Salamo
א [Alefa]
3 Tsy mba zatra manao ny tsy marina ireny,
Fa mandeha amin’ny lalana atoron’Andriamanitra.+
4 Nanome baiko ianao
Hoe tokony harahina tsara ny didinao.+
6 Dia tsy ho menatra aho+
Rehefa mandinika ny didinao rehetra.
7 Hidera anao amin’ny fo madio aho,
Rehefa fantatro fa ara-drariny ny didim-pitsaranao.
8 Hankatò ny fitsipikao aho.
Enga anie ianao tsy hahafoy tanteraka ahy mihitsy!
ב [Beta]
9 Inona no tokony hataon’ny tanora raha te hanao ny tsara foana* izy?
Mila mitandrin-tena izy ka mankatò ny teninao.+
10 Amin’ny foko manontolo no itadiavako anao.
Aza avela hiala amin’ny didinao aho.+
12 Hoderaina anie ianao, Jehovah ô!
Ampianaro ahy ny fitsipikao.
13 Ny molotro no anambarako
Ny didim-pitsarana rehetra navoakanao.
16 Mahafinaritra ahy ny fitsipikao.
Tsy hohadinoiko ny teninao.+
ג [Gimela]
17 Anehoy hatsaram-panahy ity mpanomponao,
Mba ho velona sy hankatò ny teninao.+
18 Sokafy ny masoko mba ho hitako tsara
Ny zavatra mahatalanjona ao amin’ny lalànao.
19 Vahiny eto amin’ity tany ity aho.+
Aza afenina ahy ny didinao.
20 Maniry mafy hahafantatra
Ny didim-pitsaranao foana aho.
21 Teneninao mafy ireo sahisahy ratsy,
Dia ireo olom-boaozona miala amin’ny didinao.+
22 Esory amiko* ny fahafaham-baraka sy ny fanambaniana,
Fa manaraka ny fampahatsiahivanao aho.
23 Na dia miara-mipetraka mba hanohitra ahy aza ny andriana,
Dia misaintsaina* ny fitsipikao ity mpanomponao.
ד [Daleta]
25 Mihohoka matory eo amin’ny vovoka aho.+
Tsimbino ny aiko, araka izay nolazainao.+
26 Nolazaiko anao izay nataoko, dia namaly ahy ianao;
Ampianaro ahy ny fitsipikao.+
27 Ataovy azoko tsara ny hevitry* ny didinao,
28 Tsy nahita tory aho noho ny alahelo.
Ampaherezo aho, araka izay nolazainao.
29 Aza avela handeha amin’ny lalana feno fitaka+ aho,
Ary iantrao ka ampahafantaro ny lalànao.
30 Ny lalan’ny tsy fivadihana no nofidiko.+
Ekeko hoe ara-drariny ny didim-pitsaranao.
31 Mifikitra amin’ny fampahatsiahivanao+ aho.
Aza avela ho diso fanantenana*+ aho, Jehovah ô!
32 Ho mailaka hampihatra ny didinao aho eo amin’ny fiainako,*
Satria halalahinao ny foko mba ho afaka handray an’izany.*
ה [He]
34 Ataovy mahira-tsaina aho,
Mba hankatoavako ny lalànao
Sy hitandremako azy amin’ny foko manontolo.
36 Ataovy izay hahatonga ny foko ho tia ny fampahatsiahivanao,
Fa tsy ho tia tombony.+
37 Aza avela hijery zavatra tsy misy ilana azy ny masoko;+
Ampandehano amin’ny lalanao aho mba ho voatsimbina ny aiko.
39 Esory amiko ny fahafaham-baraka atahorako,
Fa tsara ny didim-pitsaranao.+
40 Jereo fa maniry mafy hankatò ny didinao aho.
Tsimbino ny aiko noho ny fahamarinanao.
ו [Vao]
41 Enga anie ho tsapako, Jehovah ô, fa tia ahy sy tsy mivadika amiko ianao,+
Ary mamonjy ahy araka ny efa nampanantenainao;*+
42 Dia hovaliako ilay manaratsy ahy,
Fa matoky ny teninao aho.
43 Aza esorina tanteraka eo am-bavako ny tenin’ny fahamarinana,
Fa manantena* ny didim-pitsaranao aho.
44 Hankatoaviko foana ny lalànao,
Mandrakizay mandrakizay.+
46 Hilaza ny fampahatsiahivanao eo anatrehan’ireo mpanjaka aho,
Ary tsy ho menatra.+
47 Mahafinaritra ahy ny didinao;
Eny, tiako ireny.+
ז [Zaina]
50 Izany no mampionona ahy rehefa ao anatin’ny fahoriana+ aho.
Nitsimbina ny aiko mantsy ny teninao.
51 Maneso ahy loatra ny olona sahisahy ratsy,
Nefa arahiko foana ny lalànao.+
53 Romotry ny hatezerana aho noho ny ratsy fanahy,
Izay tsy miraharaha ny lalànao.+
54 Ny fitsipikao no ataoko hira,
Na aiza na aiza onenako.*
55 Mahatsiaro ny anaranao aho mandritra ny alina, Jehovah ô,+
Mba hankatoavako ny lalànao.
56 Izany no fanaoko,
Satria mankatò ny didinao aho.
ח [Heta]
59 Dinihiko tsara ny lalako,
Mba hanitsiako ny diako ka hanarahako indray ny fampahatsiahivanao.+
60 Mailaka be aho fa tsy mangataka andro
Mankatò ny didinao.+
61 Mihodidina amiko ny tadin’ny ratsy fanahy,
Nefa tsy hadinoko ny lalànao.+
62 Mifoha aho amin’ny misasakalina mba hisaotra anao,+
Fa ara-drariny ny didim-pitsaranao.
63 Naman’izay rehetra matahotra anao aho,
Ary naman’izay mankatò ny didinao.+
64 Manenika ny tany ny fitiavanao sy ny tsy fivadihanao, Jehovah ô!+
Ampianaro ahy ny fitsipikao.
ט [Teta]
65 Manao soa amin’ny mpanomponao ianao,
Jehovah ô, araka ny efa nolazainao.
66 Ampianaro hisaina tsara sy hanam-pahalalana+ aho,
Fa atokisako ny didinao.
68 Tsara ianao+ ary tsara ny zavatra ataonao.
Ampianaro ahy ny fitsipikao.+
69 Manoso-potaka ahy ny olona sahisahy ratsy,
Fa izaho kosa mankatò ny didinao amin’ny foko manontolo.
71 Soa ihany aho fa nampahorina,+
Mba hianarako ny fitsipikao.
י [Yôda]
73 Ny tananao no nanao sy namolavola ahy.
Ataovy mahira-tsaina aho
Mba hianarako ny didinao.+
75 Fantatro, Jehovah ô, fa ara-drariny ny didim-pitsaranao,+
Ary noho ianao tsy mivadika, dia faizinao aho.+
76 Hampionona ahy anie ny fitiavanao sy ny tsy fivadihanao,+
Araka ny nampanantenainao ny* mpanomponao!
78 Enga anie ho afa-baraka ireo sahisahy ratsy,
Satria manisy ratsy ahy tsy amin’antony.*
Fa izaho kosa hisaintsaina* ny didinao.+
79 Aoka hiaraka amiko indray ireo matahotra anao,
Dia ireo mahafantatra ny fampahatsiahivanao.
כ [Kafa]
82 Sasa-miandry ny hahatanterahan’ny teninao ny masoko,+
Ka hoy aho: “Mba rahoviana ihany ianao vao hampionona ahy?”+
83 Fa toy ny siny hoditra mainan’ny setroka aho,
Nefa tsy hadinoko ny fitsipikao.+
84 Firy andro ny mpanomponao no tsy maintsy miandry?
Rahoviana ihany ianao no hampihatra didim-pitsarana amin’ireo manenjika ahy?+
85 Mihady lavaka hamandrihana ahy ny olona sahisahy ratsy,
Dia ireo tsy mety manaraka ny lalànao.
86 Azo atokisana ny didinao rehetra.
Vonjeo aho+ fa misy manenjika tsy amin’antony!
87 Efa saika nofongoran’izy ireo tsy ho eto an-tany aho,
Nefa izaho tsy nahafoy ny didinao.
88 Tsimbino ny aiko noho ianao be fitiavana sy tsy mivadika,
Mba hanarahako ny fampahatsiahivana nolazainao.
ל [Lameda]
89 Mandrakizay, Jehovah ô,
Haharitra mandrakizay any an-danitra ny teninao.+
90 Maharitra hatramin’ny taranaka fara aman-dimby ny tsy fivadihanao.+
Nataonao mafy orina ny tany mba ho eo foana.+
91 Araka ny didim-pitsarana navoakanao, dia mbola eo ireo* mandraka androany,
Satria mpanomponao izy rehetra.
92 Raha tsy ny lalànao no nahafinaritra ahy,
Dia ho efa maty tao anatin’ny fahoriako aho hoatr’izay.+
93 Tsy hohadinoiko mihitsy ny didinao,
Satria ireny no itsimbinanao ny aiko.+
95 Miandry kendry tohina fotsiny ny ratsy fanahy mba hamonoana ahy,
Fa izaho kosa mandinika tsara an’ireo fampahatsiahivanao.
96 Hitako fa manam-petra ihany izay rehetra tonga lafatra,
Fa ny didinao kosa tsy manam-petra.*
מ [Mema]
97 Tiako erỳ ny lalànao,+
Ka saintsainiko* tontolo andro!+
98 Mahatonga ahy ho hendry noho ny fahavaloko ny didinao,+
Satria ato anatiko mandrakizay izany.
99 Lalin-tsaina kokoa noho ny mpampianatra ahy rehetra aho,+
Satria misaintsaina* an’ireo fampahatsiahivanao.
100 Mahira-tsaina kokoa noho ny zokiolona aho amin’izay rehetra ataoko,
Satria mankatò ny didinao.
101 Tsy manaiky handeha amin’ny lalan-dratsy aho,+
Mba hahafahako manaraka ny teninao.
102 Tsy miala amin’ny didim-pitsaranao aho,
Satria ianao no mampianatra ahy.
103 Mamy amin’ny lelako erỳ ny teninao,
Mamy ao am-bavako mihoatra noho ny tantely!+
104 Ny didinao no mahatonga ahy hahira-tsaina+ amin’izay ataoko,
Ka halako ny lalan-diso+ rehetra.
נ [Nona]
105 Jiro ho an’ny tongotro ny teninao,
Sady fahazavana ho an’ny lalako.+
106 Nianiana aho ary hotanterahiko izany,
Dia ny hoe harahiko ny didim-pitsaranao ara-drariny.
107 Ampahorina mafy aho.+
Jehovah ô, tsimbino ny aiko araka ny efa nolazainao.+
108 Jehovah ô, mba ankasitraho re ny fanati-piderana+ atolotro anao an-tsitrapo* e,
Ary ampianaro ahy ny didim-pitsaranao!+
110 Mamelatra fandrika hahazoana ahy ny ratsy fanahy,
Nefa tsy mahafoy ny didinao aho.+
112 Tapa-kevitra ny* hankatò ny fitsipikao aho,
Eny, hankatò an’izany foana, hatramin’ny farany.
ס [Sameka]
115 Aza manakaikikaiky ahy mihitsy ianareo mpanao ratsy,+
Mba hankatoavako ny didin’Andriamanitro.
118 Lavinao daholo izay tsy manaraka ny fitsipikao,+
Satria mandainga izy ireo sady mamitaka.
119 Arianao toy ny tain-drendrika ny ratsy fanahy rehetra eto an-tany.+
Izany no itiavako ny fampahatsiahivanao.
120 Mipararetra aho* fa matahotra anao;
Atahorako ny didim-pitsaranao.
ע [Aina]
121 Manao ny rariny sy ny hitsiny aho.
Aza afoy eo an-tanan’ireo mpampijaly aho!
122 Ataovy azo antoka hoe hahita soa ny mpanomponao;
Enga anie tsy hampijaly ahy ny olona sahisahy ratsy!
124 Asehoy hoe tianao ny mpanomponao sady tsy mivadika aminy ianao,+
Ary ampianaro ahy ny fitsipikao.+
125 Mpanomponao aho; ataovy mahira-tsaina+ aho,
Mba ho azoko ny fampahatsiahivanao.
126 Tonga ny fotoana anaovan’i Jehovah zavatra,+
Fa mandika ny lalànao izy ireo.
פ [Pe]
129 Mahatalanjona ny fampahatsiahivanao.
Izany no antony anarahako azy ireny.
130 Lasa misy hazavana+ rehefa aharihary ny teninao,
Ka manjary mahira-tsaina ireo mbola tsy dia nahita fiainana.+
133 Tariho amin’ny alalan’ny teninao aho mba ho voaro* ny diako;
Enga anie tsy hisy zava-dratsy hanandevo ahy!+
134 Vonjeo* tsy ho azon’ny olona mpampijaly aho,
Dia hankatoaviko ny didinao.
136 Mikoriana ny ranomasoko,
Satria tsy mankatò ny lalànao ny olona.+
צ [Tsade]
138 Marina ny fampahatsiahivana omenao,
Sady azo atokisana tanteraka.
139 Toy ny afo miredareda ato anatiko ny hafanam-poko,+
Satria nohadinoin’ny fahavaloko ny teninao.
141 Tsinontsinona aho ary ambanina,+
Nefa tsy mba hadinoko ny didinao.
143 Na dia azom-pahoriana sy miatrika zava-tsarotra aza aho,
Dia mahafinaritra ahy foana ny didinao.
144 Marina mandrakizay ny fampahatsiahivanao.
Ataovy mahira-tsaina+ aho mba ho velona foana.
ק [Kôfa]
145 Miantso anao amin’ny foko manontolo aho ka valio, Jehovah ô!
Ny fitsipikao no hankatoaviko.
146 Miantso anao aho; vonjeo aho!
Harahiko ny fampahatsiahivanao.
147 Mbola tsy mangiran-dratsy akory dia efa mifoha aho mba hiantso vonjy aminao,+
Satria ny teninao no antenaiko.*
148 Mbola tsy mifarana ny fiambenana amin’ny alina dia efa mihiratra ny masoko,
149 Henoy aho noho ianao be fitiavana sy tsy mivadika.+
Jehovah ô, tsimbino ny aiko satria manao ny rariny ianao.
150 Mihamanakaiky ireo manana fitondran-tena mahamenatra;*
Halavirin’izy ireo ny lalànao.
152 Efa hatry ny ela no nahafantarako an’ireo fampahatsiahivanao,
Izay nataonao mafy orina mandrakizay.+
ר [Resa]
153 Jereo ny fahoriako ka vonjeo aho,+
Fa tsy mba hadinoko ny lalànao.
155 Lavitra ny ratsy fanahy ny famonjena,
Satria tsy mikaroka ny fitsipikao izy ireo.+
156 Be famindram-po ianao, Jehovah ô!+
Tsimbino ny aiko satria manao ny rariny ianao.
157 Maro ny mpanenjika ahy sy ny fahavaloko;+
Tsy miala amin’ny fampahatsiahivanao anefa aho.
158 Rikoriko aho mahita ny mpamitaka,
Satria tsy mankatò ny teninao izy ireny.+
159 Jereo fa tiako erỳ ny didinao!
Jehovah ô, tsimbino ny aiko noho ianao be fitiavana sy tsy mivadika.+
160 Fahamarinana no votoatin’ny teninao,+
Ary maharitra mandrakizay daholo ny didim-pitsaranao ara-drariny.
ש [Sina] na [Shina]
162 Mahafaly ahy ny teninao,+
Toy ny rehefa mahazo babo be dia be.
164 Impito isan’andro aho no midera anao,
Satria ara-drariny ny didim-pitsaranao.
165 Be ny fiadanan’ireo tia ny lalànao;+
Tsy misy na inona na inona mahatafintohina azy.
166 Manantena an’ireo asa famonjenao aho, Jehovah ô,
Ary mankatò ny didinao.
167 Arahiko ny fampahatsiahivanao,
Ary tena tiako ireny.+
168 Ankatoaviko ny didinao sy ny fampahatsiahivanao,
Satria fantatrao daholo izay ataoko.+
ת [Tao]
169 Ho tonga any aminao anie ny antso vonjy ataoko, Jehovah ô!+
Ataovy mahira-tsaina+ aho, araka ny teninao.
170 Ho tonga eo anatrehanao anie ny fitalahoako famindram-po!
Vonjeo aho, araka ny efa nampanantenainao.*
171 Hiboiboika fiderana anie ny molotro,+
Satria ampianarinao ahy ny fitsipikao!
172 Hihira momba ny teninao anie ny lelako,+
Fa ara-drariny daholo ny didinao!
174 Tsy andriko izay hamonjenao ahy, Jehovah ô,
Ary mahafinaritra ahy ny lalànao.+
175 Enga anie aho ho velona mba ho afaka hidera anao;+
Hanampy ahy anie ny didim-pitsaranao!