israely;+
Lasa vahiny nipetraka tany amin’ny tanin’i Hama i Jakoba.
24 Nataon’Andriamanitra maro be ny vahoakany,+
Ary nataony mahery noho ny fahavalony izy ireo.+
25 Navelany hiova ny fon’ireo fahavalony, ka lasa nankahala ny vahoakany izy ireny,
Sady nanao tetika hamelezana an’ireo mpanompony.+
27 Dia nanao famantarana avy amin’Andriamanitra teo amin’izy ireny izy mirahalahy,
Ka nanao fahagagana tany amin’ny tanin’i Hama.+
29 Novan’Andriamanitra ho ra ny rano tany Ejipta,
Ka maty ny trondro tany.+
30 Feno sahona+ be dia be ny tanin’izy ireo,
Na dia hatrany amin’ny efitranon’ny mpanjaka aza.
31 Nomen’Andriamanitra baiko hanafika azy ireo ny fihitra,
Ary hameno ny taniny rehetra ny moka.+
33 Naripany ny voaloboka sy ny aviavin’izy ireo,
Ary notapatapahiny ny hazo tao amin’ny tanin’izy ireo.
34 Niteny izy dia tonga nanafika ny valala,
Dia zana-balala tsy hita isa.+
35 Nohanin’ireny daholo ny zavamaniry tao amin’ilay tany,
Ary nohaniny ny vokatry ny tany.
36 Dia naripak’Andriamanitra ny lahimatoa rehetra tao amin’ny tanin’izy ireo,+
Izany hoe ireo naterany voalohany.
37 Dia nentiny nivoaka an’i Ejipta ny vahoakany, nitondra volafotsy sy volamena,+
Ary tsy nisy nangozohozo* teo amin’ireo fokony, na iray aza.
39 Namelatra rahona izy mba hanakonana azy ireo,+
Ary afo mba hanazavana azy ireo nandritra ny alina.+
40 Nangataka hena izy ireo, dia nandefasany papelika;+
Ary novokisany mofo avy any an-danitra+ izy ireo.
41 Nataony nitresaka ny vatolampy, dia nikoriana ny rano,+
Ka lasa toy ny renirano namakivaky ny tany efitra.+
42 Tsaroany mantsy ny fampanantenana masina nataony tamin’i Abrahama mpanompony.+
43 Koa nentiny nivoaka ny vahoakany ka faly be,+
Ary nentiny ny olom-boafidiny ka nihoby.
44 Nomeny azy ireo ny tanin’ireo firenena;+
Nandova an’izay nisasaran’ny firenen-kafa izy ireo,+
45 Mba hitandreman’izy ireo ny fitsipiny+
Sy hankatoavany ny lalàny.
Derao i Jah!*