SALAMO
BOKY VOALOHANY
(Salamo 1-41)
1 Sambatra ny olona tsy manaraka* ny torohevitry ny ratsy fanahy,
Sy tsy mijoro eny amin’ny lalan’ny mpanota,+
Ary tsy mipetraka eny amin’izay ipetrahan’ny mpanesoeso.+
2 Fa ny lalàn’i Jehovah no mahafinaritra azy,+
3 Ho toy ny hazo nambolena eo amoron’ny rano mikoriana izy,
Dia hazo mamoa amin’ny fotoanany,
Sady tsy mba malazo ny raviny.
Ary hety tsara daholo izay ataony.+
4 Tsy mba toy izany kosa ny ratsy fanahy;
Toy ny akofa entin’ny rivotra izy ireo.
5 Izany no mahatonga ny ratsy fanahy tsy hahajoro eo anatrehan’ny fitsarana,+
Sy mahatonga ny mpanota tsy hahajoro eo anivon’ny olo-marina.+
2 Nahoana no mikorontana ireo firenena,
Ary mingonongonona miteny* zavatra tsy misy dikany ny vahoaka?+
3 Hoy izy ireo: “Andao hotapahintsika ny fatotra nataony,
Ary hariantsika ny tady namatorany antsika!”
4 Hihomehy fotsiny anefa Ilay mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana any an-danitra;
Haneso azy ireo i Jehovah.
5 Ho tezitra be izy amin’izay rehefa hiteny amin’izy ireo,
Ary hampihorohoro azy ireo amin-katezerana mafy,
6 Ka hilaza hoe: “Izaho mihitsy no efa nametraka ny mpanjakako+
Ao Ziona,+ tendrombohitro masina.”
8 Angataho amiko ireo firenena, dia homeko ho lovanao,
Ary ny tany manontolo, fa homeko ho fanananao.+
10 Koa asehoy hoe misaina tsara ianareo, ry mpanjaka;
Maneke fanitsiana,* ry mpitsara eto an-tany!
11 Manompoa an’i Jehovah sady matahora azy,
Ary mifalia, nefa koa mangovita.
12 Omeo voninahitra* ilay zanaka+ sao ho tezitra Andriamanitra*
Fa vetivety dia mirehitra ny fahatezerany.
Sambatra izay rehetra mialoka aminy.
Hiran’i Davida tamin’izy nandositra an’i Absaloma zanany.+
3 Jehovah ô, nahoana no lasa be dia be toy izao ny fahavaloko?+
Nahoana no maro be no mitsangana hanohitra ahy?+
2 Betsaka no milaza momba ahy hoe:
“Tsy hovonjen’Andriamanitra izy.”+ (Sela)*
3 Ianao anefa no ampinga manodidina ahy, Jehovah ô,+
4 Hiantso mafy an’i Jehovah aho,
Dia hamaly ahy avy any an-tendrombohiny masina+ izy. (Sela)
6 Tsy atahorako ny olona an’alinaliny,
Izay milahatra manodidina ahy mba hamely ahy.+
7 Mitsangàna, Jehovah ô! Vonjeo aho,+ ry Andriamanitro ô!
Fa hamely an’ireo fahavaloko rehetra eo amin’ny valanoranony ianao;
Hotapatapahinao ny nifin’ny ratsy fanahy.+
8 Avy amin’i Jehovah ny famonjena.+
Mitahy ny vahoakanao ianao. (Sela)
Ho an’ny mpitarika; ampiarahina amin’ny zavamaneno fitendry. Hiran’i Davida.
4 Ry Andriamanitro tia rariny+ ô, valio aho rehefa miantso anao.
Ataovy mahita lalan-kivoahana* amin’ny fahoriako aho.
Iantrao aho, ka henoy ny vavaka ataoko.
2 Ry zanak’olombelona, mandra-pahoviana ianareo no tsy hanome voninahitra ahy fa hanala baraka ahy?
Mandra-pahoviana ianareo no ho tia zavatra tsy misy dikany sy hamoron-dainga? (Sela)
3 Fantaro fa miavaka ny fomba hitondran’i Jehovah* ny olona tsy mivadika aminy;
Hihaino i Jehovah rehefa miantso azy aho.
4 Tezera fa aza manota.+
Tazòny ao am-ponareo ihany ny teninareo, eo am-pandriana. Ary aoka ianareo hangina. (Sela)
5 Manaova sorona araka ny fahamarinana,
Ary matokia an’i Jehovah.+
6 Maro no miteny hoe: “Iza no hanome zavatra tsara ho antsika?”
Aoka ny hazavanao* hamirapiratra aminay, Jehovah ô!+
7 Ataonao izay hahatonga ny foko ho faly kokoa
Noho ny an’ireo nahavokatra varimbazaha be dia be sy divay vaovao betsaka.
8 Hitsotsotra sy hatory amim-piadanana aho,+
Satria ianao irery ihany, Jehovah ô, no mahatonga ahy hiadana sy hilamin-tsaina.+
Ho an’ny mpitarika ny Nehilota.* Hiran’i Davida.
5 Henoy ny teniko, Jehovah ô!+
Misento aho ka mba henoy.
2 Henoy ny antso vonjy ataoko,
Ry Mpanjakako sy Andriamanitro ô, fa ianao no ivavahako.
3 Jehovah ô, haheno ny feoko ianao amin’ny maraina;+
Horesahiko aminao amin’ny maraina izay mampanahy ahy,+ ary tsy ho andriko izay hahazoana ny valiny.
4 Fa tsy mba Andriamanitra faly amin’ny faharatsiana ianao;+
Tsy misy olon-dratsy afaka miara-monina aminao.+
5 Tsy misy mpirehareha mahajoro eo anatrehanao.
Halan’i Jehovah ny olona mahery setra* sy mpamitaka.+
7 Izaho kosa hiditra ao an-tranonao+ satria tena be fitiavana sy tsy mivadika ianao;+
Hiankohoka manandrify ny tempolinao masina* aho, noho ny fahatahorako anao.+
8 Jehovah ô, manao ny rariny ianao. Tariho aho fa manodidina ahy ny fahavaloko;
Ataovy tsy misy sakantsakana ny lalanao mba handehanako.+
9 Fa tsy misy azo atokisana izay lazain’izy ireo;
Tsy mieritreritra afa-tsy ny hanisy ratsy izy ireo;
Fasana misokatra ny tendany;
Mandokadoka amin’ny lelany+ izy ireo.
10 Hambaran’Andriamanitra hoe meloka anefa izy ireo;
Ny tetika nataony ihany no hahavoa azy.+
Enga anie izy ireo ho voaroaka fa nandika lalàna imbetsaka,
Satria nikomy taminao!
11 Hifaly kosa izay rehetra mialoka aminao;+
Hihoby foana izy ireo.
Hosakananao izay manatona hamely azy,
Ary hifaly aminao izay tia ny anaranao.
12 Fa hotahinao ny olo-marina, Jehovah ô!
Hataonao manodidina azy toy ny ampinga lehibe ny fankasitrahanao.+
Ho an’ny mpitarika; ampiarahina amin’ny zavamaneno fitendry atao Seminita.* Hiran’i Davida.
6 Jehovah ô, aza tezitra rehefa mananatra ahy ianao,
Ary aza misafoaka rehefa manitsy ahy.+
2 Iantrao* aho, Jehovah ô, fa mihareraka.
Sitrano aho, Jehovah ô,+ fa mangozohozo ny taolako.
6 Sasatry ny misento aho;+
Vonton’ny ranomasoko* ny fandrianako mandritra ny alina;
Kotsan’ny ranomasoko ny farafarako.+
8 Mialà eto amiko ianareo rehetra manao ratsy,
Fa ho ren’i Jehovah ny fitomaniako.+
9 Ho ren’i Jehovah ny fitalahoako famindram-po;+
Hohenoin’i Jehovah ny vavaka ataoko.
10 Ho menatra be sy ho very hevitra ny fahavaloko rehetra;
Handositra izy ireo ka ho afa-baraka+ tampoka.
Hira fanehoana alahelo* nohirain’i Davida ho an’i Jehovah, noho ny tenin’i Kosy Benjaminita.
7 Jehovah Andriamanitro ô, ianao no ialofako.+
Vonjeo aho tsy ho azon’izay rehetra manenjika ahy ka afaho.+
2 Raha tsy izany mantsy, dia hoviravirain’izy ireo toy ny ataon’ny liona aho,+
Ka hoentiny mandositra nefa tsy misy mpamonjy.
3 Jehovah Andriamanitro ô, raha izaho no diso,
Na nanao ny tsy rariny,
4 Na nanao ratsy tamin’izay nanisy soa ahy,+
Na nandroba ny fahavaloko tsy amin’antony,*
5 Dia aoka hanenjika ahy ny fahavalo ka hahatratra ahy;
Aoka hohitsakitsahiny eo amin’ny tany aho,*
Ary hohosihoseny eo amin’ny vovoka ny voninahitro. (Sela)
6 Mitsangàna, Jehovah ô, ary asehoy hoe tezitra ianao!
Mijoroa hanohitra ny fisafoakan’ny fahavaloko;+
Mifohaza hamonjy ahy, ary asaivo ampiharina ny rariny.+
7 Aoka hanodidina anao ireo firenena;
Dia hamely azy ireo avy eny amin’ny avo ianao.
8 Hamoaka didim-pitsarana hampiharina amin’ireo firenena i Jehovah.+
Jehovah ô, tsarao araka ny fahamarinako
Sy ny tsy fivadihako+ aho.
9 Mba farano re ny zava-dratsy ataon’ny ratsy fanahy e!
Ataovy mafy orina kosa ny olo-marina,+
Satria ianao ilay Andriamanitra tia rariny,+ izay mandinika ny fo+ sy ny fihetseham-po lalina indrindra.*+
10 Andriamanitra no ampingako,+ dia ilay Mpamonjy ny mahitsy fo.+
12 Rehefa misy olona tsy mibebaka,+ dia mandranitra ny sabany+ izy;
Mamoritra sy manomana ny tsipìkany+ izy.
13 Manomana fitaovam-piadiana mahafaty izy;
Ataony vonona ny zana-tsipìka mirehitra.+
14 Jereo ilay bevohoka faharatsiana;
Fahoriana no miforona ao an-kibony, ka lainga no aterany.+
15 Mihady lavaka izy ary ataony lalina be ilay izy,
Nefa izy ihany no ho latsaka ao.+
17 Hidera an’i Jehovah aho fa manao ny rariny izy;+
Hihira fiderana* aho ho an’ny anaran’i Jehovah,+ ilay Avo Indrindra.+
Ho an’ny mpitarika; atao Gitita.* Hiran’i Davida.
8 Ry Jehovah Tomponay ô, heni-kaja eran-tany ny anaranao;
2 Noho ny ataon’ireo manohitra anao,
Dia avy amin’ny vavan’ny ankizy sy ny zaza+ no ampisehoanao ny herinao,
Mba hampangina ny fahavalo sy ny mpamaly faty.
3 Rehefa jereko ny lanitrao, izay asan’ny rantsantananao,
Sy ny volana ary ny kintana noforoninao,+
4 Dia inona moa izay olombelona mety maty no tsaroanao?
Ary inona moa izay zanak’olombelona no karakarainao?+
5 Nataonao ambany kely noho ny anjely* izy,
Ary nosatrohanao haja amam-boninahitra.
6 Nomenao fahefana hanjaka amin’ny asan’ny tananao izy;+
Nataonao eo ambany tongony ny zava-drehetra:
7 Ny biby fiompy rehetra, toy ny ondry aman’osy sy ny omby,
8 Ny voro-manidina, sy ny trondro any an-dranomasina,
Ary izay rehetra mivezivezy any an-dranomasina.
9 Ry Jehovah Tomponay ô, heni-kaja eran-tany ny anaranao!
Ho an’ny mpitarika; atao Mota-labena.* Hiran’i Davida.
א [Alefa]
9 Hidera anao amin’ny foko manontolo aho, Jehovah ô!
Hilaza an’ireo zavatra rehetra mahatalanjona nataonao+ aho.
2 Hifaly sy hiravoravo aho noho ny aminao;
Hihira fiderana* ho an’ny anaranao aho, ry Avo Indrindra ô!+
ב [Beta]
3 Rehefa mitsoaka mandositra ny fahavaloko,+
Dia ho tafintohina sy ho ringana eo anatrehanao.
4 Fa niaro ahy ianao mba hahazoako rariny;
Mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana ianao, ka mitsara araka ny rariny.+
ג [Gimela]
5 Nanarinao mafy ireo firenena+ ary naringanao ny ratsy fanahy,
Ka nofafanao mandrakizay mandrakizay ny anaran’izy ireo.
ה [He]
7 I Jehovah kosa mipetraka mandrakizay eo amin’ny seza fiandrianany;+
Ataony mafy orina ny seza fiandrianany mba hampiharana ny rariny.+
8 Hotsarainy araka ny rariny ny tany misy mponina;*+
Hamoaka didim-pitsarana ara-drariny ho an’ireo firenena izy.+
ו [Vao]
9 Ho fialofana* azo antoka i Jehovah ho an’izay ampahorina,+
Dia fialofana azo antoka amin’ny fotoan-tsarotra.+
ז [Zaina]
11 Manaova hira fiderana ho an’i Jehovah, ilay mipetraka ao Ziona;
Ampahafantaro an’ireo firenena ny zavatra nataony.+
12 Fa hahatsiaro an’ireo ampijalina Izy ka hamaly an’izay nandatsaka ny ran’izy ireo;+
Tsy hohadinoiny ny fitarainan’izy ireo.+
ח [Heta]
13 Iantrao aho, Jehovah ô! Jereo ny fahoriako noho ny ataon’ireo mankahala ahy.
Ianao no mampitsangana ahy hiala eo am-bavahadin’ny fahafatesana,+
14 Mba hanambarako eo am-bavahadin’i Ziona zanakavavy+ ny asa mendri-piderana ataonao,
Sy hifaliako noho ny asa famonjena ataonao.+
ט [Teta]
15 Latsaka ao amin’ny lavaka nataony ireo firenena;
Ny tongony ihany no voafandriky ny harato nafeniny.+
16 Fantatra amin’ny didim-pitsarana ampihariny i Jehovah.+
Ny zavatra nataon’ny tanan’ny ratsy fanahy ihany no mamandrika azy.+
Higaiona.* (Sela)
י [Yôda]
17 Handositra ho any amin’ny Fasana* ny ratsy fanahy,
Dia ny firenena rehetra manadino an’Andriamanitra.
18 Tsy hohadinoina foana kosa ny mahantra;+
Ary tsy ho foana mandrakizay ny fanantenan’ny mpandefitra.+
כ [Kafa]
19 Mitsangàna, Jehovah ô! Aza avela handresy ny olombelona mety maty.
Enga anie hotsaraina eo anatrehanao ireo firenena!+
20 Ataovy raiki-tahotra izy ireo, Jehovah ô!+
Aoka ho fantatr’ireo firenena fa olombelona mety maty ihany izy ireo. (Sela)
ל [Lameda]
10 Nahoana ianao no mijoro eny lavitra eny, Jehovah ô?
Nahoana no miafina ianao amin’ny fotoam-pahoriana?+
2 Manambony tena ny ratsy fanahy ka enjehiny ny tsy misy mpiaro.+
Ho voafandriky ny tetika nataony anefa izy.+
3 Fa mirehareha momba ny faniriany feno fitiavan-tena ny ratsy fanahy,+
Ary mitso-drano an’ilay* tsy mety afa-po;
נ [Nona]
Maniratsira an’i Jehovah izy.
4 Miavonavona ny ratsy fanahy ka tsy mba manadihady;
Izao ihany no ao an-tsainy: “Tsy misy izany Andriamanitra izany.”+
5 Mahomby foana izay ataony,+
Nefa tsy takatry ny sainy ny didim-pitsaranao.+
Esoesoiny* daholo ny fahavalony.
6 Hoy izy any am-pony any: “Tsy mba hangozohozo* aho.
Tsy hisy loza hanjo ahy mihitsy,+
Hatrany amin’ny taranako fara aman-dimby.”
פ [Pe]
7 Feno ozona sy lainga ary fandrahonana ao am-bavany;+
Fampahoriana sy fampijaliana no ao ambany lelany.+
8 Miafina mba hanafika eny akaikin’ny tanàna kely izy;
Avy ao amin’ny toeram-piafenany izy no mamono ny tsy manan-tsiny.+
ע [Aina]
Mitilitily an’izay olona azony asiana izy.+
9 Mamitsaka ao amin’ny toeram-piafenany izy, toy ny liona ao amin’ny fonenany.*+
Mamitsaka hisambotra an’ilay tsy misy mpiaro izy.
Azony ilay tsy misy mpiaro rehefa sintoniny hikombona ny haratony.+
10 Torotoro sy voahosihosy izay azony;
Lasa eo ambany fifehezany* ireo marefo.
11 Hoy izy any am-pony any: “Efa nanadino Andriamanitra.+
Efa nihodina tsy nijery izy.
Tsy mahita mihitsy izy.”+
ק [Kôfa]
12 Mitsangàna, Jehovah ô!+ Ingao ny tananao, Andriamanitra ô!+
Aza hadinoina ireo tsy misy mpiaro.+
13 Nahoana no maniratsira an’Andriamanitra ny ratsy fanahy?
Hoy izy any am-pony any: “Tsy hanao ampamoaka ahy ianao.”
ר [Resa]
14 Tena hitanao anefa ny zava-tsarotra sy ny fahoriana.
Jerenao izany ka raisinao an-tanana.+
ש [Shina]
15 Tapaho ny sandrin’ny ratsy fanahy sy ny olon-dratsy.+
Amin’izay rehefa mikaroka ny faharatsiany ianao,
Dia tsy hahita an’izany intsony.
16 Mpanjaka mandrakizay mandrakizay i Jehovah.+
Ripaka tsy misy eto an-tany ireo firenena.+
ת [Tao]
17 Fa hohenoinao kosa, Jehovah ô, ny fitalahoan’ny mpandefitra.+
Hanatanjaka ny fony+ ianao sady hihaino tsara azy.+
18 Hanome rariny ho an’ny kamboty ray sy izay ampijalina ianao,+
Mba tsy hampatahotra azy ireo intsony ny olombelona mety maty, dia ny olona etỳ an-tany.+
Ho an’ny mpitarika. Nataon’i Davida.
11 I Jehovah no ialofako,+
Koa nahoana ianareo no sahy milaza amiko hoe:
“Mandosira toy ny vorona, dia mankanesa any an-tendrombohitrareo?
2 Jereo fa manomana* tsipìka ny ratsy fanahy;
Ataon’izy ireo eo amin’ny tadin-tsipìka ny zana-tsipìkany,
Mba hitifirany ny mahitsy fo, avy ao amin’ny maizimaizina.
3 Raha rava ny fototra,*
Inona no azon’ny olo-marina atao?”
4 Ao amin’ny tempoliny masina i Jehovah.+
Any an-danitra ny seza fiandrianan’i Jehovah.+
Ny masony mijery, ny masony mandinika ny zanak’olombelona.+
5 Samy dinihin’i Jehovah na ny olo-marina na ny ratsy fanahy;+
6 Handrarahany fandrika* ny ratsy fanahy;
Afo sy solifara+ ary rivotra mahamay no ho anjaran’izy ireo.*
7 Fa manao ny rariny i Jehovah,+ ary tia ny rariny izy.+
Ny olona manao izay mahitsy no hahita ny tarehiny.*+
Ho an’ny mpitarika; atao Seminita.* Hiran’i Davida.
12 Vonjeo aho, Jehovah ô, fa tsy misy intsony ny olona tsy mivadika;
Tsy ahitana olona mendri-pitokisana intsony eo amin’ny olombelona.
3 Hataon’i Jehovah mangina ny molotra rehetra tia mandokadoka
Sy ny lela mieboebo be,+
4 Dia ireo milaza hoe: “Ny lelanay no handresenay.
Azonay ampiasaina araka izay tianay ny molotray;
Iza no ho afaka hifehy anay?”+
5 “Satria ampahorina ny olona mijaly
Ary misento ny mahantra,+
Dia hitsangana aho ka hanao zavatra”, hoy i Jehovah.
“Hovonjeko izy ireo mba tsy ho azon’izay manao tsinontsinona* azy.”
6 Madio ny tenin’i Jehovah;+
Toy ny volafotsy voadio tao amin’ny fatana tanimanga* izany, eny, voadio impito.
7 Hiambina azy ireo ianao, Jehovah ô!+
Hiaro azy tsirairay mandrakizay tsy ho azon’ity taranaka ity ianao.
8 Mivezivezy malalaka etsy sy eroa ny ratsy fanahy,
Satria mampirisika ny olona ho ratsy fitondran-tena ny zanak’olombelona.+
Ho an’ny mpitarika. Hiran’i Davida.
13 Jehovah ô, mandra-pahoviana ianao no hanadino ahy? Ho mandrakizay ve?
Mandra-pahoviana ianao no hihodina tsy hijery ahy?*+
2 Mandra-pahoviana aho no hitebiteby,
Ka halahelo isan’andro ny foko?
Mandra-pahoviana ny fahavaloko no handresy ahy?+
3 Jereo aho ka valio, Jehovah Andriamanitro ô!
Omeo hazavana ny masoko, mba tsy ho renoky ny torimasom-pahafatesana aho,
4 Sao hilaza ny fahavaloko hoe: “Resiko izy!”
Aza avela ho faly amin’ny fahavoazako ireo manohitra ahy.+
5 Fa izaho matoky hoe be fitiavana sy tsy mivadika ianao;+
Hifaly ny foko noho ny asa famonjena ataonao.+
6 Hihira ho an’i Jehovah aho, fa be dia be ny valisoa nomeny ahy.*+
Ho an’ny mpitarika. Nataon’i Davida.
14 Ny adala* miteny anakampo hoe:
“Tsy misy izany Jehovah izany.”+
Tena ratsy sy maharikoriko ny zavatra ataony;
Tsy misy manao ny tsara izy ireo.+
2 I Jehovah anefa mitazana ny zanak’olombelona avy any an-danitra,
Mba hahitana raha misy olona lalin-tsaina ka mitady an’i Jehovah.+
3 Nivily nankany amin’ny lalan-diso izy rehetra;+
Ratsy toetra daholo izy ireo.
Tsy misy manao ny tsara,
Na iray aza.
4 Tsy mba misy tonga saina ve ny mpanao ratsy?
Arapany ny vahoakako, ka hohaniny hoatran’ireny mihinan-kanina ireny.
Tsy mba miantso an’i Jehovah izy ireo.
5 Hatahotra be anefa izy ireo,+
Satria i Jehovah no eo amin’ny taranaka manao ny marina.
6 Ataon’ny mpanao ratsy izay tsy hahatanteraka ny fikasan’ny tsy manana.
I Jehovah anefa no ialofany.+
7 Enga anie ka ho avy ao Ziona ny famonjena ny Israely!+
Rehefa ampodin’i Jehovah ny vahoakany lasa babo,
Dia hifaly i Jakoba, ary hiravoravo i Israely.
Hiran’i Davida.
15 Jehovah ô, iza no afaka mivahiny ao amin’ny tranolainao?
Iza no afaka monina ao amin’ny tendrombohitrao masina?+
4 Tsy mety miaraka amin’ny olona tsy misy ilana azy+ izy,
Fa hajainy kosa izay matahotra an’i Jehovah.
Tsy mivadika amin’ny fampanantenany* izy, na dia mitondra fahavoazana ho azy aza izany.+
5 Tsy mitaky zanabola izy rehefa mampisambotra,+
Ary tsy mandray kolikoly mba hanamelohana ny tsy manan-tsiny.+
Tsy hangozohozo* mihitsy izay manao an’izany rehetra izany.+
Miktama* nataon’i Davida.
16 Arovy aho, Andriamanitra ô, fa ianao no ialofako.+
2 Hoy aho tamin’i Jehovah: “Ianao no Jehovah. Avy aminao ny zavatra tsara rehetra ananako.*
3 Ary ny olona masina etỳ an-tany,
Izany hoe ireo mendrika ny homena voninahitra, no tena mahafinaritra ahy.”+
4 Mampitombo ny fahoriany izay maimaika hanompo andriamani-kafa.+
Tsy handraraka ra atao fanatitra zava-pisotro ho an’ireny mihitsy aho,
Ary tsy hanonona ny anarany ny molotro.+
5 I Jehovah no anjara+ nomena ahy sy kaopy+ ahazoako fitahiana.
Narovanao ny lovako.
6 Toerana mahafinaritra no voafaritra ho ahy.
Afa-po amin’ny lovako aho.+
7 Hoderaiko i Jehovah, izay manome torohevitra ahy.+
Na dia mandritra ny alina aza, dia manitsy ahy ny eritreritro lalina indrindra.*+
8 Ataoko eo anatrehako foana i Jehovah.+
Tsy hangozohozo* mihitsy aho satria izy eo ankavanako.+
9 Koa faly ny foko; ravoravo ny tenako manontolo.*
Ary tsy manana ahiahy aho.*
10 Fa tsy ho foinao hijanona ao amin’ny Fasana*+ aho.
Tsy havelanao hahita ny lavaka* ilay mpanomponao tsy mivadika.+
11 Ampahafantarinao ahy ny lalan’ny fiainana.+
Vavak’i Davida.
17 Mba henoy aho fa mangataka ny rariny, Jehovah ô!
Mba henoy aho fa miantso vonjy;
Henoy ny vavaka ataoko amim-pahatsorana.+
2 Enga anie ianao hanome rariny ahy,+
Ary ho hitan’ny masonao anie fa manao izay mahitsy aho!
3 Ianao efa nandinika ny foko sy nanara-maso ahy nandritra ny alina;+
Ho hitanao fa tsy nitetika ny hanao ratsy aho,
Ary tsy nandika lalàna aho tamin’izay nolazaiko.
4 Na inona na inona ataon’ny olona,
Dia ny teninao no arahiko, ka tsy manahaka ny fanaon’ny jiolahy aho.+
5 Avelao hanaraka foana ny lalanao ny diako,
Amin’izay dia tsy ho tafintohina ny tongotro.+
6 Miantso anao aho satria hamaly ahy ianao,+ Andriamanitra ô!
Aoka ianao hanongilan-tsofina hihaino* ny teniko.+
7 Asehoy amin’ny fomba miavaka hoe be fitiavana sy tsy mivadika ianao,+
Ry Mpamonjy an’izay mialoka eo amin’ny tananao ankavanana
Mba tsy ho azon’izay mikomy aminao.
9 Arovy aho mba tsy ho azon’izay ratsy fanahy mamely ahy,
Dia ireo fahavaloko mety maty izay manodidina ahy.+
10 Lasa tsy mihontsina intsony* izy ireo;
Teny feno fireharehana no avoakan’ny vavany.
11 Manodidina anay izy ireo izao,+
Miandry kendry tohina handavoana anay.*
12 Toy ny liona efa te hamiravira mafy ny rembiny izy,
Toy ny liona tanora mamitsaka mba hamely.
13 Mitsangàna, Jehovah ô, mba hifanandrina aminy+ sy handresy azy;
Vonjeo amin’ny sabatrao aho mba tsy ho azon’ny ratsy fanahy;
14 Vonjeo amin’ny tananao aho, Jehovah ô,
Mba tsy ho azon’ny olon’izao tontolo izao, izay tsy manana anjara afa-tsy amin’izao fiainana izao,+
Dia ireo mahazo zava-tsoa maro avy aminao+
Ary mamela lova ho an’ireo zanany be dia be.
Ho an’ny mpitarika. Nataon’i Davida, mpanompon’i Jehovah. Nataony ho an’i Jehovah izao tononkira izao, tamin’ny andro namonjen’i Jehovah azy teo an-tanan’ny fahavalony rehetra sy teo an-tanan’i Saoly. Hoy izy:+
18 Miraiki-po aminao aho, Jehovah ô! Ianao no heriko.+
2 I Jehovah no harambatoko sy manda fiarovana ho ahy ary Mpamonjy ahy.+
Ilay Andriamanitro no vatolampiko.+ Ao aminy aho no mialoka,
Izy no ampingako sy tandroka* famonjena* ahy, fialofana* azoko antoka.+
3 I Jehovah, ilay mendrika hoderaina, no antsoiko,
Ka ho voavonjy amin’ny fahavaloko aho.+
4 Namatotra ahy toy ny tady ny fahafatesana;+
Nampihorohoro ahy ireo olona tsy misy ilana azy, izay toy ny ranotrambo nanafotra ahy.+
6 Tao anatin’ny sarotra aho no niantso an’i Jehovah;
Tamin’ilay Andriamanitro foana aho no niantso vonjy.
7 Dia nihozongozona sy nihetsiketsika ny tany;+
Nihovotrovotra ny fototry ny tendrombohitra
Sady nihozongozona satria nisy nampahatezitra azy.+
8 Nisy setroka niakatra avy teo am-bavorony,
Ary nisy afo nandevona avy tamin’ny vavany;+
Nisy vainafo niredareda avy taminy.
10 Nitaingina kerobima izy dia nanidina.+
Teny ambony elatry ny anjely* izy no nisidina haingana nanketỳ ambany.+
11 Dia nataony nanarona azy ny haizina.+
Nataony nanodidina azy toy ny tranolay
Ny rahona mainty sy matevina.+
12 Nisy hazavana namirapiratra teo anatrehany
Ka nampirotsaka havandra sy vainafo miredareda avy teny amin’ny rahona.
13 Dia nandefa kotroka tany an-danitra i Jehovah;+
Nataon’ilay Avo Indrindra izay handrenesana ny feony+
Niaraka tamin’ny havandra sy vainafo miredareda.
14 Nandefa ny zana-tsipìkany izy ka niparitaka ny fahavalony;+
Nandefa tselatra izy ka nataony nisahotaka ireny.+
15 Lasa hita ny fanambanin’ny renirano;*+
Niharihary ny fototry ny tany satria niteny mafy azy ianao, Jehovah ô,
Sady nitsoka azy tamin’ny fofonain’ny vavoronao.+
16 Avy any amin’ny avo izy no nanatsotra ny tanany;
Nitazona ahy izy ary nisintona ahy avy tao anaty rano lalina.+
17 Namonjy ahy tamin’ny fahavalo mahery izy,+
Dia tamin’ireo nankahala ahy, izay nahery kokoa noho izaho.+
18 Nanohitra ahy izy ireny tamin’ny andro nahitako loza,+
Nefa nanampy ahy i Jehovah.
19 Nitondra ahy nankeo amin’ny toerana tsy mampidi-doza* izy;
Namonjy ahy izy satria nankasitraka ahy.+
20 Mamaly soa ahy i Jehovah satria manao ny marina+ aho;
21 Fa narahiko foana ny lalan’i Jehovah,
Ary tsy nanao ratsy aho ka hoe niala tamin’ny Andriamanitro.
22 Eo anatrehako ny didim-pitsarany rehetra;
Tsy mba hanao tsinontsinona ny fitsipiny aho.
24 Enga anie i Jehovah hamaly soa ahy satria manao ny marina+ aho,
25 Ny olona tsy mivadika no tsy ivadihanao,+
Ary tsy misy tsiny ianao rehefa mifandray amin’ny olona tsy misy tsiny;+
26 Ny olona madio no isehoanao hoe madio,+
Fa ny olona fetsifetsy kosa no isehoanao hoe kinga saina.+
28 Fa ianao no mampirehitra ny jiroko, Jehovah ô,
Ilay Andriamanitro manazava ny haizina misy ahy!+
29 Manampy ahy ianao, dia vitako ny miady amin’ny mpandroba;+
Noho ny herin’Andriamanitra, dia vitako ny mianika manda.+
Ampingan’izay rehetra mialoka aminy izy.+
31 Fa iza no Andriamanitra ankoatra an’i Jehovah?+
Ary iza no vatolampy ankoatra an’ilay Andriamanitsika?+
33 Ataony toy ny an’ny serfa ny tongotro;
Ampijoroany eo amin’ny toerana avo aho.+
34 Mampiofana ahy* hiady izy;
Mahavita mamoritra tsipìka varahina ny sandriko.
35 Omenao ahy ny ampinga famonjenao,+
Manohana ahy* ny tananao ankavanana,
Ary lasa misandratra aho noho ianao manetry tena.+
36 Ataonao malalaka tsara ny lalana hodiaviko;
Tsy hibolisatra ny tongotro.+
37 Henjehiko ny fahavaloko ka ho tratrako;
Tsy hiverina aho raha tsy efa ringana tanteraka izy ireny.
38 Hotorotoroiko izy ireny, ka tsy ho tafatsangana intsony;+
Ho lavo eo ambany tongotro izy ireny.
39 Homenao hery hoenti-miady aho;
Hataonao lavo eo ambaniko ny fahavaloko.+
41 Miantso vonjy izy ireny, nefa tsy misy mamonjy;
Miantso an’i Jehovah mihitsy aza izy ireny, nefa tsy valiany.
42 Hataoko torotoro toy ny vovoka entin’ny rivotra izy ireny,
Ary hariako hoatran’ny fotaka eny an-dalana.
43 Hamonjy ahy amin’ny fanakianana ataon’ny vahoaka ianao,+
Ary hanendry ahy ho filohan’ireo firenena.+
Vahoaka mbola tsy fantatro no hanompo ahy.+
44 Hankatò ahy izy ireo raha vao mandre ny momba ahy fotsiny;
Hanatona ahy ny olona avy amin’ny firenen-kafa sady hatahotra.+
45 Tsy hanana herim-po intsony* ny olona avy amin’ny firenen-kafa;
Hangovitra izy ireo mivoaka avy ao amin’ny toerany voaro mafy.
46 Velona i Jehovah! Hoderaina anie ilay Vatolampiko!+
Hasandratra anie ilay Andriamanitra mpamonjy ahy!+
47 Mamaly ny ratsy atao amiko ilay tena Andriamanitra;+
Ataony lasa manaiky ahy ireo firenena.
48 Mamonjy ahy amin’ny fahavaloko tezitra be izy;
Manainga ahy ho lasa ambonin’ireo manafika ahy ianao,+
Ary mamonjy ahy amin’ny olona mahery setra.
49 Izany no mahatonga ahy hanome voninahitra anao eo amin’ireo firenena, Jehovah ô,+
50 Manao asa famonjena lehibe* ho an’ny mpanjaka voatendriny izy;+
Tiany ny voahosotra notendreny sady tsy mivadika aminy izy,+
Dia amin’i Davida sy ny taranany mandrakizay.+
Ho an’ny mpitarika. Hiran’i Davida.
2 Miboiboika teny fiderana izy ireo isan’andro,
Ary mampita fahalalana isak’alina.
3 Tsy miteny tsy mivolana izy ireo;
Tsy re ny feony.
4 Efa nivoaka eran-tany anefa ny tenin’izy ireo,*
Ary tonga hatrany amin’ny faran’ny tany misy mponina* ny hafatra nentiny.+
Nanangana tranolay ho an’ny masoandro, eny amin’ny lanitra, Andriamanitra;
5 Toy ny mpampaka-bady mivoaka avy ao amin’ny efitranon’ny mpampakatra ny masoandro,
Ary mifaly toy ny lehilahy matanjaka mihazakazaka eny amin’ny lalany.
6 Mipoitra avy any amin’ny faravodilanitra iray izy,
Ary mihodidina mankany amin’ny faravodilanitra iray;+
Tsy misy tsy azon’ny hafanany.
7 Tonga lafatra ny lalàn’i Jehovah,+ manome hery indray.*+
Azo atokisana ny fampahatsiahivan’i Jehovah,+ mampahahendry an’izay tsy dia nahita fiainana.+
9 Madio ny fahatahorana an’i Jehovah,+ maharitra mandrakizay.
Marina ny didim-pitsaran’i Jehovah, ara-drariny daholo.+
10 Irina noho ny volamena ireny,
Irina noho ny volamena tena tsara* be dia be,+
Ary mamy noho ny tantely,+ dia ny tantely mitete avy amin’ny toho-tantely.
12 Iza no mahatsapa hoe nanao fahadisoana?+
Mamelà ahy* amin’izay fahotana tsy fantatro akory.
13 Ary aza avela ho sahisahy hanao an’izay tsy tokony hatao ny mpanomponao;+
Aza avela hanjaka ao amiko izany toe-tsaina izany.+
14 Enga anie ny teny aloaky ny vavako sy izay saintsainiko ato am-poko
Ka hahafaly anao,+ Jehovah ô, ry Vatolampiko+ sy Mpanavotra ahy!+
Ho an’ny mpitarika. Hiran’i Davida.
20 Hamaly ny vavaka ataonao anie i Jehovah, amin’ny andro fahoriana!
Hiaro anao anie ny anaran’ilay Andriamanitr’i Jakoba!+
3 Hotsaroany anie ny fanatitra rehetra ataonao fanomezana ho azy;
Enga anie izy hankasitraka* ny fanatitra dorana atolotrao! (Sela)
4 Homeny anao anie izay irin’ny fonao,+
Ary hataony izay hahatanteraka an’izay rehetra kasainao!
5 Hihoby izahay noho ny asa famonjena ataonao;+
Hasandratray amin’ny anaran’ny Andriamanitray ny saina kely entinay.+
Hotanterahin’i Jehovah anie izay rehetra angatahinao!
6 Fantatro tsara izao fa mamonjy ny voahosotra notendreny i Jehovah.+
7 Ny sasany mitoky amin’ny kalesy fitondra miady, ary ny hafa amin’ny soavaly,+
Fa isika kosa miantso ny anaran’i Jehovah Andriamanitsika.+
8 Mitolefika izy ireo dia mianjera,
Fa isika kosa mitsangana ka tafajoro.+
9 Jehovah ô, vonjeo ny mpanjaka!+
Hamaly antsika izy amin’ny andro iantsoantsika vonjy aminy.+
Ho an’ny mpitarika. Hiran’i Davida.
21 Jehovah ô, faly ny mpanjaka satria nasehonao fa mahery ianao;+
Faly erỳ izy noho ny asa famonjenao!+
2 Nomenao azy izay nirin’ny fony,+
Ary tsy nolavinao izay nangatahin’ny molony. (Sela)
3 Notsenainao izy ka nomenao fitahiana be dia be;
Nasianao satroboninahitra volamena tena tsara* teo amin’ny lohany.+
4 Ny ho velona no nangatahiny taminao, dia nomenao azy izany;+
Nataonao ela velona izy,* eny, velona mandrakizay mandrakizay.
5 Mahazo voninahitra be izy noho ny asa famonjenao.+
Omenao haja amam-boninahitra izy.
6 Ataonao izay hahazoany fitahiana mandrakizay;+
7 Fa matoky an’i Jehovah ny mpanjaka;+
Tsy hangozohozo* mihitsy izy satria be fitiavana sy tsy mivadika ilay Avo Indrindra.+
8 Ho azon’ny tananao ny fahavalonao rehetra;
Ho azon’ny tananao ankavanana ireo mankahala anao.
9 Hataonao toy ny lafaoro mirehitra izy ireny amin’ny fotoana voatondro, rehefa hamely azy ireny ianao.
Tezitra i Jehovah ka haringany* izy ireny, ary ho levon’ny afo.+
10 Haringanao tsy ho etỳ an-tany ny zanany,
Ary hofoananao tsy ho eo amin’ny zanak’olombelona ny taranany.
13 Mitsangàna, Jehovah ô, ary asehoy ny tanjakao!
Hihira fiderana* ho anao izahay noho ny herinao.
Ho an’ny mpitarika; atao mifanaraka amin’ilay hoe “Serfavavin’ny Maraina Mangiran-dratsy.”* Hiran’i Davida.
22 Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana ianao no nahafoy ahy?+
Nahoana no lavitra ahy ianao, ka tsy mamonjy ahy
Sady tsy mihaino ny fitarainako?+
2 Andriamanitro ô, miantso anao foana aho rehefa antoandro nefa tsy mamaly ianao,+
Ary tsy mangina mihitsy ny vavako rehefa alina.
7 Maneso ahy izay rehetra mahita ahy;+
Mihomehy manaraby sy mihivingivin-doha+ izy ireo, ka miteny hoe:
8 “Efa nankininy tamin’i Jehovah ny fiainany, koa aoka Izy hanafaka azy!
Aoka Izy hamonjy azy, satria tena tia azy Izy!”+
9 Ianao no namoaka ahy avy tao an-kibo,+
Sy nanao izay tsy hananako ahiahy teo an-tratran-dreniko.
10 Vao teraka aho, dia efa nankinina taminao mba hokarakarainao;*
Mbola tany an-kibon’i Neny aho, dia efa ianao no Andriamanitro.
11 Aza mijanona lavitra ahy, fa mananontanona ny loza,+
Ary tsy manana olon-kafa aho mba hanampy ahy.+
14 Araraka toy ny rano aho;
Ary miala amin’ny tonon-taolana ny taolako rehetra.
15 Tsy manana hery intsony aho, fa maina hoatran’ny silaka vilany tanimanga;+
Miraikitra amin’ny lanilaniko ny lelako;+
Entinao midina ao amin’ny vovoky ny fahafatesana aho.+
16 Fa itangoronan’ny alika aho;+
Manodidina ahy toy ny andiana mpanao ratsy izy ireo,+
Toy ny liona manaikitra ny tanako sy ny tongotro.+
17 Voaisako ny taolako rehetra.+
Mandinika ahy ny fahavaloko, sady mibanjina ahy.
18 Ifampizaran’izy ireo ny fitafiako,
Ary anaovany antsapaka ny akanjoko.+
19 Fa ianao kosa Jehovah ô, aza mijanona lavitra ahy.+
Ianao no heriko. Ampio haingana aho.+
20 Afaho tsy ho azon’ny sabatra aho,
Avoty tsy ho azon’ny alika ny aiko sarobidy.*+
21 Vonjeo aho mba tsy ho lanin’ny liona+ sy tsy ho voatrobaky ny tandroky ny ombidia;
Valio aho ka vonjeo.
23 Ianareo izay matahotra an’i Jehovah, miderà Azy!
Ianareo rehetra taranak’i Jakoba, omeo voninahitra Izy!+
Ianareo rehetra taranak’i Israely, atahory sy hajao Izy.
24 Fa tsy ataony tsinontsinona na hoe odiany tsy hita ny fahorian’ny olona mijaly;+
Henoiny kosa ny olona mijaly rehefa miantso vonjy aminy.+
25 Hidera anao eo anivon’ny fiangonana lehibe aho;+
Hanefa ny voadiko eo anatrehan’ireo matahotra azy aho.
Hankafy fiainana foana anie ianareo mandrakizay!*
27 Hahatsiaro an’i Jehovah ny olona hatrany amin’ny faran’ny tany, ka hiverina aminy.
Hiankohoka eo anatrehanao ny foko rehetra eo amin’ireo firenena.+
28 Fa an’i Jehovah ny fanjakana;+
Izy no mitondra an’ireo firenena.
29 Hisakafo sy hiankohoka eo anatrehany daholo ny mpanankarena* eto an-tany;
Handohalika eo anatrehany izay rehetra hidina any amin’ny vovoka;
Tsy misy mahavita miaro ny ainy izy ireo.
30 Hanompo azy ny taranak’izy ireo;
Horesahina amin’ny taranaka ho avy ny momba an’i Jehovah.
31 Ho avy izy ireo ka hanambara ny fahamarinany.
Holazain’izy ireo amin’ny vahoaka mbola tsy teraka izay nataony.
Hiran’i Davida.
23 I Jehovah no Mpiandry ahy.+
Tsy ho ory na inona na inona aho.+
2 Asainy mitsotsotra eny amin’ny toerana feno ahi-maitso aho,
Ary mitarika ahy ho eny amin’ny toeram-pialan-tsasatra azon-drano tsara* izy.+
3 Mamelombelona ahy izy.+
Mitarika ahy amin’ny lalan’ny fahamarinana izy, noho ny anarany.+
4 Na dia mamakivaky lohasaha maizim-pito aza aho,+
Dia tsy misy loza atahorako,+
Satria ianao no eo anilako.+
Manome toky* ahy ny tsorakazonao sy ny tehinao.
5 Manomana latabatra ho ahy eo anoloan’ny fahavaloko ianao.+
6 Ho tsara toetra amiko tokoa ianao sady ho tia ahy sy tsy hivadika amiko, mandritra ny androm-piainako.+
Dia hipetraka ao an-tranon’i Jehovah aho, amin’ny andro rehetra ahavelomako.+
Hiran’i Davida.
24 An’i Jehovah ny tany sy izay rehetra eo aminy,+
Dia ny tany lonaka sy izay monina eo amboniny.
2 Fa naoriny teo ambonin’ny ranomasina izy io,+
Ary nataony mafy orina teo ambonin’ny renirano.
3 Iza no afaka miakatra mankany an-tendrombohitr’i Jehovah?+
Ary iza no afaka mijoro ao amin’ny toerany masina?
4 Izay tsy manan-tsiny amin’izay ataon’ny tanany sady madio fo,+
Ary tsy mianiana lainga amin’ny anarako,*
Na mianiana mba hamitahana.+
5 Handray fitahiana avy amin’i Jehovah izy,+
Ary hanaiky azy ho marina* ilay Andriamanitry ny famonjena azy.+
6 Hoatr’izany ny taranak’izay mitady Azy,
Dia ny taranak’izay mitady sitraka aminao,* ry Andriamanitr’i Jakoba ô! (Sela)
7 Ry vavahady ô, ataovy avo be ny tamponareo;+
Misokafa,* ry varavarana efa nisy hatry ny ela,
Mba hidiran’ilay Mpanjaka be voninahitra!+
8 Iza izany Mpanjaka be voninahitra izany?
9 Ry vavahady ô, ataovy avo be ny tamponareo;+
Misokafa, ry varavarana efa nisy hatry ny ela,
Mba hidiran’ilay Mpanjaka be voninahitra!
10 Iza izany Mpanjaka be voninahitra izany?
I Jehovah Tompon’ny tafika! Izy ilay Mpanjaka be voninahitra!+ (Sela)
Nataon’i Davida.
[Alefa]
25 Ianao, Jehovah ô, no ianteherako!*
[Beta]
Aza avela ho faly amin’ny fahavoazako ny fahavaloko.+
ג [Gimela]
3 Azo antoka fa tsy hisy ho menatra izay manantena anao,+
Fa ho menatra kosa ireo mamitaka tsy amin’antony.+
ד [Daleta]
ה [He]
5 Ataovy izay handehanako amin’ny fahamarinanao ary ampianaro aho,+
Fa ianao no Andriamanitra mpamonjy ahy.
ו [Vao]
Ianao no antenaiko tontolo andro.
ז [Zaina]
6 Jehovah ô, tadidio hoe mamindra fo ianao sady be fitiavana sy tsy mivadika,+
ח [Heta]
7 Hadinoy ny fahotana vitako tamin’izaho mbola tanora sy ny fandikan-dalàna nataoko.
ט [Teta]
8 Tsara sy mahitsy i Jehovah.+
Izany no mahatonga azy hanoro ny mpanota ny lalana tokony haleha.+
י [Yôda]
כ [Kafa]
10 Hita amin’izay rehetra ataon’i* Jehovah fa be fitiavana izy sady tsy mivadika
Amin’ireo manaja ny fifanekena+ nataony sy manaraka ny fampahatsiahivany.+
ל [Lameda]
11 Noho ny anaranao, Jehovah ô,+
Dia mamelà ny fahadisoako, na dia lehibe aza izany.
מ [Mema]
12 Iza no olona matahotra an’i Jehovah?+
Hatorony azy izay lalana tokony hofidiny.+
נ [Nona]
ס [Sameka]
14 Izay matahotra an’i Jehovah no namany akaiky,+
Ary ampahafantariny azy ireo ny fifanekena nataony.+
ע [Aina]
פ [Pe]
16 Mba mitodiha atỳ amiko ka iantrao aho,
Fa irery aho sady tsy misy mpiaro.
צ [Tsade]
17 Mihamaro ny fahorian’ny foko;+
Afaho amin’ny fijaliako aho.
ר [Resa]
19 Jereo fa be dia be ny fahavaloko,
Ary tsy tia maizina ahy izy ireo.
ש [Shina]
20 Arovy ny aiko ka vonjeo aho.+
Aza avela ho menatra aho, fa ianao no ialofako.
ת [Tao]
22 Andriamanitra ô, vonjeo* amin’ny fahoriany rehetra ny Israely.
Nataon’i Davida.
26 Tsarao aho, Jehovah ô, fa tsy mivadika;+
I Jehovah no itokisako, ary tsy miovaova ny fatokisako azy.+
3 Fa toy ny hoe eo alohako eo foana ny fitiavanao sy ny tsy fivadihanao,
Ary mandeha amin’ny fahamarinanao aho.+
4 Tsy mifanerasera* amin’ny olona mamitaka aho,+
Ary tsy miaraka amin’ireo manafina ny tena maha izy azy.*
6 Hanasa tanana aho fa tsy manan-tsiny,
Ary handeha manodidina ny alitaranao aho, Jehovah ô,
7 Mba handrenesana ny fisaorako anao+
Sy hanambarako ny zavatra mahatalanjona rehetra nataonao.
9 Aza aringana miaraka amin’ny mpanota aho,+
Ary aza aripaka miaraka amin’ny olona mahery setra,*
10 Izay mampiasa ny tanany mba hanaovana zavatra mahamenatra,
Sady feno kolikoly ny tanany ankavanana.
11 Fa izaho kosa tsy mba hivadika mihitsy.
Afaho* aho, ka iantrao.
12 Mijoro eo amin’ny toerana tsy mikitoantoana ny tongotro;+
Eo anivon’ny fiangonana lehibe no hiderako an’i Jehovah.+
Nataon’i Davida.
27 I Jehovah no mpanazava+ sy mpamonjy ahy,
Koa iza no hatahorako?+
I Jehovah no manda miaro ny aiko,+
Koa iza no haharaiki-tahotra ahy?
2 Rehefa nanafika ahy mba hihinana ny nofoko ny mpanao ratsy,+
Izay fahavaloko sy mpanohitra ahy, dia izy ireo ihany no tafintohina ka lavo.
3 Na misy tafika manangana toby hamelezana ahy aza,
Dia tsy mba hatahotra ny foko.+
Na misy miady amiko aza,
Dia mbola hatoky an’Andriamanitra ihany aho.
4 Zavatra iray monja no angatahiko amin’i Jehovah,
—Izay ihany no hotadiaviko—
Dia ny hipetraka ao an-tranon’i Jehovah mandritra ny androm-piainako.+
Amin’izay aho dia handinika ny hatsaran’i Jehovah
5 Fa hanafina ahy ao amin’ny trano fialofany izy amin’ny andro hiavian’ny loza,+
Ary hanafina ahy ao amin’ny toerana miafina, ao amin’ny tranolainy.+
Eny ambony vatolampy avo be no hametrahany ahy.+
6 Misandratra ambonin’ireo fahavaloko manodidina ahy aho* izao;
Hihorakoraka sady ho faly aho rehefa manao sorona ao amin’ny tranolain’Andriamanitra;
Hihira fiderana* ho an’i Jehovah aho.
8 Tsaroako ato am-poko ilay didinao hoe:
“Mitadiava ahy* ianareo.”
Ianao* tokoa no hotadiaviko, Jehovah ô!+
9 Aza mihodina tsy hijery ahy.*+
Aza roahina ao anatin’ny hatezerana ny mpanomponao.
Ianao no mpanampy ahy;+
Aza mahafoy na mandao ahy, ry Andriamanitra mpamonjy ahy!
11 Ampianaro ny lalanao aho, Jehovah ô,+
Ary tariho amin’ny lala-mahitsy aho mba tsy ho azon’ny fahavaloko.
12 Aza atolotra eo an-tanan’ny fahavaloko aho,+
Fa misy vavolombelona mandainga mitsangana hiampanga ahy,+
Ary mandrahona ny hamely ahy izy ireo.
13 Taiza no ho niafarako raha tsy nino aho
Hoe hahita ny hatsaran-toetran’i Jehovah eo amin’ny tanin’ny velona?*+
Eny, aoka ianao hanantena an’i Jehovah.
Nataon’i Davida.
28 Ianao foana no antsoiko, Jehovah ô, ry Vatolampiko!+
Aza manampin-tsofina tsy hihaino ahy.
2 Henoy ny fitalahoako rehefa miantso vonjy aminao aho,
Ka mivavaka* manandrify ny efitra anatiny indrindra amin’ny toeranao masina.+
3 Aza taritaritina miaraka amin’ny ratsy fanahy aho, miaraka amin’ireo zatra manao ratsy,+
Dia ireo miresaka fihavanana amin’ny namany nefa ratsy ny ao am-pony.+
4 Valio araka izay nataony izy ireny,+
Araka ny ratsy fanaony.
Valio araka ny asan’ny tanany izy ireny,
Araka izay nataony.+
Hopotehin’Andriamanitra ny fiainan’izy ireny ary hataony tsy tafarina intsony izy ireny.*
6 Hoderaina anie i Jehovah
Fa nohenoiny ny fitalahoako fanampiana!
Nanampy ahy izy, ka faly ny foko.
Hidera azy amin’ny hirako àry aho.
8 I Jehovah no herin’ny vahoakany;
Izy no manda fiarovana, izay mitondra famonjena lehibe ho an’ny voahosotra notendreny.+
9 Vonjeo ny vahoakanao, ary tahio ny lovanao.+
Aoka ianao ho mpiandry azy ireo ka hitondra azy eny an-tsandrinao mandrakizay.+
Hiran’i Davida.
29 Omeo an’i Jehovah izay tokony homena azy, ry zanaky ny mahery!
Omeo an’i Jehovah izay tokony homena azy, satria be voninahitra sady matanjaka izy.+
2 Omeo voninahitra i Jehovah fa mendrika an’izany ny anarany.
Manaova fitafiana masina dia miankohofa eo anatrehan’i* Jehovah.*
3 Heno eny ambonin’ny rano ny feon’i Jehovah;
Mikotrokotroka ny feon’ilay Andriamanitra be voninahitra.+
Eny ambonin’ny rano be i Jehovah.+
4 Mahery ny feon’i Jehovah;+
Be voninahitra ny feon’i Jehovah.
5 Manapatapaka sedera ny feon’i Jehovah;
Ataon’i Jehovah potipotika ny sederan’i Libàna.+
7 Mampisy tselatra ny feon’i Jehovah;+
8 Mahatonga ny tany efitra ho tora-kovitra ny feon’i Jehovah;+
Ataon’i Jehovah tora-kovitra ny tany efitr’i Kadesy.+
9 Mahatonga ny serfa ho tora-kovitra sy ho teraka ny feon’i Jehovah,
Sady mampihintsan-dravina an’ireo ala.+
Ary izao no lazain’izay rehetra ao amin’ny tempoliny: “Voninahitra!”
10 Mipetraka eo amin’ny seza fiandrianany eo ambonin’ny rano be* i Jehovah;+
Mipetraka eo amin’ny seza fiandrianany i Jehovah; Mpanjaka mandrakizay izy.+
11 Hanome hery ny vahoakany i Jehovah.+
Hitahy ny vahoakany i Jehovah ka hanome azy fiadanana.+
Salamo. Hira natao tamin’ny fitokanana ny trano. Nataon’i Davida.
30 Hanandratra anao aho, Jehovah ô, fa nisintona ahy hiakatra ianao;
Tsy navelanao hifaly amin’ny fahavoazako ny fahavaloko.+
2 Jehovah Andriamanitro ô, niantso vonjy taminao aho ka nositraninao.+
3 Jehovah ô, nosintoninao niakatra avy tany amin’ny Fasana* aho.+
Tsy navelanao ho faty aho; tsy navelanao hilentika tany anaty lavaka* aho.+
4 Manaova hira fiderana* ho an’i Jehovah, ry olona tsy mivadika aminy!+
5 Vetivety ihany mantsy izy no tezitra,+
Fa mandritra ny androm-piainana kosa izy no mankasitraka.+
Mety ho tonga ny fitomaniana amin’ny hariva, fa misy fihobiana kosa rehefa maraina.+
6 Hoy aho tamin’ny mbola nilamina ny fiainako:
“Tsy ho azo hozongozonina* mihitsy aho.”
7 Jehovah ô, nataonao mafy orina toy ny tendrombohitra aho, tamin’izaho mbola nankasitrahanao.+
Rehefa nihodina tsy nijery ahy* anefa ianao, dia nihorohoro aho.+
8 Ianao foana no nantsoiko, Jehovah ô!+
I Jehovah foana no nitalahoako famindram-po.
9 Inona moa no soa azo raha maty aho* ka midina any an-davaka?*+
Ny vovoka angaha hidera anao,+ na hilaza momba ny tsy fivadihanao?+
10 Mihainoa, Jehovah ô, ary iantrao aho.+
Jehovah ô, ampio aho.+
11 Novanao ho fandihizana ny fisaonako;
Nesorinao ny akanjo gony nanaovako, dia nampitafianao fifaliana aho,
12 Mba hahafahako* hihira fiderana ho anao, fa tsy hangina fotsiny.
Jehovah Andriamanitro ô, hidera anao mandrakizay aho.
Ho an’ny mpitarika. Hiran’i Davida.
31 Ianao no ialofako, Jehovah ô!+
Enga anie aho tsy ho menatra mihitsy!+
Vonjeo aho satria manao ny rariny ianao.+
2 Aoka ianao hanongilan-tsofina hihaino ahy.*
Tongava haingana hanafaka ahy.+
Aoka ianao ho fiarovana mafy ho ahy eny an-tendrombohitra,
Ho toerana voaro mafy mba hahavoavonjy ahy.+
3 Fa ianao no harambatoko sy manda fiarovana+ ho ahy;
4 Hafahanao avy ao anaty harato namandrihana ahy an-tsokosoko aho,+
Fa ianao no fiarovana mafy ho ahy.+
Nanavotra ahy ianao, ry Jehovah Andriamanitry ny fahamarinana* ô!+
6 Halako ireo mivavaka amin’ny sampy tsy misy dikany sy tsy misy ilana azy,
Fa izaho kosa hitoky amin’i Jehovah.
7 Ho faly be aho noho ianao be fitiavana sy tsy mivadika,
Satria hitanao ny fijaliako;+
Fantatrao ny fahoriana mafy manjo ahy.
8 Tsy nanolotra ahy teo an-tanan’ny fahavalo ianao,
Fa mampijoro ahy eo amin’ny toerana tsy mampidi-doza.*
9 Jehovah ô, iantrao aho fa mijaly.
Reraky ny fahoriana ny masoko+ sy ny vatako manontolo.*+
Mihena ny heriko noho ny fahadisoako;
Mihamalemy ny taolako.+
11 Manao tsinontsinona ahy daholo ny fahavaloko,+
Indrindra fa ny mpiara-monina amiko.
Ary atahoran’ny olom-pantatro aho;
Andosiran’izy ireo aho rehefa hitany eny ivelany eny.+
12 Tsy ao am-pon’izy ireo* intsony aho sady efa hadinony, toy ny hoe efa maty;
Hoatran’ny vilany vaky aho.
13 Maheno fanaratsiana etsy sy eroa aho;
Manjaka hatraiza hatraiza ny horohoro.+
Rehefa mivondrona hanohitra ahy izy ireo,
Dia mitetika ny hanapitra ny aiko.+
14 Fa izaho kosa matoky anao, Jehovah ô!+
Hoy aho: “Ianao no Andriamanitro.”+
15 Eo an-tananao ny aiko.*
Vonjeo aho tsy ho azon’ny fahavaloko sy ny mpanenjika ahy.+
16 Aoka ianao ho miramirana* amin’ny mpanomponao.+
Vonjeo aho satria be fitiavana sy tsy mivadika ianao.
17 Jehovah ô, enga anie tsy ho menatra aho rehefa miantso anao!+
18 Aoka tsy hahateny ny molotra mandainga,+
Dia ny molotra miteny an’avona hanohitra ny olo-marina, ka mirehareha sy manambany azy.
19 Lehibe tokoa ny hatsaran-toetranao!+
Tehirizinao ho an’ireo matahotra anao izany,+
Sady asehonao amin’ireo mialoka aminao, eo anatrehan’ny olona rehetra.+
20 Hafeninao ao amin’ny toerana miafina eo anatrehanao izy ireo,+
Mba tsy ho voan’ny teti-dratsy ataon’ny olona;
Hanafina azy ireo ao amin’ny trano fialofanao ianao,
21 Hoderaina anie i Jehovah,
Fa nasehony tamin’ny fomba miavaka hoe tia ahy sy tsy nivadika tamiko izy,+ tao amin’ny tanàna natao fahirano.+
22 Izaho kosa natahotra be sady nikoropaka ka niteny hoe:
“Ho ringana tsy ho eo anatrehanao aho.”+
Renao anefa ny fitalahoako rehefa niantso vonjy taminao aho.+
23 Aoka ho tia an’i Jehovah ianareo rehetra tsy mivadika aminy!+
24 Manàna herim-po ary enga anie hatanjaka ny fonareo,+
Dia ianareo rehetra izay miandry an’i Jehovah.+
Maskila* nataon’i Davida.
32 Sambatra izay voavela ny helony ary voasarona* ny fahotany.+
2 Sambatra ny olona izay tsy lazain’i Jehovah hoe meloka,+
Dia ny olona tsy mieritreritra ny hamitaka.
3 Rehefa tsy nety niteny aho, dia nihalany ny heriko* satria nitaraindraina tontolo andro aho.+
4 Fa navesatra tamiko ny tananao,*+ na andro na alina.
Ritra ny heriko,* toy ny rano azon’ny hafanana migaingaina. (Sela)
5 Niaiky ny fahotako teo anatrehanao aho tamin’ny farany;
Tsy mba nosarontsaronako ny fahadisoako.+
Hoy aho: “Hiaiky ny heloko eo anatrehan’i Jehovah aho.”+
Dia namela ny fahadisoako sy ny fahotako ianao.+ (Sela)
Amin’izay dia tsy hahatratra azy na dia ny tondra-drano aza.
7 Toeram-piafenana ho ahy ianao;
Hiaro ahy tsy hijaly ianao.+
Hataonao manodidina ahy ny horakora-pifalian’ireo nafahanao.+ (Sela)
8 “Hataoko izay hahatonga anao ho lalin-tsaina, ary hatoroko anao ny lalana tokony halehanao.+
Hanoro hevitra anao aho ary hitsinjo anao ny masoko.+
9 Aza manao hoatran’ny soavaly na ny ramole tsisy saina.+
Tsy maintsy tazonina amin’ny lamboridy na tady izy mba tsy hitrifana,
Amin’izay izy vao hanatona anao.”
10 Be ny fijalian’ny ratsy fanahy;
Fa manodidina an’izay matoky an’i Jehovah kosa ny fitiavany sy ny tsy fivadihany.+
11 Mifalia amin’i Jehovah ianareo olo-marina, ary miravoravoa;
Mihobia ianareo rehetra mahitsy fo.
33 Mihobia ianareo olo-marina, noho ny zavatra nataon’i Jehovah.+
Mety raha midera azy ny olona manao izay mahitsy.
2 Misaora an’i Jehovah amin’ny harpa;
Manaova hira fiderana* ho azy amin’ny zavamaneno misy tadiny folo.
3 Mihirà hira vaovao ho azy;+
Tendreo tsara ny zavamaneno misy tadiny, ary mihobia.
4 Fa marina ny tenin’i Jehovah,+
Ary mendri-pitokisana izy amin’izay rehetra ataony.
5 Tia rariny sy hitsiny izy.+
Manenika ny tany ny fitiavan’i Jehovah.*+
6 Ny tenin’i Jehovah no nampisy ny lanitra,+
Ary ny fofonain’ny vavany no nampisy ny zava-drehetra eny.*
7 Angoniny ny rano ao amin’ny ranomasina, ka toy ny hoe misy tohodrano;+
Ataony ao anaty trano fitehirizana ny rano manonja be.
8 Aoka ny tany manontolo hatahotra an’i Jehovah.+
Aoka ny mponina eo amin’ny tany lonaka hanaja azy.
10 Ataon’i Jehovah tsy mahomby ny tetik’ireo firenena;+
11 Ny fikasan’i Jehovah kosa maharitra mandrakizay;+
Tsy miova ny hevitra ao am-pony, na dia hatramin’ny taranaka fara aman-dimby aza.
13 Mitazana avy any an-danitra i Jehovah;
Hitany daholo ny zanak’olombelona.+
14 Avy any amin’ny toerana onenany izy
No mandinika an’ireo mponina eto an-tany.
15 Izy no namorona ny fon’izy rehetra;
Dinihiny daholo izay ataon’izy ireo.+
16 Tsy misy mpanjaka voavonjin’ny tafika lehibe ananany;+
Ny lehilahy matanjaka tsy voavonjin’ny hery lehibe ananany.+
17 Tsy azo antenaina hahazoana famonjena* ny soavaly,+
Sady tsy azo antoka hoe hahafahana hitsoaka na dia matanjaka be aza.
18 Ny mason’i Jehovah mitsinjo an’izay matahotra azy,+
Dia ireo miandry ny hanehoany fitiavana sy tsy fivadihana,
19 Mba hamonjena azy ireo tsy ho faty,
Sy hitsimbinana ny ainy mandritra ny mosary.+
20 Miandry an’i Jehovah isika.
Izy no mpanampy antsika sy ampingantsika.+
21 Faly ny fontsika noho ny zavatra ataony,
Satria matoky ny anarany masina isika.+
Nataon’i Davida, tamin’izy mody adala+ teo anatrehan’i Abimeleka ka noroahiny, ary lasa nandeha.
א [Alefa]
34 Hidera an’i Jehovah foana aho;
Ho eo am-bavako foana ny fiderana azy.
ב [Beta]
2 I Jehovah no ho reharehako;+
Handre an’izany ny mpandefitra ka ho faly.
ג [Gimela]
3 Andao hiara-mankalaza an’i Jehovah amiko;+
Andao isika hiara-manandratra ny anarany.
ד [Daleta]
4 Nanontany an’i Jehovah aho, dia namaly ahy izy.+
Nanafaka ahy tamin’ny tahotro rehetra izy.+
ה [He]
5 Miramirana izay mitodika any aminy;
Tsy ho menatra izy ireo.*
ז [Zaina]
6 Niantso ity olo-mahantra ity, dia nohenoin’i Jehovah.
Novonjeny tamin’ny fahoriany rehetra izy.+
ח [Heta]
ט [Teta]
8 Andramo dia ho hitanao fa tsara i Jehovah;+
Sambatra ny olona mialoka aminy.
י [Yôda]
9 Matahora an’i Jehovah, ianareo olony masina rehetra,
Fa tsy ory na inona na inona izay matahotra azy.+
כ [Kafa]
10 Na ny liona tanora matanjaka aza mety ho noana ihany,
Fa izay mitady an’i Jehovah kosa tsy mba ho ory zava-tsoa.+
ל [Lameda]
11 Avia ianareo, ry zanako! Henoy aho;
Hampianariko hatahotra an’i Jehovah+ ianareo.
מ [Mema]
12 Iza aminareo no mankafy fiainana,
Ka te ho sambatra sy ho ela velona?+
נ [Nona]
ס [Sameka]
ע [Aina]
פ [Pe]
16 Manohitra an’izay manao ratsy kosa i Jehovah,*
Mba ho voafafa tsy hisy eto an-tany ny fahatsiarovana azy rehetra.+
צ [Tsade]
ק [Kôfa]
ר [Resa]
19 Maro ny zava-tsarotra* atrehin’ny olo-marina,+
Nefa manafaka azy amin’izany rehetra izany i Jehovah.+
ש [Shina]
20 Arovany daholo ny taolany,
Ka tsy misy tapaka ireny na iray aza.+
ת [Tao]
21 Ho fatin’ny loza ny ratsy fanahy;
Hambara ho meloka izay mankahala ny olo-marina.
22 Manavotra ny ain’ny mpanompony i Jehovah;
Tsy hisy hambara ho meloka izay mialoka aminy.+
Nataon’i Davida.
3 Ingao ny lefonao sy ny famaky fitondranao miady,* dia asio ny mpanenjika ahy.+
Ilazao aho hoe: “Izaho no mpamonjy anao!”+
4 Enga anie ho menatra sy haetry ireo mifofo ny aiko!+
Enga anie hiverin-dalana sy ho afa-baraka ireo mitetika ny hamotika ahy!
5 Ho lasa hoatran’ny akofa entin’ny rivotra anie izy ireo!
Handroaka azy ireo anie ny anjelin’i Jehovah!+
6 Ho maizina sy halama anie ny lalany
Rehefa manenjika azy ny anjelin’i Jehovah!
7 Fa nanafina harato hamandrihana ahy tsy amin’antony izy ireo;
Nihady lavaka izy ireo mba hisamborana ahy tsy amin’antony.
8 Enga anie hisy loza hanjo azy tampoka!
Enga anie ka izy ihany no ho voafandrik’ilay harato nafeniny!
Enga anie izy ho latsaka ao ka ho ringana!+
9 Fa izaho kosa hifaly noho ny zavatra ataon’i Jehovah;
Ho ravoravo aho noho ny asa famonjeny.
10 Hilaza ny taolako rehetra hoe:
“Jehovah ô, iza no hoatr’anao?
Vonjenao ny tsy misy mpiaro mba tsy ho azon’ny mahery noho izy;+
Vonjenao ny tsy misy mpiaro sy ny mahantra mba tsy ho azon’ireo mandroba azy.”+
11 Misy vavolombelona ratsy saina tonga hiampanga ahy,+
Ka manontany zavatra tsy fantatro.
12 Mamaly ratsy ny soa nataoko+ izy ireo,
Ka hoatran’ny hoe nidonam-pahoriana aho.
13 Rehefa narary anefa izy ireo, dia niakanjo gony aho;
Nampijaly tena aho ka nifady hanina.
Ary rehefa tsy nivaly* ny vavaka nataoko,
14 Dia toy ireny nisaona namana na rahalahy ireny ny fandehako;
Nalahelo be aho ka nitanondrika, toy ny olona misaona an-dreniny.
15 Rehefa tafintohina anefa aho, dia nifaly sy nivondrona izy ireo;
Nivondrona izy ireo ka niafina mba hamely ahy tampoka;
Namiravira ahy izy ireo, ary tsy nety nangina.
16 Maneso sy manambanimbany ahy* ireo tsy matahotra an’Andriamanitra;
Mihidy vazana izy ireo satria tezitra amiko.+
17 Jehovah ô, mandra-pahoviana ianao no hitazam-potsiny?+
18 Dia hisaotra anao eo anivon’ny fiangonana lehibe aho;+
Hidera anao eo anivon’ny vahoaka maro be aho.
19 Aza avela ho faly amin’ny fahavoazako ireo manohitra ahy tsy amin’antony;
Aza avela hifanao pimaso ireo ratsy saina+ mankahala ahy tsy amin’antony.+
20 Tsy milaza teny mampihavana mantsy izy ireo,
Fa manao tetika mamitaka mba hamelezana an’ireo tia fihavanana eto an-tany.+
21 Sokafan’izy ireo be ny vavany mba hiampangana ahy,
Ka hoy izy ireo: “Tsara ho azy izay! Ny masonay mihitsy no nahita.”
22 Hitanao izany Jehovah ô, ka aza mangina fotsiny.+
Jehovah ô, aza mijanona lavitra ahy.+
23 Mifohaza ka miarena mba hiaro ahy;
Jehovah Andriamanitro ô, arovy aho amin’ilay adiko eny amin’ny fitsarana.
24 Tsarao araka izay hitanao fa rariny+ aho, Jehovah Andriamanitro ô!
Aza avela ho faly amin’ny fahavoazako izy ireo.
25 Enga anie izy ireo tsy hieritreritra mihitsy hoe: “Tsara ho azy izay! Izay mihitsy no efa nandrasanay.”
Enga anie izy ireo tsy hilaza mihitsy hoe: “Nataonay teli-moka izy.”+
26 Aoka ho menatra sy ho afa-baraka daholo izy ireo,
Dia ireo faly amin’ny fahavoazako.
Aoka hitafy henatra sy fahafaham-baraka ireo manambony tena ka manambanimbany ahy.
27 Aoka kosa hihoby ireo faly mahita ahy manao ny marina;
Enga anie izy ireo hilaza foana hoe:
“Hankalazaina anie i Jehovah, izay faly erỳ rehefa miadana ny mpanompony!”+
Ho an’ny mpitarika. Nataon’i Davida, mpanompon’i Jehovah.
36 Ny fandikan-dalàna no mandrisika ny fon’ny ratsy fanahy;
Tsy hitany izay antony tokony hatahorana an’Andriamanitra.+
2 Fa mandoka tena loatra izy,
Dia tsy tsapany ny fahadisoany, ka tsy ankahalainy.+
3 Teny mandratra sy mamitaka no lazain’ny vavany;
Tsy lalin-tsaina izy ka tsy mahay manao ny tsara.
4 Mitetika ny hanao ratsy izy, na dia eo am-pandrianany aza.
Lalan-diso no arahiny;
Ny ratsy tsy mba laviny.
5 Jehovah ô, tonga hatrany an-danitra ny fitiavanao,+
Ary tonga hatreny amin’ny rahona ny tsy fivadihanao.
6 Toy ny tendrombohitra tsara tarehy* ny fahamarinanao;+
Toy ny rano lalina midadasika ny didim-pitsaranao.+
Samy tsimbininao* na ny olona na ny biby, Jehovah ô!+
7 Sarobidy tokoa ny hoe be fitiavana sy tsy mivadika ianao, Andriamanitra ô!+
Eo ambany aloky ny elatrao no ialofan’ny zanak’olombelona.+
8 Manaram-po amin’ireo zavatra tsara be dia be* ao an-tranonao izy ireo,+
Ary omenao zavatra mahafinaritra maro be, ka toy ny hoe ataonao migoka rano avy amin’ny renirano.+
10 Asehoy foana amin’ireo mahalala anao fa be fitiavana sy tsy mivadika+ ianao,
Ary amin’ireo mahitsy fo fa manao ny marina ianao.+
11 Aza avela hanosihosy ahy ny tongotry ny mpirehareha,
Na handroaka ahy ny tanan’ny ratsy fanahy.
12 Ireo fa lavo ny mpanao ratsy;
Nisy namely izy ireo ka tsy tafarina intsony.+
Nataon’i Davida.
א [Alefa]
2 Ho vetivety dia maina toy ny ahitra izy ireo,+
Ary halazo toy ny ahi-maitso.
ב [Beta]
3 Matokia an’i Jehovah ka manaova ny tsara;+
Aoka ianao honina amin’ny tany sy ho mendri-pitokisana amin’izay ataonao.+
4 Aoka ianao ho finaritra tanteraka amin’i Jehovah,*
Dia homeny anao izay irin’ny fonao.
ג [Gimela]
6 Hataony miharihary toy ny hazavana vao maraina ny fahamarinanao,
Ary toy ny masoandro amin’ny mitataovovonana ny fitiavanao ny rariny.
ד [Daleta]
7 Aoka ianao hangina eo anatrehan’i Jehovah,+
Ka hanam-paharetana hiandry azy.
Aza sorena amin’ny olona
Mahavita manatanteraka ny tetika ataony.+
ה [He]
ו [Vao]
10 Kely sisa dia tsy hisy intsony ny ratsy fanahy;+
Hijery an’izay nisy azy ianao,
Nefa tsy ho eo intsony izy.+
ז [Zaina]
12 Manao tetika hamelezana ny olo-marina ny ratsy fanahy;+
Mihidy vazana aminy izy.
13 Hihomehy azy anefa i Jehovah,
Satria fantany fa ho avy ny androny.+
ח [Heta]
14 Manatsoaka ny sabany ny ratsy fanahy sady manomana* ny tsipìkany,
Mba handavoana an’izay ampahorina sy ny mahantra,
Ary hamonoana an’ireo manao izay mahitsy.
15 Hitsatoka amin’ny fony ihany anefa ny sabany;+
Ho tapaka ny tsipìkany.
ט [Teta]
16 Aleo ny kely ananan’ny olona iray manao ny marina,
Toy izay ny be ananan’ny ratsy fanahy maro.+
17 Ho tapaka mantsy ny sandrin’ny ratsy fanahy,
Fa i Jehovah kosa hanampy ny olo-marina.
י [Yôda]
18 Fantatr’i Jehovah izay manjo* ny olona tsy misy tsiny,
Ary haharitra mandrakizay ny lovan’izy ireo.+
19 Tsy ho menatra izy ireo amin’ny fotoam-pahoriana;
Hanana sakafo be dia be izy ireo amin’ny fotoanan’ny mosary.
כ [Kafa]
20 Ho ringana kosa ny ratsy fanahy;+
Ho foana tahaka ny kijana maitso be ny fahavalon’i Jehovah;
Tsy ho hita intsony toy ny setroka izy ireny.
ל [Lameda]
22 Izay tahin’Andriamanitra no handova ny tany,
Fa izay ozoniny kosa ho ringana.+
מ [Mema]
נ [Nona]
25 Efa mba tanora ihany aho, ary efa antitra aho izao,
Nefa mbola tsy nahita olo-marina nafoy,+
26 Vonona hampisambotra foana izy,+
Ary hahazo fitahiana ny zanany.
ס [Sameka]
27 Aza manao ratsy intsony fa manaova ny tsara,+
Dia honina eto an-tany mandrakizay ianao.
28 Fa tia rariny i Jehovah,
Ka tsy hahafoy an’izay tsy mivadika aminy.+
ע [Aina]
פ [Pe]
צ [Tsade]
32 Ny ratsy fanahy mitsikilo ny olo-marina,
Ka mitady fomba hamonoana azy ho faty.
33 Fa i Jehovah kosa tsy hahafoy azy ho eo an-tanan’ny ratsy fanahy,+
Na hanameloka azy rehefa tsaraina izy.+
ק [Kôfa]
34 Aoka ianao hanantena an’i Jehovah sy hanaraka ny lalany,
Dia hanandratra anao izy ka handova ny tany ianao.
Ho hitanao+ ny handringanana ny ratsy fanahy.+
ר [Resa]
35 Hitako hoe ny olona ratsy fanahy sy tsy misy antra,
Dia miroborobo toy ny hazo midoroboka eo amin’ny tany naniriany hatramin’izay.+
ש [Shina]
37 Diniho ny olona tsy misy tsiny,*
Ary jereo ny olona manao izay mahitsy,+
Fa hiadana izy amin’ny hoavy.+
38 Ho ripaka daholo kosa ny mpandika lalàna;
Ho ringana ny ratsy fanahy amin’ny hoavy.+
ת [Tao]
39 Avy amin’i Jehovah ny famonjena ny olo-marina;+
Izy no fiarovana mafy ho azy ireo amin’ny fotoam-pahoriana.+
40 Hanampy sy hanafaka azy ireo i Jehovah.+
Hanafaka azy ireo tsy ho azon’ny ratsy fanahy izy ka hamonjy azy,
Satria mialoka aminy izy ireo.+
Hiran’i Davida, ho fampahatsiahivana.*
38 Jehovah ô, aza tezitra rehefa mananatra ahy,
Ary aza misafoaka rehefa manitsy ahy.+
2 Fa mitsatoka lalina any anatiko ny zana-tsipìkanao,
Ary manindry ahy mafy ny tananao.+
3 Marary ny vatako manontolo* satria tezitra ianao.
Nanota aho ka tsy milamin-tsaina mihitsy.*+
4 Fa efa mihoatra ny lohako ny fahadisoako;+
Toy ny enta-mavesatra ireny ka tsy zakako.
5 Maimbo sy mamoro-nana ny feriko,
Noho ny hadalana vitako.
6 Sahiran-tsaina aho ary mamoy fo tanteraka;
Malahelo foana aho tontolo andro rehefa mandehandeha eny.
8 Reraka ny foko sady kivy tanteraka aho;
Mitaraindraina* mafy aho noho ny tebiteby ato am-poko.
9 Jehovah ô, fantatrao daholo ny faniriako rehetra,
Ary tsy miafina aminao ny fisentoako.
11 Mandosindositra ahy ny namako sy ny olona mpiaraka amiko, noho ny loza manjo ahy,
Ary mihatakataka amiko ny namako akaiky.
12 Mamelatra fandrika ireo mitady hamono ahy;*
Ny hamotika ahy no resahin’izay mitady hanisy ratsy ahy;+
Mingonongonona milaza fitaka izy ireo tontolo andro.
14 Lasa toy ny olona tsy mandre aho,
Izay tsy manan-kolazaina mba hiarovan-tena.
16 Fa hoy aho: “Enga anie ka tsy hifaly amin’ny fahavoazako izy ireo,
Na hanambony tena ka hanambanimbany ahy, raha sendra mibolisatra ny tongotro.”
17 Fa efa saika torana aho,
Sady nanaintaina foana.+
20 Namaly ratsy ny soa nataoko izy ireo,
Ary nanohitra ahy satria manao ny tsara aho.
21 Aza mahafoy ahy, Jehovah ô!
Andriamanitro ô, aza mijanona lavitra ahy.+
22 Ampio haingana aho,
Ry Jehovah mpamonjy ahy ô!+
Ho an’ny mpitarika; atao Jedotona.*+ Hiran’i Davida.
2 Tsy niteny aho fa nangina,+
Ka tsy nilaza na dia zavatra tsara aza.
Tena mafy* anefa ny fanaintainako.
3 Toy ny afo nidonaka* ny foko tato anatiko.
Mbola nirehitra foana izany afo izany raha mbola teo am-pieritreretana* aho.
Dia niteny aho hoe:
4 “Jehovah ô, ampio aho hahafantatra an’izay hiafarako
Sy ny halavan’ny androm-piainako,+
Mba hahalalako fa fohy ihany ny fiainako.*
5 Nataonao vitsy* tokoa ny androko,+
Ary tsinontsinona eo anatrehanao ny halavan’ny androm-piainako.+
Toy ny fofonaina tokoa ny olona rehetra, na dia toa tsy misy mampanahy azy aza.+ (Sela)
6 Mandalo toy ny aloka tokoa ny olona rehetra.
Mifofotra mafy* izy, nefa very maina fotsiny izany.
Manangona harena izy, nefa tsy fantany hoe ho an’iza izany.+
7 Inona àry no mba azoko antenaina, Jehovah ô?
Ianao no hany fanantenako.
8 Vonjeo ho afaka amin’ny fandikan-dalàna rehetra nataoko aho.+
Aza avela hanao tsinontsinona ahy ny tsisy saina.
10 Esory ny loza namelezanao ahy.
Reraka aho satria mamely ahy ny tananao.
11 Anarinao ny olona, ka sazinao noho ny fahadisoany;+
Ataonao potipotika toy ny nohanin’ny bibikely* ny zavatra sarobidy aminy.
Toy ny fofonaina fotsiny ny olombelona rehetra.+ (Sela)
12 Henoy ny vavaka ataoko, Jehovah ô,
Ary mihainoa rehefa miantso vonjy aho.+
Aza odiana tsy hita ny ranomasoko.
13 Avilio tsy hijery ahy amin-katezerana ny masonao mba ho falifaly aho
Alohan’ny hahafatesako sy tsy hisiako intsony.”
Ho an’ny mpitarika. Hiran’i Davida.
40 Nanantena mafy* an’i Jehovah aho,
Dia nanongilan-tsofina* nihaino ahy izy ka naheno ny antso vonjy nataoko.+
2 Nampiakariny avy tao amin’ny lavaka misy rano misasasasa aho,
Dia avy tao amin’ny fotaka mandrevo.
Ary nataony teo ambony harambato ny tongotro;
Nataony azo antoka tsara izay nandehanako.
3 Nampianariny hira vaovao+ aho avy eo,
Dia hira fiderana an’Andriamanitsika.
Maro no hahita an’izany, dia ho gaga,
Ka hatoky an’i Jehovah.
4 Sambatra ny olona matoky an’i Jehovah,
Sy tsy miantehitra amin’ny mpikomy na amin’ny mpamitaka.*
5 Maro ny zavatra nataonao,
Jehovah Andriamanitro ô,
Dia ireo asanao mahatalanjona sy ny fikasanao momba anay.+
Tsy misy azo ampitahaina aminao;+
Raha mba te hilaza sy hiresaka momba an’ireny aho,
Dia tsy ho vitako ny hitantara an’izany satria be dia be loatra.+
Tsy nitaky fanatitra dorana sy fanatitra noho ny ota ianao.+
7 Dia hoy aho: “Intỳ aho fa tonga!
Voasoratra ao amin’ny horonam-boky ny momba ahy.+
8 Ny manao ny sitraponao no mahafinaritra ahy,* Andriamanitra ô,+
Ary ao anatiko lalina ao ny lalànao.+
9 Ambarako amin’ny fiangonana lehibe ny vaovao tsara momba ny fahamarinana.+
Tsy manakombona ny vavako aho,+
Jehovah ô, araka ny efa fantatrao tsara.
10 Tsy koboniko ato am-poko ny fahamarinanao.
Manambara ny tsy fivadihanao sy ny famonjenao aho.
Tsy mba manafina ny fitiavanao* sy ny fahamarinanao aho, eo anivon’ny fiangonana lehibe.”+
11 Jehovah ô, aza mandà tsy hamindra fo amiko.
Enga anie hiaro ahy foana ny fitiavanao sy ny tsy fivadihanao ary ny fahamarinanao!+
12 Tsy voaisa ny loza manodidina ahy.+
Be loatra ny fahadisoana vitako ka tsy hitako izay lalan-kizorana;+
Maro noho ny volon-dohako ireny,
Ka kivy aho.
13 Jehovah ô, mba vonjeo re aho e!+
Jehovah ô, mba ampio haingana aho!+
14 Enga anie izay rehetra mitady hamono ahy*
Mba ho menatra sy ho afa-baraka!
Enga anie ireo faly amin’ny fahavoazako
Handositra sady ho menatra!
15 Enga anie izay miteny amiko hoe: “Tsara ho azy izay!”
Hivarahontsana noho ny henatra.
Enga anie ireo tia ny asa famonjenao hilaza foana hoe:
“Hankalazaina anie i Jehovah!”+
17 Fa tsy misy mpiaro aho sady mahantra;
Enga anie i Jehovah hikarakara ahy!
Ho an’ny mpitarika. Hiran’i Davida.
41 Sambatra izay miahy ny madinika,+
Fa i Jehovah hamonjy azy amin’ny fotoan-tsarotra.
2 Hiaro azy sy hitsimbina ny ainy i Jehovah.
Holazaina hoe sambatra izy eto an-tany;+
Tsy hanolotra azy hoviravirain’ny fahavalony mihitsy ianao.+
3 Hanohana azy eo amin’ny fandriana aharariany i Jehovah;+
Hovanao tanteraka ny fandrianany, mandritra ny fotoana aharariany.
4 Hoy mantsy aho: “Jehovah ô, iantrao aho!+
Sitrano aho+ fa nanota taminao.”+
5 Maniry loza ho ahy anefa ny fahavaloko, ka milaza hoe:
“Rahoviana àry izy no ho faty dia hohadinoina ny anarany?”
6 Rehefa tonga mamangy ahy ny iray amin’izy ireo, dia mandainga.*
Manangona zava-dratsy holazaina momba ahy izy.
Lasa mandeha izy avy eo, dia manely an’izany etsy sy eroa.
7 Mitakoritsika ireo rehetra mankahala ahy;
Mitetika ny hanisy ratsy ahy izy ireo, ka milaza hoe:
8 “Misy zavatra mampahatahotra manjo azy;
Lavo izy izao ka tsy ho tafarina intsony.”+
9 Ilay olona tsara fihavanana tamiko sy nitokisako,+
Izay niara-nihinana mofo tamiko no nanainga ny voditongony hamely ahy.*+
10 Fa ianao kosa Jehovah ô, iantrao aho ka areno,
Amin’izay aho ho afaka hamaly ny nataon’izy ireny.
11 Izao no hahafantarako fa mankasitraka ahy ianao:
Tsy ho resin’ny fahavaloko sy tsy hohorakorahiny aho.+
Amena! Amena!
BOKY FAHAROA
(Salamo 42–72)
Ho an’ny mpitarika. Maskila* nataon’ny taranak’i Kora.+
42 Toy ny serfa mitady mafy renirano,
Dia mba mitady mafy anao koa aho, Andriamanitra ô!
2 Mangetaheta mafy an’Andriamanitra aho, dia ilay Andriamanitra velona.+
Mba rahoviana re aho no hiseho eo anatrehan’Andriamanitra e?+
3 Ny ranomasoko no sakafoko na andro na alina;
Maneso ahy tontolo andro ny olona hoe: “Aiza ny Andriamanitrao?”+
4 Mahatsiaro ny lasa aho, ka avoakako daholo ny ato am-poko.*
Niara-dia tamin’ny maro mantsy aho taloha;
Fanaoko ny nandeha moramora* teo alohan’ny vahoaka, nankany an-tranon’Andriamanitra.
Nihorakoraka sy falifaly ary nisaotra an’Andriamanitra izahay.
Vahoaka be nanao fety+ izahay, tamin’izany.
5 Nahoana re aho no dia mamoy fo e?+
Nahoana aho no mikorontan-tsaina?
6 Andriamanitra ô, mamoy fo aho.+
Izany no mahatonga ahy hahatsiaro anao,+
Atỳ amin’ny tanin’i Jordana sy ny tampon’i Hermona,
Atỳ amin’ny Tendrombohitra Mizara.*
7 Ny rano lalina miantso ny rano lalina,
Rehefa maheno ny feon’ny riandranonao.
Manafotra ahy daholo ny onjanao mahery.+
8 Amin’ny antoandro, dia hasehon’i Jehovah hoe tia ahy sy tsy mivadika amiko izy,
Ary amin’ny alina, dia hihira momba azy aho—hivavaka amin’ilay Andriamanitra nanome aina ahy.+
9 Hoy aho amin’Andriamanitra, ilay harambatoko:
“Nahoana ianao no manadino ahy?+
Nahoana aho no tsy maintsy mandehandeha amin’alahelo noho izaho ampijalin’ny fahavaloko?”+
10 Maneso ahy ny fahavaloko, ka mankahala ahy sy mifofo ny aiko;*
Maneso ahy tontolo andro izy ireo hoe: “Aiza ny Andriamanitrao?”+
11 Nahoana re aho no dia mamoy fo e?
Nahoana aho no mikorontan-tsaina?
Hiandry an’Andriamanitra aho,+
Satria mbola hidera azy, fa izy no Mpamonjy Lehibe nanavotra ahy sady Andriamanitro.+
43 Tsarao aho, Andriamanitra ô!+
Arovy aho amin’ilay adiko eny amin’ny fitsarana,+ izay ifanaovako amin’ny firenena mpivadika.
Afaho amin’ny olona mpamitaka sy manao ny tsy marina aho.
2 Fa ianao no Andriamanitro, fiarovana mafy ho ahy.+
Nahoana ianao no manary ahy?
Nahoana aho no tsy maintsy mandehandeha amin’alahelo noho izaho ampijalin’ny fahavalo?+
3 Alefaso ny hazavanao sy ny fahamarinanao.+
Hitarika ahy anie ireny;+
Enga anie ireny hitondra ahy ho any amin’ny tendrombohitrao masina sy ny tranolainao be voninahitra!+
4 Dia hankeo amin’ny alitaran’Andriamanitra+ aho,
Dia any amin’Andriamanitra, ilay manome fifaliana be ho ahy.
Ary hidera anao amin’ny harpa+ aho Andriamanitra ô, eny, ry Andriamanitro.
5 Nahoana re aho no dia mamoy fo e?
Nahoana aho no mikorontan-tsaina?
Hiandry an’Andriamanitra aho,+
Satria mbola hidera azy, fa izy no Mpamonjy Lehibe nanavotra ahy sady Andriamanitro.+
Ho an’ny mpitarika. Maskila* nataon’ny taranak’i Kora.+
44 Andriamanitra ô, ny sofinay no nandre,
Ny razambenay no nitantara taminay+
Ny zavatra nataonao tamin’ny androny,
Tamin’ny andro fahiny.
2 Noroahinao tamin’ny tananao ireo firenena,+
Ary napetrakao teo amin’izay nisy azy ireny ny razambenay.+
Notorotoroinao ireo firenena ka noroahinao.+
5 Noho ny herinao, dia ho vitanay ny hampihemotra ny fahavalonay.+
Amin’ny anaranao no hanosihosenay an’izay manohitra anay.+
6 Fa tsy mba miantehitra amin’ny tsipìkako aho,
Ary tsy afaka mamonjy ahy ny sabatro.+
7 Fa ianao no namonjy anay tamin’ny fahavalonay,+
Sy nampahamenatra an’ireo mankahala anay.
8 Andriamanitra ô, ianao no hoderainay tontolo andro,
Ary hisaoranay mandrakizay ny anaranao. (Sela)
9 Izao anefa ianao nanary anay, ary nanala baraka anay,
Sady tsy miaraka amin’ny tafikay.
10 Ataonao mandositra an’ireo fahavalonay foana izahay;+
Maka an’izay tiany ireo mankahala anay.
11 Atolotrao an’ireo fahavalonay izahay, mba hovonoiny hoatran’ny ondry;
Aparitakao any amin’ireo firenena izahay.+
13 Avelanao handatsa anay ireo firenena.
Avelanao haneso sy hanaraby anay ny olona rehetra manodidina anay.
15 Mahatsiaro ho afa-baraka aho tontolo andro,
Sady menatra be,
16 Noho ny teny manesoeso sy manambanimbany ataon’izy ireo,
Satria mamaly faty anay ny fahavalonay.
17 Izany rehetra izany no manjo anay, nefa tsy manadino anao izahay,
Sady tsy mivadika amin’ny fifanekena+ nataonao taminay.
18 Tsy mivily ny fonay,
Ary tsy miala amin’ny lalanao ny dianay.
19 Notorotoroinao tany amin’ny fonenan’ny alikadia anefa izahay,
Ary nosaronanao haizim-pito.
20 Raha nanadino ny anaran’Andriamanitray izahay,
Na namelatra ny tananay mba hivavaka tamin’andriamani-kafa,
21 Dia tsy ho hitan’Andriamanitra ve izany?
Mahafantatra ny miafina ao am-po izy.+
22 Hoatran’ny hoe vonoina ho faty izahay isan’andro noho ny aminao;
Toy ny ondry hovonoina no fiheverana anay.+
23 Miarena! Nahoana ianao no mbola matory ihany, Jehovah ô?+
Mifohaza! Aza ariana mandrakizay izahay.+
24 Nahoana ianao no mihodina tsy hijery anay?*
Nahoana ianao no manadino ny fijalianay sy ny fahorianay?
25 Fa ahohoka amin’ny vovoka izahay;
Adaboka amin’ny tany izahay.+
26 Mitsangàna hanampy anay!+
Afaho* izahay noho ianao be fitiavana sy tsy mivadika.+
Ho an’ny mpitarika; atao mifanaraka amin’ny “Lisy.” Maskila* nataon’ny taranak’i Kora.+ Hiram-pitiavana.
45 Mientanentana be ny foko noho ny vaovao mahafinaritra henoko.
Hoy aho: “Momba ny mpanjaka ny hira ataoko.”*+
Enga anie ny lelako ho toy ny penina+ eny an-tanan’ny mpanao dika soratra* tena mahay!+
2 Ianao no tsara tarehy indrindra amin’ny zanak’olombelona,
Ary mahafinaritra erỳ ny teny avy amin’ny molotrao!+
Izany no antony itahian’Andriamanitra anao mandrakizay.+
4 Asehoy hoe be voninahitra ianao, ary mandrosoa mba handresy!*+
Taingeno ny soavalinao ary miadia mba hisian’ny fahamarinana+ sy ny fanetren-tena ary ny fahitsiana,
Ary ny tananao ankavanana hahavita* zavatra mahagaga.
5 Firenena maro no lavo eo anatrehanao, satria maranitra ny zana-tsipìkanao;+
Mitsatoka eo amin’ny fon’ny fahavalon’ny mpanjaka ireny.+
6 Andriamanitra no seza fiandriananao mandrakizay mandrakizay;+
7 Tianao ny fahamarinana,+ fa halanao kosa ny faharatsiana.+
Izany no nahatonga an’Andriamanitra, ilay Andriamanitrao, hanosotra anao+ menaka mahafalifaly+ mihoatra noho ireo namanao.
8 Manitra miora sy aloesy ary kasia ny akanjonao rehetra;
Mampifaly anao ny feon’ny zavamaneno* avy ao amin’ny lapa mirenty voaravaka ivoara.
9 Anisan’ny vehivavy ao an-dapanao ny zanakavavin’ireo mpanjaka.
Mijoro eo ankavananao ny vadin’ny mpanjaka,* sady miravaka volamena avy any Ofira.+
10 Henoy tsara, ry zanakavavy ô, ka aoka ianao hanongilan-tsofina;
Hadinoy ny firenenao sy ny ankohonan-drainao.
11 Tsy ho andrin’ny mpanjaka ny hahita ny hatsaran-tarehinao,
Fa izy no tomponao,
Koa miondreha eo anatrehany.
12 Ho tonga ny zanakavavin’i Tyro sady hitondra fanomezana;
Hila sitraka aminao* ireo lehilahy mpanankarena indrindra.
13 Tena be voninahitra ilay zanakavavin’ny mpanjaka, ao an-dapa.
Voaravaka volamena ny akanjony.
14 Hoentina eo amin’ny mpanjaka izy ka hanao akanjo tsara tenona.*
Entina eo anatrehanao ireo virjiny namany manotrona azy.
15 Ao anatin’ny fifaliana sy firavoravoana no hitondrana azy ireo;
Hiditra ao an-dapan’ny mpanjaka izy ireo.
16 Hisolo toerana an’ireo razambenao ny zanakao.
Hotendrenao ho andriana manerana ny tany izy ireo.+
17 Hampahafantatra ny anaranao amin’ny taranaka fara aman-dimby aho,+
Ka hidera anao mandrakizay mandrakizay ireo firenena.
Ho an’ny mpitarika. Nataon’ny taranak’i Kora.+ Atao Alamota.* Hira.
2 Koa tsy hatahotra isika, na miova aza ny tany,
Na mianjera any amin’ny ranomasina lalina aza ny tendrombohitra,+
3 Na midoboka mafy sy mandroatra aza ny ranomasina,+
Ary na mihovotrovotra aza ny tendrombohitra noho ny ranomasina misamboaravoara. (Sela)
4 Misy renirano misy sampany maro mampifaly ny tanànan’Andriamanitra+
Sy ilay tranolay be voninahitra sy masina, izay an’ny Avo Indrindra.
5 Ao amin’ilay tanàna Andriamanitra,+ ka tsy azo ravana izy io.
Hamonjy azy io Andriamanitra raha vao mangiran-dratsy ny andro.+
6 Nitabataba be ireo firenena, ary naongana ireo fanjakana;
Nampiaka-peo Izy, ka nitsonika ny tany.+
7 Momba antsika i Jehovah Tompon’ny tafika.+
Fialofana* azo antoka ho antsika ilay Andriamanitr’i Jakoba. (Sela)
8 Avia hijery ny asan’i Jehovah,
Dia ny zava-mahagaga ataony eto an-tany.
9 Ataony tsy misy ady intsony eran-tany.+
Tapatapahiny ny tsipìka, ary potipotehiny ny lefona;
Dorany ny kalesy fitondran’ny miaramila miady.*
10 “Ekeo hoe resy ianareo, ary fantaro fa izaho no Andriamanitra.
11 Momba antsika i Jehovah Tompon’ny tafika;+
Fialofana azo antoka ho antsika+ ilay Andriamanitr’i Jakoba. (Sela)
Ho an’ny mpitarika. Hiran’ny taranak’i Kora.+
47 Mitehafa ianareo, ry firenena rehetra.
Manaova horakora-pandresena ho an’Andriamanitra sady mihobia.
2 Fa mendrika hatahorana i Jehovah, ilay Avo Indrindra;+
Izy ilay Mpanjaka lehibe manerana ny tany manontolo.+
3 Ataony manaiky antsika ny vahoaka;
Ataony ao ambany tongotsika ireo firenena.+
5 Miakatra any amin’ny toerany Andriamanitra raha mbola mihorakoraka sy faly ny olona;
Miakatra any amin’ny toerany i Jehovah ary arahina feon’anjombona* izany.
6 Manaova hira fiderana* ho an’Andriamanitra. Manaova hira fiderana.
Manaova hira fiderana ho an’ny Mpanjakantsika. Manaova hira fiderana.
7 Fa Mpanjakan’ny tany manontolo Andriamanitra;+
Manaova hira fiderana, ary aoka ho hita hoe olona misaina ianareo.
8 Lasa Mpanjaka eo amin’ireo firenena Andriamanitra.+
Mipetraka eo amin’ny seza fiandrianany masina Andriamanitra.
9 Mivondrona ny mpitarika vahoaka,
Miaraka amin’ny vahoakan’ilay Andriamanitr’i Abrahama.
Fa an’Andriamanitra ireo mpitondra ny tany.*
Misandratra avo dia avo Izy.+
Hira. Salamo nataon’ny taranak’i Kora.+
48 Tena miavaka i Jehovah, ka izy no mendrika hoderaina indrindra
Ao amin’ny tanànan’Andriamanitsika, ao amin’ny tendrombohiny masina.
2 Avo be sady tsara tarehy erỳ ilay fifalian’ny tany manontolo,+
Dia ny Tendrombohitra Ziona any amin’ny farany avaratra,
Any amin’ny tanànan’ilay Mpanjaka Be Voninahitra.+
3 Tao amin’ireo tilikambony voaro mafy
No nampahafantaran’Andriamanitra fa fialofana* azo antoka izy.+
4 Fa nivondrona* ireo mpanjaka;
Niara-nandroso izy ireo.
5 Rehefa nahita an’ilay tanàna izy ireo, dia gaga be.
Nihorohoro izy ireo ka nikoropaka nandositra.
6 Tora-kovitra izy ireo tany,
Nijalijaly toy ny vehivavy efa ho teraka.
7 Nopotehinao tamin’ny rivotra avy any atsinanana ny sambon’i Tarsisy ka rendrika.
8 Ny zavatra henontsika mihitsy izao no hitan’ny masontsika,
Ao amin’ny tanànan’i Jehovah Tompon’ny tafika, dia ny tanànan’Andriamanitsika.
Hampiorina mafy azy io mandrakizay Andriamanitra.+ (Sela)
9 Andriamanitra ô, misaintsaina ny fitiavanao sy ny tsy fivadihanao+ izahay,
Ao amin’ny tempolinao.
10 Toy ny anaranao, Andriamanitra ô, ny fiderana anao.
Tonga hatrany amin’ny faran’ny tany izany.+
Feno fahamarinana ny tananao ankavanana.+
11 Enga anie hifaly ny Tendrombohitra Ziona!+
Enga anie ireo tanànan’i* Joda hiravoravo noho ny didim-pitsaranao!+
12 Mandehana mihodidina an’i Ziona; mandehana manodidina azy;
Isao ny tilikambony.+
13 Diniho tsara ny dongon-tany* miaro azy.+
Jereo tsara ny tilikambo voaro mafy eo aminy,
Mba hisy hotantarainareo amin’ny taranaka any aoriana.
14 Fa io Andriamanitra io no Andriamanitsika+ mandrakizay mandrakizay.
Hitari-dalana antsika mandrakizay* izy.+
Ho an’ny mpitarika. Hiran’ny taranak’i Kora.+
49 Henoy izao, ry firenena rehetra!
Aoka ianareo hihaino tsara, ry mponina rehetra eo amin’izao tontolo izao,
2 Na ny kely na ny lehibe,*
Na ny manankarena na ny mahantra.
4 Hohenoiko tsara ny ohabolana;
Hanazava ny ankamantatra ataoko aho sady hitendry harpa.
5 Inona moa no atahorako mandritra ny fotoan-tsarotra,+
Rehefa feno zava-dratsy* manodidina ahy noho ny ataon’ireo mitady hamingana ahy?
6 Na ireo matoky ny harenany,+
Na ireo mirehareha amin’ny zavatra be dia be ananany,+
7 Dia samy tsy mahavita manavotra ny rahalahiny mihitsy,
Na manome an’Andriamanitra vidim-panavotana hamonjena azy,+
8 —Fa lafo loatra ny vidiny hanavotana ny ain’izy ireo,
Ka tsy ho voaloany mihitsy—
9 Mba ho velona mandrakizay izy ka tsy ho lasa any amin’ny lavaka.*+
10 Hitany fa na ny hendry aza maty;
Samy maty daholo na ny tsy misaina na ny adala,+
Ka voatery mamela ny fananany ho an’olon-kafa.+
11 Ny faniriany dia ny hoe haharitra mandrakizay ny tranony,
Ary haharitra hatramin’ny taranaka fara aman-dimby ny tranolainy.
Nampitondrainy ny anarany ny fananany.
12 Tsy haharitra anefa ny olombelona,+ na dia omem-boninahitra aza;
Mitovy amin’ny biby ihany izy ka ho faty.+
13 Izany no manjo ny tsisy saina+
Sy ny mpanara-dia azy, izay finaritra amin’ny zavatra tsy misy dikany lazainy. (Sela)
14 Voatokana ho an’ny Fasana* izy ireo, toy ny ondry hovonoina.
Ny fahafatesana no ho mpiandry azy;
Ny olona manao izay mahitsy no ho mpitondra eo aminy+ rehefa maraina.
16 Aza matahotra raha misy olona lasa mpanankarena,
Ka lasa tsara tarehy ny tranony.
17 Rehefa maty mantsy izy, dia tsy hahatondra na inona na inona;+
Tsy hidina hanaraka azy ny voninahiny.+
18 Fa midera tena izy mandritra ny androm-piainany.+
—Derain’ny olona ianao rehefa tafita.+—
19 Ho any amin’ny razambeny anefa izy amin’ny farany.
Tsy hahita ny mazava intsony ireny.
20 Izay olona tsy mahatakatra an’izany, na dia omem-boninahitra aza,+
Dia mitovy amin’ny biby ihany ka ho faty.
Hiran’i Asafa.+
50 Ilay Andriamanitry ny andriamanitra, dia i Jehovah,*+ no miteny;
Miantso ny tany izy,
Hatrany amin’ny fiposahan’ny masoandro ka hatrany amin’ny filentehany.*
2 Avy ao Ziona, tanàna tonga lafatra amin’ny hatsaran-tarehy,+ no amirapiratan’Andriamanitra.
3 Ho avy ilay Andriamanitsika, ary tsy hangina fotsiny izy.+
5 “Vorio eto anatrehako ny olona tsy mivadika amiko,
Dia ireo nanao fifanekena tamiko tamin’ny alalan’ny sorona.”+
6 Ny lanitra manambara ny fahamarinan’Andriamanitra,
Fa Andriamanitra no Mpitsara.+ (Sela)
7 “Mihainoa, ry vahoakako, fa hiteny aho;
Ry Israely, hijoro ho vavolombelona hiampanga anao aho.+
Izaho no Andriamanitra, ilay Andriamanitrao.+
8 Tsy noho ny sorona nataonao no ananarako anao,
Na noho ny fanatitra dorana natolotrao, izay eto anatrehako foana.+
10 Fa ahy ny bibidia rehetra any an’ala,+
Na dia ny bibidia eny amin’ireo tendrombohitra arivo aza.
11 Fantatro ny vorona rehetra eny an-tendrombohitra;+
Ahy ny biby tsy hita isa eny an-tsaha.
12 Raha noana aho, dia tsy hiteny aminao,
Satria ahy ny tany lonaka sy izay rehetra ao aminy.+
13 Hihinana henan’ombilahy angaha aho
Sa hisotro ran’osy?+
14 Fisaorana no atolory ho sorona ho an’Andriamanitra,+
Ary tanteraho ny voady nataonao tamin’ny Avo Indrindra;+
15 Antsoy aho rehefa ao anatin’ny sarotra ianao.+
Dia hamonjy anao aho, ka hanome voninahitra ahy ianao.”+
16 Fa hoy kosa Andriamanitra amin’ny ratsy fanahy:
18 Rehefa mahita mpangalatra ianao, dia mankasitraka ny ataony,*+
Ary miaraka foana amin’ny mpanitsakitsa-bady ianao.
19 Avelanao hanely zava-dratsy ny vavanao,
Ary tsy mitsahatra miteny fitaka ny lelanao.+
21 Rehefa nanao an’izany rehetra izany ianao, dia nangina tsy niteny aho,
Ka nieritreritra ianao hoe hoatr’anao ihany aho.
Hananatra anao anefa aho izao,
Ary hilaza an’izay hiampangako anao.+
22 Aoka ianareo izay manadino an’Andriamanitra+ handinika an’izany,
Sao hamiravira anareo aho ka tsy hisy hamonjy anareo.
23 Izay manolotra fisaorana ho sorona no manome voninahitra ahy.+
Ary izay tapa-kevitra ny hanao ny tsara foana,
Dia hataoko izay hahitany ny famonjen’Andriamanitra.”+
Ho an’ny mpitarika. Hira nataon’i Davida, tamin’i Natana mpaminany nankao aminy, taorian’ny nanaovan’i Davida firaisana tamin’i Batseba.+
51 Iantrao aho Andriamanitra ô, noho ianao be fitiavana sy tsy mivadika.+
Koseho ny fahadisoako, satria be famindram-po ianao.+
Koa manana ny marina ianao rehefa miteny,
Ary ara-drariny ny didim-pitsaranao.+
5 Efa meloka ho nanao fahadisoana aho raha vao teraka.
Ary efa mpanota aho raha vao niforona tao an-kibon-dreniko.*+
6 Mahafinaritra anao ny fahamarinana vokatry ny fo;+
Ampianaro ny tena fahendrena ny foko.
7 Diovy amin’ny hysopa* aho mba ho afaka amin’ny fahotako, ka hadio;+
Sasao aho mba ho fotsy noho ny lanezy.+
8 Ataovy izay hahatonga ahy ho faly sy ho ravoravo indray,
Mba ho falifaly ny taolako izay nopotipotehinao.+
11 Aza mandroaka ahy tsy ho eo anatrehanao;
Ary aza esorina amiko ny fanahinao masina.
13 Hampianariko an’ireo mpandika lalàna ny lalanao,+
Mba hiverina aminao ny mpanota.
14 Vonjeo ho afaka amin’ny trosan-dra aho,+ Andriamanitra ô, ry Andriamanitra mpamonjy ahy,+
Mba ho faly hanambara ny fahamarinanao ny lelako.+
15 Jehovah ô, sokafy ny molotro,
Mba ho afaka hidera anao ny vavako.+
16 Tsy sorona mantsy no tadiavinao, fa raha izany dia ho efa nanao an’izany aho;+
Tsy mahafinaritra anao ny fanatitra dorana manontolo.+
17 Ny alahelo mafy vokatry ny nenina no sorona ankasitrahan’Andriamanitra.
18 Manaova soa amin’i Ziona fa tsara fanahy ianao;
Hamafiso ny mandan’i Jerosalema.
19 Amin’izay ianao dia ho finaritra amin’ny sorona araka ny fahamarinana,
Sy ny fanatitra dorana ary ny fanatitra manontolo;
Dia hisy ombilahy hatolotra eo amin’ny alitaranao.+
Ho an’ny mpitarika. Maskila* nataon’i Davida, rehefa tonga tany amin’i Saoly i Doega Edomita, ka nilaza taminy fa nankany an-tranon’i Ahimeleka+ i Davida.
52 Nahoana ianao no mirehareha amin’ny zava-dratsy vitanao, ry ilay mahery?+
Be fitiavana sy tsy mivadika Andriamanitra mandritra ny andro.+
3 Ny ratsy no tianao kokoa noho ny tsara,
Ary ny mandainga noho ny milaza ny marina. (Sela)
4 Tianao daholo izay teny mandratra,
Ry lela mpamitaka ô!
5 Noho izany, dia horinganin’Andriamanitra tanteraka ianao.+
Hisambotra anao izy, ary hisintona anao avy ao amin’ny tranolainao;+
Hanongotra anao hiala eo amin’ny tanin’ny velona izy.+ (Sela)
8 Fa izaho kosa ho toy ny hazo oliva midoroboka ao an-tranon’Andriamanitra;
Matoky aho hoe be fitiavana sy tsy mivadika+ mandrakizay mandrakizay Andriamanitra.
9 Hidera anao mandrakizay aho noho izay nataonao;+
Hasehoko eo anatrehan’ireo tsy mivadika aminao
Fa manantena ny anaranao aho,+ satria tsara izany.
Ho an’ny mpitarika; atao Mahalata.* Maskila* nataon’i Davida.
53 Ny adala* miteny anakampo hoe:
“Tsy misy izany Jehovah izany.”+
Tena ratsy sy maharikoriko ny tsy rariny ataony;
Tsy misy manao ny tsara izy ireo.+
2 Andriamanitra anefa mitazana ny zanak’olombelona avy any an-danitra,+
Mba hahitana raha misy olona lalin-tsaina ka mitady an’i Jehovah.+
3 Nivily nankany amin’ny lalan-diso izy rehetra;
Ratsy toetra daholo izy ireo.
Tsy misy manao ny tsara,
Na iray aza.+
4 Tsy mba misy tonga saina ve ny mpanao ratsy?
Arapany ny vahoakako, ka hohaniny hoatran’ireny mihinan-kanina ireny.
Tsy mba miantso an’i Jehovah izy ireo.+
5 Hatahotra be anefa izy ireo,
Dia tahotra izay mbola tsy tsapany hatramin’izay.*
Fa haparitak’Andriamanitra ny taolan’izay manafika anareo.*
Hataonareo afa-baraka izy ireo satria efa nolavin’i Jehovah.
6 Enga anie ka ho avy ao Ziona+ ny famonjena ny Israely!
Rehefa ampodin’i Jehovah ny vahoakany lasa babo,
Dia hifaly i Jakoba, ary hiravoravo i Israely.
Ho an’ny mpitarika. Ampiarahina amin’ny zavamaneno fitendry. Maskila* nataon’i Davida, rehefa nankany amin’i Saoly ny Zifita ka nilaza hoe: “Miafina any aminay i Davida.”+
2 Andriamanitra ô, henoy ny vavaka ataoko;+
Mba henoy ny teny aloaky ny vavako.
3 Fa misy olon-tsy fantatra mitsangana hamely ahy,
Tsy miraharaha an’Andriamanitra izy ireo.*+ (Sela)
4 Andriamanitra no mpanampy ahy.+
Manohana an’izay manohana ahy i Jehovah.
5 Havaliny amin’ny fahavaloko+ ihany ny ratsy nataon’izy ireo;
6 Hanao sorona an-tsitrapo ho anao aho.+
Hidera ny anaranao aho, Jehovah ô, fa tsara izany.+
Ho an’ny mpitarika. Ampiarahina amin’ny zavamaneno fitendry. Maskila* nataon’i Davida.
2 Mba henoy aho, ka valio.+
Tsy mahatombina aho noho ny tebiteby ato anatiko,+
Ary miady saina aho
3 Noho izay lazain’ny fahavalo
Sy ny fampijaliana ataon’ny ratsy fanahy.
Fa ataon’izy ireo tototry ny loza aho,
Ary mitana lolompo amiko izy ireo sady tezitra.+
5 Raiki-tahotra sy tora-kovitra aho,
Ary mipararetra mafy.
6 Miteny foana aho hoe: “Raha mba nanana elatra hoatran’ny voromailala mantsy aho,
Dia ho nitsoaka nanidina, ka ho nonina tsy manana ahiahy.
7 Handositra lavitra aho,+
Ka hipetraka any an-tany efitra.+ (Sela)
8 Hamonjy fialofana haingana aho,
Mba tsy ho azon’ny tafio-drivotra sy ny oram-baratra.”
9 Ataovy tsy mifanara-tsaina izy ireo, Jehovah ô, ary ataovy tsy tanteraka ny fikasany,*+
Fa mahita herisetra sy ady aho ao an-tanàna.
10 Mandehandeha eny ambonin’ny mandan’ny tanàna izy ireo,* na andro na alina;
Faharatsiana sy fahoriana no hita ao.+
11 Misy loza ao;
Tsy miala eo amin’ny tany malalak’ilay tanàna mihitsy ny fampahoriana sy ny fitaka.+
12 Tsy fahavalo mantsy no manaratsy ahy,+
Fa raha izany, dia ho zakako ihany.
Tsy olona mankahala ahy no mitsangana hanohitra ahy,
Fa raha izany, dia ho niafina azy aho.
14 Mpinamana be isika hatramin’izay,
Ary mpandeha tany an-tranon’Andriamanitra niaraka tamin’ny vahoaka.
15 Enga anie ho ringana izy ireny,+
Ka hidina velona any amin’ny Fasana!*
Fa zava-dratsy foana no ao am-pony na aiza na aiza misy azy.
16 Fa izaho kosa hiantso an’Andriamanitra,
Ka hamonjy ahy i Jehovah.+
17 Na hariva na maraina na antoandro, dia mitebiteby sy mitaraindraina* aho,+
Ka maheno ny feoko izy.+
19 Handre Andriamanitra ka hamaly an’ireny,+
Dia ilay Andriamanitra mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana efa hatramin’ny taloha ela be.+ (Sela)
Tsy hanaiky hiova mantsy izy ireny,
Dia ireo tsy matahotra an’Andriamanitra.+
21 Malefaka noho ny dibera ny teniny,+
Nefa ady no ao am-pony.
Malefaka noho ny menaka ny teniny,
Nefa toy ny sabatra efa notsoahana tao anaty tranony.+
Tsy havelany hianjera* mihitsy ny olo-marina.+
23 Fa ianao Andriamanitra ô, no hampidina ny ratsy fanahy any amin’ny lavaka faran’izay lalina.+
Tsy hahatratra ny antsasaky ny androny ny mpandatsa-dra sy ny mpamitaka.+
Fa izaho kosa hatoky anao.
Ho an’ny mpitarika; atao mifanaraka amin’ilay hoe “Voromailala Tsy Mahaloa-peo any An-tany Lavitra.” Miktama* nataon’i Davida, tamin’izy voasambotry ny Filistinina tany Gata.+
56 Iantrao aho, Andriamanitra ô, fa manafika* ahy ny olombelona mety maty.
Tsy mitsahatra miady amiko sy mampijaly ahy izy ireo tontolo andro.
2 Mitady handrapaka ahy foana ny fahavaloko;
Maro no mirehareha miady amiko.
3 Rehefa matahotra aho,+ dia miantehitra aminao.+
4 Andriamanitra no itokisako, ary deraiko ny teniny,
Andriamanitra no itokisako, ka tsy matahotra aho.
Inona moa no azon’izay olombelona* atao amiko?+
5 Ataon’izy ireo foana izay tsy hampahomby an’izay ataoko;
Ny hanisy ratsy ahy ihany no masaka ao an-tsainy.+
7 Sazio izy ireo noho ny ratsy nataony.
Aripaho ao anatin’ny hatezeranao ireo firenena, Andriamanitra ô!+
8 Fantatrao daholo ny fahoriako tamin’izaho nirenireny.+
Angony ao anaty sininao* ny ranomasoko.+
Tsy efa voasoratra ao anaty bokinao ve ireny?+
9 Hiverin-dalana ny fahavaloko, amin’ny andro iantsoako vonjy aminao.+
Izao no atokisako: Manohana ahy Andriamanitra.+
10 Andriamanitra no itokisako, ary deraiko ny teniny;
I Jehovah no itokisako, ary deraiko ny teniny;
11 Andriamanitra no itokisako, ka tsy matahotra aho.+
Inona moa no azon’izay olombelona atao amiko?+
13 Fa novonjenao tsy ho faty aho+
Ary nosakananao tsy ho tafintohina ny tongotro,+
Mba handehanako eo anatrehan’Andriamanitra, miaraka amin’ny* velona.+
Ho an’ny mpitarika; atao mifanaraka amin’ilay hoe “Aza Mandringana.” Miktama* nataon’i Davida, rehefa nandositra an’i Saoly izy ka nankao anaty lava-bato.+
57 Iantrao aho Andriamanitra ô! Iantrao aho,
Fa mialoka aminao.+
Mialoka eo ambany aloky ny elatrao aho, mandra-pahalasan’ny loza.+
2 Miantso an’Andriamanitra Avo Indrindra aho,
Dia ilay tena Andriamanitra, izay mampitsahatra ny loza mba hiarovana ahy.
3 Haniraka mpanampy avy any an-danitra izy ka hamonjy ahy.+
Hataony misahotaka izay mitady handrapaka ahy. (Sela)
Haniraka ny fitiavany sy ny tsy fivadihany Andriamanitra.+
4 Voahodidin’ny liona aho;+
Voatery matory eo anivon’ny olona te handrapaka ahy aho.
Toy ny lefona sy zana-tsipìka ny nifin’izy ireo
Ary toy ny sabatra maranitra ny lelany.+
5 Misandrata any ambonin’ny lanitra, Andriamanitra ô!
Enga anie ny voninahitrao hanerana ny tany manontolo!+
Nihady lavaka hamandrihana ahy izy ireo,
Nefa izy ireo ihany no latsaka tao.+ (Sela)
7 Tsy miovaova mihitsy ny foko, Andriamanitra ô!+
Tsy miovaova mihitsy ny foko.
Hihira sy hitendry mozika ho anao aho.
8 Mifohaza, ry voninahitro.
Mifohaza, ry zavamaneno fitendry ô! Ianao koa, ry harpa ô!
Hofohaziko ny maraina mangiran-dratsy.+
9 Hidera anao eo amin’ny vahoaka aho, Jehovah ô!+
10 Fa tena lehibe ny fitiavanao ka tonga hatreny amin’ny lanitra,+
Ary ny tsy fivadihanao mipaka hatreny amin’ny rahona.
11 Misandrata any ambonin’ny lanitra, Andriamanitra ô!
Enga anie ny voninahitrao hanerana ny tany manontolo!+
Ho an’ny mpitarika; atao mifanaraka amin’ilay hoe “Aza Mandringana.” Miktama* nataon’i Davida.
58 Afaka miresaka fahamarinana ve ianareo raha mangina?+
Afaka mitsara araka ny hitsiny ve ianareo, ry zanak’olombelona?+
2 Tsia! Mitetika ny hanao ny tsy marina ianareo ao am-ponareo ao,+
Ary mampirongatra herisetra ao amin’ilay tany ny tananareo.+
3 Vao teraka* ny ratsy fanahy dia efa diso lalana;*
Mpikomy izy ireo sady mpandainga hatramin’ny vao teraka.
4 Toy ny poizin’ny bibilava ny poizina avy amin’izy ireo;+
Marenina hoatran’ny kôbrà manampin-tsofina izy ireo.
5 Tsy hihaino ny feon’ireo mpilalao ody mibaiko azy izy,
Na dia mahay manao fandraikiraikena tahaka ny inona aza izy ireo.
6 Andriamanitra ô, poteho hiala ao am-bavany ny nifiny!
Torotoroy ny valanoranon’ireo liona* ireo, Jehovah ô!
7 Hanjavona toy ny rano be mora ritra anie izy ireo!
Enga anie Izy hanomana* ny tsipìkany, ka hampidaraboka azy ireo amin’ny zana-tsipìkany!
8 Enga anie izy ireo ho toy ny sifotra mihalevona eny am-pandehanana,
Ho toy ny zaza vao teraka dia maty ka tsy mahita masoandro!
9 Mbola tsy mafana akory ny vilaninareo eo ambonin’ny afon-tsilo,
Dia efa hesorin’Andriamanitra ny rantsany mando sy ny efa mirehitra, ka ho toy ny nopaohin’ny tafio-drivotra.+
10 Hifaly ny olo-marina satria hitany ny amaliana ny ratsy fanahy;+
Hiroboka ao anatin’ny ran’izy ireny ny tongony.+
11 Dia hilaza ny olona hoe: “Mandray valisoa tokoa ny olo-marina.+
Ary misy Andriamanitra mitsara tokoa ny tany.”+
Ho an’ny mpitarika; atao mifanaraka amin’ilay hoe “Aza Mandringana.” Miktama* nataon’i Davida, tamin’i Saoly naniraka olona hanao andry maso ny tranon’i Davida,* mba hamonoana azy ho faty.+
59 Vonjeo amin’ny fahavaloko aho, Andriamanitro ô!+
Arovy aho mba tsy ho azon’ireo mitsangana hanohitra ahy.+
2 Afaho tsy ho azon’ireo manao ratsy aho,
Ary vonjeo tsy ho azon’ny olona mahery setra.*
3 Jereo fa miafina hamely ahy izy ireo!+
Manafika ahy ny lehilahy mahery,
Nefa izaho tsy mba nikomy na nanota,+ Jehovah ô!
4 Tsy nanao ratsy akory aho, nefa izy ireo mihazakazaka sy miomana hanafika ahy.
Mifohaza rehefa miantso aho, ka mba jereo.
5 Fa ianao, ry Jehovah Andriamanitry ny tafika ô, no Andriamanitry ny Israely.+
Mifohaza handinika ny firenena rehetra.
Aza misy iantrana ny mpamadika ratsy saina.+ (Sela)
6 Miverina izy ireo isan-kariva;+
Mierona* hoatran’ny alika+ izy ireo ary mandehandeha eran’ny tanàna.+
7 Jereo izay mivoaka* amin’ny vavany;
Hoatran’ny sabatra ny molony,+
Fa hoy izy ireo: “Iza moa no maheno antsika?”+
10 Ho avy hanampy ahy ilay Andriamanitra tia ahy sy tsy mivadika amiko;+
Hataon’Andriamanitra faly mahita ny fahavaloko resy aho.+
11 Aza vonoina izy ireo sao hanadino an’izany ny vahoakako.
Ampiasao ny herinao ka ataovy mirenireny izy ireo;
Ataovy resy izy ireo, ry Jehovah ampinganay ô!+
12 Noho ny fahotan’ny vavany, eny, noho ny tenin’ny molony,
Dia enga anie izy ireo ho voafandriky ny fireharehany,+
Noho ny ozona sy fitaka lazainy!
13 Aringano ao anatin’ny hatezerana izy ireo amin’ny farany;+
Aringano izy ireo mba tsy hisy intsony;
Ataovy fantany fa Andriamanitra no manjaka eo amin’i Jakoba ka hatrany amin’ny faran’ny tany.+ (Sela)
14 Avelao izy ireo hiverina rehefa hariva;
Avelao izy ireo hierona* hoatran’ny alika sy handehandeha eran’ny tanàna.+
15 Aoka izy ireo hirenireny hitady hanina;+
Aza avela ho voky na hahita toerana hilasiana izy ireo.
16 Fa izaho kosa hihira momba ny herinao;+
Hiresaka momba ny fitiavanao sy ny tsy fivadihanao aho, rehefa maraina.
17 Ry Heriko ô, hihira fiderana* ho anao aho!+
Fa fialofana azoko antoka Andriamanitra, dia ilay Andriamanitra tia ahy sy tsy mivadika amiko.+
Ho an’ny mpitarika; atao mifanaraka amin’ny “Lisy Fampahatsiahivana.” Miktama* nataon’i Davida. Natao hampianarana. Tamin’izy niady tamin’i Arama-naharaima sy Arama-zoba, sy tamin’i Joaba niverina namono Edomita 12 000 teo amin’ny Lohasahan-tsira.+
60 Andriamanitra ô, efa narianao izahay ary efa naparitakao ny tafikay.+
Tezitra taminay ianao, fa mba ataovy mahazo sitraka aminao indray izahay izao.
2 Nataonao nihovotrovotra ny tany, ka nataonao nitresaka.
Amboary izay triatra aminy, fa mirodana izy.
3 Nataonao nijaly noho ny fahoriana ny vahoakanao.
Nampisotroinao divay izahay, ka mivembena.+
4 Omeo* famantarana ireo matahotra anao,
Mba handositra sy ho afa-miala tsy ho voan’ny tsipìka. (Sela)
5 Vonjeo amin’ny tananao ankavanana izahay ka valio,+
Mba ho avotra ireo tianao.
6 Efa niteny ilay Andriamanitra masina* hoe:
7 Ahy i Gileada, ary ahy koa i Manase;+
I Efraima no fiarovan-dohako;*
Ary i Joda no ataoko tehim-pahefana.+
8 I Moaba no koveta isasako.+
Any Edoma no hanipazako ny kapako.+
Hihorakoraka sady ho faly aho rehefa resiko i Filistia.”+
9 Iza no hitondra ahy any amin’ilay tanàna natao fahirano?*
Iza no hitarika ahy hatrany Edoma?+
10 Tsy ianao ve, Andriamanitra ô, ilay nanary anay,
Ilay Andriamanitray nefa tsy miaraka amin’ny tafikay intsony?+
11 Ampio izahay rehefa misy fahoriana mahazo anay,
Fa tsy misy dikany ny famonjena avy amin’ny olombelona.+
Ho an’ny mpitarika; ampiarahina amin’ny zavamaneno fitendry. Nataon’i Davida.
61 Henoy ny antso vonjy ataoko, Andriamanitra ô!
Mba henoy ny vavaka ataoko.+
Mba ento eny ambony vatolampy avo kokoa noho izaho re aho e!+
3 Fa ianao no fialofako,
Tilikambo mafy miaro ahy amin’ny fahavaloko.+
5 Fa efa naheno ny voady nataoko ianao, Andriamanitra ô!
Efa nomenao ahy ilay lova natokanao ho an’ireo matahotra ny anaranao.+
6 Hampianao ny andro hiainan’ny mpanjaka,+
Ary hahatratra ny taranaka fara aman-dimby ny taona hiainany.
7 Hipetraka eo amin’ny seza fiandrianana* eo anatrehan’Andriamanitra mandrakizay izy;+
Anehoy fitiavana sy tsy fivadihana izy* mba hiaro azy izany.+
8 Dia hihira fiderana* ho an’ny anaranao mandrakizay aho,+
Sady hanefa isan’andro an’ireo voady nataoko.+
Ho an’ny mpitarika; atao Jedotona.* Hiran’i Davida.
62 Andriamanitra tokoa no andrasako amim-panginana.
Izy no hamonjy ahy.+
2 Izy tokoa no vatolampiko sy mpamonjy ahy, fialofana* azoko antoka;+
Tsy hangozohozo be loatra mihitsy aho.+
3 Mandra-pahoviana ianareo no hamely olona mba hahafaty azy?+
Mampidi-doza hoatran’ny manda mitongilana ianareo rehetra,* hoatran’ny manda vato efa hirodana.
4 Fa mikaon-doha izy ireo mba hanonganana azy hiala amin’ny toerana ambony tanany;*
Mahafinaritra azy ireo ny mandainga.
Ny vavany mirary soa, nefa ny fony manozona.+ (Sela)
6 Izy tokoa no vatolampiko sy mpamonjy ahy, fialofana azoko antoka;
Tsy hangozohozo mihitsy aho.+
7 Miankina amin’Andriamanitra ny famonjena ahy sy ny voninahitro.
Vatolampy mafy sy fialofana ho ahy Andriamanitra.+
8 Matokia azy foana ianareo, rey olona ô!
Aborahy aminy ny ao am-ponareo.+
Fialofana ho antsika Andriamanitra.+ (Sela)
9 Toy ny fofonaina fotsiny ny zanak’olombelona,
Tsy azo ianteherana ny taranak’olombelona.+
Raha miara-atao eo ambony mizana izy ireo, dia maivana kokoa noho ny fofonaina.+
10 Aza miantehitra amin’ny fanaovana an-keriny,
Na manantena ny hahazo tombony avy amin’ny fandrobana.
Raha mitombo ny harenanareo, dia aza manankim-po amin’izany.+
11 Niteny indray mandeha Andriamanitra; indroa aho no nahare hoe:
An’Andriamanitra ny hery.+
12 Anao koa, Jehovah ô, ny fitiavana sy ny tsy fivadihana,+
Fa mamaly ny tsirairay araka ny nataony ianao.+
Hiran’i Davida tamin’izy tany an-tany efitr’i Joda.+
63 Andriamanitra ô, ianao no Andriamanitro, ary mitady anao foana aho.+
Mangetaheta mafy anao aho.+
Tsy misy hery intsony aho* satria maniry mafy anao
Eto amin’ity tany maina sy karakaina tsy misy rano ity.+
2 Dia nijery anao tao amin’ny toerana masina aho;
Hitako ny herinao sy ny voninahitrao.+
4 Koa hidera anao aho mandritra ny androm-piainako;
Amin’ny anaranao no hivavahako.*
5 Afa-po aho amin’ny anjara tsara indrindra sy faran’izay tsara omenao,*
Ka hidera anao ny vavako ary ho faly hihira ho anao ny molotro.+
6 Mahatsiaro anao aho rehefa eo am-pandrianako;
Misaintsaina momba anao aho mandritra ny fotoam-piambenana amin’ny alina.+
8 Mifikitra aminao aho;
Mitazona mafy ahy foana ny tananao ankavanana.+
9 Fa izay mifofo ny aiko* kosa
Hidina any amin’ny faritra lalina amin’ny tany.
10 Hatolotra ho fatin’ny sabatra izy ireny,
Ary ho sakafon’ny alikadia.*
11 Hifaly noho izay hataon’Andriamanitra anefa ny mpanjaka.
Hiravoravo* izay rehetra mianiana amin’ny anaran’Andriamanitra,
Satria ho tampina ny vavan’izay mandainga.
Ho an’ny mpitarika. Hiran’i Davida.
64 Henoy ny fitalahoako, Andriamanitra ô!+
Arovy amin’ny fanafihana mampahatahotra ataon’ny fahavalo ny aiko.
2 Arovy amin’ny tetika mangingina ataon’ny ratsy fanahy aho,+
Sy amin’ny andiana mpanao ratsy.
3 Mandranitra ny lelany ho toy ny sabatra ireny;
Mikendry amin’ny zana-tsipìkany, dia ny teny mandratra ataony, ireny
4 Mba hitifirana ny tsy manan-tsiny, avy ao amin’ny toeram-piafenany;
Mitifitra azy tampoka ireny, sady tsy mba matahotra.
5 Mikiry hanatanteraka ny teti-dratsiny* ireny,
Ary mifampiresaka hoe ahoana no hanafenana ny fandrika ampiasainy.
Hoy izy ireny: “Iza koa no hahita an’ireo?”+
6 Mitady hevitra vaovao hanaovan-dratsy izy ireny,
Ary mikononkonona tetika maty paika;+
Tsy fantatra mihitsy ny eritreritra ao am-pon’ny tsirairay aminy.
7 Hotifirin’Andriamanitra anefa ireny;+
Handratra azy ireny tampoka ny zana-tsipìka.
9 Dia hatahotra daholo ny olona,
Ka hanambara an’izay nataon’Andriamanitra,
Ary hahafantatra tsara ny asany.+
Ho an’ny mpitarika. Salamo nataon’i Davida. Hira.
2 Ry Mpihaino vavaka ô, ianao no hohatonin’ny karazan’olona* rehetra.+
4 Sambatra izay fidinao sy asainao manatona anao
Mba hipetraka eo an-tokotaninao.+
5 Ry Andriamanitra mpamonjy anay ô,
Hamaly ny fangatahanay ianao, ka hanao zavatra miavaka+ ho fampiharana ny rariny.
Ianao ilay Itokisan’ny olona hatrany amin’ny faran’ny tany+
Sy ireo any an-dranomasina lavitra.
7 Mampitony ny ranomasina misamboaravoara ianao,*+
Dia ny fidoboky ny onjany sy ny tabataban’ireo firenena.+
8 Ho talanjona amin’ireo famantarana ataonao ny mponina any amin’ny faritra lavitra;+
Hataonao izay hihobian’ireo mipetraka any amin’ny fiposahan’ny masoandro ka hatrany amin’ny filentehany.
Mikoriana foana ny renirano avy amin’Andriamanitra;
Manome vokatra ho an’ny olona ianao,+
Satria efa nomaninao ho amin’izany ny tany.
10 Ataonao vonton-drano ny vava asany, ary ataonao mitovy tantana ny tany voasa;*
Mandrotsaka oram-be ianao mba hampahalemy ny tany, ary tahinao izay mitsiry eo aminy.+
11 Ravahanao amin’ny hatsaranao ny taona, ka toy ny hoe asianao satroboninahitra;
Manao horakora-pandresena ireny, eny, mihira.+
Ho an’ny mpitarika. Hira. Salamo.
66 Manaova horakora-pandresena ho an’Andriamanitra, ry tany manontolo.+
2 Manaova hira fiderana* ho an’ny anarany be voninahitra.
Ataovy makotrokotroka ny fiderana azy.+
3 Milazà amin’Andriamanitra hoe: “Mahatalanjona sy mampahatahotra tokoa ny asanao!+
Tena mahery ianao,
Ka hatahotra ny fahavalonao rehefa eo anatrehanao.+
4 Hiankohoka eo anatrehanao ny tany manontolo;+
Hihira fiderana ho anao izy ireny,
Hihira fiderana ho an’ny anaranao.”+ (Sela)
5 Avia hijery ny asan’Andriamanitra.
Mahatalanjona sy mampahatahotra ny zavatra ataony ho an’ny zanak’olombelona.+
Teo izahay no nifaly noho ny zavatra nataony.+
7 Manjaka mandrakizay+ izy satria mahery.
Mandinika an’ireo firenena ny masony.+
Tsy tokony hanandra-tena ireo mafy loha.+ (Sela)
8 Derao ny Andriamanitray, ry firenena!+
Ary ataovy maredona tsara ny fiderana azy.
10 Fa nandinika anay ianao, Andriamanitra ô;+
Nanadio anay ianao, toy ny fanadio volafotsy amin’ny afo.
11 Nampidirinao tao anaty harato famandrihana izahay;
Nampitondrainao enta-mavesatra izahay.*
12 Navelanao hanosihosy anay* ny olombelona mety maty.
Namakivaky afo sy rano izahay,
Dia avy eo nentinao tany amin’ny toerana fialan-tsasatra.
13 Hankao an-tranonao hitondra fanatitra dorana aho.+
Hefaiko aminao ny voadiko,+
14 Izay nampanantenain’ny molotro,+
Sy nolazain’ny vavako tamin’izaho nijaly.
15 Hatolotro ho anao ho fanatitra dorana ny biby matavy,
Sy ny setroky ny ondrilahy atao sorona.
Hanolotra ombilahy sy osilahy aho. (Sela)
16 Avia hihaino ahy ianareo rehetra matahotra an’Andriamanitra,
Dia hotantaraiko anareo izay nataony ho ahy.+
17 Niantso azy ny vavako,
Ary nanome voninahitra azy ny lelako.
18 Raha nieritreritra zava-dratsy foana aho tato am-poko,
Dia tsy ho nihaino ahy i Jehovah.+
20 Hoderaina anie Andriamanitra, izay tsy nanda ny vavaka nataoko
Sady mbola tia ahy sy tsy mivadika amiko ihany.
Ho an’ny mpitarika; ampiarahina amin’ny zavamaneno fitendry. Salamo. Hira.
2 Mba ho fantatra eran-tany ny lalanao,+
Ary ho fantatra eo amin’ny firenena rehetra ny asa famonjenao.+
3 Hidera anao anie ny vahoaka, Andriamanitra ô!
Hidera anao anie ny vahoaka rehetra!
Hitari-dalana an’ireo firenena eto an-tany ianao. (Sela)
5 Hidera anao anie ny vahoaka, Andriamanitra ô!
Hidera anao anie ny vahoaka rehetra!
Ho an’ny mpitarika. Salamo nataon’i Davida. Hira.
68 Aoka hitsangana Andriamanitra, dia hiparitaka ny fahavalony.
Aoka handositra eo anatrehany izay mankahala azy.+
2 Horoahinao anie ireny ka hataonao toy ny setroka entin’ny rivotra!
Toy ny savoka mitsonika eo anoloan’ny afo
No aoka hahalevona ny ratsy fanahy tsy ho eo anatrehan’Andriamanitra.+
3 Fa aoka hifaly kosa ny olo-marina;+
Enga anie izy ireo ho faly be eo anatrehan’Andriamanitra!
Hiravoravo sy ho faly anie izy ireo!
4 Mihirà ho an’Andriamanitra! Manaova hira fiderana* ho an’ny anarany.+
Mihirà ho an’Ilay mandeha mamakivaky ny lemaka karakaina.*
Jah* no anarany!+ Mifalia eo anatrehany!
6 Manome trano ho an’ireo manirery Andriamanitra.+
Manafaka ny voafonja izy ka ataony mahomby izay ataon’izy ireny.+
Fa izay mafy loha* kosa honina any amin’ny tany karakaina.+
7 Rehefa nitarika* ny vahoakanao ianao, Andriamanitra ô,+
Ka nandeha namakivaky ny tany efitra, (Sela)
8 Dia nihovotrovotra ny tany;+
Nandrotsaka orana* ny lanitra satria teo Andriamanitra.
Nihovotrovotra i Sinay satria teo Andriamanitra, dia ilay Andriamanitry ny Israely.+
9 Nampilatsaka oram-be ianao, Andriamanitra ô!
Nohatanjahinao indray ny vahoakanao* efa reraka.
10 Nipetraka tao amin’ny tranolay tao amin’ny tobinao izy ireo;+
Tsara toetra ianao ka nanome izay nilain’ny mahantra, Andriamanitra ô!
11 Manome baiko i Jehovah;
Tafika lehibe ny vehivavy+ manambara ny vaovao tsara.
12 Mandositra ireo mpanjakan’ny tafika,+ eny, mandositra izy ireo!
Mahazo anjara amin’izay nobaboina ny vehivavy mijanona ao an-trano.+
13 Na dia matory eny akaikin’ny afon-dasy* aza ianareo,
Dia hahazo voromailala manana elatra rakotra volafotsy,
Sy volon’elatra volamena tena tsara.*
14 Rehefa naparitak’Ilay Mahery Indrindra ireo mpanjaka tao amin’ilay tany,+
Dia nirotsaka ny lanezy teo Zalmona.*
15 Tendrombohitr’Andriamanitra* ny tendrombohitr’i Basana.+
Tendrombohitra misy tendrony maro ny tendrombohitr’i Basana.
16 Nahoana ianareo, ry tendrombohitra misy tendrony maro, no mialona
Hipetraka ao mandrakizay tokoa i Jehovah.+
17 An’alinaliny ny kalesin’Andriamanitra fitondrany miady, eny, an’arivoarivony.+
Avy tany Sinay i Jehovah no nankao amin’ny toerana masina.+
18 Niakatra tany amin’ny avo ianao,+
Ary nitondra olona maro ho babo.
Nisy lehilahy nentinao ka nataonao fanomezana,+
Eny, nentinao na dia ireo mafy loha aza,+ mba hiarahanao mipetraka aminy, ry Jah Andriamanitra ô!
19 Hoderaina anie i Jehovah, izay mitondra ny entantsika isan’andro,+
Dia ilay tena Andriamanitra mpamonjy antsika! (Sela)
20 Ilay tena Andriamanitra no Andriamanitra mamonjy antsika;+
Ary i Jehovah, ilay Tompo Fara Tampony, no manafaka amin’ny fahafatesana.+
21 Tena hopotipotehin’Andriamanitra ny lohan’ny fahavalony,
22 Hoy i Jehovah: “Hitondra azy ireo hiverina avy any Basana+ aho;
Hoentiko miverina avy any amin’ny ranomasina lalina izy ireo,
23 Mba hihosin-dra ny tongotrao+
Ary hilelaka ny ran’ny fahavalo ny alikanao.”
24 Hitan’ny olona ny filaharana tarihinao, Andriamanitra ô,
Dia ny filaharana tarihin’ilay Andriamanitro sady Mpanjakako, mankao amin’ny toerana masina.+
25 Ny mpihira no mandeha eo aloha, ny mpitendry zavamaneno no manaraka azy ireo,+
Ary ny tovovavy mively ampongatapaka no eo afovoany.+
26 Miderà an’Andriamanitra eo anivon’ny vahoaka tafavory;
Miderà an’i Jehovah, ianareo avy amin’ny Loharanon’i Israely.+
27 Io i Benjamina,+ ilay zandriny indrindra. Naharesy an’ireny izy,
Sy ny andrianan’i Joda miaraka amin’ny vahoakany mihorakoraka,
Ary ny andrianan’i Zebolona sy ny andrianan’i Naftaly.
28 Namoaka didy ny Andriamanitrao hoe hahery ianao.
Asehoy ny herinao, Andriamanitra ô, dia ianao izay nanao zavatra ho anay.+
30 Teneno mafy ny bibidia any anaty bararata,
Ny andian’ombilahy+ sy ny zanany,
Mandra-piankohok’ireo firenena sy hitondrany* volafotsy.
Aparitany kosa ireo firenena tia ady.
31 Hisy zavatra vita amin’ny halimo hoentina* avy any Ejipta.+
Ho maika hanolotra fanomezana ho an’Andriamanitra i Kosy.
32 Mihirà ho an’Andriamanitra ianareo, ry fanjakana eto an-tany,+
Manaova hira fiderana* ho an’i Jehovah, (Sela)
33 Dia ho an’ilay mitaingina ny lanitry ny lanitra+ izay efa nisy hatry ny ela.
Izany izy fa mampikotrokotroka ny feony, dia ny feony mafy dia mafy!
34 Ekeo fa mahery Andriamanitra.+
Ambony dia ambony izy eo amin’ny Israely,
Ary asehony avy any an-danitra* ny heriny.
35 Mendrika hatahorana Andriamanitra, izay ao amin’ny toerany* masina be voninahitra.+
Izy no Andriamanitry ny Israely,
Izay manome hery sy tanjaka ho an’ny olona.+
Derao Andriamanitra!
Ho an’ny mpitarika; atao mifanaraka amin’ny “Lisy.” Nataon’i Davida.
69 Vonjeo aho, Andriamanitra ô, fa miakatra ny rano ka mitady hahafaty ahy.+
2 Tafalentika ao anaty fotaka mandrevo aho, ka tsy misy tany maina hamikiran’ny tongotro.+
Latsaka ao anaty rano lalina aho,
Ary nofaohin’ny rano misasasasa.+
3 Sasatry ny miantso aho,+
Ary farina mihitsy ny feoko.
Reraka ny masoko eo am-piandrasana an’Andriamanitro.+
4 Maro noho ny volon-dohako
Ireo mankahala ahy tsy amin’antony.+
Lasa be dia be ireo mitady hamono ahy,
Dia ny fahavalo mpamadika ahy.*
Voatery nanolo zavatra tsy nangalariko aho.
5 Andriamanitra ô, fantatrao ny hadalako,
Ary tsy miafina aminao ny heloko.
6 Enga anie tsy ho menatra noho ny amiko ireo manantena anao,
Ry Jehovah Tompon’ny tafika ô, ry Tompo Fara Tampony!
Tsy ho afa-baraka noho ny amiko anie ireo mitady anao,
Ry Andriamanitry ny Israely ô!
8 Lasa toy ny olona tsy fantatry ny rahalahiko aho.
Toy ny hoe vahiny aho amin’ny zanak’i Neny.+
9 Toy ny afo miredareda ato anatiko ny hafanam-poko ho an’ny tranonao,+
Ary mihatra amiko ny latsa ataon’ireo mandatsa anao.+
10 Rehefa nanetry tena aho ka nifady hanina,*
Dia nolatsaina.
11 Rehefa niakanjo gony aho,
Dia nesoesoin’izy ireo.*
12 Izaho no ambentin-dresak’ireo mipetraka eo am-bavahadin’ny tanàna,
Ary manao hira momba ahy ny mpisotro toaka.
13 Fa enga anie ho tonga any aminao ny vavaka ataoko
Jehovah ô, amin’ny fotoana anehoanao fankasitrahana.+
Be fitiavana sy tsy mivadika ianao, Andriamanitra ô,
Ka valio aho ary asehoy fa ianao no tena mpamonjy.+
14 Afaho avy ao anaty fotaka aho,
Fa aza avela hilentika.
Afaho tsy ho azon’ireo mankahala ahy
Sy amin’ny rano lalina aho.+
15 Aza avela hifaoka ahy ny rano be misasasasa;+
Aza avela hitelina ahy ny rano lalina,
16 Valio aho, Jehovah ô, fa tsara ny fitiavanao sy ny tsy fivadihanao.+
Mba valio haingana aho fa mijaly.+
18 Manatòna dia afaho* aho.
Mba avoty tsy ho azon’ny fahavaloko aho.
19 Fantatrao ny latsa sy ny henatra ary ny fahafaham-baraka mahazo ahy.+
Hitanao daholo ny fahavaloko.
20 Nahavaky fo ahy ny latsa, ary tsy mety sitrana ny fery.*
Nanantena aho hoe mba hisy hangoraka, saingy indrisy fa tsy nisy,+
Ary mba hisy hampionona, saingy tsy nahita na iray aza.+
21 Poizina* kosa no nomen’izy ireo hohaniko,+
Ary vinaingitra no nomeny ahy hosotroiko rehefa nangetaheta aho.+
22 Aoka ho lasa fandrika ho azy ireo ny latabany,
Ary ho vela-pandrika ho azy ireo koa ny fahombiazany.+
23 Aoka ho jamba ny masony ka tsy hahita,
Ary ataovy mangozohozo foana ny andilany.
26 Fa enjehin’izy ireo ilay nokapohinao,
Ary ataony ambentin-dresaka ny fanaintainan’ireo noratrainao.
27 Ampio heloka ny helok’izy ireo,
Ary enga anie izy ireo tsy handray soa amin’ny fahamarinanao.
28 Aoka ny anarany hofafana tsy ho ao amin’ny boky misy ny anaran’ny velona,*+
Ary enga anie izy ireo tsy ho anisan’ny olo-marina.+
29 Fa ory sy mijaly aho.+
Manana hery hamonjena ianao, Andriamanitra ô, ka enga anie izany hiaro ahy!
30 Hihira fiderana ho an’ny anaran’Andriamanitra aho,
Ary hankalaza azy sady hisaotra azy.
31 Izany no ho tian’i Jehovah kokoa noho ny ombilahy,
Mihoatra noho ny vantotr’ombilahy misy tandroka sy kitro.+
32 Hahita an’izany ny mpandefitra ka ho faly.
Enga anie hatanjaka indray ny fonareo izay mitady an’Andriamanitra!
34 Aoka hidera azy ny lanitra sy ny tany,+
Ary ny ranomasina sy izay rehetra mihetsiketsika ao aminy.
35 Fa hamonjy an’i Ziona Andriamanitra,+
Ary hanorina indray an’ireo tanànan’i Joda.
Dia hipetraka ao ny vahoakany, ka ho lasany ilay tany.
Ho an’ny mpitarika. Nataon’i Davida, ho fampahatsiahivana.*
70 Vonjeo aho, Andriamanitra ô!
Jehovah ô, mba ampio haingana aho!+
2 Enga anie izay mitady hamono ahy*
Mba ho menatra sy ho afa-baraka!
Enga anie ireo faly amin’ny fahavoazako
Handositra sady ho menatra!
3 Enga anie izay miteny hoe: “Tsara ho azy izay!”
Hiverin-dalana sady ho menatra.
4 Fa aoka kosa izay mitady anao
Hifaly sy hiravoravo aminao.+
Enga anie ireo tia ny asa famonjenao hilaza foana hoe:
“Hankalazaina anie Andriamanitra!”
71 Ianao no ialofako, Jehovah ô!
Enga anie aho tsy ho menatra mihitsy!+
2 Manao ny marina ianao, ka vonjeo aho ary afaho.
Aoka ianao hanongilan-tsofina hihaino* ahy, ka hamonjy ahy.+
3 Aoka ianao ho vatolampy fialofako,
Ka ho azoko isitrihana foana.
Manomeza baiko hamonjena ahy,
Fa ianao no harambatoko sy manda fiarovana ho ahy.+
4 Andriamanitro ô, vonjeo eo an-tanan’ny ratsy fanahy aho,+
Dia eo am-pelatanan’ny mpampijaly manao ny tsy rariny.
5 Fa ianao no antenaiko, ry Jehovah Tompo Fara Tampony ô;
6 Niantehitra taminao aho hatramin’ny nahaterahako;
Ianao no namoaka ahy avy tao an-kibon’i Neny.+
Midera anao foana aho.
7 Lasa toy ny zava-mahagaga ho an’ny olona maro aho,
Nefa ianao no fialofana mafy ho ahy.
8 Ny fiderana anao no mameno ny vavako;+
Manambara ny voninahitrao aho tontolo andro.
10 Miresaka zava-dratsy momba ahy ny fahavaloko,
Ary miara-mikaon-doha ireo mifofo ny aiko,+
11 Ka miteny hoe: “Efa nafoin’Andriamanitra izy.
Enjeho izy dia sambory, fa tsy misy mpamonjy.”+
12 Aza mijanona lavitra ahy, Andriamanitra ô!
Mba ampio haingana aho, ry Andriamanitro ô!+
13 Enga anie ireo manohitra ahy
Ho menatra sy ho faty!+
Enga anie ireo mitady hanisy ratsy ahy
Ho tototry ny latsa sy ny fahafaham-baraka!+
14 Fa izaho kosa mbola hiandry anao;
Vao mainka aho hidera anao.
15 Ny vavako hitantara ny fahamarinanao,+
Sy hilaza isan’andro ny asa famonjenao,
16 Ho avy hilaza ny asa nataonao tamin’ny herinao aho,
Ry Jehovah Tompo Fara Tampony ô!
Hiresaka momba ny fahamarinanao aho, dia ny anao irery ihany.
17 Nampianatra ahy hatramin’izaho mbola tanora+ ianao, Andriamanitra ô,
Ary hatramin’izao aho dia mbola manambara ny zavatra mahatalanjona ataonao.+
18 Aza afoy aho, Andriamanitra ô, na dia efa antitra sy fotsy volo aza!+
Avelao aho hilaza momba ny herinao* amin’ny taranaka any aoriana,
Ary hilaza momba ny tanjakao amin’izay rehetra mbola ho avy.+
19 Avo dia avo ny fahamarinanao, Andriamanitra ô!+
Miavaka ny zava-bitanao;
Iza no hoatr’anao, Andriamanitra ô?+
20 Na dia nataonao nahita fahoriana sy loza maro aza aho,+
Dia mba ataovy velombelona indray;
Ampiakaro avy any amin’ny faritra* lalina amin’ny tany aho.+
21 Enga anie ianao hampitombo ny voninahitro,
Ary hanodidina ahy sy hampionona ahy!
22 Dia hidera anao amin’ny zavamaneno fitendry aho,
Satria tsy mivadika ianao, Andriamanitro ô!+
Hihira fiderana* ho anao amin’ny harpa aho,
Ry Ilay Masin’ny Israely ô!
24 Hilaza* momba ny fahamarinanao ny lelako, tontolo andro,+
Fa ho menatra sy ho afa-baraka izay mitady hamotika ahy.+
Momba an’i Solomona.
72 Andriamanitra ô, omeo ny mpanjaka ny didim-pitsaranao,
Ary ampahafantaro ny zanaky ny mpanjaka ny fitiavanao ny rariny.+
2 Hotsarainy araka ny rariny anie ny vahoakanao,
Ary hotsarainy araka ny hitsiny ny madinika!+
3 Hitondra fiadanana ho an’ny olona anie ny tendrombohitra,
Ary hitondra fahamarinana ny havoana!
4 Aoka izy hiaro* ny madinika eo amin’ny vahoaka,
Sy hamonjy ny zanaky ny mahantra,
Ary hanorotoro ny mpanambaka.+
5 Hatahotra anao ny vahoaka, raha mbola misy koa ny masoandro
Ary raha mbola eo koa ny volana,
Hatramin’ny taranaka fara aman-dimby.+
6 Ho toy ny orana milatsaka eo amin’ny ahitra avy notapahina izy,
Tahaka ny oram-be mandena ny tany.+
7 Amin’ny andro anjakany, dia ho be dia be* ny olo-marina,+
Ary ho be ny fiadanana+ mandra-paha tsy hisy volana intsony.
8 Hisy olom-peheziny* hatrany amin’ny ranomasina ka hatrany amin’ny ranomasina,
Ary hatrany amin’ny Renirano* ka hatrany amin’ny faran’ny tany.+
9 Hiankohoka eo anatrehany ny mponina any an-tany efitra,
Ary hilelaka vovoka ny fahavalony.+
10 Handoa hetra ireo mpanjakan’i Tarsisy sy ny mpanjakan’ireo nosy.+
Ary hanolotra fanomezana ireo mpanjakan’i Sheba sy ireo mpanjakan’i Seba.+
11 Hiankohoka eo anatrehany ny mpanjaka rehetra,
Ary hanompo azy ny firenena rehetra.
12 Fa hovonjeny ny mahantra miantso vonjy,
Sy ny madinika, ary izay rehetra tsy mba misy manampy.
13 Hiantra ny madinika sy ny mahantra izy,
Ary hamonjy ny ain’ny mahantra.
14 Hanafaka* azy ireo amin’ny fampahoriana sy ny herisetra izy,
Ary ho sarobidy eo imasony ny ran’izy ireo.
15 Ho ela velona anie izy, ka homena volamena avy any Sheba.+
Enga anie ka hisy hivavaka ho azy foana,
Ary hotahina tontolo andro anie izy!
16 Hahavokatra be ny tany;+
Ho be dia be ny vokatra, na dia eny an-tampon-tendrombohitra aza.
Hamokatra toy ny any Libàna ny taniny,+
Ary hiroborobo toy ny zavamaniry amin’ny tany ny olona ao an-tanàna.+
17 Haharitra mandrakizay anie ny anarany,+
Ary hihamalaza anie izany raha mbola misy koa ny masoandro!
Enga anie ny olona hahazo fitahiana amin’ny alalany,+
Ary ny firenena rehetra hilaza hoe: “Sambatra izy!”
18 Hoderaina anie i Jehovah Andriamanitra, ilay Andriamanitry ny Israely!+
Izy irery ihany no manao zava-mahagaga.+
19 Hoderaina mandrakizay anie ny anarany be voninahitra,+
Ary enga anie ny voninahiny hameno ny tany manontolo!+
Amena! Amena!
20 Mifarana eto ny vavak’i Davida, zanak’i Jese.+
BOKY FAHATELO
(Salamo 73–89)
Hiran’i Asafa.+
73 Tena manao soa amin’ny Israely Andriamanitra, dia amin’izay madio fo.+
2 Izaho kosa saika nivily lalana;
Saika nibolisatra ny tongotro.+
6 Koa ny fireharehana no rojo iambozonany,+
Ary ny herisetra no akanjo anaovany.
7 Bongon’ny tavy* ny masony.
Mihoatra noho izay nokasainy tao am-pony ny zava-bitany.
8 Maneso sy miresaka zava-dratsy ireny.+
Mandrahona ny hampijaly olona ireny sady mizahozaho erỳ.+
9 Hita amin’ny resaka ataony hoe ambony hoatran’ny lanitra no fiheverany ny tenany,
Ary mirehareha erỳ ny lelany mandehandeha mitety ny tany.
10 Koa lasa mankany amin’izy ireny ny vahoakan’Andriamanitra,*
Ka misotro amin’ny rano be dia be ananany.
11 Milaza izy ireo hoe: “Ahoana moa no ahalalan’Andriamanitra an’izany?+
Angaha moa ilay Avo Indrindra tena mahalala an’izay mitranga?”
12 Hoatr’izany ny ratsy fanahy! Mandeha tsara foana ny fiainany.+
Ampitomboiny foana ny harenany.+
13 Very maina fotsiny ny ezaka nataoko mba hananana fo madio foana,
Sy ny nanasako ny tanako mba ho porofo fa tsy manan-tsiny aho.+
15 Raha niresaka an’izany zavatra izany anefa aho,
Dia ho nivadika tamin’ny vahoakanao.*
16 Rehefa niezaka hahatakatra an’izany aho,
Dia nikorontana ny saiko
17 Mandra-piditro tao amin’ny toerana masin’Andriamanitra,
Ka nahafantarako ny hoavin’izy ireny.
18 Apetrakao eo amin’ny toerana malama tokoa izy ireny.+
Ataonao izay hahalavo azy mba ho ringana izy.+
19 Tampoka teo dia ringana izy ireny!+
Mifarana tampoka ny fiainany sady loza no iafarany.
20 Toy ny hanadinoana ny nofy rehefa mifoha, Jehovah ô,
No hanesoranao azy* rehefa mifoha ianao.
22 Tsy nieritreritra aho sady tsy nahira-tsaina;
Toy ny biby tsy misaina aho teo anatrehanao.
23 Eo aminao foana anefa aho izao;
Nandray ny tanako ankavanana ianao.+
25 Manana an’iza moa aho any an-danitra?
Ary tsy misy na inona na inona iriko eto an-tany, afa-tsy ianao.+
26 Mety hihareraka ny vatako sy ny foko,
Fa Andriamanitra kosa no vatolampin’ny foko sy anjarako mandrakizay.+
27 Ho ripaka tokoa izay manalavitra anao.
Haringanao* izay mivadika aminao ka miala aminao.*+
28 Fa izaho kosa, ny manakaiky an’Andriamanitra no tsara amiko.+
I Jehovah Tompo Fara Tampony no ataoko fialofako,
Mba hanambarako ny zavatra rehetra ataony.+
74 Nahoana no dia nolavinao mandrakizay izahay, Andriamanitra ô?+
Nahoana ianao no tezitra be* amin’ny ondry ao amin’ny kijananao?+
Tsarovy ny Tendrombohitra Ziona, ilay toerana ipetrahanao.+
3 Mankanesa any amin’ilay toerana rava tanteraka.+
Nosimban’ny fahavalo ny zava-drehetra tao amin’ny toerana masina.+
4 Nierona tao amin’ny toerana fihaonana aminao ny fahavalonao.+
Natsangan’izy ireo tao ny saina keliny, mba ho famantarana.
5 Toy ny olona manainga famaky hikapa ala mikitroka izy ireo.
6 Nopotipotehiny tamin’ny famaky sy bara vy daholo ny asa sokitra+ tao.
7 Nodoran’izy ireo ny toeranao masina,+
Nozimbazimbainy ny tranolay mitondra ny anaranao ka natsipiny tamin’ny tany.
8 Samy miteny any am-pony any izy ireo sy ny zanany hoe:
“Hodorana daholo izay toerana fihaonana* amin’Andriamanitra, eto amin’ity tany ity.”
9 Tsy mahita an’ireo famantarana natao ho anay intsony izahay;
Tsy misy mpaminany intsony koa,
Ary tsy misy aminay mahalala hoe haharitra hafiriana izany.
10 Andriamanitra ô, mandra-pahoviana no mbola haneso anao ny mpanohitra anao?+
Tsy hanaja ny anaranao mandrakizay ve ny fahavalo?+
11 Nahoana no ahemotrao indray ny tananao, dia ny tananao ankavanana?+
Avoahy avy ao an-tratranao* ny tananao, dia aringano izy ireo.
12 Andriamanitra anefa no Mpanjakako efa hatry ny ela be;
Izy ilay manao asa famonjena eto an-tany.+
13 Nataonao nisamboaravoara ny ranomasina noho ny herinao;+
Nopotipotehinao ny lohan’ny biby ngezabe any an-dranomasina.
14 Notorotoroinao ny lohan’ny Leviatana;*
Nomenao hohanin’ny olona monina any an-tany efitra izy.
15 Nanokatra lalana hivoahan’ny loharano sy ny renirano ianao,+
Ary nataonao ritra ny renirano tsy mbola ritra mihitsy.+
16 Anao ny andro, ary anao koa ny alina.
Namorona ny hazavana sy ny masoandro ianao.+
18 Tadidio ny esoeson’ny fahavalo, Jehovah ô!
Tena tsy manaja ny anaranao+ ny olona adala!
19 Aza omena ny bibidia ny ain’ny domohinanao,
Ary aza hadinoina mandrakizay ny ain’ny vahoakanao mijaly.
20 Tsarovy ilay fifanekena,
Fa lasa anjakan’ny herisetra ny toerana maizina eto an-tany.
21 Enga anie izay ampahorina mba tsy ho diso fanantenana+ rehefa lasa;
Hidera ny anaranao+ anie ny madinika sy ny mahantra!
22 Mitsangàna, Andriamanitra ô, aoka ianao hiaro tena eny amin’ny fitsarana.
Tsarovy fa manesoeso anao tontolo andro+ ny olona adala.
23 Aza hadinoina izay lazain’ny fahavalonao.
Miakatra tsy an-kiato ny tabataban’ireo mila ady aminao.
Ho an’ny mpitarika. Atao mifanaraka amin’ilay salamo hoe “Aza Mandringana.” Hiran’i Asafa.+
75 Misaotra anao izahay, Andriamanitra ô! Misaotra anao izahay;
Ary manambara ny zavatra mahagaga nataonao ny olona.
2 Hoy ianao: “Rehefa avy mifidy fotoana hitsarana aho,
Dia hitsara araka ny rariny.
3 Rehefa nihorohoro* ny tany sy ny mponina rehetra teo aminy,
Dia izaho no nanao izay hahamafy orina ny andrin’ny tany.” (Sela)
4 Hoy aho amin’ny mpirehareha: “Aza mirehareha”,
Ary amin’ny ratsy fanahy: “Aza mieboebo satria hoe mahery ianareo.*
5 Aza mieboebo be satria hoe mahery ianareo,*
Ary aza mirehareha rehefa miteny.
6 Fa tsy avy any atsinanana na avy any andrefana
Na avy any atsimo ny voninahitra.*
7 Andriamanitra mantsy no Mpitsara.+
Aetriny ny olona iray ary asandrany ny iray.+
Tena hararany izany,
Ka hisotro an’ilay izy hatramin’ny faikany ny ratsy fanahy rehetra eto an-tany.”+
9 Fa izaho kosa hanambara an’izany mandrakizay;
Hihira fiderana* ho an’ny Andriamanitr’i Jakoba aho.
10 Hoy mantsy izy: “Hataoko tsy manan-kery intsony* ny ratsy fanahy,
Fa hampitomboina kosa ny herin’ny* olo-marina.
Ho an’ny mpitarika; ampiarahina amin’ny zavamaneno fitendry. Salamo nataon’i Asafa.+ Hira.
3 Tao izy no nanapatapaka ny zana-tsipìka mirehitra,
Ny ampinga, ny sabatra, ary ny fitaovam-piadiana hafa.+ (Sela)
4 Mamirapiratra be* ianao;
Mbola manerinerina kokoa noho ny tendrombohitra fihazana remby ianao.
5 Voaroba ireo be herim-po.+
Resin-tory izy ireo;
Tsy misy mpiaro ny miaramila rehetra.+
6 Ry Andriamanitr’i Jakoba ô, noho ny teny henjana nolazainao,
Dia samy renoky ny torimaso ny mpitondra kalesy sy ny soavaly.+
7 Ianao irery no mendrika hatahorana.+
Iza no mahazaka ny hatezeranao rehefa tezitra be ianao?+
8 Avy tany an-danitra ianao no nanambara didim-pitsarana;+
Natahotra ny tany ka nangina+
9 Rehefa nitsangana hampihatra didim-pitsarana Andriamanitra,
Mba hamonjena ny mpandefitra rehetra eto an-tany.+ (Sela)
10 Fa hitondra dera ho anao ny fahatezeran’ny olona;+
Hataonao firavaka eny aminao ny fahatezerana sisa tavela ao amin’izy ireo.
11 Manaova voady amin’i Jehovah Andriamanitrareo ary efao izany,+
Aoka izay rehetra manodidina azy hitondra fanomezana amin-tahotra.+
12 Hataony tsinontsinona ny fireharehan’ny* mpitarika;
Ataony matahotra azy ny mpanjakan’ny tany.
Ho an’ny mpitarika; atao Jedotona.* Hiran’i Asafa.+
77 Hanandratra ny feoko hiantso an’Andriamanitra aho;
Andriamanitra no hantsoiko, dia hihaino ahy izy.+
2 Mitady an’i Jehovah aho rehefa ao anatin’ny sarotra.+
Tsy mitsahatra mivavaka aho* mandritra ny alina.
Tsy mety ampiononina aho.
3 Mitaraindraina aho rehefa mahatsiaro an’Andriamanitra;+
Sahiran-tsaina aho sady lasa kely ny heriko.+ (Sela)
4 Tazoninao tsy hikimpy ny hodi-masoko;
Mitebiteby mafy aho, ka tsy mahateny.
5 Mamisavisa ny andro taloha aho,+
Dia ireo taona lasa efa ela be.
6 Mitamberina ato an-tsaiko ny hirako* rehefa alina;+
Mandinika ato am-poko aho,+
Ary mamakafaka tsara.
7 Dia hanary anay mandrakizay ve i Jehovah?+
Tsy hiantra anay intsony ve izy?+
8 Tsy haneho fitiavana sy tsy fivadihana intsony ve izy mandrakizay?
Dia tsy hisy taranaka hahita ve hoe tanteraka ny fampanantenany?
9 Hadinon’Andriamanitra ve ny niantra anay,+
Sa tezitra izy dia tsy namindra fo intsony? (Sela)
10 Dia hiteny foana ve aho hoe: “Izao no mampalahelo ahy:*+
Nanova ny fomba itondrany anay* ilay Avo Indrindra”?
11 Hotsaroako ny zavatra nataon’i Jah;
Hotsaroako ny zavatra mahagaga nataonao taloha ela be.
12 Dia hosaintsainiko ny asanao rehetra,
Ary hoeritreretiko tsara ny zavatra nataonao.+
13 Masina ny lalanao, Andriamanitra ô!
Iza no andriamanitra lehibe hoatr’anao, Andriamanitra ô?+
14 Ianao no tena Andriamanitra, izay manao zava-mahagaga.+
Nasehonao an’ireo firenena ny tanjakao.+
15 Nampiasa ny herinao* ianao mba hamonjena* ny vahoakanao,+
Dia ny taranak’i Jakoba sy ny taranak’i Josefa. (Sela)
16 Nahita anao ny rano, Andriamanitra ô!
Nahita anao ny rano ka nanonjanonja,+
Ary lasa nisamboaravoara ny rano lalina.
17 Nandrotsaka orana ny rahona.
Nikotrokotroka ny lanitra feno rahona,
Ary nisidina teny rehetra teny ny zana-tsipìkanao.+
18 Toy ny feona kodiarana kalesy ny feon’ny kotroka+ nalefanao;
Nanazava ny tany misy mponina* ny tselatra;+
Nihorohoro sy nihovotrovotra ny tany.+
19 Namakivaky ranomasina+ ianao,
Ary nandeha teny amin’ny rano be.
Tsy nisy nahita anefa ny dian-tongotrao.
78 Henoy ny lalàko,* ry vahoakako.
Aoka ianareo hanongilan-tsofina hihaino ny teny lazain’ny vavako.
2 Hanao ohabolana aho,
Ary hilaza teny saro-pantarina izay efa nolazaina hatry ny ela.+
3 Ny zavatra renay sy fantatray,
Izay notantarain’ny razambenay taminay,+
4 Dia tsy hafeninay amin’ny taranak’izy ireo;
Hotantarainay amin’ny taranaka ho avy+
Ny asa mendri-piderana nataon’i Jehovah sy ny heriny,+
Dia ny zava-mahagaga nataony.+
5 Nomeny fampahatsiahivana i Jakoba
Ary nasiany lalàna teo amin’ny Israely;
Nomeny baiko ny razambenay,
Mba hampahafantatra an’izany amin’ny zanak’izy ireo.+
6 Amin’izay dia hahalala an’izany ny zaza mbola hateraka,
Dia ny taranaka any aoriana.+
Izy ireo indray avy eo no hitantara izany amin’ny zanany.+
7 Dia hatoky an’Andriamanitra izy ireo.
8 Amin’izay izy ireo tsy ho hoatran’ny razambeny,
Izay taranaka mafy loha sy mpikomy,+
Dia taranaka niovaova hevitra,*+
Sady nivadika tamin’Andriamanitra.
9 Nitondra tsipìka ny Efraimita,
Nefa nandositra tamin’ny andro nisian’ny ady.
10 Tsy nohajain’izy ireo ny fifanekena nataon’Andriamanitra,+
Ary tsy nety nankatò ny lalàny+ izy ireo.
12 Nanao zava-mahagaga teo anatrehan’ny razamben’izy ireo izy+
Tany Ejipta, tao amin’ny faritr’i Zoana.+
14 Nitarika azy ireo tamin’ny alalan’ny rahona izy nandritra ny andro,
Ary tamin’ny hazavana avy amin’ny afo nandritra ny alina.+
15 Nampitresaka vatolampy tany an-tany efitra izy,
Ka namela azy ireo hanaram-po hisotro rano, toy ny hoe nisotro avy tamin’ny rano lalina.+
16 Namoaka rano avy tamin’ny harambato izy,
Ka nataony nikoriana hoatran’ny renirano ilay rano.+
17 Mbola nanota taminy ihany anefa izy ireo,
Ka nikomy tamin’ny Avo Indrindra, tany an-tany efitra;+
18 Nitsapa* an’Andriamanitra tao am-pony izy ireo,+
Ka nitaky an’izay sakafo tena tiany hohanina.
19 Nanakiana an’Andriamanitra àry izy ireo,
Ka niteny hoe: “Andriamanitra ve dia hahavita hanome sakafo ho anay atỳ an-tany efitra?”+
20 Nokapohiny ny vatolampy,
Dia nisy rano nikoriana sy rano be nisasasasa avy tao.+
“Mahavita manome mofo ho anay koa ve izy,
Na manome hena ho an’ny vahoakany?”+
21 Tezitra be i Jehovah+ rehefa naheno azy ireo;
Nandefa afo+ hanafaizana an’i Jakoba izy
Ary nisafoaka tamin’i Israely,+
22 Satria tsy nino an’Andriamanitra izy ireo;+
Tsy natoky izy ireo hoe mahavita mamonjy azy izy.
23 Nobaikoiny àry ny lanitra feno rahona eny ambony,
Ary nosokafany ny varavaran’ny lanitra.
24 Nandrotsaka mana foana izy mba hohanin’izy ireo;
Nomeny sakafo avy any an-danitra+ izy ireo.
26 Nataony nitsoka teny amin’ny lanitra ny rivotra avy any atsinanana,
Ary nampiasa ny heriny izy mba hisian’ny rivotra avy any atsimo.+
27 Dia nandatsahany hena be dia be toy ny vovoka izy ireo,
Dia vorona maro be toy ny fasika eny amoron-dranomasina.
28 Nalatsany tao amin’ny tobiny ireny,
Nanodidina ny tranolainy.
29 Dia nihinana izy ireo ary nambosibosika;
Nomeny azy ireo izay niriny.+
30 Mbola tsy tena afa-po akory anefa izy ireo,
Sady mbola tao am-bavany ny sakafony,
31 Dia nisafoaka tamin’izy ireo Andriamanitra.+
Novonoiny ho faty ny lehilahy matanjaka indrindra tamin’izy ireo;+
Naripany ny tovolahy teo amin’ny Israely.
33 Koa nataony nanjavona toy ny fofonaina ny andron’izy ireo,+
Ary nofaranany tao anaty horohoro tampoka ny taonan’izy ireo.
34 Isaky ny nandringana ny sasany taminy anefa izy, dia nitady azy izy ireo;+
Niverina izy ireo ary nitady an’Andriamanitra;
35 Tsaroany fa Andriamanitra no Vatolampiny,+
36 Nitady hamitaka azy tamin’ny teniny* anefa izy ireo,
Ary nandainga taminy.
Matetika izy no nifehy ny hatezerany,+
Fa tsy nisafoaka be.
40 Impiry impiry moa izy ireo no nikomy taminy tany an-tany efitra,+
Sy nandratra ny fony tany amin’ny tany karakaina!+
41 Imbetsaka izy ireo no nitsapa an’Andriamanitra,+
Ka nanao izay nampalahelo* an’Ilay Masin’ny Israely.
42 Nohadinoin’izy ireo ny herin’Andriamanitra,*
Dia ny andro namonjeny* azy tamin’ny fahavalo,+
43 Ny famantarana nataony tany Ejipta,+
Sy ny fahagagana nataony tao amin’ny faritr’i Zoana,
44 Ary ny nanovany an’ireo lakandranon’i Neily* ho lasa ra,+
Ka tsy afaka nisotro avy tamin’ny reniranony izy ireo.
46 Nomeny hohanin’ny valala mirangorango ny vokatry ny tanin’izy ireo;
Nomeny hohanin’ny andiam-balala izay nisasarany.+
47 Nataony simban’ny havandra ny voalobony,+
Ary potiky ny havandra ny aviavidia teo amin’ny taniny.
48 Nataony matin’ny havandra+ ny bibiny mpitondra entana,
Ary nandatsahany varatra* ny biby fiompiny.
49 Nampariny tamin’izy ireo ny hatezerany,
Dia fisafoahana sy fahavinirana ary fampahoriana.
Naniraka anjely be dia be hitondra loza izy.
50 Nanamboatra lalana ho an’ny hatezerany izy.
Tsy niaro azy ireo tsy ho faty izy,
Ary namely azy ireo* tamin’ny areti-mandringana.
51 Naripany daholo ny lahimatoa tany Ejipta+ tamin’ny farany,
Dia ireo nateraka voalohany tao amin’ny tranolain’i Hama.
52 Nentiny nivoaka an’i Ejipta toy ny andian’ondry ny vahoakany+ avy eo,
Ka notarihiny toy ny andiam-biby tany an-tany efitra.
53 Notarihiny izy ireo ary nataony tsy nanana ahiahy,
Ka tsy natahotra.+
Nosaronan’ny ranomasina ny fahavalon’izy ireo.+
54 Ary nentiny tany amin’ny taniny masina izy ireo,+
Dia ilay faritra be tendrombohitra azon’ny tanany ankavanana.+
55 Noroahiny hiala teo anatrehan’izy ireo ny firenena;+
Nizara lova ho azy ireo izy, ka nampiasa tady fandrefesana;+
Dia napetrany tao amin’ny tranony avy ny fokon’ny Israely.+
56 Nitsapa* an’ilay Andriamanitra Avo Indrindra foana anefa izy ireo sady nikomy taminy;+
Tsy noraharahian’izy ireo ny fampahatsiahivany.+
57 Niala taminy koa izy ireo sady nivadika toy ny razambeny.+
Tsy azo nianteherana hoatran’ny tsipìka migoragora+ izy ireo.
58 Nampahatezitra azy foana izy ireo noho ny toerana avo naoriny,+
59 Nahare an’izany Andriamanitra ka nisafoaka,+
Dia nolaviny tanteraka ny Israely.
60 Nafoiny ilay tranolay masina tao Silo+ tamin’ny farany,
Dia ilay tranolay nonenany teo amin’ny olona.+
61 Navelany hoentina ho babo ilay famantarana ny heriny;
Navelany ho lasan’ny fahavalo ny voninahiny.+
62 Natolony ho fatin’ny sabatra ny vahoakany,+
Ary nisafoaka tamin’ny lovany izy.
63 Kilan’ny afo ny tovolahiny,
Ary tsy mba nanaovana hira amin’ny fampakaram-bady* ny virjiny teo aminy.
65 Dia nifoha i Jehovah, toy ny hoe avy natory,+
Hoatran’ny lehilahy matanjaka+ izay nifoha rehefa nisava ny divay nosotroiny.
66 Ary noroahiny niverina ny fahavalony;+
Nataony afa-baraka mandrakizay izy ireo.
67 Nolaviny ny tranolain’i Josefa;
Tsy nofidiny ny fokon’i Efraima.
69 Nataony maharitra toy ny lanitra* ny toerany masina,+
Toy ny tany izay nataony mafy orina mandrakizay.+
70 Nifidy an’i Davida+ mpanompony izy,
Ka naka azy avy tany amin’ny valan’ondry,+
71 Teny am-piandrasana ondrivavy mampinono;
Notendreny ho mpiandry an’i Jakoba vahoakany izy+
Sy ho mpiandry an’i Israely lovany.+
Hiran’i Asafa.+
79 Nidiran’ireo firenena ny lovanao,+ Andriamanitra ô!
Nolotoiny ny tempolinao masina,+
Ary nataony korontam-bato mivangongo i Jerosalema.+
2 Nomen’izy ireo ho sakafon’ny voro-manidina ny fatin’ny mpanomponao,
Ary ho an’ny bibidia ny nofon’ireo tsy mivadika aminao.+
3 Nataony nandriaka toy ny rano eran’i Jerosalema ny ran’izy ireo,
Ary tsy misy olona tavela mba handevina azy.+
4 Nataon’ny mpiara-monina aminay afa-baraka izahay;+
Maneso sy manaraby anay ny manodidina anay.
5 Mandra-pahoviana ianao no mbola ho tezitra be, Jehovah ô? Mandrakizay ve?+
Mandra-pahoviana no hirehitra toy ny afo ny fahatezeranao?+
6 Anamparo ny hatezeranao ireo firenena tsy mahalala anao,
Sy ireo fanjakana tsy miantso ny anaranao.+
7 Fa naripak’izy ireo i Jakoba,
Ary noravany ny taniny.+
8 Aza atao ampamoaka noho ny fahadisoan’ny razambenay+ izahay.
Mba amindrao fo haingana re izahay e,+
Fa nambanina tanteraka!
9 Ry Andriamanitra mpamonjy anay+ ô, ampio izahay
Noho ny anaranao be voninahitra;
10 Nahoana ireo firenena no dia hilaza hoe: “Aiza izay mba Andriamanitr’ireo?”+
Enga anie ho hitan’ny masonay sy ho fantatr’ireo firenena
Fa mamaly ny ran’ny mpanomponao ianao!+
11 Ho henonao anie ny senton’ny voafonja!+
Ampiasao ny herinao* lehibe mba hitsimbinana ny ain’ireo* voaheloka ho faty.*+
13 Dia hisaotra anao mandrakizay
Izahay vahoakanao sy ondry ao amin’ny kijananao,+
Ary hidera anao hatramin’ny taranaka fara aman-dimby.+
Ho an’ny mpitarika; atao mifanaraka amin’ny “Lisy.” Fampahatsiahivana. Hiran’i Asafa.+
80 Mihainoa, ry Mpiandry ny Israely ô,
Dia ianao izay mitarika an’i Josefa toy ny fitarika andian’ondry.+
3 Ataovy lasa hoatran’ny taloha indray izahay,+ Andriamanitra ô!
4 Ry Jehovah Andriamanitry ny tafika ô, mandra-pahoviana no hampahatezitra anao ny* vavaky ny vahoakanao?+
5 Ranomaso no ataonao sakafony,
Ary ranomaso havozona no ampisotroinao azy.
6 Avelanao hifandroritan’ny manodidina izahay;
Maneso anay foana ny fahavalonay isaky ny te hanao an’izany.+
7 Ataovy lasa hoatran’ny taloha indray izahay, ry Andriamanitry ny tafika ô!
8 Nisy voaloboka+ nafindranao avy tany Ejipta.
Noroahinao ireo firenena, dia nambolenao ilay voaloboka.+
9 Nodiovinao ny toerana hambolenao azy,
Ka namaka izy io ary nameno an’ilay tany.+
10 Nanarona an’ireo tendrombohitra ny alokalony,
Ary nandrakotra an’ireo hazo sederan’Andriamanitra ny sampany.
12 Nahoana no noravanao ny fefy vato manodidina an’ilay tanimboaloboka,+
Ka mioty ny voany+ izay rehetra mandalo?
13 Trongitrongisin’ny lambo avy any an’ala ilay izy,
Ary hohanin’ny bibidia avy any an-tsaha.+
14 Miverena re, ry Andriamanitry ny tafika ô!
Mijere avy any an-danitra!
16 Kilan’ny afo+ ilay izy sady voakapa.
Ringana izy ireo noho ny anatra mafy nataonao.*
17 Ny tananao anie hanohana an’ilay olona eo an-tananao ankavanana,
Dia ilay zanak’olona nohatanjahinao ho anao!+
18 Amin’izay dia tsy hiala aminao izahay.
Tsimbino ny ainay mba hiantsoanay ny anaranao.
19 Ataovy lasa hoatran’ny taloha indray izahay, ry Jehovah Andriamanitry ny tafika ô!
Ho an’ny mpitarika; atao Gitita.* Nataon’i Asafa.+
81 Mihobia an’Andriamanitra fa izy no herintsika.+
Manaova horakora-pandresena ho an’ny Andriamanitr’i Jakoba.
2 Mitendre mozika, ary makà ampongatapaka
Sy harpa mamoaka feo mahafinaritra ary zavamaneno fitendry.
4 Didy nomena ny Israely mantsy izany,
Fitsipika avy amin’ilay Andriamanitr’i Jakoba.+
Naheno feo* tsy fantatro aho, nilaza hoe:
6 “Nesoriko teo an-tsorony ny enta-mavesatra;+
Tsy nampitondraina sobika intsony ny tanany.
7 Niantso ianao rehefa tao anatin’ny sarotra, dia namonjy anao aho;+
Ary nitsapa toetra anao teo amin’ny rano tao Meriba.*+ (Sela)
8 Mihainoa, ry vahoakako, fa hijoro ho vavolombelona hiampanga anao aho.
Ry Israely ô, raha mba nihaino ahy mantsy ianao,+
9 Dia tsy ho nisy andriamani-kafa teo aminao,
Ary tsy ho niankohoka tamin’ny andriamanitry ny firenen-kafa ianao.+
10 Izaho Jehovah no Andriamanitrao,
Ilay nitondra anao nivoaka avy tany Ejipta.+
Sokafy mitanatana ny vavanao fa hofenoiko.+
11 Tsy nihaino ny teniko anefa ny vahoakako;
Tsy nankatò ahy ny Israely.+
13 Raha mba nihaino ahy mantsy ny vahoakako,+
Raha mba nandeha tamin’ny lalana natoroko mantsy ny Israely,+
14 Dia ho nataoko vetivety dia resy ny fahavalony;
Ho namely an’ireo nanohitra azy ny tanako.+
15 Hatahotra ireo mankahala an’i Jehovah rehefa eo anatrehany,
Ary haharitra mandrakizay ny loza hanjo azy.*
16 Homeny varimbazaha faran’izay tsara*+ kosa ianao* mba hohaninao,
Ary hataony voky tantely avy ao amin’ny vatolampy.”+
Hiran’i Asafa.+
82 Maka ny toerany Andriamanitra eo amin’ny fivorian’ireo andriamanitra;*+
Eo afovoan’ireo andriamanitra* Izy no mitsara,+ ka milaza hoe:
2 “Mandra-pahoviana ianareo no hanao ny tsy rariny rehefa mitsara,+
Na hiangatra amin’ny ratsy fanahy?+ (Sela)
3 Arovy* ny madinika sy ny kamboty ray.+
Omeo rariny ny olona tsy misy mpiaro sy ny tsy manana na inona na inona.+
4 Afaho ny madinika sy ny mahantra,
Ka vonjeo eo an-tanan’ny ratsy fanahy.”
5 Sady tsy mahalala izy ireo* no tsy mahatakatra na inona na inona;+
Mitsapatsapa ao anaty haizina izy ireo;
Voahozongozona daholo ny fototry ny tany.+
8 Mitsangàna, Andriamanitra ô, ka tsarao ny tany,+
Fa anao ny firenena rehetra.
Hira. Salamo nataon’i Asafa.+
83 Aza mangina fotsiny, Andriamanitra ô!+
Aza mangina tsy miteny na mijery fotsiny, Andriamanitra ô!
3 Fetsifetsy izy ireo ka manao tetika mangingina hamelezana ny vahoakanao;
Mikaon-doha hanohitra an’ireo olona tena tianao* izy ireo.
4 Hoy izy ireo: “Andao hofongorantsika ny fireneny,+
Amin’izay dia tsy hotsaroana intsony ny anarana hoe Israely.”
5 Miara-mamorona paikady* izy ireo;
Manao fifanekena hanoherana anao+ izy ireo,
6 Dia ny tranolain’i Edoma sy ny Ismaelita, Moaba+ sy ny Hagarita,+
7 Gebala sy Amona+ sy Amaleka,
9 Ataovy toy ny nanaovanao ny Midianina+ izy ireo,
Toy ny nanaovanao an’i Sisera sy Jabina teo amin’ny reniranon’i* Kisona.+
10 Naringana tany En-dora+ izy ireo,
Ka lasa zezika ho an’ny tany.
11 Ataovy toy ny nanaovanao an’i Oreba sy Zeba+ ny olona ambony eo aminy,
Ary ataovy toy ny nanaovanao an’i Zebaha sy Zalmona+ ny andrianany.*
12 Nilaza mantsy izy ireo hoe: “Andao halaintsika ilay tany ipetrahan’Andriamanitra.”
13 Ataovy hoatran’ny tsilo avadibadiky ny tadio izy ireo,+ ry Andriamanitro ô,
Hoatran’ny mololo entin’ny rivotra.
14 Toy ny afo mandoro ala,
Toy ny lelafo mandrehitra tendrombohitra,+
15 Ho toy izany anie no hanenjehanao azy amin’ny rivo-mahery,+
Sy hampihorohoroanao azy amin’ny tafio-drivotra avy aminao!+
16 Ataovy afa-baraka tanteraka izy ireo,*
Mba hitadiavany ny anaranao, Jehovah ô!
17 Ho menatra sy hihorohoro mandrakizay anie izy ireo,
Ary ho afa-baraka sy ho ringana;
18 Enga anie ho fantatry ny olona fa ianao irery ihany, ilay manana anarana hoe Jehovah,+
No Avo Indrindra manerana ny tany manontolo!+
Ho an’ny mpitarika; atao Gitita.* Hiran’ny taranak’i Kora.+
2 Manimanina daholo ny hatrany anatiko lalina any,
Eny, tena tsy andriko mihitsy
Ny ho any an-tokotanin’ny tranolain’i Jehovah.+
Mihoby an’ilay Andriamanitra velona ny foko sy ny tenako manontolo.
3 Na ny vorona aza mahita trano any,
Ary ny sidintsidina mahita akany
Hikarakarany ny zanany
Eny akaikin’ny alitaranao be voninahitra, ry Jehovah Tompon’ny tafika ô,
Ry Mpanjakako sy Andriamanitro!
4 Sambatra ny olona mipetraka ao an-tranonao!+
Midera anao+ foana izy ireo. (Sela)
5 Sambatra ny olona mahazo hery avy aminao,+
Izay te handeha amin’ny lalana mankany an-tranonao.
6 Rehefa mamakivaky ny Lohasaha Bakà* izy ireo,
Dia ovany ho toerana misy loharano izany;
Ary toy ny akanjo manarona azy ny fitahiana entin’ny orana voalohandohany.*
7 Handeha izy ireo sady hihamatanjaka;+
Samy miseho eo anatrehan’Andriamanitra ao Ziona izy ireo.
8 Henoy ny vavaka ataoko, Jehovah Andriamanitry ny tafika ô!
Mihainoa, ry Andriamanitr’i Jakoba ô! (Sela)
10 Fa ny indray andro eo an-tokotaninao dia tsara noho ny arivo andro any an-toeran-kafa!+
Aleoko mijoro eo an-tokonam-baravaran’ny tranon’ny Andriamanitro,
Toy izay hipetraka ao amin’ny tranolain’ny ratsy fanahy.
I Jehovah dia tsy hiahotra ny hanome zava-tsoa
Ho an’ireo tsy mivadika.+
12 Ry Jehovah Tompon’ny tafika ô,
Sambatra izay olona matoky anao.+
Ho an’ny mpitarika. Hiran’ny taranak’i Kora.+
3 Tsy navoakanao daholo ny hatezeranao,
Ary tsy nisafoaka intsony ianao.+
4 Ataovy lasa hoatran’ny taloha* indray izahay, ry Andriamanitra mpamonjy anay ô,
Ary aza sosotra aminay intsony.+
5 Hisafoaka aminay mandrakizay+ ve ianao?
Mbola ho tezitra foana ve ianao hatrany amin’ny taranaka fara aman-dimby?
6 Tsy hovelombelominao indray ve izahay
Mba ho afaka hifaly aminao+ ny vahoakanao?
7 Asehoy hoe tia anay sy tsy mivadika aminay ianao, Jehovah ô,+
Ary vonjeo izahay!
8 Hohenoiko izay lazain’i Jehovah, ilay tena Andriamanitra,
Satria izy hiresaka fihavanana amin’ny vahoakany,+ dia amin’ireo tsy mivadika aminy.
Aoka anefa izy ireo tsy hatoky tena loatra indray.+
9 Akaiky an’izay matahotra an’Andriamanitra tokoa ny famonjeny,+
Mba ho afaka hijanona eto amin’ny taninay ny voninahiny.
10 Hihaona ny fitiavana sy ny tsy fivadihana;
Hifanoroka ny fahamarinana sy ny fiadanana.+
11 Hitsimoka avy amin’ny tany ny tsy fivadihana,
Ary hitazana avy any an-danitra ny fahamarinana.+
13 Handeha eo alohan’Andriamanitra ny rariny,+
Ka hanomana ny lalana handehanany.
Vavak’i Davida.
2 Arovy ny aiko satria tsy mivadika aminao aho.+
Mba vonjeo ity mpanomponao izay matoky anao,
Fa Andriamanitro ianao.+
4 Ampifalio ity mpanomponao,
Fa ianao no ianteherako,* Jehovah ô!
5 Tsara toetra+ sy vonona hamela heloka+ mantsy ianao, Jehovah ô!
Be fitiavana sy tsy mivadika amin’izay rehetra miantso anao ianao.+
6 Henoy ny vavaka ataoko, Jehovah ô,
Ary henoy tsara ny fitalahoako fanampiana!+
9 Jehovah ô, ho avy hiankohoka eo anatrehanao
Ny firenena rehetra nataonao,+
Ary homen’izy ireo voninahitra ny anaranao!+
11 Ampianaro ny lalanao+ aho, Jehovah ô!
Handeha amin’ny fahamarinanao+ aho.
Ataovy izay hatahorako ny anaranao+ amin’ny foko manontolo.*
12 Midera anao amin’ny foko manontolo+ aho, Jehovah Andriamanitro ô,
Ary homeko voninahitra mandrakizay ny anaranao,
13 Satria tena tia ahy sy tsy mivadika amiko ianao,
14 Andriamanitra ô, mitsangana hamely ahy ny olona sahisahy ratsy;+
Mitady hamono ahy* ny andian’olona tsy mifaditrovana,
15 Fa ianao kosa, Jehovah ô, dia Andriamanitra mamindra fo sy mangoraka,*
Tsy mora tezitra, tena be fitiavana sy tsy mivadika, ary mendri-pitokisana.*+
16 Tsinjovy aho ka iantrao.+
Omeo ny herinao ity mpanomponao,+
Ary vonjeo ity zanaky ny mpanompovavinao.
17 Omeo famantarana* aho hoe tsara toetra ianao,
Mba ho hitan’ireo mankahala ahy izany, ka ho menatra izy ireo.
Fa ianao, Jehovah ô, no mpanampy sy mpampionona ahy.
Salamo nataon’ny taranak’i Kora.+ Hira.
87 Any amin’ny tendrombohitra masina no fototra iorenan’ny tanànan’Andriamanitra.+
2 Ny vavahadin’i Ziona+ no tian’i Jehovah kokoa
Noho ny tranolay rehetran’i Jakoba.
3 Malaza ho be voninahitra ianao, ry tanànan’ilay tena Andriamanitra!+ (Sela)
4 Hisaiko ho anisan’ireo mahalala* ahy i Rahaba+ sy Babylona;
Izao no holazaina momba an’ireo any Filistia sy Tyro ary Kosy:
“Teraka tany Ziona io olona io.”
5 Ary hisy hilaza momba an’i Ziona hoe:
“Samy teraka tao ny tsirairay amin’ireo.”
Hanamafy orina an’i Ziona ilay Avo Indrindra.
6 Izao no holazain’i Jehovah, rehefa horaketiny an-tsoratra ireo firenena:
“Teraka tany Ziona io olona io.” (Sela)
7 Hilaza toy izao ny mpihira+ sy ireo mpandihy manao boribory:+
“Ao aminao daholo ny loharanoko.”*+
Hira. Salamo nataon’ny taranak’i Kora.+ Ho an’ny mpitarika; atao Mahalata* ary atao hira mifamaly. Maskila* nataon’i Hemana+ Ezrahita.
88 Ry Jehovah Andriamanitra mpamonjy ahy ô,+
Mitaraina aho amin’ny antoandro,
Ary mankeo anatrehanao aho amin’ny alina.+
2 Ho tonga any aminao anie ny vavaka ataoko;+
Aoka ianao hanongilan-tsofina hihaino* ny antso vonjy ataoko.+
4 Efa isaina ho anisan’ireo midina any an-davaka* aho;+
Lasa olona tsy misy mpiaro* aho,+
5 Nafoy ho anisan’ireo efa maty,
Toy ireo olona novonoina matory ao am-pasana,
Izay tsy tsaroanao intsony
Sady tsy karakarainao.
6 Nataonao tao amin’ny lavaka lalina indrindra aho,
Tao amin’ny toerana maizina, tao amin’ny lavaka be mangitsokitsoka.
7 Mavesatra be amiko ny hatezeranao,+
Ary ataonao saron’ny onjanao mahery aho. (Sela)
8 Nataonao lavitra ahy ny olom-pantatro,+
Ary nataonao naharikoriko azy ireo aho.
Voafandrika aho ka tsy afa-mitsoaka.
9 Reraky ny fahoriana ny masoko.+
Miantso anao tontolo andro+ aho, Jehovah ô;
Aminao aho no mamelatra ny tanako mba hivavaka.
10 Hanao fahagagana ho an’ny maty ve ianao?
Afaka mitsangana hidera anao ve ireo maty tsy mahavita na inona na inona?+ (Sela)
11 Hotorina any am-pasana ve hoe be fitiavana sy tsy mivadika ianao,
Ary hambara any amin’ny toerana mahalò ny nofo* ve hoe mendri-pitokisana ianao?
12 Ho fantatra ao amin’ny haizina ve ny fahagagana nataonao,
Ary ho fantatra ao amin’ny tanin’ny fanadinoana+ ve ny fahamarinanao?
13 Mbola miantso vonjy aminao ihany anefa aho, Jehovah ô!+
Tonga eo anatrehanao isa-maraina ny vavaka ataoko.+
14 Nahoana ianao no manary ahy,+ Jehovah ô?
Nahoana ianao no mihodina tsy hijery ahy?*+
15 Hatramin’izaho mbola tanora
No efa nijaly sy saika maty;+
Kivy be aho noho ny zavatra mampahory avelanao hozakaiko.
16 Mandifotra ahy ny fahatezeranao mafy;+
Ataonao mihorohoro aho ka mila ho faty.
17 Manodidina ahy toy ny rano izany, tontolo andro;
Voahodidin’izany aho ka voageja.*
18 Nataonao lavitra ahy ny namako sy ny sakaizako,+
Dia ny haizina no lasa namako.
Maskila* nataon’i Etana+ Ezrahita.
89 Hohiraiko mandrakizay hoe be fitiavana sy tsy mivadika i Jehovah.
Hampahafantariko an’ireo taranaka fara aman-dimby fa mendri-pitokisana ianao.
2 Fa hoy aho: “Ho mafy orina* mandrakizay ny fitiavana sy ny tsy fivadihana,+
Ary ataonao tsara fototra any an-danitra ilay toetranao hoe mendri-pitokisana.”
4 ‘Hataoko maharitra mandrakizay ny taranakao,+
Ary hataoko mafy orina hatramin’ny taranaka fara aman-dimby ny seza fiandriananao.’”+ (Sela)
5 Midera an’ireo zava-mahagaga nataonao ny lanitra, Jehovah ô;
Midera ny tsy fivadihanao ny fiangonan’ireo masina.
6 Fa iza any an-danitra no afaka mifampitaha amin’i Jehovah?+
Iza amin’ireo zanak’Andriamanitra+ no mitovy amin’i Jehovah?
7 Hajaina sy atahorana Andriamanitra eo anivon’ireo* masina;+
Be voninahitra izy amin’izay rehetra manodidina azy+ sady atahoran’izy ireo.
8 Jehovah Andriamanitry ny tafika ô,
Iza no mahery hoatr’anao, ry Jah?+
Mendri-pitokisana ianao amin’ny zava-drehetra.+
10 Notorotoroinao i Rahaba,+ ka toy ny novonoina ho faty.+
Ny sandrinao matanjaka no nanaparitahanao ny fahavalonao.+
14 Ny rariny sy ny hitsiny no fototra iorenan’ny seza fiandriananao;+
Eo anatrehanao ny fitiavana sy ny tsy fivadihana.+
15 Sambatra izay olona manao horakora-pifaliana;+
Mandeha amin’ny hazavanao* izy ireo, Jehovah ô!
16 Mifaly amin’ny anaranao izy ireo tontolo andro,
Ary noho ny fahamarinanao dia misandratra izy ireo.
17 Fa ianao no mahatonga azy ireo hahery+ sy ho be voninahitra,
18 Fa avy amin’i Jehovah ny ampinganay,
Ary avy amin’Ilay Masin’ny Israely ny mpanjakanay.+
19 Niteny tao amin’ny fahitana ianao tamin’izany, ka nilaza tamin’ireo tsy nivadika taminao hoe:
21 Hanohana azy ny tanako,+
Ary hanatanjaka azy ny sandriko.
22 Tsy hisy fahavalo hitaky hetra aminy,
Ary tsy hisy olona tsy marina hampijaly azy.+
24 Hasehoko azy hoe tia azy sy tsy mivadika aminy aho sady mendri-pitokisana,+
Ary noho ny anarako dia hitombo ny heriny.*
26 Dia hiantso ahy izy hoe: ‘Raiko ianao,
Andriamanitro sy Vatolampy mpamonjy ahy.’+
28 Ho tia azy sy tsy hivadika aminy mandrakizay aho,+
Ary hanan-kery foana ny fifanekena nataoko taminy.+
29 Hataoko maharitra mandrakizay ny taranany,
Ary haharitra toy ny lanitra ny seza fiandrianany.+
30 Raha tsy mankatò ny lalàko ny taranany,
Ka tsy manaraka ny baiko omeko azy,*
31 Ary raha mandika ny fitsipiko izy ireo,
Ka tsy mitandrina ny didiko,
32 Dia hofaiziko amin’ny tsorakazo ny tsy fankatoavan’izy ireo,*+
Ary hokaravasiko ny fahadisoany.
33 Ho tia azy foana sy tsy hivadika aminy mihitsy anefa aho,+
Ary tsy hivadika amin’ny fampanantenana nataoko.*
35 Masina aho, ka efa nianiana indray mandeha tsy miverina;
Tsy handainga amin’i Davida aho.+
36 Haharitra mandrakizay ny taranany;+
Haharitra eo anatrehako toy ny masoandro ny seza fiandrianany.+
37 Ho mafy orina mandrakizay toy ny volana izy io,
Tahaka ny vavolombelona mendri-pitokisana eny amin’ny lanitra.” (Sela)
38 Ianao kosa anefa nanary sy nanda an’ilay voahosotrao,+
Ary nisafoaka taminy.
39 Nohamavoinao ny fifanekena nataonao tamin’ilay mpanomponao;
Nozimbazimbainao ny satroboninahiny* ka natsipinao tamin’ny tany.
40 Narodanao daholo ny mandany* vita amin’ny vato;
Noravanao ny toerany voaro mafy.
41 Nandroba azy daholo izay rehetra nandalo;
Latsain’ny mpiara-monina aminy izy.+
43 Nahemotrao koa ny sabany,
Ary tsy nampianao izy tany an’ady.
44 Nesorinao taminy ny voninahiny,
Ary natsipinao tamin’ny tany ny seza fiandrianany.
45 Nohafohezinao ny andron’ny fahatanorany;
Nataonao nitafy henatra izy. (Sela)
46 Mandra-pahoviana ianao no hiafina, Jehovah ô? Ho mandrakizay ve?+
Hirehitra foana toy ny afo ve ny fahatezeranao?
47 Tsarovy fa fohy ihany ange ny androm-piainako e!+
Dia tsy misy antony ve ny namoronanao ny olombelona rehetra?
48 Iza no olona velona ka tsy ho faty mihitsy?+
Afaka mamonjy ny tenany tsy ho voagejan’ny* Fasana* ve izy? (Sela)
49 Jehovah ô, aiza ireny fitiavana sy tsy fivadihana nasehonao taloha ireny,
Izay nianiananao tamin’i Davida noho ianao mendri-pitokisana?+
50 Tsarovy ny latsa natao tamin’ny mpanomponao, Jehovah ô,
Dia ny latsa nozakaiko* avy tamin’ny firenena rehetra;
51 Tsarovy ny teny ratsy nolazain’ireo fahavalonao, Jehovah ô,
Dia ny teny ratsy nataon’izy ireo tamin’ny voahosotrao tany amin’izay rehetra nandehanany.
52 Hoderaina mandrakizay anie i Jehovah! Amena! Amena!+
BOKY FAHEFATRA
(Salamo 90–106)
Vavak’i Mosesy, lehilahin’Andriamanitra.+
90 Jehovah ô, ianao no fonenanay,*+ hatramin’ny taranaka fara aman-dimby.
2 Talohan’ny nahaterahan’ny tendrombohitra,
Sy talohan’ny nanaovanao* ny tany sy ny tany lonaka,+
Dia efa Andriamanitra ianao hatrizay hatrizay ka ho mandrakizay.+
3 Averinao ho vovoka ny olombelona mety maty;
Hoy ianao: “Miverena ho vovoka, ry zanak’olombelona.”+
4 Fa eo imasonao ny arivo taona dia toy ny fandalon’ny omaly,+
Toy ny fotoam-piambenana iray amin’ny alina.
5 Mifaoka olona tampoka ianao,+ ka miserana toy ny torimaso izy ireo;
Toy ny ahitra mitsimoka+ izy ireo rehefa maraina.
6 Mamony izy rehefa maraina ka mandrobona,
Nefa malazo sy maina+ rehefa hariva.
7 Fa ripaka izahay noho ny fahatezeranao,+
Ary mihorohoro noho ny fahaviniranao.
8 Ataonao eo anatrehanao* ny fahadisoanay;+
Ahariharin’ny hazavan’ny tarehinao ny zavatra ataonay ao amin’ny miafina.+
9 Mihafohy ny androm-piainanay noho ny fahatezeranao;
Ary miserana toy ny sento ireo taona iainanay.
Feno zava-tsarotra sy alahelo anefa izany;
Mihelina ihany ny taona iainanay, ka lasa manidina izahay.+
11 Iza no mahatakatra ny herin’ny fahatezeranao?
Lehibe ny fahaviniranao, ary lehibe hoatr’izany koa ny tahotra mendrika anao.+
12 Ampianaro hanisa ny andronay izahay,+
Mba hanananay fo hendry.
13 Miverena, Jehovah ô!+ Haharitra mandra-pahoviana izao?+
Mba iantrao ny mpanomponao!+
14 Ataovy afa-po amin’ny fitiavanao sy ny tsy fivadihanao+ izahay rehefa maraina,
Mba ho afaka hihoby sy hifaly,+ amin’ny andro rehetra iainanay.
15 Ampifalio izahay, ka ataovy mitovy amin’ny isan’ny andro nampahorianao anay izany,+
Mitovy amin’ny isan’ireo taona maro nahitanay loza.+
16 Ho hitan’ny mpanomponao anie ny asanao,
Ary ho hitan’ny taranak’izy ireo anie ny voninahitrao!+
17 Hahazo sitraka amin’i Jehovah Andriamanitray anie izahay!
Enga anie mba hataonao mahomby* ny asan’ny tananay!
Mba ataovy mahomby* ny asan’ny tananay.+
91 Izay mipetraka ao amin’ny toerana miafin’ny Avo Indrindra,+
Dia honina ao ambany alok’Ilay Mahery Indrindra.+
2 Hilaza amin’i Jehovah aho hoe: “Fialofako ianao, ary manda fiarovana ho ahy,+
Andriamanitro izay itokisako.”+
3 Fa hanafaka anao amin’ny fandriky ny mpamandri-borona izy,
Sy amin’ny areti-mandringana.
Ho ampinga lehibe+ sy ho manda fiarovana ny tsy fivadihany.+
5 Tsy hatahotra an’izay mampihorohoro amin’ny alina+ ianao,
Na hatahotra ny zana-tsipìka misidina amin’ny antoandro,+
6 Na ny areti-mandringana misoko mangina ao anaty haizina,
Na ny fandringanana mandripaka amin’ny mitataovovonana.
7 Na dia hisy arivo ho lavo aza eo anilanao,
Ary iray alina eo ankavananao,
Dia tsy hisy hanakaiky anao izany loza izany.+
8 Hitaza-maso an’izany fotsiny ianao,
Ary ho hitanao ny hanasaziana* ny ratsy fanahy.
9 Koa satria efa nilaza ianao hoe: “Fialofako i Jehovah”,
Dia nataonao fonenanao* ny Avo Indrindra.+
10 Tsy hisy loza hanjo anao,+
Na zava-dratsy hanakaiky ny tranolainao.
13 Hohitsakitsahinao ny liona tanora sy ny kôbrà;
Hanosihosy liona matanjaka sy bibilava ngezabe+ ianao.
14 Hoy Andriamanitra: “Hamonjy azy aho+ satria miraiki-po amiko izy.
Harovako izy satria fantany* ny anarako.+
15 Hiantso ahy izy, dia hamaly azy aho.+
Ho eo akaikiny aho rehefa mijaly izy.+
Hamonjy azy aho ary hanome voninahitra azy.
Salamo. Hira fanao amin’ny andro sabata.
92 Tsara ny misaotra anao, Jehovah ô,+
Sy ny mihira fiderana* ho an’ny anaranao, ry Avo Indrindra ô,
2 Sy ny manambara ny fitiavanao+ rehefa maraina,
Ary ny miresaka momba ny tsy fivadihanao rehefa alina!
3 Tsara ny manao an’izany miaraka amin’ny zavamaneno misy tadiny folo sy ny mandôlinina,*
Ary ny feon’ny harpa+ mahafinaritra.
4 Fa mampifaly ahy ianao, Jehovah ô, noho ny zavatra ataonao;
Mihoby aho noho ny asan’ny tananao.
5 Lehibe tokoa ny asanao, Jehovah ô!+
Tena lalina ny fisainanao!+
6 Tsy fantatry ny olona tsy misaina izany.
Ary tsy azon’ny olona adala hoe:+
7 Rehefa mitsiry toy ny ahidratsy* ny ratsy fanahy,
Ary miroborobo ny mpanao ratsy rehetra,
Dia midika izany fa ho ringana mandrakizay+ izy ireo.
8 Fa ankalazaina mandrakizay kosa ianao, Jehovah ô!
9 Ho faly tokoa ianao hijery hoe resy ny fahavalonao, Jehovah ô!
Jereo ny handringanana an’ireo manohitra anao.
Haparitaka ny mpanao ratsy rehetra.+
10 Ianao kosa hampitombo ny heriko* mba ho toy ny an’ny ombidia;
Hosorako menaka+ ny hoditro mba ho mandimandina.
11 Ho faly ny masoko hahita hoe resy ny fahavaloko,+
Ary ny sofiko handre ny fahavoazan’ireo mpanao ratsy manafika ahy.
12 Fa ny olo-marina kosa hiroborobo toy ny hazo palmie,
Sady ho lasa ngezabe toy ny hazo sedera any Libàna.+
13 Ambolena ao an-tranon’i Jehovah izy ireo;
Mandrobona eo an-tokotanin’ny tranon’Andriamanitsika+ izy ireo.
14 Mbola hiroborobo foana izy ireo na dia efa antitra* aza;+
Mbola hatanjaka* sy havitribitrika+ izy ireo,
15 Ka hanambara fa mahitsy i Jehovah.
Vatolampiko+ izy, ary tsy misy tsy fahamarinana ao aminy.
93 Lasa Mpanjaka i Jehovah!+
Mitafy fahalehibeazana izy;
Mitafy hery i Jehovah;
Afatony eny aminy toy ny fehikibo izany.
3 Misondrotra be ny renirano, Jehovah ô,
Misondrotra be sy misamboaravoara ny renirano.
Misondrotra be foana sady midoboka mafy ny renirano.
4 Mahery noho ny feon’ny rano be,
Sady mahery noho ny fidoboky ny onjan-dranomasina,+
Ianao, Jehovah ô, ilay heni-kaja any amin’ny avo.+
5 Tena azo atokisana ny fampahatsiahivanao.+
Mandravaka* foana ny tranonao ny fahamasinana,+ Jehovah ô!
94 Ry Jehovah Andriamanitra mpamaly ny ratsy natao ô,+
Ry Andriamanitra mpamaly ny ratsy natao ô, mamirapirata!
2 Mitsangàna, ry Mpitsara ny tany+ ô,
Ka valio araka izay sahaza azy ny olona manambony tena.+
3 Mandra-pahoviana no mbola hifaly ny ratsy fanahy,+ Jehovah ô?
Mandra-pahoviana?
4 Miteniteny foana sy mirehareha izy ireo;
Mizahozaho ny mpanao ratsy rehetra.
5 Ataon’izy ireo torotoro ny vahoakanao, Jehovah ô!+
Ary ampijaliny ny lovanao.
6 Vonoin’izy ireo ho faty ny mpitondratena sy ny vahiny,
Ary vonoiny koa ny kamboty ray.
8 Mba mieritrereta, ry tsy misaina!
Ry adala, rahoviana ianareo vao mba ho lalin-tsaina?+
9 Ilay nanao ny sofina indray ve no tsy handre?
Ary Ilay namorona ny maso ve no tsy hahita?+
10 Ilay manitsy an’ireo firenena ve dia tsy hananatra?+
Izy Ilay mampita fahalalana amin’ny olona!+
11 Fantatr’i Jehovah ny eritreritry ny olona,
Fantany hoe toy ny fofonaina+ fotsiny izany.
12 Sambatra, ry Jah ô, izay olona anarinao,+
Sy ampianarinao ny lalànao+
13 Mba hahatonga azy tsy hanana ahiahy rehefa ao anatin’ny fotoan-tsarotra,
Mandra-pihady lavaka ho an’ny ratsy fanahy.+
15 Ho ara-drariny indray mantsy ny didim-pitsarana,
Ary hanaiky an’izany daholo ny olona mahitsy fo.
16 Iza no hitsangana hiaro ahy amin’ny ratsy fanahy?
Iza no hiandany amiko hanohitra an’ireo mpanao ratsy?
18 Rehefa nilaza aho hoe: “Mibolisatra ny tongotro”,
Dia ny fitiavanao sy ny tsy fivadihanao no nanohana ahy, Jehovah ô!+
20 Ny mpitondra* manao kolikoly ve dia hanohana anao,
Nefa izy ireo aza mampiasa ny lalàna mba hamoronana teti-dratsy?+
23 Havaliny amin’izy ireo ny ratsy nataony.+
Ny zava-dratsy ataon’izy ireo ihany no handringanany* azy.
Haringan’i Jehovah Andriamanitsika* tokoa izy ireo.+
95 Avia! Andao isika hihoby an’i Jehovah!
Andao isika hanao horakora-pandresena ho an’ilay Vatolampy mpamonjy+ antsika.
2 Andao isika hankeo anatrehany* mba hisaotra+ azy.
Andao isika hihira sy hanao horakora-pandresena ho azy.
3 Fa Andriamanitra tena miavaka i Jehovah;
Mpanjaka lehibe ambonin’ny andriamanitra rehetra izy.+
4 Eo an-tanany ny faritra lalina amin’ny tany,
Ary azy ny tampon-tendrombohitra.+
6 Avia! Andao isika hanompo azy sy hiankohoka eo anatrehany.
Aoka isika handohalika eo anatrehan’i Jehovah Mpanao antsika.+
Raha mihaino ny feony+ ianareo anio,
8 Dia aza manamafy ny fonareo toy ny tao Meriba,*+
Sy hoatran’ilay tao Masa* tany an-tany efitra,+
9 Rehefa nisedra+ ahy ny razambenareo;
Nitsapa ahy izy ireo na dia efa hitany aza ny asa nataoko.+
10 Nandritra ny 40 taona no nankaloiloy ahy izany taranaka izany, ka nilaza aho hoe:
“Vahoaka mafy loha ireo sady tsy manao afa-tsy izay tiany foana;
Tsy fantany ny lalako.”
11 Koa tezitra aho sady nianiana hoe:
“Tsy hiditra amin’ny fitsaharako ireo.”+
96 Mihirà hira vaovao+ ho an’i Jehovah.
Mihirà ho an’i Jehovah, ry tany manontolo!+
2 Mihirà ho an’i Jehovah; derao ny anarany.
Ambarao isan’andro ny vaovao tsaran’ny famonjeny.+
3 Lazao amin’ireo firenena hoe be voninahitra izy,
Ary lazao amin’ny vahoaka rehetra ny zava-mahatalanjona nataony.+
4 Tena miavaka i Jehovah ka izy no mendrika hoderaina indrindra.
Mendrika hatahorana mihoatra noho ny andriamanitra rehetra izy.
5 Andriamanitra tsy misy dikany daholo ny andriamanitr’ireo firenena,+
Fa i Jehovah kosa no nanao ny lanitra.+
7 Omeo an’i Jehovah izay tokony homena azy, ry foko eo amin’ireo firenena.
Omeo an’i Jehovah izay tokony homena azy, satria be voninahitra sady matanjaka izy.+
8 Omeo voninahitra i Jehovah fa mendrika an’izany ny anarany;+
Mitondrà fanomezana ho azy ka midira ao an-tokotaniny.
9 Manaova fitafiana masina dia miankohofa eo anatrehan’i* Jehovah;*
Mangovita eo anatrehany, ry tany manontolo!
10 Lazao amin’ireo firenena hoe: “Lasa Mpanjaka i Jehovah!+
Mafy orina ny tany* ka tsy voahozongozona.*
Hotsarainy araka ny rariny ny vahoaka.”+
11 Aoka hiravoravo ny lanitra, ary aoka hifaly ny tany;
Aoka hihoby ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy;+
12 Aoka hifaly ny saha sy izay rehetra eo aminy.+
Ny hazo rehetra any an’ala koa aoka hihoby+
13 Eo anatrehan’i Jehovah, fa iny tamy iny* izy;
Tonga hitsara ny tany izy.
97 Lasa Mpanjaka i Jehovah!+
Aoka hifaly ny tany.+
Aoka hiravoravo ireo nosy be dia be.+
2 Rahona sy haizim-pito no manodidina azy;+
Ny rariny sy ny hitsiny no fototra iorenan’ny seza fiandrianany.+
4 Manazava an’izao tontolo izao ny tselatra nalefany;
Mahita an’izany ny tany ka mihovotrovotra.+
5 Mitsonika toy ny savoka ny tendrombohitra eo anatrehan’i Jehovah,+
Eo anatrehan’ilay Tompon’ny tany manontolo.
6 Manambara ny fahamarinany ny lanitra,
Ary mahita ny voninahiny ny firenena rehetra.+
7 Ho menatra izay rehetra manompo sary sokitra,+
Dia izay mirehareha ny amin’ireo andriamaniny tsy misy dikany.+
Miankohofa eo anatrehany,* ry andriamanitra rehetra!+
9 Fa ianao, Jehovah ô, no Avo Indrindra manerana ny tany manontolo;
Misandratra avo dia avo noho ny andriamanitra rehetra ianao.+
10 Ianareo izay tia an’i Jehovah, ankahalao ny ratsy.+
11 Mamiratra ho an’ny olo-marina ny hazavana,+
Ary ho an’ny mahitsy fo ny fifaliana.
12 Mifalia amin’i Jehovah, ry olo-marina,
Ary isaory ny anarany masina.*
Hira.
Nahavonjy* ny tanany ankavanana, dia ny sandriny masina.+
2 Nampahafantatra ny famonjeny i Jehovah;+
Naharihariny teo anatrehan’ireo firenena ny fahamarinany.+
3 Tadidiny hoe tiany ny taranak’Israely sady tsy nivadika tamin’izy ireo izy.+
Nahita ny famonjen’Andriamanitsika* ny vazan-tany efatra.+
4 Manaova horakora-pandresena ho an’i Jehovah, ry tany manontolo.
Mifalia sy mihobia ary manaova hira fiderana.*+
5 Manaova hira fiderana* ho an’i Jehovah amin’ny harpa,
Eny, amin’ny harpa sy ny hira mahafinaritra.
6 Tsofy ny trompetra sy ny anjombona,+
Ka manaova horakora-pandresena eo anatrehan’ny Mpanjaka, dia i Jehovah.
7 Aoka hihoby ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy,
Ary ny tany* sy izay monina eo aminy.
8 Aoka hitehaka ny renirano;
Aoka ny tendrombohitra hiara-mihoby+
9 Eo anatrehan’i Jehovah, fa tonga* hitsara ny tany izy.
99 Lasa Mpanjaka i Jehovah.+ Aoka hangovitra ireo firenena.
Mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana eo ambonin’ny* kerobima+ izy. Aoka hihovotrovotra ny tany.
2 Tena miavaka i Jehovah ao Ziona,
Ary ambony noho ny firenena rehetra izy.+
3 Aoka izy ireo hidera ny anaranao be voninahitra,+
Fa mendrika hatahorana sy masina izy io.
4 Mpanjaka mahery izy sady tia rariny.+
Nataonao mafy orina ny fahitsiana.
Nampihatra ny rariny sy ny hitsiny+ tamin’i Jakoba ianao.
Niantso an’i Jehovah izy ireo,
Dia namaly azy ireo izy.+
7 Niresaka tamin’izy ireo tao anatin’ny andry rahona+ izy.
Narahin’izy ireo ny fampahatsiahivana sy ny didy nomeny+ azy.
8 Namaly azy ireo ianao, Jehovah Andriamanitray ô!+
9 Asandrato i Jehovah Andriamanitsika,+
Ary miankohofa* eo anoloan’ny tendrombohiny masina,+
Fa masina i Jehovah Andriamanitsika.+
Hira fisaorana.
100 Manaova horakora-pandresena ho an’i Jehovah, ry tany manontolo.+
2 Manompoa an’i Jehovah sady mifalia.+
Mankanesa eo anatrehany sady mihobia.
3 Fantaro* fa i Jehovah no Andriamanitra.+
Izy no nanao antsika, ary azy isika.*+
Vahoakany isika sady ondry ao an-kijanany.+
Misaora azy; derao ny anarany.+
5 Fa tsara i Jehovah;+
Be fitiavana izy sady tsy mivadika mandrakizay,
Ary asehony amin’ny taranaka fara aman-dimby hoe mendri-pitokisana izy.+
Hiran’i Davida.
101 Hihira momba ny fitiavana sy ny tsy fivadihana ary ny rariny aho.
Ho anao, Jehovah ô, no hihirako hira fiderana!*
2 Ho malina sy tsy hisy tsiny* aho amin’izay hataoko.
Rahoviana ianao no hitsinjo ahy?
Handeha amin’ny fahitsian’ny foko+ aho ao an-tranoko.
3 Tsy hanisy zavatra tsy misy dikany* ho eo anoloan’ny masoko aho.
4 Halaviriko ny fo fetsifetsy;
Tsy hankasitraka* zavatra ratsy aho.
Tsy holeferiko
Ny olona manana maso mianjonanjona* sy fo mirehareha.
6 Hankasitraka an’ireo olona tsy mivadika eto an-tany aho,
Mba hahafahan’izy ireo hiara-monina amiko.
Izay mandeha tsy misy tsiny* no ho lasa mpanompoko.
7 Tsy hisy mpamitaka hipetraka ao an-tranoko,
Ary tsy hisy mpandainga hijoro eo anatrehako.*
8 Isa-maraina, dia hataoko tsy afa-miteny intsony* ny ratsy fanahy rehetra eto an-tany,
Mba horinganina tsy ho ao an-tanànan’i Jehovah ny mpanao ratsy rehetra.+
Vavaky ny olona mijaly rehefa mamoy fo* ka mamboraka ny zavatra mampanahy azy amin’i Jehovah.+
2 Aza mihodina tsy hijery ahy* rehefa ao anatin’ny sarotra aho.+
3 Fa mandalo toy ny setroka ny androko,
Ary may kila toy ny hoe natao tao anaty fatana ny taolako.+
4 Toy ny ahitra nodanihin’ny hainandro ny foko ka malazo,+
Fa hadinoko na dia ny mihinan-kanina aza.
6 Hoatran’ny gisandrano any an-tany efitra aho;
Ary toy ny vorondolo kely any amin’ny tanàna rava.
8 Manaraby ahy tontolo andro ny fahavaloko.+
Izay maneso* ahy dia mampiasa ny anarako rehefa manozona.
9 Fa lavenona no hohaniko toy ny mofo,+
Ary mifangaro ranomaso ny zavatra sotroiko,+
10 Satria tezitra sy sosotra ianao,
Fa ningainao aho dia narianao.
12 Fa ianao kosa haharitra mandrakizay, Jehovah ô,+
Ary ny lazanao* haharitra hatramin’ny taranaka fara aman-dimby.+
13 Hitsangana tokoa ianao ka hamindra fo amin’i Ziona,+
Satria izao no fotoana hankasitrahana azy;+
Tonga ny fotoana voatondro.+
14 Mahafinaritra an’ireo mpanomponao mantsy ny vato eo aminy,+
Ary tian’izy ireo na dia ny vovoky ny taniny aza.+
15 Hatahotra ny anaran’i Jehovah ny firenena.
Hatahotra ny voninahitrao daholo koa ny mpanjakan’ny tany.+
17 Hohenoiny tsara ny vavak’ireo tsy manana na inona na inona;+
Tsy hataony tsinontsinona ny vavak’izy ireo.+
18 Soratana ho an’ny taranaka ho avy izany,+
Mba hidera an’i Jah ny firenena iray mbola vao hoforonina.
19 Fa mitazana avy eny amin’ny toerana avo sy masina misy azy izy,+
Avy any an-danitra i Jehovah no mijery ny tany,
20 Mba hihaino ny senton’ny voafonja,+
Sy hanafaka an’ireo voaheloka ho faty.+
21 Amin’izay dia hambara any Ziona ny anaran’i Jehovah,+
Ary hoderaina any Jerosalema izy,
22 Rehefa miangona mba hanompo an’i Jehovah+
Ireo firenena sy fanjakana.
23 Nesoriny talohan’ny fotoana ny heriko;
Nohafoheziny ny androm-piainako.
24 Dia hoy aho: “Ry Andriamanitro ô,
Aza esorina ny aiko fa vao misasaka ny androm-piainako,
Nefa ny taona iainanao maharitra hatramin’ny taranaka fara aman-dimby.+
25 Taloha ela be ianao no nametraka ny fototry ny tany,
Ary asan’ny tananao ny lanitra.+
26 Ho levona ireo fa ianao kosa haharitra;
Ho tonta toy ny akanjo ireo rehetra ireo.
Hosoloanao toy ny fitafiana ireo, ka tsy hisy intsony.
27 Fa ianao kosa tsy miova, ary tsy hifarana mihitsy ny taonanao.+
28 Honina tsy hanana ahiahy ny zanaky ny mpanomponao,
Ary haharitra eo anatrehanao ny taranany.”+
Nataon’i Davida.
103 Hidera an’i Jehovah aho!
Aoka hidera ny anarany masina ny tenako manontolo.
2 Hidera an’i Jehovah aho!
Tsy hohadinoiko mihitsy anie izay rehetra nataony!+
3 Mamela ny fahadisoanao rehetra izy,+
Ary manasitrana ny aretinao rehetra;+
4 Manavotra ny ainao tsy ho lasa any an-davaka* izy,+
Ary ataony toy ny satroboninahitra eny aminao ny fitiavany sy ny tsy fivadihany ary ny famindram-pony.+
5 Ataony afa-po amin’ny zava-tsoa+ ianao mandritra ny androm-piainanao,
Mba hihavao toy ny an’ny voromahery ny fahatanoranao.+
8 Mamindra fo sy mangoraka*+ i Jehovah,
Sady tsy mora tezitra ary tena be fitiavana sy tsy mivadika.*+
10 Tsy mamaly antsika araka ny fahotantsika izy,+
Na manasazy antsika noho ny fahadisoantsika, araka izay tokony ho sahaza antsika.+
11 Fa toy ny haavon’ny lanitra raha oharina amin’ny tany
Ny haben’ny fitiavana sy ny tsy fivadihana asehony amin’izay matahotra azy.+
12 Toy ny halavitry ny atsinanana amin’ny andrefana,
No anesorany ny fahotantsika ho lavitra antsika.+
13 Mamindra fo amin’ny zanany ny ray,
Dia toy izany koa fa mamindra fo amin’izay matahotra azy i Jehovah.+
15 Mihelina toy ny ahitra ny androm-piainan’ny olombelona mety maty;+
Mamony toy ny voninkazo eny an-tsaha izy.+
16 Vao tsofin’ny rivotra anefa izy dia tsy eo intsony,
Hoatran’ny hoe tsy teo mihitsy.*
17 Ho mandrakizay kosa ny fitiavan’i Jehovah sy ny tsy fivadihany
Amin’izay matahotra azy,+
Ary ny fahamarinany dia asehony hatramin’ny taranak’izy ireo fara aman-dimby,+
18 Dia amin’ireo manaja ny fifanekena+ nataony
Sy ireo mankatò an-tsakany sy an-davany ny fitsipiny.
19 Nataon’i Jehovah mafy orina any an-danitra ny seza fiandrianany;+
Ary ny fanjakany no mifehy ny zava-drehetra.+
20 Derao i Jehovah, ry anjeliny rehetra+ tena mahery,
22 Derao i Jehovah, ry zavaboariny rehetra,
Any amin’ny toerana rehetra anjakany.
Hidera an’i Jehovah amin’ny foko manontolo anie aho!
104 Te hidera an’i Jehovah aho!+
Tena miavaka tokoa ianao, Jehovah Andriamanitro ô!+
Mitafy haja amam-boninahitra ianao.+
3 Apetrany eny amin’ny rano eny amin’ny habakabaka* ny vatan-kazo anaovany ny efitranony ambony rihana.+
Ataony toy ny kalesiny ny rahona,+
Ary mandeha amin’ny elatry ny rivotra izy.+
5 Nataony mafy orina teo ambonin’ny fototra iorenany ny tany,+
Ka tsy hihetsika eo amin’ny toerany* mandrakizay mandrakizay.+
6 Nampitafianao azy toy ny akanjo ny rano lalina.+
Nandifotra tendrombohitra ny rano.
7 Noteneninao mafy ny rano ka nandositra;+
Naheno ny feon’ny kotroka nalefanao ireny, ka nirifatra nitsoaka
8 Tany amin’ny toerana nataonao ho azy.
Nisondrotra ny tendrombohitra,+ ary niletsy ny lohasaha.
9 Nasianao fetra ny rano mba tsy hihoatra,+
Ka tsy hanarona ny tany intsony izany.
10 Asiany loharano eny amin’ny lohasaha;*
Mikoriana eny anelanelan’ny tendrombohitra ireny.
11 Manome rano fisotro ho an’ny bibidia rehetra ireny,
Ka afaka hetaheta ny ampondradia.
12 Eny amin’ny hazo eny amoron’ireny no ipetrahan’ny vorona;
Misiotsioka ao anaty ravinkazo mandrobona izy ireo.
13 Avy eny amin’ny efitranony ambony rihana Andriamanitra no manondraka an’ireo tendrombohitra.+
Afa-po amin’ny vokatry ny asanao ny tany.+
14 Mampaniry ahitra ho an’ny biby fiompy izy,
Sy zavamaniry ho an’ny olombelona,+
Mba hahatonga ny tany hamokatra sakafo:
15 Divay mampifaly ny fon’ny olona,+
Sy menaka mahamandimandina ny tarehy,
16 Azon-drano tsara ireo hazon’i Jehovah,
Dia ny sederan’i Libàna, izay namboleny
17 Sy ametrahan’ny vorona ny akaniny.
Eny amin’ny hazo zenevrie ny tranon’ny vanobe.+
19 Nanao ny volana izy mba hamaritana fotoana;
Fantatry ny masoandro tsara ny fotoana filentehany.+
20 Mahatonga haizina ianao, dia alina ny andro,+
Ary amin’izay no mivezivezy ny bibidia rehetra any an’ala.
22 Rehefa miposaka ny masoandro,
Dia mody ireny ka matory ao anatin’ny lavaka fisitrihany.
23 Ny olona kosa mivoaka hanao ny asany,
Ary miasa mafy mandra-paharivan’ny andro.
24 Maro be tokoa ny zava-bitanao, Jehovah ô!+
Naneho fahendrena+ ianao rehefa nanao azy rehetra.
Feno zavatra nataonao ny tany.
25 Tena lehibe sy midadasika koa ny ranomasina,
Izay ahitana zavamananaina kely sy lehibe tsy hita isa sady mifanaretsaka.+
27 Miantehitra aminao ireo rehetra ireo
Mba hanome azy ny sakafony amin’ny fotoanany.+
28 Angoniny izay omenao azy.+
Rehefa manokatra ny tananao ianao, dia voky zava-tsoa izy ireo.+
29 Rehefa mihodina tsy hijery azy* kosa ianao, dia very hevitra izy ireo.
Ary raha esorinao ny hery mamelona azy, dia maty izy ireo ka miverina ho vovoka.+
30 Raha irahinao ny fanahinao dia voaforona izy ireo,+
Ary havaozinao ny tany.
31 Haharitra mandrakizay ny voninahitr’i Jehovah.
Hifaly amin’ny asany i Jehovah.+
32 Jereny ny tany, dia mihovotrovotra;
Kasihiny ny tendrombohitra, dia midona-tsetroka.+
33 Hihira ho an’i Jehovah aho+ mandritra ny androm-piainako;
Hihira fiderana* ho an’ny Andriamanitro aho raha mbola velona koa.+
34 Hahafaly azy anie ny eritreritro!*
Hifaly amin’i Jehovah aho.
35 Hanjavona tsy hisy etỳ an-tany ny mpanota,
Ary tsy hisy intsony ny ratsy fanahy.+
Te hidera an’i Jehovah aho! Derao i Jah!*
105 Misaora an’i Jehovah,+ ary miantsoa ny anarany.
Ampahafantaro an’ireo firenena ny zavatra nataony!+
2 Mihirà ho azy, manaova hira fiderana* ho azy,
3 Ataovy ho reharehanareo ny anarany masina.+
Ary enga anie ho faly ny fon’izay mitady an’i Jehovah!+
4 Mitadiava an’i Jehovah+ ary miantehera amin’ny heriny.
Mitadiava sitraka aminy foana.*
5 Tadidio ny zavatra mahatalanjona nataony,
Sy ny fahagagana vitany ary ny didim-pitsarana nolazainy,+
6 Ry taranak’i Abrahama mpanompony,+
Ry taranak’i Jakoba, dia ianareo olom-boafidiny!+
7 Izy no Jehovah Andriamanitsika.+
Mihatra eran-tany ny didim-pitsarany.+
8 Tadidiny mandrakizay ny fifanekena nataony,+
Ary tsaroany hatrany amin’ny taranaka arivo mifandimby ny fampanantenana nataony,*+
9 Dia ilay fifanekena nataony tamin’i Abrahama,+
Sy ilay fianianana nataony tamin’i Isaka.+
10 Nataony fitsipika ho an’i Jakoba io fianianana io,
Sady fifanekena maharitra ela be ho an’i Israely.
11 Fa hoy izy: “Homeko anao ny tany Kanana,+
Ho anjara lovanareo.”+
13 Nifindrafindra tany amin’ny firenena samihafa izy ireo,
Ary nifindrafindra tany amin’ny fanjakana samihafa.+
14 Tsy nisy olona navelan’Andriamanitra hampijaly azy ireo,+
Fa nananatra mpanjaka mihitsy aza izy noho ny amin’izy ireo,+
15 Ka niteny hoe: “Aza mikasika an’ireo voahosotro,
Ary aza manisy ratsy an’ireo mpaminaniko.”+
17 Nirahiny hialoha azy ireo ny lehilahy iray,
Dia i Josefa, izay namidy ho andevo.+
18 Nogejaina* tamin’ny rojo ny tongony,+
Ary nasiana gadra vy ny tendany;
19 Ny tenin’i Jehovah no nanadio* azy,+
Mandra-pahatanteraky ny teniny.
20 Nanome baiko hanafahana azy ny mpanjaka,+
Nanafaka azy ilay mpitondra vahoaka.
21 Dia notendreny hiandraikitra ny ankohonany izy,
Sy hitantana ny fananany rehetra,+
22 Mba hifehy ny andrianany araka izay itiavany azy,
23 Dia nankany Ejipta i Israely;+
Lasa vahiny nipetraka tany amin’ny tanin’i Hama i Jakoba.
24 Nataon’Andriamanitra maro be ny vahoakany,+
Ary nataony mahery noho ny fahavalony izy ireo.+
25 Navelany hiova ny fon’ireo fahavalony, ka lasa nankahala ny vahoakany izy ireny,
Sady nanao tetika hamelezana an’ireo mpanompony.+
27 Dia nanao famantarana avy amin’Andriamanitra teo amin’izy ireny izy mirahalahy,
Ka nanao fahagagana tany amin’ny tanin’i Hama.+
29 Novan’Andriamanitra ho ra ny rano tany Ejipta,
Ka maty ny trondro tany.+
30 Feno sahona+ be dia be ny tanin’izy ireo,
Na dia hatrany amin’ny efitranon’ny mpanjaka aza.
31 Nomen’Andriamanitra baiko hanafika azy ireo ny fihitra,
Ary hameno ny taniny rehetra ny moka.+
33 Naripany ny voaloboka sy ny aviavin’izy ireo,
Ary notapatapahiny ny hazo tao amin’ny tanin’izy ireo.
34 Niteny izy dia tonga nanafika ny valala,
Dia zana-balala tsy hita isa.+
35 Nohanin’ireny daholo ny zavamaniry tao amin’ilay tany,
Ary nohaniny ny vokatry ny tany.
36 Dia naripak’Andriamanitra ny lahimatoa rehetra tao amin’ny tanin’izy ireo,+
Izany hoe ireo naterany voalohany.
37 Dia nentiny nivoaka an’i Ejipta ny vahoakany, nitondra volafotsy sy volamena,+
Ary tsy nisy nangozohozo* teo amin’ireo fokony, na iray aza.
39 Namelatra rahona izy mba hanakonana azy ireo,+
Ary afo mba hanazavana azy ireo nandritra ny alina.+
40 Nangataka hena izy ireo, dia nandefasany papelika;+
Ary novokisany mofo avy any an-danitra+ izy ireo.
41 Nataony nitresaka ny vatolampy, dia nikoriana ny rano,+
Ka lasa toy ny renirano namakivaky ny tany efitra.+
42 Tsaroany mantsy ny fampanantenana masina nataony tamin’i Abrahama mpanompony.+
43 Koa nentiny nivoaka ny vahoakany ka faly be,+
Ary nentiny ny olom-boafidiny ka nihoby.
44 Nomeny azy ireo ny tanin’ireo firenena;+
Nandova an’izay nisasaran’ny firenen-kafa izy ireo,+
45 Mba hitandreman’izy ireo ny fitsipiny+
Sy hankatoavany ny lalàny.
Derao i Jah!*
106 Derao i Jah!*
2 Iza no mahavita milaza ny asa rehetra nataon’i Jehovah tamin’ny heriny,
Na manambara ny asa mendri-piderana rehetra nataony?+
3 Sambatra izay manao ny rariny,
Ka manao ny marina foana.+
4 Tsarovy aho, Jehovah ô, rehefa miantra* ny vahoakanao+ ianao.
Karakarao sy vonjeo aho,
5 Amin’izay aho dia hankafy ny zava-tsoa omenao an’ireo olom-boafidinao,+
Sy hiara-mifaly amin’ny firenenao,
Ary hirehareha hidera anao miaraka amin’ny lovanao.
7 Tsy nankasitrahan’ny* razambenay tany Ejipta ireo zavatra mahatalanjona nataonao.
Tsy tadidin’izy ireo fa be fitiavana sy tsy mivadika ianao.
Nikomy kosa izy ireo teo amin’ny ranomasina, dia ny Ranomasina Mena.+
9 Noteneniny mafy ny Ranomasina Mena, dia ritra.
Nentiny namakivaky rano lalina toy ny mamakivaky tany efitra*+ izy ireo;
10 Namonjy azy ireo teo an-tanan’izay mankahala azy izy,+
Sady nanavotra azy teo an-tanan’ny fahavalo.+
13 Vetivety anefa izy ireo dia nanadino an’izay nataon’Andriamanitra;+
Tsy niandry an’izay torohevitra avy taminy izy ireo.
14 Resin’ny faniriany feno fitiavan-tena izy ireo tany amin’ny tany karakaina;+
Nitsapa an’Andriamanitra izy ireo tany an-tany efitra.+
15 Nomeny azy ireo izay nangatahiny,
Nefa avy eo nasiany tamin’ny aretina mampahia izy ireo.+
17 Dia nisokatra ny tany ka nitelina an’i Datana,
Sy nanarona an’ireo niaraka tamin’i Abirama.+
18 Nisy afo nandoro an’ireo mpomba azy ireo;
Nisy lelafo nandevona an’ireo ratsy fanahy.+
19 Nanamboatra zanak’omby izy ireo tao Horeba,
Ary niankohoka teo anoloan’ny sarivongana metaly;*+
20 Ny voninahitro dia natakalony
Sarin’omby mpihinana ahitra.+
21 Nohadinoin’izy ireo Andriamanitra,+ ilay Mpamonjy azy,
Izay nanao zavatra miavaka tany Ejipta,+
22 Sy zavatra mahatalanjona tany amin’ny tanin’i Hama,+
Ary zavatra mampahatahotra teo amin’ny Ranomasina Mena.+
23 Efa saika nanome baiko izy hoe haripaka izy ireo,
Nefa nitalaho taminy* i Mosesy olom-boafidiny,
Mba hampitony ny fahatezerany Izy ka tsy handringana an’ireo.+
26 Koa nanangan-tanana izy ka nianiana momba azy ireo
Hoe hataony miampatrampatra any an-tany efitra ny fatin’izy ireo;+
27 Hataony miampatrampatra any amin’ireo firenena ny fatin’ny taranany,
Ary haparitany any amin’ny tany samy hafa izy ireo.+
28 Dia lasa nanompo an’i* Balan’i Peora+ izy ireo,
Ary nihinana an’ireo sorona natolotra ho an’ny maty.*
30 Rehefa nijoro anefa i Finehasa ka niditra an-tsehatra,
Dia nitsahatra ilay loza.+
31 Izany no nahatonga azy hekena hoe olo-marina,
Hatramin’ny taranaka fara aman-dimby, mandrakizay.+
32 Nanao izay nampahatezitra an’Andriamanitra izy ireo, teo amin’ny rano tao Meriba,*
Ka nidiran-doza i Mosesy noho ny nataon’izy ireo.+
33 Nampahasosotra azy izy ireo,
Ka nanao teny tsy voahevitra izy.+
37 Nataony sorona ho an’ny demonia
Ny zanany lahy sy ny zanany vavy.+
38 Nandatsaka ran’olona tsy manan-tsiny izy ireo,+
Dia ny ran’ny zanany lahy sy ny zanany vavy,
Izay nataony sorona ho an’ireo sampin’i Kanana;+
Dia naloto ilay tany noho ny fandatsahan-dra.
39 Nanjary nandoto tena izy ireo noho ny fanaony;
Nivaro-tena* tamin’ny andriamani-kafa izy ireo noho ny nataony.+
40 Koa tezitra be tamin’ny vahoakany i Jehovah,
Ka lasa halany ny lovany.
41 Imbetsaka izy ireo no nataony resin’ireo firenena,+
Mba hanjakazaka amin’izy ireo izay nankahala azy.+
42 Nampahorin’ny fahavalony izy ireo,
Ary lasa teo ambany fahefany.*
43 Imbetsaka izy no namonjy azy ireo,+
Nefa nikomy sy tsy nankatò izy ireo,+
Ka naetry noho ny fahadisoany.+
45 Nahatsiaro ny fifanekena nataony tamin’izy ireo izy,
Ary niantra azy,* satria tena be fitiavana sy tsy mivadika.+
46 Nataony lasa niantra azy
Izay rehetra naka azy ho babo.+
47 Vonjeo izahay, ry Jehovah Andriamanitray ô!+
Angony avy any amin’ireo firenena izahay+
Mba ho afaka hisaotra ny anaranao masina,
Sy ho faly hidera anao.+
Ary aoka ny olona rehetra hilaza hoe: “Amena!”*
Derao i Jah!*
BOKY FAHADIMY
(Salamo 107–150)
2 Aoka hilaza an’izany ireo navotan’i Jehovah,
Dia ireo navotany avy teo an-tanan’ny* fahavalo,+
3 Sy nangoniny avy tany amin’ny tany maro,+
Avy tany atsinanana sy tany andrefana,*
Ary avy tany avaratra sy tany atsimo.+
4 Nirenireny tany an-tany efitra izy ireo, tany amin’ny tany karakaina,
Ary tsy nahita lalana hankanesana any amin’izay tanàna azony ipetrahana.
5 Noana sy nangetaheta izy ireo,
Ary efa saika torana noho ny harerahana.
6 Nitaraindraina tamin’i Jehovah izy ireo rehefa tao anatin’ny sarotra,+
Ka nafahany tamin’ny fahoriany.+
7 Nampandehaniny tamin’ny lalana tokony halehany+ izy ireo,
Mba ho tonga any amin’izay tanàna azony ipetrahana.+
8 Misaora an’i Jehovah+ noho izy be fitiavana sy tsy mivadika,
Sy noho ny zavatra mahatalanjona nataony ho an’ny zanak’olombelona.+
10 Nisy tamin’izy ireo niaina tao anatin’ny haizim-pito,
Sady voagejan’ny fahoriana sy ny gadra vy.
11 Nikomy tsy nanaraka ny tenin’Andriamanitra mantsy izy ireo;
Tsy noraharahiany ny torohevitr’ilay Avo Indrindra.+
12 Koa navelany hizaka fahoriana+ izy ireo mba hahatonga azy hanetry tena tao am-pony;
Tafintohina izy ireo, ary tsy nisy nanampy.
13 Dia niantso vonjy tamin’i Jehovah izy ireo rehefa tao anatin’ny sarotra,
Ka novonjeny tamin’ny fahoriany.
14 Navoakany avy tao anatin’ny haizim-pito izy ireo,
Ary notapahiny ny zavatra namatotra azy ireo.+
15 Misaora an’i Jehovah noho izy be fitiavana sy tsy mivadika,+
Sy noho ny zavatra mahatalanjona nataony ho an’ny zanak’olombelona.
16 Fa nopotipotehiny ny varavarana varahina
Ary notapahiny ny bara hidiny vy.+
18 Lasa nalain-komana* izy ireo,
Ary nanakaiky an’ireo vavahadin’ny fahafatesana.
19 Dia niantso vonjy tamin’i Jehovah izy ireo rehefa tao anatin’ny sarotra,
Ka novonjeny tamin’ny fahoriany.
20 Niteny izy ka nositraniny izy ireo+
Sady nafahany avy tao amin’ny lavaka nilatsahany.
21 Misaora an’i Jehovah noho izy be fitiavana sy tsy mivadika,
Sy noho ny zavatra mahatalanjona nataony ho an’ny zanak’olombelona.
22 Aoka izy ireo hanolotra sorona fisaorana,+
Sy hanambara ny asan’Andriamanitra sady hihoby.
23 Ireo mandeha sambo eny an-dranomasina,
Sy manao raharaham-barotra eny amin’ny rano midadasika,+
24 Dia mahita ny asan’i Jehovah
Sy ny zavatra mahatalanjona nataony any amin’ny rano lalina.+
25 Hitan’izy ireo fa miteny Andriamanitra dia misy tafio-drivotra+
Mampiakatra ny onjan-dranomasina.
26 Misavoana eny amin’ny lanitra ireo tantsambo,
Ary midina any amin’ny rano lalina avy eo.
Tsy manana herim-po intsony izy ireo noho ny loza mananontanona.
27 Tsy mandeha mahitsy izy ireo fa mivembena toy ny mamo,
Ka lasa tsy misy ilana azy ny fahaizany rehetra.+
28 Dia miantso vonjy amin’i Jehovah izy ireo rehefa ao anatin’ny sarotra,+
Ka afahany amin’ny fahoriany.
29 Mampitony ny tafio-drivotra izy,
Dia tsy misamboaravoara intsony ny onjan-dranomasina.+
30 Faly izy ireo rehefa tony ireny,
Ary tarihin’Andriamanitra ho any amin’ny seranana tiany hahatongavana izy ireo.
31 Misaora an’i Jehovah noho izy be fitiavana sy tsy mivadika,
Sy noho ny zavatra mahatalanjona nataony ho an’ny zanak’olombelona.+
32 Aoka izy ireo hanandratra azy eo anivon’ny vahoaka tafavory,+
33 Manova ny renirano ho tany efitra Andriamanitra,
Sy manova ny loharano ho tany karakaina,+
34 Ary ny tany mahavokatra ho tany ngazana feno sira,+
Noho ny ratsy ataon’ny olona mipetraka ao.
35 Manova ny tany efitra ho farihy anirian’ny bararata izy,
Ary manova ny tany maina ho lasa be loharano.+
38 Tahiny izy ireo ka lasa maro be;
Tsy avelany hihavitsy ny biby fiompiny.+
39 Mihavitsy indray anefa izy ireo ary afa-baraka,
Noho ny fampahoriana sy ny loza ary ny alahelo.
40 Ataony tototry ny fahafaham-baraka ny olona ambony,
Ary ataony mirenireny any amin’ny tany ngazana tsy misy lalana.+
41 Fa arovany* kosa ny mahantra mba tsy hisy hampijaly,+
Ary ataony lasa be dia be toy ny andiana biby fiompy ny fianakavian’izy ireo.
43 Handinika an’izany ny hendry,+
Ary hisaintsaina lalina ny fitiavana sy ny tsy fivadihana nasehon’i Jehovah.+
Hira. Salamo nataon’i Davida.
108 Tsy miovaova mihitsy ny foko, Andriamanitra ô!
Hihira sy hitendry mozika ho anao amin’ny foko manontolo aho.*+
2 Mifohaza, ry zavamaneno fitendry ô! Ianao koa, ry harpa ô!+
Hofohaziko ny maraina mangiran-dratsy.
3 Hidera anao eo amin’ny vahoaka aho, Jehovah ô,
Ary hihira fiderana* ho anao eo amin’ireo firenena.
4 Fa tena lehibe ny fitiavanao ka tonga hatreny amin’ny lanitra,+
Ary ny tsy fivadihanao mipaka hatreny amin’ny rahona.
5 Misandrata any ambonin’ny lanitra, Andriamanitra ô!
Enga anie ny voninahitrao hanerana ny tany manontolo!+
6 Vonjeo amin’ny tananao ankavanana izahay ka valio aho,+
Mba ho avotra ireo tianao.
7 Efa niteny ilay Andriamanitra masina* hoe:
8 Ahy i Gileada,+ ary ahy koa i Manase;
I Efraima no fiarovan-dohako,*+
Ary i Joda no ataoko tehim-pahefana.+
9 I Moaba no koveta isasako.+
Any Edoma no hanipazako ny kapako.+
Hihorakoraka sady ho faly aho rehefa resiko i Filistia.”+
10 Iza no hitondra ahy any amin’ilay tanàna voaro mafy?
Iza no hitarika ahy hatrany Edoma?+
11 Tsy ianao ve, Andriamanitra ô, ilay nanary anay,
Ilay Andriamanitray nefa tsy miaraka amin’ny tafikay intsony?+
12 Ampio izahay rehefa misy fahoriana mahazo anay,+
Fa tsy misy dikany ny famonjena avy amin’ny olombelona.+
Ho an’ny mpitarika. Hiran’i Davida.
109 Ry Andriamanitra ô! Ianao no deraiko.+ Aza mangina fotsiny.
2 Fa manoka-bava hamelezana ahy ny ratsy fanahy sy ny mpamitaka.
Milaza lainga momba ahy izy ireo;+
3 Tototry ny teny feno fankahalana ataon’ny manodidina aho,
Ary miady amiko tsy amin’antony+ izy ireo.
4 Fanoherana no avaliny ny fitiavako azy;+
Mbola mivavaka foana anefa aho.
6 Manendre ratsy fanahy hanam-pahefana aminy;
Hisy mpanohitra* anie hitsangana eo ankavanany!
7 Enga anie izy ho hita fa meloka* rehefa tsaraina;
Enga anie hoheverina ho fahotana na dia ny vavaka ataony aza!+
9 Aoka ho kamboty ray ny zanany,*
Ary ho mpitondratena ny vadiny.
10 Enga anie ho lasa mpangataka mirenireny ny zanany,*
Ka hitady hanina lavitry ny tranony efa ravarava.
11 Haka an’izay rehetra ananany anie ny tompon-trosa,*
Ary horobain’olon-tsy fantatra ny fananany!
12 Enga anie ka tsy hisy olona ho tsara fanahy* aminy,
Ary tsy hisy hiantra an’ireo zanany kamboty ray!
13 Aoka haringana ny taranany;+
Hofafana anie ny anaran’izy ireo ka tsy ho tsaroan’ny taranaka mandimby azy!
14 Enga anie hotadidin’i Jehovah ny fahadisoan’ireo razambeny,+
Ary tsy hokosehina ny fahotan-dreniny!
15 Ho ao an-tsain’i Jehovah foana anie izay nataon’izy ireo,
Ary hofoanany tsy ho eto an-tany ny fahatsiarovana azy ireo!+
16 Tsy mba nahatsiaro haneho hatsaram-panahy*+ mantsy izy io,
Fa nenjehiny foana ny olona mijaly+ sy ny mahantra ary ny torotoro fo,
Mba hamonoany azy ho faty.+
17 Tia nanozona izy, ka voaozona;
Tsy te hitso-drano izy, ka tsy nahazo tsodrano.
18 Ozona no nitafiany toy ny akanjo.
Nararaka toy ny rano tao amin’ny vatany izany,
Ary toy ny menaka tao amin’ny taolany.
19 Ho toy ny akanjo mandrakotra ny vatany+ anie ny ozona nataony,
Ary ho toy ny fehikibo anaovany foana!
20 Izany no avalin’i Jehovah an’ilay manohitra ahy+
Sy avaliny an’ireo manaratsy ahy.
21 Fa ianao kosa ry Jehovah Tompo Fara Tampony ô,
Ampio aho noho ny anaranao.+
Vonjeo aho, fa tsara ny fitiavanao sy ny tsy fivadihanao.+
23 Tsy hisy intsony toy ny aloka efa hanjavona aho,
Ary akifika toy ny valala.
24 Mangozohozo ny lohaliko noho izaho mifady hanina;
Mihamahia aho, ary mihakely hery.*
25 Lasa esoesoin’izy ireo aho.+
Mihivingivin-doha izy ireo rehefa mahita ahy.+
26 Ampio aho, ry Jehovah Andriamanitro ô!
Vonjeo aho satria be fitiavana sy tsy mivadika ianao.
27 Enga anie ka ho fantany fa ny tananao no nanao an’izany;
Ho fantany fa ianao, Jehovah ô, no nanatanteraka an’izany!
28 Aoka izy ireo hanozona, fa ianao kosa hitso-drano.
Enga anie izy ireo ho menatra rehefa mitsangana hanohitra ahy,
Fa ny mpanomponao kosa hifaly.
29 Aoka hitafy fahafaham-baraka ireo manohitra ahy;
Enga anie handrakotra azy ireo toy ny akanjo lava* ny henatr’izy ireo!+
30 Hafana fo hidera an’i Jehovah ny vavako;
Hidera azy eo anoloan’ny olona be dia be aho.+
31 Fa hitsangana eo ankavanan’ny mahantra izy,
Mba hamonjy azy amin’ireo manameloka azy.
Hiran’i Davida.
110 Hoy i Jehovah tamin’ny Tompoko:
2 Hanitatra ny fahefanao* avy ao Ziona i Jehovah, ka hoy izy:
“Anjakao tanteraka ny fahavalonao.”*+
3 Hanolo-tena an-tsitrapo ny vahoakanao amin’ny andro anafihan’ny tafikao.*
Miravaka fahamasinana ireo tanoranao,*
Izay toy ny ando ateraky ny maraina.
4 Nianiana i Jehovah ary tsy hiova hevitra.* Hoy izy:
Hotorotoroiny ny mpitarika* an’ilay tany midadasika.*
7 Hisotro rano avy amin’ny renirano izy* eny an-dalana.
Koa hatrakany tsara ny lohany.
א [Alefa]
Hidera an’i Jehovah amin’ny foko manontolo aho+
ב [Beta]
Rehefa mivory miaraka amin’ireo manao izay mahitsy sy rehefa eo anivon’ny fiangonana.
ג [Gimela]
ה [He]
ז [Zaina]
4 Ataony izay hahatsiarovana+ ny zavatra mahatalanjona nataony.
ח [Heta]
Mangoraka* sy mamindra fo i Jehovah.+
ט [Teta]
5 Omeny hanina ireo matahotra azy.+
י [Yôda]
Tsaroany mandrakizay ny fifanekena nataony.+
כ [Kafa]
6 Naharihariny tamin’ny vahoakany ny fahagagana nataony,
ל [Lameda]
Rehefa nomeny azy ireo ny lovan’ireo firenena.+
מ [Mema]
ס [Sameka]
8 Azo ianteherana* foana ireny, amin’izao ka hatrany amin’ny mandrakizay;
ע [Aina]
Tamin’ny fahamarinana sy fahitsiana+ no nanaovana azy ireny.
פ [Pe]
9 Nanavotra ny vahoakany izy.+
צ [Tsade]
Namoaka didy izy hoe haharitra mandrakizay ilay fifanekena nataony.
ק [Kôfa]
Masina sy mendrika hatahorana+ ny anarany.
ר [Resa]
10 Ny fahatahorana an’i Jehovah no fiandohan’ny fahendrena.+
ש [Sina]
Tena lalin-tsaina+ izay rehetra mankatò ny didiny.*
ת [Tao]
Hoderaina mandrakizay izy.
א [Alefa]
ג [Gimela]
ה [He]
3 Fananana sy harena no ao an-tranony,
ו [Vao]
Ary maharitra mandrakizay ny fahamarinany.
ז [Zaina]
4 Mamirapiratra toy ny hazavana ao anaty haizina+ izy amin’ny olona manao izay mahitsy.
ח [Heta]
Mangoraka* sy mamindra fo+ ary manao ny marina izy.
ט [Teta]
5 Mandeha tsara ny fiainan’izay mampisambotra sady malala-tanana.*+
י [Yôda]
Manao ny rariny izy amin’izay ataony.
כ [Kafa]
6 Tsy hangozohozo mihitsy izy.+
ל [Lameda]
Hotsaroana mandrakizay ny olo-marina.+
מ [Mema]
7 Tsy hatahotra handre vaovao ratsy izy.+
נ [Nona]
Tsy miovaova mihitsy ny fony, fa matoky an’i Jehovah.+
ס [Sameka]
פ [Pe]
9 Mizara fanomezana be dia be* izy; manome ho an’ny mahantra+ izy.
צ [Tsade]
Maharitra mandrakizay ny fahamarinany.+
ק [Kôfa]
Hitombo ny heriny ary hahazo voninahitra izy.*
ר [Resa]
10 Hahita an’izany ny ratsy fanahy ka ho sosotra.
ש [Shina]
Hihidy vazana izy ary hanjavona.
ת [Tao]
Tsy ho tanteraka ny fanirian’ny ratsy fanahy.+
113 Derao i Jah!*
Derao izy, ry mpanompon’i Jehovah.
Derao ny anaran’i Jehovah.
2 Hoderaina anie ny anaran’i Jehovah
Manomboka izao ka ho mandrakizay!+
3 Aoka hoderaina ny anaran’i Jehovah,+
Hatrany amin’ny fiposahan’ny masoandro ka hatrany amin’ny filentehany.
6 Miondrika izy mba hijery ny any an-danitra sy ny etỳ an-tany,+
7 Ka atsangany hiala amin’ny vovoka ny olona ambany.
Ampiakariny avy eo amin’ny lavenona misavovona* ny mahantra,+
8 Mba hiara-mipetraka amin’ny olona ambony,
Dia ny olona ambony eo amin’ny vahoakany.
Derao i Jah!*
114 Rehefa nivoaka avy tany Ejipta ny Israely,+
Ary nandao firenena mampiasa teny vahiny ny taranak’i Jakoba,
2 Dia lasa toerany masina* i Joda,
Ary lasa faritra anjakany i Israely.+
4 Nitsambikimbikina toy ny ondrilahy ny tendrombohitra,+
Ary ny havoana nitsambikimbikina hoatran’ny zanak’ondry.
5 Fa inona no nampandositra anao, ry ranomasina?+
Ary nahoana ianao no niverin-dalana, ry Jordana?+
6 Maninona ianareo, ry tendrombohitra, no nitsambikimbikina toy ny ondrilahy,
Ary ianareo, ry havoana, no nitsambikimbikina hoatran’ny zanak’ondry?
7 Mangovita, ry tany, noho ny amin’ny Tompo,
Noho ny amin’Andriamanitr’i Jakoba,+
8 Izay manova ny vatolampy ho farihy anirian’ny bararata,
Ary ny vatoafo ho loharano.+
115 Aza izahay, Jehovah ô, aza izahay*
Fa ny anaranao no omena voninahitra+
Satria be fitiavana sy tsy mivadika ianao ary mendri-pitokisana.+
2 Nahoana ireo firenena no dia hilaza hoe:
“Aiza izay mba Andriamanitr’ireo?”+
3 Any an-danitra ny Andriamanitray,
Ary ataony izay rehetra tiany.
4 Volafotsy sy volamena ny sampin’izy ireo,
Sady asa tanan’olombelona.+
5 Manam-bava ireny sampy ireny, fa tsy miteny;+
Mana-maso, fa tsy mahita;
6 Manan-tsofina, fa tsy maheno;
Manana orona, fa tsy mandre fofona;
7 Manan-tanana, fa tsy mahatsapa;
Manan-tongotra, fa tsy mandeha;+
Ary tsy mahavoaka feo ny tendany.+
10 Matokia an’i Jehovah, ry taranak’i Arona+ ô!
—Izy no mpanampy sy ampingan’izy ireo.
11 Ianareo izay matahotra an’i Jehovah, matokia an’i Jehovah.+
—Izy no mpanampy sy ampingan’izy ireo.+
12 Mahatsiaro antsika i Jehovah, ka hitahy antsika;
Hotahiny ny taranak’Israely;+
Hotahiny ny taranak’i Arona.
13 Hotahiny izay rehetra matahotra an’i Jehovah,
Na ny kely na ny lehibe.
18 Fa isika kosa hidera an’i Jah
Manomboka izao ka ho mandrakizay.
Derao i Jah!*
Tototry ny fahoriana sy ny alahelo aho.+
4 Niantso ny anaran’i Jehovah anefa aho,+ ka niteny hoe:
“Jehovah ô, vonjeo aho!”
6 Miaro an’ireo mbola tsy dia nahita fiainana+ i Jehovah.
Kivy be aho, ka novonjeny.
7 Hilamin-tsaina indray aho,
Fa tsara fanahy amiko i Jehovah.
8 Novonjenao tsy ho faty aho,
Nosakananao tsy hirotsaka ny ranomasoko, ary tsy ho tafintohina ny tongotro.+
9 Handeha eo anatrehan’i Jehovah aho, eo amin’ny tanin’ny velona.
10 Nino aho ka niteny;+
Nijaly be mihitsy aho.
11 Natahotra be aho ka niteny hoe:
“Mpandainga daholo ny olona rehetra.”+
12 Inona no havaliko an’i Jehovah
Noho ny soa rehetra nataony tamiko?
13 Horaisiko ny kaopin’ny famonjena,*
Ary hiantso ny anaran’i Jehovah aho.
14 Hanefa ny voadiko amin’i Jehovah aho,
Eo anatrehan’ny vahoakany rehetra.+
16 Jehovah ô, mitalaho aminao aho
Fa mpanomponao!
Mpanomponao aho sady zanaky ny mpanompovavinao.
Novahanao ny fatorako.+
17 Hanolotra sorona fisaorana+ ho anao aho;
Hiantso ny anaran’i Jehovah aho.
18 Hanefa ny voadiko amin’i Jehovah aho,+
Eo anatrehan’ny vahoakany rehetra,+
19 Eo an-tokotanin’ny tranon’i Jehovah,+
Eo afovoanao, ry Jerosalema ô!
118 Misaora an’i Jehovah fa tsara izy;+
Be fitiavana izy sady tsy mivadika mandrakizay.
2 Aoka ny Israely hilaza hoe:
“Be fitiavana izy sady tsy mivadika mandrakizay.”
3 Aoka ny taranak’i Arona hilaza hoe:
“Be fitiavana izy sady tsy mivadika mandrakizay.”
4 Aoka izay matahotra an’i Jehovah hilaza hoe:
“Be fitiavana izy sady tsy mivadika mandrakizay.”
5 Niantso an’i Jah* aho tao anatin’ny sarotra,
Dia namaly ahy i Jah ka nitondra ahy nankeo amin’ny toerana tsy mampidi-doza.*+
6 Manohana ahy i Jehovah, ka tsy hatahotra aho.+
Inona moa no azon’ny olona atao amiko?+
8 Aleo mialoka amin’i Jehovah
Toy izay matoky olona.+
9 Aleo mialoka amin’i Jehovah
Toy izay matoky andriana.+
11 Nanodidina ahy izy ireny, eny, voahodidina tanteraka aho;
Tamin’ny anaran’i Jehovah anefa
No nanoherako azy ireny.
12 Nitangorona tamiko toy ny tantely izy ireny,
Nefa vetivety dia maty hoatran’ny afon-tsilo.
Tamin’ny anaran’i Jehovah
No nanoherako azy ireny.+
13 Nisy nanosika* mafy aho mba hianjera,
Nefa nanampy ahy i Jehovah.
14 I Jah no fialofako sy heriko,
Ary izy no lasa mpamonjy ahy.+
15 Feon’olona mifaly sy voavonjy*
No re ao amin’ny tranolain’ny olo-marina.
Maneho ny heriny ny tanana ankavanan’i Jehovah.+
16 Misandratra ny tanana ankavanan’i Jehovah;
Maneho ny heriny ny tanana ankavanan’i Jehovah.+
17 Tsy ho faty aho fa ho velona,
Mba hanambara ny asan’i Jah.+
19 Sokafy ireo vavahadin’ny fahamarinana,+
Dia hiditra aho ka hidera an’i Jah.
20 Ity ny vavahadin’i Jehovah.
Hiditra eo ny olo-marina.+
21 Hidera anao aho, fa namaly ahy ianao,+
Ary ianao no lasa mpamonjy ahy.
24 Izao no andro nataon’i Jehovah;
Hifaly sy hiravoravo isika mandritra izany.
25 Jehovah ô, mba vonjeo re e! Miangavy re e!
Jehovah ô, mba ataovy maharesy re izahay e!
26 Hotahina anie ilay tonga amin’ny anaran’i Jehovah!+
Avy ao an-tranon’i Jehovah izahay no mitso-drano anareo.
27 I Jehovah no Andriamanitra;
Manome antsika hazavana izy.+
Mitondrà rantsankazo eny an-tananao, ary mandehana milahatra miaraka amin’ireo mpanao fety+
Hatreny amin’ny tandroky ny alitara.+
28 Andriamanitro ianao, ary hidera anao aho;
Hanandratra anao aho, ry Andriamanitro ô!+
א [Alefa]
3 Tsy mba zatra manao ny tsy marina ireny,
Fa mandeha amin’ny lalana atoron’Andriamanitra.+
4 Nanome baiko ianao
Hoe tokony harahina tsara ny didinao.+
6 Dia tsy ho menatra aho+
Rehefa mandinika ny didinao rehetra.
7 Hidera anao amin’ny fo madio aho,
Rehefa fantatro fa ara-drariny ny didim-pitsaranao.
8 Hankatò ny fitsipikao aho.
Enga anie ianao tsy hahafoy tanteraka ahy mihitsy!
ב [Beta]
9 Inona no tokony hataon’ny tanora raha te hanao ny tsara foana* izy?
Mila mitandrin-tena izy ka mankatò ny teninao.+
10 Amin’ny foko manontolo no itadiavako anao.
Aza avela hiala amin’ny didinao aho.+
12 Hoderaina anie ianao, Jehovah ô!
Ampianaro ahy ny fitsipikao.
13 Ny molotro no anambarako
Ny didim-pitsarana rehetra navoakanao.
16 Mahafinaritra ahy ny fitsipikao.
Tsy hohadinoiko ny teninao.+
ג [Gimela]
17 Anehoy hatsaram-panahy ity mpanomponao,
Mba ho velona sy hankatò ny teninao.+
18 Sokafy ny masoko mba ho hitako tsara
Ny zavatra mahatalanjona ao amin’ny lalànao.
19 Vahiny eto amin’ity tany ity aho.+
Aza afenina ahy ny didinao.
20 Maniry mafy hahafantatra
Ny didim-pitsaranao foana aho.
21 Teneninao mafy ireo sahisahy ratsy,
Dia ireo olom-boaozona miala amin’ny didinao.+
22 Esory amiko* ny fahafaham-baraka sy ny fanambaniana,
Fa manaraka ny fampahatsiahivanao aho.
23 Na dia miara-mipetraka mba hanohitra ahy aza ny andriana,
Dia misaintsaina* ny fitsipikao ity mpanomponao.
ד [Daleta]
25 Mihohoka matory eo amin’ny vovoka aho.+
Tsimbino ny aiko, araka izay nolazainao.+
26 Nolazaiko anao izay nataoko, dia namaly ahy ianao;
Ampianaro ahy ny fitsipikao.+
27 Ataovy azoko tsara ny hevitry* ny didinao,
28 Tsy nahita tory aho noho ny alahelo.
Ampaherezo aho, araka izay nolazainao.
29 Aza avela handeha amin’ny lalana feno fitaka+ aho,
Ary iantrao ka ampahafantaro ny lalànao.
30 Ny lalan’ny tsy fivadihana no nofidiko.+
Ekeko hoe ara-drariny ny didim-pitsaranao.
31 Mifikitra amin’ny fampahatsiahivanao+ aho.
Aza avela ho diso fanantenana*+ aho, Jehovah ô!
32 Ho mailaka hampihatra ny didinao aho eo amin’ny fiainako,*
Satria halalahinao ny foko mba ho afaka handray an’izany.*
ה [He]
34 Ataovy mahira-tsaina aho,
Mba hankatoavako ny lalànao
Sy hitandremako azy amin’ny foko manontolo.
36 Ataovy izay hahatonga ny foko ho tia ny fampahatsiahivanao,
Fa tsy ho tia tombony.+
37 Aza avela hijery zavatra tsy misy ilana azy ny masoko;+
Ampandehano amin’ny lalanao aho mba ho voatsimbina ny aiko.
39 Esory amiko ny fahafaham-baraka atahorako,
Fa tsara ny didim-pitsaranao.+
40 Jereo fa maniry mafy hankatò ny didinao aho.
Tsimbino ny aiko noho ny fahamarinanao.
ו [Vao]
41 Enga anie ho tsapako, Jehovah ô, fa tia ahy sy tsy mivadika amiko ianao,+
Ary mamonjy ahy araka ny efa nampanantenainao;*+
42 Dia hovaliako ilay manaratsy ahy,
Fa matoky ny teninao aho.
43 Aza esorina tanteraka eo am-bavako ny tenin’ny fahamarinana,
Fa manantena* ny didim-pitsaranao aho.
44 Hankatoaviko foana ny lalànao,
Mandrakizay mandrakizay.+
46 Hilaza ny fampahatsiahivanao eo anatrehan’ireo mpanjaka aho,
Ary tsy ho menatra.+
47 Mahafinaritra ahy ny didinao;
Eny, tiako ireny.+
ז [Zaina]
50 Izany no mampionona ahy rehefa ao anatin’ny fahoriana+ aho.
Nitsimbina ny aiko mantsy ny teninao.
51 Maneso ahy loatra ny olona sahisahy ratsy,
Nefa arahiko foana ny lalànao.+
53 Romotry ny hatezerana aho noho ny ratsy fanahy,
Izay tsy miraharaha ny lalànao.+
54 Ny fitsipikao no ataoko hira,
Na aiza na aiza onenako.*
55 Mahatsiaro ny anaranao aho mandritra ny alina, Jehovah ô,+
Mba hankatoavako ny lalànao.
56 Izany no fanaoko,
Satria mankatò ny didinao aho.
ח [Heta]
59 Dinihiko tsara ny lalako,
Mba hanitsiako ny diako ka hanarahako indray ny fampahatsiahivanao.+
60 Mailaka be aho fa tsy mangataka andro
Mankatò ny didinao.+
61 Mihodidina amiko ny tadin’ny ratsy fanahy,
Nefa tsy hadinoko ny lalànao.+
62 Mifoha aho amin’ny misasakalina mba hisaotra anao,+
Fa ara-drariny ny didim-pitsaranao.
63 Naman’izay rehetra matahotra anao aho,
Ary naman’izay mankatò ny didinao.+
64 Manenika ny tany ny fitiavanao sy ny tsy fivadihanao, Jehovah ô!+
Ampianaro ahy ny fitsipikao.
ט [Teta]
65 Manao soa amin’ny mpanomponao ianao,
Jehovah ô, araka ny efa nolazainao.
66 Ampianaro hisaina tsara sy hanam-pahalalana+ aho,
Fa atokisako ny didinao.
68 Tsara ianao+ ary tsara ny zavatra ataonao.
Ampianaro ahy ny fitsipikao.+
69 Manoso-potaka ahy ny olona sahisahy ratsy,
Fa izaho kosa mankatò ny didinao amin’ny foko manontolo.
71 Soa ihany aho fa nampahorina,+
Mba hianarako ny fitsipikao.
י [Yôda]
73 Ny tananao no nanao sy namolavola ahy.
Ataovy mahira-tsaina aho
Mba hianarako ny didinao.+
75 Fantatro, Jehovah ô, fa ara-drariny ny didim-pitsaranao,+
Ary noho ianao tsy mivadika, dia faizinao aho.+
76 Hampionona ahy anie ny fitiavanao sy ny tsy fivadihanao,+
Araka ny nampanantenainao ny* mpanomponao!
78 Enga anie ho afa-baraka ireo sahisahy ratsy,
Satria manisy ratsy ahy tsy amin’antony.*
Fa izaho kosa hisaintsaina* ny didinao.+
79 Aoka hiaraka amiko indray ireo matahotra anao,
Dia ireo mahafantatra ny fampahatsiahivanao.
כ [Kafa]
82 Sasa-miandry ny hahatanterahan’ny teninao ny masoko,+
Ka hoy aho: “Mba rahoviana ihany ianao vao hampionona ahy?”+
83 Fa toy ny siny hoditra mainan’ny setroka aho,
Nefa tsy hadinoko ny fitsipikao.+
84 Firy andro ny mpanomponao no tsy maintsy miandry?
Rahoviana ihany ianao no hampihatra didim-pitsarana amin’ireo manenjika ahy?+
85 Mihady lavaka hamandrihana ahy ny olona sahisahy ratsy,
Dia ireo tsy mety manaraka ny lalànao.
86 Azo atokisana ny didinao rehetra.
Vonjeo aho+ fa misy manenjika tsy amin’antony!
87 Efa saika nofongoran’izy ireo tsy ho eto an-tany aho,
Nefa izaho tsy nahafoy ny didinao.
88 Tsimbino ny aiko noho ianao be fitiavana sy tsy mivadika,
Mba hanarahako ny fampahatsiahivana nolazainao.
ל [Lameda]
89 Mandrakizay, Jehovah ô,
Haharitra mandrakizay any an-danitra ny teninao.+
90 Maharitra hatramin’ny taranaka fara aman-dimby ny tsy fivadihanao.+
Nataonao mafy orina ny tany mba ho eo foana.+
91 Araka ny didim-pitsarana navoakanao, dia mbola eo ireo* mandraka androany,
Satria mpanomponao izy rehetra.
92 Raha tsy ny lalànao no nahafinaritra ahy,
Dia ho efa maty tao anatin’ny fahoriako aho hoatr’izay.+
93 Tsy hohadinoiko mihitsy ny didinao,
Satria ireny no itsimbinanao ny aiko.+
95 Miandry kendry tohina fotsiny ny ratsy fanahy mba hamonoana ahy,
Fa izaho kosa mandinika tsara an’ireo fampahatsiahivanao.
96 Hitako fa manam-petra ihany izay rehetra tonga lafatra,
Fa ny didinao kosa tsy manam-petra.*
מ [Mema]
97 Tiako erỳ ny lalànao,+
Ka saintsainiko* tontolo andro!+
98 Mahatonga ahy ho hendry noho ny fahavaloko ny didinao,+
Satria ato anatiko mandrakizay izany.
99 Lalin-tsaina kokoa noho ny mpampianatra ahy rehetra aho,+
Satria misaintsaina* an’ireo fampahatsiahivanao.
100 Mahira-tsaina kokoa noho ny zokiolona aho amin’izay rehetra ataoko,
Satria mankatò ny didinao.
101 Tsy manaiky handeha amin’ny lalan-dratsy aho,+
Mba hahafahako manaraka ny teninao.
102 Tsy miala amin’ny didim-pitsaranao aho,
Satria ianao no mampianatra ahy.
103 Mamy amin’ny lelako erỳ ny teninao,
Mamy ao am-bavako mihoatra noho ny tantely!+
104 Ny didinao no mahatonga ahy hahira-tsaina+ amin’izay ataoko,
Ka halako ny lalan-diso+ rehetra.
נ [Nona]
105 Jiro ho an’ny tongotro ny teninao,
Sady fahazavana ho an’ny lalako.+
106 Nianiana aho ary hotanterahiko izany,
Dia ny hoe harahiko ny didim-pitsaranao ara-drariny.
107 Ampahorina mafy aho.+
Jehovah ô, tsimbino ny aiko araka ny efa nolazainao.+
108 Jehovah ô, mba ankasitraho re ny fanati-piderana+ atolotro anao an-tsitrapo* e,
Ary ampianaro ahy ny didim-pitsaranao!+
110 Mamelatra fandrika hahazoana ahy ny ratsy fanahy,
Nefa tsy mahafoy ny didinao aho.+
112 Tapa-kevitra ny* hankatò ny fitsipikao aho,
Eny, hankatò an’izany foana, hatramin’ny farany.
ס [Sameka]
115 Aza manakaikikaiky ahy mihitsy ianareo mpanao ratsy,+
Mba hankatoavako ny didin’Andriamanitro.
118 Lavinao daholo izay tsy manaraka ny fitsipikao,+
Satria mandainga izy ireo sady mamitaka.
119 Arianao toy ny tain-drendrika ny ratsy fanahy rehetra eto an-tany.+
Izany no itiavako ny fampahatsiahivanao.
120 Mipararetra aho* fa matahotra anao;
Atahorako ny didim-pitsaranao.
ע [Aina]
121 Manao ny rariny sy ny hitsiny aho.
Aza afoy eo an-tanan’ireo mpampijaly aho!
122 Ataovy azo antoka hoe hahita soa ny mpanomponao;
Enga anie tsy hampijaly ahy ny olona sahisahy ratsy!
124 Asehoy hoe tianao ny mpanomponao sady tsy mivadika aminy ianao,+
Ary ampianaro ahy ny fitsipikao.+
125 Mpanomponao aho; ataovy mahira-tsaina+ aho,
Mba ho azoko ny fampahatsiahivanao.
126 Tonga ny fotoana anaovan’i Jehovah zavatra,+
Fa mandika ny lalànao izy ireo.
פ [Pe]
129 Mahatalanjona ny fampahatsiahivanao.
Izany no antony anarahako azy ireny.
130 Lasa misy hazavana+ rehefa aharihary ny teninao,
Ka manjary mahira-tsaina ireo mbola tsy dia nahita fiainana.+
133 Tariho amin’ny alalan’ny teninao aho mba ho voaro* ny diako;
Enga anie tsy hisy zava-dratsy hanandevo ahy!+
134 Vonjeo* tsy ho azon’ny olona mpampijaly aho,
Dia hankatoaviko ny didinao.
136 Mikoriana ny ranomasoko,
Satria tsy mankatò ny lalànao ny olona.+
צ [Tsade]
138 Marina ny fampahatsiahivana omenao,
Sady azo atokisana tanteraka.
139 Toy ny afo miredareda ato anatiko ny hafanam-poko,+
Satria nohadinoin’ny fahavaloko ny teninao.
141 Tsinontsinona aho ary ambanina,+
Nefa tsy mba hadinoko ny didinao.
143 Na dia azom-pahoriana sy miatrika zava-tsarotra aza aho,
Dia mahafinaritra ahy foana ny didinao.
144 Marina mandrakizay ny fampahatsiahivanao.
Ataovy mahira-tsaina+ aho mba ho velona foana.
ק [Kôfa]
145 Miantso anao amin’ny foko manontolo aho ka valio, Jehovah ô!
Ny fitsipikao no hankatoaviko.
146 Miantso anao aho; vonjeo aho!
Harahiko ny fampahatsiahivanao.
147 Mbola tsy mangiran-dratsy akory dia efa mifoha aho mba hiantso vonjy aminao,+
Satria ny teninao no antenaiko.*
148 Mbola tsy mifarana ny fiambenana amin’ny alina dia efa mihiratra ny masoko,
149 Henoy aho noho ianao be fitiavana sy tsy mivadika.+
Jehovah ô, tsimbino ny aiko satria manao ny rariny ianao.
150 Mihamanakaiky ireo manana fitondran-tena mahamenatra;*
Halavirin’izy ireo ny lalànao.
152 Efa hatry ny ela no nahafantarako an’ireo fampahatsiahivanao,
Izay nataonao mafy orina mandrakizay.+
ר [Resa]
153 Jereo ny fahoriako ka vonjeo aho,+
Fa tsy mba hadinoko ny lalànao.
155 Lavitra ny ratsy fanahy ny famonjena,
Satria tsy mikaroka ny fitsipikao izy ireo.+
156 Be famindram-po ianao, Jehovah ô!+
Tsimbino ny aiko satria manao ny rariny ianao.
157 Maro ny mpanenjika ahy sy ny fahavaloko;+
Tsy miala amin’ny fampahatsiahivanao anefa aho.
158 Rikoriko aho mahita ny mpamitaka,
Satria tsy mankatò ny teninao izy ireny.+
159 Jereo fa tiako erỳ ny didinao!
Jehovah ô, tsimbino ny aiko noho ianao be fitiavana sy tsy mivadika.+
160 Fahamarinana no votoatin’ny teninao,+
Ary maharitra mandrakizay daholo ny didim-pitsaranao ara-drariny.
ש [Sina] na [Shina]
162 Mahafaly ahy ny teninao,+
Toy ny rehefa mahazo babo be dia be.
164 Impito isan’andro aho no midera anao,
Satria ara-drariny ny didim-pitsaranao.
165 Be ny fiadanan’ireo tia ny lalànao;+
Tsy misy na inona na inona mahatafintohina azy.
166 Manantena an’ireo asa famonjenao aho, Jehovah ô,
Ary mankatò ny didinao.
167 Arahiko ny fampahatsiahivanao,
Ary tena tiako ireny.+
168 Ankatoaviko ny didinao sy ny fampahatsiahivanao,
Satria fantatrao daholo izay ataoko.+
ת [Tao]
169 Ho tonga any aminao anie ny antso vonjy ataoko, Jehovah ô!+
Ataovy mahira-tsaina+ aho, araka ny teninao.
170 Ho tonga eo anatrehanao anie ny fitalahoako famindram-po!
Vonjeo aho, araka ny efa nampanantenainao.*
171 Hiboiboika fiderana anie ny molotro,+
Satria ampianarinao ahy ny fitsipikao!
172 Hihira momba ny teninao anie ny lelako,+
Fa ara-drariny daholo ny didinao!
174 Tsy andriko izay hamonjenao ahy, Jehovah ô,
Ary mahafinaritra ahy ny lalànao.+
175 Enga anie aho ho velona mba ho afaka hidera anao;+
Hanampy ahy anie ny didim-pitsaranao!
176 Mirenireny toy ny ondry very+ aho. Mba tadiavo ity mpanomponao,
Satria tsy manadino an’ireo didinao.+
Hira Fiakarana.*
2 Jehovah ô, afaho amin’ny molotra mandainga aho,
Sy amin’ny lela mamitaka.
5 Idiran-doza aho fa vahiny mipetraka ao Meseka!+
Monina eo amin’ireo tranolain’i Kedara+ aho.
6 Efa ela loatra aho no niara-nipetraka
Tamin’ireo tsy tia fihavanana.+
7 Mitandro fihavanana aho, nefa isaky ny miteny aho,
Dia mila ady izy ireo.
Hira Fiakarana.
121 Manopy maso eny amin’ny tendrombohitra aho.+
Avy aiza no hahazoako fanampiana?
2 Avy amin’i Jehovah no ahazoako fanampiana,+
Avy amin’ilay Mpanao ny lanitra sy ny tany.
3 Tsy havelany hibolisatra* mihitsy ny tongotrao.+
Tsy ho rendremana mihitsy Ilay mpiambina anao.
4 Tsia! Tsy ho rendremana mihitsy na hatory
Ilay mpiambina ny Israely.+
5 I Jehovah no miambina anao.
I Jehovah no manome alokaloka+ anao, eo ankavananao.+
7 Hiambina anao mba tsy hiharan’ny loza mihitsy i Jehovah.+
Hiaro ny ainao izy.+
8 Hiambina anao i Jehovah amin’izay rehetra ataonao,*
Manomboka izao ka ho mandrakizay.
Hira Fiakarana. Nataon’i Davida.
122 Faly aho rehefa niteny tamiko izy ireo hoe:
“Andao isika ho any an-tranon’i Jehovah!”+
3 Naorina ho tanàna i Jerosalema,
Izay natambatra ho iray.+
4 Niakatra nankany ireo foko,
Dia ireo fokon’i Jah,*
Araka ny fampahatsiahivana nomeny ho an’ny Israely,
Mba hisaotra ny anaran’i Jehovah.+
6 Mangataha fiadanana ho an’i Jerosalema!+
Tsy hanana ahiahy izay tia anao.
7 Hisy fiadanana foana anie ao anatin’ny dongon-tany* miaro anao,
Ary tsy hanana ahiahy mihitsy anie izay ao anatin’ireo tilikambonao voaro mafy!
8 Noho ny amin’ny rahalahiko sy ny namako no hilazako hoe:
“Hisy fiadanana anie ao aminao!”
9 Noho ny amin’ny tranon’i Jehovah Andriamanitsika,+
Dia hitady izay hahasoa anao aho.
Hira Fiakarana.
123 Mitraka mijery anao aho,+
Dia ianao ilay mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana any an-danitra.
2 Toy ny ijeren’ny mpanompo ny tanan’ny tompony,
Sy toy ny ijeren’ny mpanompovavy ny tanan’ny tompovaviny,
No ijerenay an’i Jehovah Andriamanitray+
Mandra-piantrany anay.+
3 Iantrao izahay, Jehovah ô, iantrao izahay,
Fa tototry ny fanambaniana be loatra.+
4 Tototry ny fanesoana tafahoatra* ataon’ireo matoky tena izahay,
Sy ny fanambaniana ataon’ireo mirehareha.
Hira Fiakarana. Nataon’i Davida.
124 “Raha tsy nanampy antsika i Jehovah”,+
—Aoka ny Israely hilaza hoe—
2 “Raha tsy nanampy antsika i Jehovah+
Rehefa nisy olona nitsangana hanafika antsika,+
3 Dia ho efa natelin’izy ireo velona isika,+
Tamin’izy ireo tezitra be tamintsika.+
4 Dia ho nofaohin’ny rano isika,
Ary ho nanafotra antsika ny riaka be.+
5 Ho nandifotra antsika ny rano mahery be.
6 Hoderaina anie i Jehovah,
Satria tsy navelany horotidrotehin’ny nifin’izy ireo isika!
7 Isika dia toy ny vorona afa-nandositra
Avy tao amin’ny fandriky ny mpamandri-borona;+
Tapaka ilay fandrika,
Ka afa-nandositra isika.+
8 Ahazoantsika fanampiana ny anaran’i Jehovah,+
Ilay Mpanao ny lanitra sy ny tany.”
Hira Fiakarana.
125 Izay matoky an’i Jehovah+
Dia mitovy amin’ny Tendrombohitra Ziona, izay tsy voahozongozona
Fa ho eo foana mandrakizay.+
2 Hoatran’ny tendrombohitra manodidina an’i Jerosalema,+
Dia toy izany koa fa manodidina ny vahoakany i Jehovah,+
Manomboka izao ka ho mandrakizay.
3 Tsy hijanona eo amin’ny anjara tanin’ny olo-marina ny tehim-panjakan’ny ratsy fanahy,+
5 Fa izay mivily hanaraka lalana tsy mahitsy kosa
Hesorin’i Jehovah miaraka amin’ny mpanao ratsy.+
Enga anie ka hiadana ny Israely!
Hira Fiakarana.
126 Rehefa nampodin’i Jehovah ny mponin’i Ziona lasa babo,+
Dia hoatran’ny nanonofy isika.
2 Nihomehy be mihitsy isika tamin’izay,
Sady nihoby+ ny lelantsika.
Nifampiresaka ny olona tany amin’ireo firenena tamin’izay hoe:
“Nanao zavatra niavaka ho an-dry zareo i Jehovah!”+
3 Nanao zavatra niavaka ho antsika tokoa i Jehovah,+
Ka faly be mihitsy isika.
4 Ampodio ireo lasa babo teo aminay, Jehovah ô,
Toy ny amerenanao ny renirano ao Negeba.*
5 Izay mitomany rehefa mamafy,
Dia hihoby rehefa mijinja.
6 Izay mivoaka mankany an-tsaha, na dia mitomany aza,
Sady mitondra masomboly eran’ny harona,
Dia tsy maintsy hihoby sy ho faly+ rehefa mody
Sady hitondra amboaram-bokatra.+
Hira Fiakarana. Nataon’i Solomona.
127 Raha tsy i Jehovah no manao ny trano,
Dia ho very maina ny asa mafy ataon’ny mpanorina azy.+
Ary raha tsy i Jehovah no miambina ny tanàna,+
Dia ho very maina ny fiaretan-torin’ny mpiambina.
2 Very maina ny hifohazanareo vao maraina,
Sy ny hiaretanareo tory hatramin’ny alina be,
Ary ny hiasanareo mafy mba hahazoana sakafo,
Satria manome izay ilain’ny olona tiany izy sady manome azy ireo torimaso mamy.+
4 Toy ny zana-tsipìka eny an-tanan’ny lehilahy mahery
Ny zanaky ny fahatanorana.+
5 Sambatra izay lehilahy mameno ny tranon-jana-tsipìkany amin’ireny.+
Tsy ho menatra izy ireo,
Satria hiteny eo anatrehan’ny fahavalo eny am-bavahadin’ny tanàna ireny.
Hira Fiakarana.
2 Hihinana an’izay nisasaran’ny tananao ianao.
Ho sambatra ianao sady hiadana.+
3 Ho toy ny voaloboka mahavokatra ao an-tranonao ny vadinao;+
Ho toy ny tsimok’oliva manodidina ny latabatrao ny zanakao.
4 Toy izany no hitahiana
Ny lehilahy matahotra an’i Jehovah.+
5 Hitahy anao avy ao Ziona i Jehovah.
Enga anie ka ho hitanao hoe mandroso be i Jerosalema, mandritra ny androm-piainanao,+
6 Ary ho hitanao ny zafikelinao!
Enga anie ka hiadana ny Israely!
Hira Fiakarana.
129 “Namely ahy foana izy ireo hatramin’izaho mbola tanora!”+
—Aoka ny Israely hilaza hoe—
2 “Namely ahy foana izy ireo hatramin’izaho mbola tanora;+
Tsy naharesy ahy anefa izy ireo.+
3 Nataon’ny mpiasa tany toy ny tany asaina ny lamosiko;+
Nataony lava be ny vava asany.”
5 Ho menatra ary hiverin-dalana ka ho afa-baraka
Izay rehetra mankahala an’i Ziona.+
6 Ho toy ny ahitra eny amin’ny tafo izy ireo,
Izay malazo nefa mbola tsy nongotana akory.
7 Tsy mahafeno ny tanan’ny mpijinja ireny,
Na ny sandrin’ny mpanangona amboara.
8 Tsy hilaza ny mpandalo hoe:
“Hotahin’i Jehovah anie ianareo!
Mitso-drano anareo amin’ny anaran’i Jehovah izahay.”
Hira Fiakarana.
130 Ao anatin’ny fahoriana lalina* aho no miantso anao, Jehovah ô!+
2 Henoy ny feoko, Jehovah ô!
Hanongilan-tsofina hihaino ny fitalahoako fanampiana anie ianao!
5 Manantena an’i Jehovah aho, manantena azy amin’ny foko manontolo;
Miandry ny teniny aho.
6 Miandry mafy an’i Jehovah aho,+
Mihoatra noho ny fiandrasan’ny mpiambina izay hahamaraina ny andro,+
Eny, mihoatra noho ny fiandrasan’ny mpiambina ny maraina.
7 Aoka hiandry foana an’i Jehovah ny Israely,
Satria tsy miovaova mihitsy ny fitiavan’i Jehovah,+
Ary manana hery lehibe hanavotana izy.
8 Hanavotra ny Israely ho afaka amin’ny fahadisoany rehetra izy.
Hira Fiakarana. Nataon’i Davida.
131 Jehovah ô, tsy mirehareha ny foko,
Ary tsy mianjonanjona ny masoko.+
Tsy mikatsaka zavatra ambony loatra+ aho,
Na zavatra tsy ho vitako mihitsy.
2 Efa nampitony sy nampionona ny foko* kosa aho,+
Toy ny zaza efa nisara-nono eny amin-dreniny;
Afa-po toy ny zaza efa nisara-nono aho.
3 Aoka hiandry an’i Jehovah ny Israely,+
Manomboka izao ka ho mandrakizay.
Hira Fiakarana.
132 Jehovah ô, tsarovy i Davida,
Sy ny fahoriany rehetra;+
2 Tsarovy fa nianiana tamin’i Jehovah izy
Ary nivoady tamin’Ilay Maherin’i Jakoba+ hoe:
3 “Tsy hiditra ao amin’ny tranolay fonenako+ aho.
Tsy hitsotsotra eo ambonin’ny farafara fatoriako aho;
4 Tsy havelako hatory ny masoko,
Na havelako ho rendremana,
5 Mandra-pahitako toerana ho an’i Jehovah,
Dia toeram-ponenana tsara tarehy* ho an’Ilay Maherin’i Jakoba.”+
8 Mitsangàna, Jehovah ô! Mankanesa any amin’ny toeram-ponenanao,+
Ianao sy ilay Vata Masina mampiseho ny herinao.+
9 Hitafy fahamarinana anie ny mpisoronao,
Ary hihoby ireo tsy mivadika aminao!
11 Efa nianiana tamin’i Davida i Jehovah;
Tsy hivadika amin’izao teniny izao mihitsy izy:
“Ny iray amin’ny taranakao
No hapetrako eo amin’ny seza fiandriananao.+
12 Raha manaja ny fifanekena nataoko ny taranakao,
Ary manaraka ny fampahatsiahivana omeko* azy,+
Dia hipetraka mandrakizay eo amin’ny seza fiandriananao koa
Ny taranak’izy ireo.”+
14 “Ity no toerana honenako mandrakizay;
Eto aho no hipetraka,+ satria izany no faniriako.
15 Hofenoiko ny tahirin-tsakafony;
Hataoko voky hanina+ ny mahantra ao.
17 Ao no hataoko mihamitombo ny herin’i* Davida.
Efa nanomana jiro ho an’ilay voahosotro aho.+
18 Hataoko mitafy henatra ny fahavalony,
Fa ny satroboninahitra* eo amin’ny lohany kosa hamirapiratra.”*+
Hira Fiakarana. Nataon’i Davida.
133 Tsara sy mahafinaritra erỳ
Rehefa miara-monina sady miray saina ny mpirahalahy!+
2 Toy ny menaka tsara, izay araraka eo ambony loha,+ izany
Ka mikoriana mankeo amin’ny volombava,
Dia ny volombavan’i Arona,+
Ary mikoriana hatreny amin’ny vozon’akanjony.
Any no ampanantenain’i Jehovah hoe hisy fitahiana,
Dia fiainana mandrakizay.
Hira Fiakarana.
134 Miderà an’i Jehovah,
Ianareo rehetra mpanompon’i Jehovah,+
Izay mijoro ao an-tranon’i Jehovah mandritra ny alina.+
3 I Jehovah, Ilay Mpanao ny lanitra sy ny tany, anie
Hitahy anao avy ao Ziona!
135 Derao i Jah!*
Derao ny anaran’i Jehovah;
Derao izy, ry mpanompon’i Jehovah,+
2 Izay mijoro ao an-tranon’i Jehovah
Sy ao an-tokotanin’ny tranon’Andriamanitsika.+
3 Derao i Jah, fa tsara i Jehovah.+
Manaova hira fiderana* ho an’ny anarany, fa mahafinaritra izany.
5 Fantatro tsara mantsy fa tena miavaka i Jehovah;
Ambony noho ny andriamanitra rehetra ny Tompontsika.+
6 Ataon’i Jehovah daholo izay tiany,+
Na any an-danitra na etỳ an-tany, na any an-dranomasina na any amin’ny rano lalina rehetra.
7 Mampiakatra rahona* avy any amin’ny faran’ny tany izy,
Sady manao tselatra* ho an’ny orana;
Avoakany avy ao amin’ny trano fitehirizany azy ny rivotra.+
8 Novonoiny ho faty ny lahy teraka voalohany tany Ejipta,
Na olona na biby.+
9 Nandefa famantarana sy nanao fahagagana teo aminao izy, ry Ejipta ô,+
Mba hamelezana an’i Farao sy ny mpanompony rehetra.+
10 Naharesy firenena maro izy,+
Ary nandripaka mpanjaka mahery,+
11 Dia i Sihona mpanjakan’ny Amorita+
Sy Oga mpanjakan’i Basana+
Ary ny fanjakana rehetra tao Kanana.
12 Nomeny ho lova ny tanin’izy ireo,
Ho lovan’ny Israely vahoakany.+
13 Jehovah ô, maharitra mandrakizay ny anaranao!
Jehovah ô, maharitra hatramin’ny taranaka fara aman-dimby ny lazanao!*+
15 Volafotsy sy volamena ny sampin’ireo firenena
Sady asa tanan’olombelona.+
16 Manam-bava ireny sampy ireny, fa tsy miteny;+
Mana-maso, fa tsy mahita;
17 Manan-tsofina, fa tsy maheno.
Tsy misy fofonaina eo am-bavan’izy ireny.+
19 Derao i Jehovah, ry taranak’Israely ô!
Derao i Jehovah, ry taranak’i Arona ô!
20 Derao i Jehovah, ry taranak’i Levy ô!+
Ianareo izay matahotra an’i Jehovah, miderà an’i Jehovah.
Derao i Jah!+
2 Misaora an’ilay Andriamanitry ny andriamanitra,+
Fa be fitiavana izy sady tsy mivadika mandrakizay.
3 Misaora an’ilay Tompon’ny tompo,
Fa be fitiavana izy sady tsy mivadika mandrakizay.
4 Izy irery ihany no manao zavatra faran’izay mahagaga,+
Fa be fitiavana izy sady tsy mivadika mandrakizay.+
5 Nanao ny lanitra izy sady niangaliany fatratra izany,*+
Fa be fitiavana izy sady tsy mivadika mandrakizay.
6 Namelatra ny tany teo ambonin’ny rano izy,+
Fa be fitiavana izy sady tsy mivadika mandrakizay.
7 Nanao an’ireo zavatra lehibe manome hazavana izy,+
Fa be fitiavana izy sady tsy mivadika mandrakizay,
8 Dia ny masoandro, izay hanjaka amin’ny andro,+
Fa be fitiavana izy sady tsy mivadika mandrakizay,
9 Ary ny volana sy ny kintana, izay hanjaka amin’ny alina,+
Fa be fitiavana izy sady tsy mivadika mandrakizay.
10 Novonoiny ho faty ny lahimatoan’i Ejipta,+
Fa be fitiavana izy sady tsy mivadika mandrakizay.
11 Nitondra ny Israely nivoaka avy teo amin’ny Ejipsianina izy,+
Fa be fitiavana izy sady tsy mivadika mandrakizay,
12 Tamin’ny tanany matanjaka sy ny sandriny mahery,+
Fa be fitiavana izy sady tsy mivadika mandrakizay.
14 Nataony izay handehanan’ny Israely teo afovoan’ilay izy,+
Fa be fitiavana izy sady tsy mivadika mandrakizay.
15 Nakifiny nankao amin’ny Ranomasina Mena i Farao sy ny tafiny,+
Fa be fitiavana izy sady tsy mivadika mandrakizay.
16 Nitarika ny vahoakany namakivaky ny tany efitra+ izy,
Fa be fitiavana izy sady tsy mivadika mandrakizay.
17 Nandripaka mpanjaka lehibe+ izy,
Fa be fitiavana izy sady tsy mivadika mandrakizay.
18 Namono mpanjaka mahery izy,
Fa be fitiavana izy sady tsy mivadika mandrakizay,
19 Dia i Sihona+ mpanjakan’ny Amorita,
Fa be fitiavana izy sady tsy mivadika mandrakizay,
20 Sy Oga+ mpanjakan’i Basana,
Fa be fitiavana izy sady tsy mivadika mandrakizay.
21 Nomeny ho lova ny tanin’ireo,+
Fa be fitiavana izy sady tsy mivadika mandrakizay,
22 Dia ho lovan’ny Israely mpanompony,
Fa be fitiavana izy sady tsy mivadika mandrakizay.
24 Namonjy antsika tamin’ny fahavalontsika foana izy,+
Fa be fitiavana izy sady tsy mivadika mandrakizay.
25 Manome sakafo ho an’ny zavamananaina* rehetra izy,+
Fa be fitiavana izy sady tsy mivadika mandrakizay.
26 Misaora an’ilay Andriamanitry ny lanitra,
Fa be fitiavana izy sady tsy mivadika mandrakizay.
137 Teo amoron’ny renirano tany Babylona+ izahay no nipetrapetraka.
Nitomany izahay rehefa nahatsiaro an’i Ziona.+
3 Fa tao no nangataka anay hihira ireo naka anay ho babo;+
Te hiala voly ireo naneso anay ka niteny hoe:
“Anaovy hira momba an’i Ziona izahay.”
4 Ataonay ahoana anefa no fihira ny hiran’i Jehovah
Any an-tanin’olona?
6 Aoka ny lelako hiraikitra amin’ny lanilaniko,
Raha tsy mahatsiaro anao aho
Ary raha tsy i Jerosalema no ataoko zava-dehibe kokoa
Noho ireo zavatra lehibe indrindra mahafaly ahy.+
7 Jehovah ô, tsarovy
Izay nolazain’ny Edomita tamin’ny andro nandravana an’i Jerosalema. Hoy izy ireo:
“Ravao tanteraka! Ravao hatramin’ny fotony!”+
8 Ry Babylona zanakavavy izay horavana tsy ho ela ô!+
Ho sambatra ilay hampijaly anao
Hoatran’ny nampijalianao anay.+
9 Ho sambatra ilay hisambotra ny zanakao
Sy hanatonta azy ireo amin’ny vatolampy.+
Nataon’i Davida.
138 Hidera anao amin’ny foko manontolo aho.+
Eo anatrehan’ireo andriamani-kafa
No hihirako fiderana ho anao.*
2 Hiankohoka manandrify ny tempolinao masina*+ aho,
Sady hidera ny anaranao,+
Noho ianao be fitiavana sy tsy mivadika ary mendri-pitokisana.
Fa nataonao ambony mihoatra noho ny zavatra hafa rehetra ny teninao sy ny anaranao.*
4 Hidera anao daholo ny mpanjakan’ny tany, Jehovah ô,+
Satria ho henon’izy ireo ny fampanantenana nolazainao.
7 Hitsimbina ny aiko ianao na dia rehefa miatrika loza aza aho.+
Manatsotra ny tananao ianao mba hanoherana ny hatezeran’ny fahavaloko;
Hamonjy ahy ny tananao ankavanana.
8 Hotanterahin’i Jehovah daholo izay noeritreretiny hoe mahasoa ahy.
Ho an’ny mpitarika. Hira nataon’i Davida.
139 Jehovah ô, mandinika ahy amin’ny an-tsipiriany ianao, ka mahalala ahy.+
2 Fantatrao aho na mipetraka na mitsangana.+
Fantatrao avy eny lavitra eny ny eritreritro.+
5 Manodidina ahy avy ao andamosiko sy avy eo anoloako ianao,
Ary apetrakao eo amiko ny tananao.
6 Tsy takatry ny saiko* izany fahalalanao izany.
Avo loatra izany ka tsy takatro.+
7 Aiza no azoko itsoahana ka tsy ho tongan’ny fanahinao?
Ary aiza no azoko andosirana tsy ho eo anatrehanao?+
8 Raha miakatra eny amin’ny lanitra aho, dia eny ianao,
Ary raha mamelatra ny fandrianako ao amin’ny Fasana* aho, dia any koa ianao.+
9 Raha manidina amin’ny elatry ny maraina vao mangiran-dratsy aho,
Mba honina eny amoron’ny ranomasina faran’izay lavitra,
10 Dia mbola mitarika ahy ihany ny tananao, na dia any aza,
Ary mitazona ahy ny tananao ankavanana.+
11 Raha miteny aho hoe: “Tsy maintsy hanarona ahy ny haizina!”,
Dia ho lasa hazavana ny alina manodidina ahy.
12 Na ny haizina aza tsy maizina loatra aminao,
Fa mazava toy ny andro ny alina;+
Aminao dia hoatran’ny hazavana ihany ny haizina.+
14 Midera anao aho, satria mahagaga sy mahatalanjona ny fomba nanaovanao ahy.+
Mahatalanjona ny asanao,+
Ary tena fantatro tsara izany.
15 Tsy niafina taminao ny taolako,
Tamin’izaho noforoninao tao amin’ny toerana miafina,
Tamin’izaho notenominao tao amin’ny faritra lalina amin’ny tany.+
16 Nahita ahy ny masonao na dia mbola vao niforona aza aho;
Voasoratra tao amin’ny bokinao ny faritra rehetra amin’ny vatako
Sy ny andro niforonan’ireny,
Tamin’ny mbola tsy nisy akory ireny na iray aza.
17 Koa tena sarobidy amiko ny hevitrao!+
Tena be dia be tokoa ny isan’ireny, Andriamanitra ô!+
18 Raha andramako isaina ireny, dia betsaka lavitra noho ny fasika.+
Rehefa mifoha aho, dia mbola eo aminao ihany.*+
19 Andriamanitra ô, raha mba aringanao mantsy ny ratsy fanahy!+
Dia hiala amiko ny olona mahery setra,*
20 Dia ireo manakiana anao satria efa ratsy saina;*
Fahavalonao ireny ary manao tsinontsinona ny anaranao.+
21 Jehovah ô, tsy mankahala an’izay mankahala anao+ ve aho?
Tsy maharikoriko ahy ve izay mikomy aminao?+
22 Tena halako ireny,+
Ary lasa tena fahavaloko.
23 Diniho amin’ny an-tsipiriany aho, Andriamanitra ô, ary fantaro ny foko.+
Diniho aho, ka fantaro izay mampitebiteby* ahy.+
Ho an’ny mpitarika. Hiran’i Davida.
140 Vonjeo tsy ho azon’ny olon-dratsy aho, Jehovah ô!
Arovy amin’ny olona mahery setra aho,+
2 Dia amin’ireo mamorona teti-dratsy ao am-pony+
Sy mila ady foana.
3 Ataon’izy ireo maranitra toy ny an’ny bibilava ny lelany;+
4 Arovy tsy ho azon’ny tanan’ny ratsy fanahy aho,+ Jehovah ô!
Arovy amin’ny olona mahery setra aho,
Dia amin’ireo mitetika ny hamingana ahy.
5 Manafina fandrika hahazoana ahy ireo manambony tena;
Mampiasa tady izy ireo mba hamelarana harato eny amoron-dalana.+
Mamelatra fandrika hahazoana ahy izy ireo.+ (Sela)
6 Miteny amin’i Jehovah aho hoe: “Ianao no Andriamanitro.
Henoy ny fitalahoako fanampiana, Jehovah ô!”+
7 Ry Jehovah Tompo Fara Tampony ô, ilay Mpamonjy ahy tena mahery,
Miaro ny lohako ianao rehefa raikitra ny ady.+
8 Aza tanterahina ny fanirian’ny ratsy fanahy, Jehovah ô!
Aza avela hahomby ny teti-dratsiny, sao hisandratra izy ireo.+ (Sela)
9 Enga anie hitsingerina eo an-dohan’ireo manodidina ahy
Ny zava-dratsy nolazain’ny molony!+
10 Hisy vainafo hiraraka anie eo an-dohan’izy ireo!+
Enga anie izy ireo hatsipy ao anaty afo,
Ao anaty lavaka lalina,*+ ka tsy ho tafakatra intsony mihitsy!
11 Tsy hahita toerana hipetrahana eto an-tany* anie ny mpanendrikendrika!+
Henjehin’ny faharatsiana anie ny olona mahery setra, dia hasiany!
12 Fantatro fa harovan’i Jehovah ny madinika,
Ary homeny rariny ny mahantra.+
13 Hisaotra ny anaranao tokoa ny olo-marina;
Honina eo anatrehanao+ ny olona manao izay mahitsy.
Hiran’i Davida.
141 Jehovah ô, miantso anao aho.+
Mba tongava haingana hanampy ahy.+
Henoy re aho rehefa miantso anao e!+
2 Enga anie ny vavaka ataoko mba ho toy ny emboka manitra+ voaomana tsara eo anatrehanao!+
Ho toy ny manolotra fanatitra varimbazaha amin’ny takariva+ anie aho, rehefa manandratra ny tanako!
3 Asio mpiambina ny vavako, Jehovah ô!
Asio mpiambina eo amin’ny varavaran’ny molotro.+
4 Aza avela haniry zava-dratsy ny foko,+
Mba tsy hivarilavo miaraka amin’ny mpanao ratsy aho;
Tsy hihinana amin’ny sakafo matsiron’izy ireo mihitsy aho!
5 Raha mamely ahy ny olo-marina, dia raisiko ho fanehoana fitiavana sy tsy fivadihana izany;+
Raha mananatra ahy izy, dia ho toy ny menaka ahosotra amin’ny lohako izany+
Ka tsy holavin’ny lohako mihitsy.+
Mbola hivavaka ho azy foana aho na dia misy loza manjo azy aza.
6 Na atsipy avy eny amin’ny harambato aza ny mpitsara azy ireo,
Dia hihaino tsara an’izay lazaiko ny vahoaka, satria mahafinaritra ny teniko.
7 Toy ny ataon’ny olona miasa tany ka mamakivaky bainga,
No anaparitahana ny taolanay eo am-bavan’ny Fasana.*
8 Ianao anefa no andrandrain’ny masoko, Jehovah Tompo Fara Tampony ô!+
Ianao no ialofako.
Aza esorina* ny aiko.
9 Arovy aho mba tsy ho voaketoky ny fandrika napetrak’izy ireo,
Dia ny vela-pandriky ny mpanao ratsy.
10 Hiara-latsaka ao amin’ny fandrika harato nataony ihany ny ratsy fanahy rehetra,+
Fa izaho kosa tsy haninona rehefa mandalo eo.
Maskila* nataon’i Davida tamin’izy tao anaty lava-bato.+ Vavaka.
142 Manandratra ny feoko aho mba hiantso vonjy amin’i Jehovah;+
Manandratra ny feoko aho mba hitalaho famindram-po amin’i Jehovah.
2 Izy no amborahako ny zavatra mampanahy ahy;
Izy no ilazako ny fahoriako+
3 Rehefa rera-tsaina aho.*
Dia mitsinjo ny lalana izorako+ ianao.
Eny amin’ny lalana andehanako
No anafenan’izy ireo fandrika hamandrihana ahy.
Tsy misy toerana azoko andosirana;+
Tsy mba misy mieritreritra an’izay manjo ahy.
5 Miantso vonjy aminao aho, Jehovah ô!
6 Mba henoy re ny fitalahoako fanampiana e,
Fa nambanina tanteraka aho!
Vonjeo aho tsy ho azon’ny mpanenjika ahy,+
Fa matanjaka noho izaho izy ireo.
7 Avoahy avy ato amin’ity lakaly figadrana ity aho,
Mba hiderako ny anaranao.
Enga anie hanodidina ahy ny olo-marina,
Satria tsara fanahy amiko ianao!
Hiran’i Davida.
143 Jehovah ô, henoy ny vavaka ataoko;+
Henoy ny fitalahoako fanampiana.
Valio aho fa mendri-pitokisana sy manao ny rariny ianao.
2 Aza mifandahatra amin’ny mpanomponao eo amin’ny fitsarana,
Satria tsy misy olombelona azo atao hoe marina eo anatrehanao.+
3 Fa manenjika ahy ny fahavalo;
Namotika ny fiainako izy, ka nanosihosy ahy tamin’ny tany.
Nataony nonina tao amin’ny haizina aho, hoatran’ny olona maty efa ela be.
5 Mahatsiaro ny taloha aho;
Misaintsaina ny zava-drehetra nataonao aho,+
Ary mieritreritra lalina* momba ny asan’ny tananao.
6 Mamelatra ny tanako mba hivavaka aminao aho;
Toy ny tany karakaina aho, ka mangetaheta anao.+ (Sela)
8 Ataovy maheno momba ny fitiavanao sy ny tsy fivadihanao aho amin’ny maraina,
Fa matoky anao.
9 Vonjeo tsy ho azon’ny fahavaloko aho, Jehovah ô!
Mitady ny fiarovanao+ aho.
10 Ampianaro hanao ny sitraponao aho,+
Fa ianao no Andriamanitro.
Tsara ny fanahinao;
Enga anie izany hitarika ahy eo amin’ny toerana tsy mikitoantoana!*
11 Noho ny anaranao, Jehovah ô, dia tsimbino ny aiko!
Afaho amin’ny fahoriako aho, satria manao ny rariny ianao.+
12 Aringano* ny fahavaloko,+ satria be fitiavana sy tsy mivadika ianao.
Aripaho izay rehetra mampijaly ahy,+
Fa mpanomponao+ aho.
Nataon’i Davida.
144 Hoderaina anie i Jehovah, ilay Vatolampiko,+
Izay mampiofana ny tanako hamely,
Sy mampiofana ny rantsantanako hiady.+
2 Tia ahy sy tsy mivadika amiko izy ary manda fiarovana ho ahy,
Fialofana azoko antoka* sy mpanafaka ahy,
Ilay ampingako sy Ilay azoko ialofana,+
Dia Ilay mahatonga an’ireo firenena hanaiky ahy!+
3 Jehovah ô! Inona moa izay olombelona no mahaliana anao,
Ary inona moa izay zanak’olombelona mety maty no karakarainao?+
5 Jehovah ô! Ataovy ambany kokoa* ny lanitra ka midìna;+
Kasiho ny tendrombohitra ary ataovy midona-tsetroka.+
6 Ataovy mitselatselatra ny tselatra ary aparitaho ny fahavalo;+
Alefaso ny zana-tsipìkanao ary ataovy misahotaka+ izy ireo.
7 Atsory avy any amin’ny avo ny tananao;
Afaho aho, ka vonjeo avy ao amin’ny rano manonja be,
Dia avy eo an-tanan’ny* firenen-kafa,+
8 Izay milaza lainga
Sy manainga ny tanany ankavanana mba hianiana lainga.*
9 Hihira hira vaovao+ ho anao aho, Andriamanitra ô!
Hihira fiderana* ho anao amin’ny zavamaneno misy tadiny folo aho,
10 Dia ho anao, ilay mahatonga ny mpanjaka handresy,*+
Sy ilay mamonjy an’i Davida mpanomponao amin’ny sabatra mahafaty.+
11 Afaho aho, ka vonjeo avy eo an-tanan’ny firenen-kafa,
Izay milaza lainga
Sy manainga ny tanany ankavanana mba hianiana lainga.
12 Dia ho toy ny zavamaniry tanora, izay vetivety dia lehibe, ny zanakay lahy,
Ary ny zanakay vavy ho toy ny andry vita sokitra mandravaka ny zoron’ny lapa.
13 Ho feno vokatra isan-karazany ny trano fitehirizam-bokatray;
Hitombo an’arivony sy an’alinaliny ny ondry aman’osy eny amin’ny sahanay.
14 Tsy hisy ho tratran’ny loza* na tsy hahavanona anaka ny omby bevohoka ompianay;
Tsy hisy hitaraina eny amin’ny tany malalaky ny tanànanay.
15 Sambatra izay vahoaka hoatr’izany!
Sambatra izay vahoaka manana an’i Jehovah ho Andriamaniny!+
Hira Fiderana nataon’i Davida.
א [Alefa]
145 Hanandratra anao aho, ry Andriamanitro sady Mpanjakako+ ô,
Ary hidera ny anaranao mandrakizay mandrakizay.+
ב [Beta]
ג [Gimela]
3 Tena miavaka i Jehovah, ka izy no mendrika hoderaina indrindra;+
Tsy takatry ny saina ny fahalehibeazany.+
ד [Daleta]
4 Hidera ny asanao ny taranaka fara aman-dimby;
Hanambara ny asa nataonao tamin’ny herinao+ izy ireo.
ה [He]
5 Ny haja amam-boninahitrao no horesahin’izy ireo,+
Ary izaho kosa hisaintsaina an’ireo asa mahatalanjona nataonao.
ו [Vao]
6 Hiresaka momba ny zavatra miavaka sy mampahatahotra nataonao* izy ireo,
Ary izaho hanambara ny fahalehibeazanao.
ז [Zaina]
7 Hiboiboika teny fiderana ny vavan’izy ireo rehefa mahatsiaro hoe lehibe tokoa ny hatsaran-toetranao,+
Ary hihoby izy ireo noho ianao manao ny rariny.+
ח [Heta]
8 Mangoraka* sy mamindra fo i Jehovah,+
Sady tsy mora tezitra ary tena be fitiavana sy tsy mivadika.+
ט [Teta]
9 Manao soa amin’ny rehetra i Jehovah,+
Ary hita amin’izay rehetra ataony fa mamindra fo izy.
י [Yôda]
כ [Kafa]
11 Hanambara ny voninahitry ny fanjakanao+ izy ireo,
Ary hiresaka momba ny herinao,+
ל [Lameda]
12 Mba hampahafantarana amin’ny olona ny asa nataonao tamin’ny herinao+
Sy ny haja amam-boninahitry ny fanjakanao.+
מ [Mema]
13 Fanjakana maharitra mandrakizay ny fanjakanao,
Ary maharitra hatramin’ny taranaka fara aman-dimby ny fitondranao.+
ס [Sameka]
ע [Aina]
15 Miandrandra anao ny maso rehetra;
Manome azy ireo ny sakafony amin’ny fotoanany ianao.+
פ [Pe]
16 Manokatra ny tananao ianao,
Ka manome fahafaham-po ny fanirian’ny zavamananaina rehetra.+
צ [Tsade]
17 Manao ny rariny i Jehovah amin’ny lalany rehetra.+
Tsy mivadika koa izy, amin’izay rehetra ataony.+
ק [Kôfa]
18 Akaiky an’izay rehetra miantso azy i Jehovah,+
ר [Resa]
19 Manome fahafaham-po ny fanirian’izay matahotra azy izy;+
Henoiny izy ireo rehefa miantso vonjy, ka vonjeny.+
ש [Shina]
ת [Tao]
21 Hidera an’i Jehovah ny vavako;+
Aoka hidera ny anarany masina mandrakizay mandrakizay ny zavamananaina* rehetra.+
Hidera an’i Jehovah amin’ny foko manontolo anie aho!+
2 Hidera an’i Jehovah mandritra ny androm-piainako aho.
Hihira fiderana* ho an’ny Andriamanitro aho raha mbola velona koa.
4 Miala ny fofonainy, ary miverina amin’ny tany+ izy;
Amin’iny andro iny ihany, dia foana ny eritreriny.+
5 Sambatra izay manana an’ilay Andriamanitr’i Jakoba ho mpanampy azy+
Sady manantena an’i Jehovah Andriamaniny,+
6 Ilay Mpanao ny lanitra sy ny tany
Sy ny ranomasina ary izay rehetra ao amin’ireo,+
Dia Ilay tsy mivadika mihitsy,+
7 Ilay manome rariny ho an’izay ambakaina,
Ary manome hanina ho an’ny noana.+
Manafaka an’ireo migadra*+ i Jehovah.
8 Manokatra ny mason’ny jamba+ i Jehovah;
Mampitraka an’ireo mitanondrika+ i Jehovah;
Tia an’ireo olo-marina i Jehovah.
9 Miaro ny vahiny i Jehovah;
Ampiany ny kamboty ray sy ny mpitondratena,+
10 Ho Mpanjaka mandrakizay i Jehovah,+
Dia ilay Andriamanitrao, ry Ziona ô, hatramin’ny taranaka fara aman-dimby.
Derao i Jah!*
147 Derao i Jah!*
Tsara ny mihira fiderana* ho an’ilay Andriamanitsika;
Mahafinaritra erỳ sady mety tsara ny midera azy!+
3 Manasitrana an’ireo torotoro fo* izy;
Fonosiny ny ratran’izy ireo.
4 Voaisany ny kintana,
Ary antsoiny amin’ny anarany avy+ izy rehetra.
6 Asandratr’i Jehovah ny mpandefitra,+
Fa atsipiny amin’ny tany kosa ny ratsy fanahy.
7 Manaova hira ho fisaorana an’i Jehovah;
Manaova hira sady mitendre harpa mba hiderana an’ilay Andriamanitsika,
8 Dia Ilay manarona ny lanitra amin’ny rahona,
Ilay mandatsaka orana ho an’ny tany,+
Ilay mampitsiry ahitra+ eny an-tendrombohitra.
10 Tsy ny tanjaky ny soavaly+ no mahafinaritra azy,
Ary tsy mampihontsina azy ny tongotra matanjaky ny olona.+
11 Fa ny olona matahotra azy+ no mahafinaritra an’i Jehovah,
Dia ireo miandry hoe hanehoany fitiavana sy tsy fivadihana.+
12 Omeo voninahitra i Jehovah, ry Jerosalema ô!
Derao ny Andriamanitrao, ry Ziona ô!
13 Manamafy ny bara hidin’ny vavahadin’ny tanànanao izy,
Ary mitahy an’ireo zanakao ao aminao.
14 Ataony manjaka ao amin’ny faritra misy anao ny fiadanana,+
15 Mandefa ny didiny etỳ an-tany izy,
Ka mihazakazaka haingana ny teniny.
16 Mandrotsaka lanezy, izay toy ny volonondry, izy,+
Ary manaparitaka lanezy manify toy ny lavenona.+
17 Atsipiny toy ny sombi-mofo ny havandra.*+
Iza no mahazaka ny hatsiaka entiny?+
18 Mandefa ny teniny izy dia mitsonika ireny.
Ataony mitsoka ny rivotra,+ dia mikoriana ny rano.
19 Milaza ny teniny amin’i Jakoba izy.
Lazainy amin’i Israely ny fitsipiny sy ny didim-pitsarany.+
20 Tsy nanao toy izany tamin’ny firenen-kafa+ izy;
Tsy mahafantatra na inona na inona momba ny didim-pitsarany ireny.
148 Derao i Jah!*
Miderà an’i Jehovah, ianareo any an-danitra;+
Miderà azy any amin’ny avo.
2 Derao izy, ry anjeliny rehetra.+
Derao izy, ry tafiny manontolo.+
3 Derao izy, ry masoandro sy volana.
Derao izy, ry kintana rehetra mamirapiratra.+
4 Derao izy, ry lanitra avo indrindra* ô,
Sy ry rano ambonin’ny lanitra.
5 Aoka hidera ny anaran’i Jehovah ireo,
Fa nanome didy izy, dia voaforona ireo.+
6 Ataony mafy orina mandrakizay mandrakizay ireo;+
Efa namoaka didy izy, ary tsy ho foana mihitsy izany.+
7 Miderà an’i Jehovah, ianareo etỳ an-tany,
Dia ianareo biby ngezabe any an-dranomasina sy ianareo rano lalina rehetra,
8 Ianareo tselatra sy havandra, lanezy sy rahona matevina,
Ianareo rivo-mahery izay manatanteraka ny teniny,+
9 Ianareo tendrombohitra sy ianareo havoana rehetra,+
Ianareo hazo fihinam-boa sy ianareo hazo sedera rehetra,+
10 Ianareo bibidia+ sy ianareo biby fiompy rehetra,
Ianareo biby mandady sy vorona manana elatra,
11 Ianareo mpanjakan’ny tany sy ianareo firenena rehetra,
Ianareo andriana sy ianareo mpitsara rehetra eto an-tany,+
12 Ianareo tovolahy sy ianareo tovovavy,*
Ianareo lehilahy zokiolona sy ianareo tanora.*
13 Aoka samy hidera ny anaran’i Jehovah ireo,
Fa ny anarany ihany no avo indrindra.+
Ambony noho ny tany sy ny lanitra ny voninahiny.+
14 Hampitombo ny herin’ny* vahoakany izy,
Mba hahazo dera izay rehetra tsy mivadika aminy,
Dia ny zanak’Israely, izay firenena akaiky azy.
Derao i Jah!*
149 Derao i Jah!*
2 Aoka ny Israely hifaly amin’Ilay Be Voninahitra Mpanao azy;+
Aoka ny zanakalahin’i Ziona hiravoravo amin’ilay Mpanjakan’izy ireo.
3 Aoka izy ireo hidera ny anarany amin’ny dihy,+
Sy hihira fiderana* ho azy, sady hively ampongatapaka no hitendry harpa.+
4 Fa mahafinaritra an’i Jehovah ny vahoakany.+
Ravahany famonjena+ ny mpandefitra.
5 Aoka ireo olona tsy mivadika hifaly noho ny voninahitra azony;
Aoka izy ireo hihoby eo am-pandrianany.+
6 Aoka ho eo am-bavany ny hira fiderana an’Andriamanitra,
Ary aoka hisy sabatra roa lela eny an-tanany,
7 Mba hamaliana an’ireo firenena
Sy hanasaziana ny vahoaka,
8 Mba hamatorana ny mpanjakan’ireny amin’ny rojo,
Sy ny olona ambony eo aminy amin’ny gadra vy,
9 Ary mba hampiharana amin’izy ireo ny didim-pitsarana voasoratra.+
Izay rehetra tsy mivadika amin’Andriamanitra no mahazo an’izany voninahitra izany.
Derao i Jah!*
Derao ao amin’ny toerany masina+ Andriamanitra.
Derao izy, eny amin’ny habakabaka,* izay porofon’ny heriny.+
2 Derao izy noho ny asa lehibe nataony.+
Derao izy fa izy no tena miavaka indrindra.+
3 Derao amin’ny feon’anjombona+ izy.
Derao amin’ny zavamaneno fitendry sy ny harpa+ izy.
4 Derao amin’ny ampongatapaka+ sy ny dihy faribolana izy.
Derao amin’ny zavamaneno fitendry+ sy ny sodina+ izy.
5 Derao amin’ny kipantsona mikarantsana izy.
Derao amin’ny kipantsona+ avo feo izy.
6 Aoka hidera an’i Jah ny zavamananaina rehetra.
Abt: “tsy mandeha araka.”
Na: “vakiny amin’ny feo iva.”
Na: “misaintsaina.”
Na: “mikaon-doha.”
Na: “ny Kristiny.”
Na: “Mitandrema.”
Abt: “Orohy.”
Abt: “izy.”
Na: “ho ringana tsy ho eo amin’ny lalan’ny fahamarinana.”
Jereo F.T.
Abt: “Omeo toerana malalaka.”
Na: “fa havahan’i Jehovah; fa hatokan’i Jehovah ho azy.”
Abt: “hazavan’ny tarehinao.”
Jereo F.T.
Na: “mpandatsa-dra.”
Na: “toeranao masina.”
Jereo F.T.
Na: “Amindrao fo.”
Na: “mahatsiaro.”
Jereo F.T.
Abt: “Ataoko milomano.”
Na: “mihantitra.”
Na: “Hira fisaonana.”
Na mety hoe “Nefa nitsimbina an’ilay nanohitra ahy tsy amin’antony.”
Abt: “ny aiko.”
Na: “mitsapa ny fo sy ny voa.”
Na: “fanamelohana.”
Abt: “Hitsingerina eo an-dohany.”
Na: “Hitendry mozika.”
Jereo F.T.
Na mety hoe “Tantaraina any ambonin’ny lanitra.”
Na: “noho ireo mitovy amin’Andriamanitra.”
Abt: “biby any an-tsaha.”
Jereo F.T.
Na: “Hitendry mozika.”
Na: “ny tany lonaka.”
Na: “toerana avo.”
Jereo F.T.
Jereo F.T.
Na mety hoe “Mitso-drano ny tenany ilay.”
Na: “Hamavoiny.”
Na: “hivembena.”
Na: “ao anaty kirihitra.”
Na: “hohony mafy be.”
Na: “mamoritra.”
Na: “fototry ny rariny.”
Na: “ny maha izy azy.”
Na mety hoe “vainafo.”
Abt: “anjara kaopin’izy ireo.”
Na: “hahazo sitraka aminy.”
Jereo F.T.
Abt: “fo roa.”
Na: “manamavo.”
Na mety hoe “fatana fandrendrehana atao eo amin’ny tany.”
Abt: “hanafina ny tarehinao amiko?”
Na: “fa namaly soa ahy izy.”
Na: “tsisy saina.”
Na: “amin’ny tsy fivadihana.”
Na: “mampahamenatra.”
Abt: “fianianany.”
Na: “hivembena.”
Jereo F.T.
Na: “ilay Loharanon’ny hatsaran-toetrako.”
Na: “ny fihetseham-poko lalina indrindra.” Abt: “ny voako.”
Na: “hivembena.”
Abt: “voninahitro.”
Na: “ny nofoko.”
Na: “Sheôl”, izany hoe toerana an’ohatra misy ny maty. Jereo F.T.
Na mety hoe “Tsy havelanao ho lo.”
Na: “Fahafinaretana.”
Avy amin’ny teny hebreo midika ara-bakiteny hoe mandrendrika metaly mba hanadiovana azy.
Na: “Miondreha ary henoy.”
Na: “Voasaron’ny taviny ihany.”
Na: “hanipazana anay amin’ny tany.”
Na: “rehefa mahita anao.”
Jereo F.T.
Na: “sy mpamonjy mahery ho.”
Na: “toerana avo.”
Jereo F.T.
Na: “ny rivotra.”
Na: “ny lakandrano.”
Na: “toerana malalaka.”
Abt: “madio ny tanako.”
Na: “tsy manan-tsiny ny tanako.”
Na: “ory.”
Abt: “maso mianjonanjona.”
Avy amin’ny teny hebreo midika ara-bakiteny hoe mandrendrika metaly mba hanadiovana azy.
Na: “ny tanako.”
Na: “Manome an’izay ilaiko.”
Na: “Homenao ahy ny lamosin’ny fahavaloko.”
Abt: “hataoko mangina.”
Na: “Ho lany hery.”
Na: “hitendry mozika.”
Na: “Manome fandresena miezinezina.”
Na mety hoe “tady fandrefesan’izy ireo.”
Na: “tany lonaka.”
Na: “mampody aina.”
Na: “voadio.”
Na: “Lazao hoe tsy manan-tsiny aho.”
Na: “ho nandika lalàna be dia be.”
Abt: “Hoheveriny ho toy ny tavy anie.”
Na: “fandresena.”
Na: “voadio.”
Abt: “Nohalavainao ny androny.”
Na: “eo anatrehan’ny tarehinao.”
Na: “hivembena.”
Abt: “hateliny.”
Abt: “ny tarehin’izy ireny.”
Abt: “tadin-tsipìkanao.”
Abt: “Hihira sy hitendry mozika.”
Mety ho karazana feo na gadona.
Na: “nahazo seza fiandrianana eo amin’ny (eo ambonin’ny).”
Na: “tsy nitsanga-menatra.”
Na: “henatra ho an’ny olona.”
Abt: “natsipy teny aminao.”
Abt: “ny lahitokako”, izany hoe ny ainy.
Abt: “Tsy manafina ny tarehiny aminy Izy.”
Abt: “Ho velona mandrakizay anie ny fonareo!”
Abt: “matavy.”
Na mety hoe “eny amin’ny rano milamina.”
Na: “Mampionona.”
Na: “amin’ny aiko”, izany hoe ny ain’i Jehovah.
Na: “hanome rariny azy.”
Abt: “mitady ny tarehinao.”
Na: “Misondrota.”
Na: “Aminao no anolorako ny tenako, Jehovah ô!”
Na: “hatramin’ny taloha ela be.”
Abt: “ho amin’ny hitsiny.”
Na: “amin’ny lalan’i.”
Abt: “avoty.”
Avy amin’ny teny hebreo midika ara-bakiteny hoe mandrendrika metaly mba hanadiovana azy.
Na: “fihetseham-poko lalina indrindra.” Abt: “voako.”
Abt: “miara-mipetraka.”
Na: “tsy miarakaraka amin’ny mpihatsaravelatsihy.”
Abt: “hiara-mipetraka.”
Na: “mpandatsa-dra.”
Abt: “Avoty.”
Na: “Ary hibanjina.”
Na: “toerany masina.”
Abt: “ny lohako.”
Na: “Hitendry mozika.”
Abt: “ny tarehiko.”
Abt: “Ny tarehinao.”
Abt: “Aza afenina ahy ny tarehinao.”
Na mety hoe “Tena mino aho hoe hahita ny hatsaran-toetran’i Jehovah eo amin’ny tanin’ny velona.”
Na: “am-pasana.”
Abt: “manandratra ny tanako.”
Abt: “Horavan’Andriamanitra izy ireny fa tsy haoriny.”
Na: “manompoa an’i.”
Na mety hoe “Miankohofa eo anatrehan’i Jehovah noho ny famirapiratan’ny fahamasinany.”
Azo inoana hoe ny Tandavan-tendrombohitra Libàna.
Na: “ranomasimbe any an-danitra.”
Jereo F.T.
Na: “am-pasana.”
Na: “Mitendre mozika.”
Abt: “fahatsiarovana ny fahamasinany.”
Na: “Tsy hivembena.”
Abt: “nanafina ny tarehinao.”
Na: “azo amin’ny rako.”
Na: “am-pasana?”
Na: “hahafahan’ny voninahitro.”
Na: “Miondreha ary henoy aho.”
Na: “Ankiniko eo an-tananao.”
Na: “Andriamanitra mendri-pitokisana.”
Na: “toerana malalaka.”
Na: “sy ny tenako sy ny kiboko.”
Na: “an-tsain’izy ireo.”
Abt: “fotoanako.”
Abt: “hampamirapiratra ny tavanao.”
Jereo F.T.
Abt: “Mba tsy ho azon’ny lela tia mifanditra.”
Jereo F.T.
Na: “voavela.”
Abt: “taolako.”
Na: “ny tsy fankasitrahanao.”
Na: “Niova ny hamandoan’ny fiainako.”
Na: “Mitendre mozika.”
Na: “ny fitiavan’i Jehovah sy ny tsy fivadihany.”
Abt: “ny tafiny rehetra.”
Na: “eritreritry ny.”
Na: “fandresena.”
Abt: “ny tarehin’izy ireo.”
Na: “ny tarehin’i Jehovah.”
Na: “kivy be; ketraka.”
Na: “fahoriana.”
Ny mpandefa zana-tsipìka no tena mpitondra azy io.
Na: “famaky roa lela.”
Na: “rehefa niverina teo an-tratrako.”
Na mety hoe “Maneso mba hahazoana mofo.”
Abt: “ny lahitokako”, izany hoe ny ainy.
Na: “hisaintsaina.”
Abt: “tendrombohitr’Andriamanitra.”
Na: “vonjenao.”
Abt: “amin’ny matavy.”
Na: “tezitra.”
Na: “Ataovy mahafaly be anao i Jehovah.”
Na mety hoe “Aza tezitra, satria mety ho loza no hiafaran’izany.”
Na: “mamoritra; manisy tady.”
Abt: “ny andron’ny.”
Na: “miantra.”
Na: “Ataon’i Jehovah mafy orina ny dian’ny olona iray.”
Abt: “ny lalany.”
Na: “mofo.”
Na: “Miresaka fahendrena amin’ny feo iva.”
Na: “tsy mivadika.”
Na: “ho fahatsiarovana.”
Abt: “Tsy misy tsy marary ny nofoko.”
Abt: “tsy misy fiadanana ao amin’ny taolako.”
Abt: “Mamaivay daholo ny andilako.”
Na: “Mitabataba.”
Abt: “nandao ahy ny hazavan’ny masoko.”
Na: “ireo mifofo ny aiko.”
Abt: “velona.”
Na mety hoe “Maro anefa ireo lasa fahavaloko tsy amin’antony.”
Jereo F.T.
Na: “ny diako.”
Abt: “amin’ny lelako.”
Na: “Hogiazako amin’ny fehivava.”
Na: “Nihamafy.”
Abt: “Nihanafana.”
Na: “am-pisentoana.”
Na: “fa mandalo ihany aho.”
Na: “hoatran’ny halavan’ny sakan’ny felatanana.”
Abt: “Mitabataba.”
Abt: “samoina”, any Israely. Bibikely manana elatra, mitovitovy amin’ny lolo.
Na: “mpiavy.”
Na: “Naharitra niandry.”
Na: “niondrika.”
Na: “mpandainga.”
Na: “Tsy nankasitraka.”
Na: “iriko.”
Na: “ny fitiavanao sy ny tsy fivadihanao.”
Na: “mifofo ny aiko.”
Na: “milaza lainga ny fony.”
Na: “no nivadika tamiko.”
Na: “Hatrizay hatrizay ka ho mandrakizay.”
Jereo F.T.
Abt: “ararako ny aiko.”
Na: “tamim-pahamendrehana.”
Na: “amin’ilay tendrombohitra kely.”
Na mety hoe “ka toy ny hoe manorotoro ny taolako.”
Jereo F.T.
Na: “Omeo famonjena lehibe.”
Na: “tsy misy tombony azonao amin’ny vidin’izy ireo.”
Abt: “hataon’ireo firenena oha-pitenenana.”
Abt: “manafina ny tarehinao?”
Abt: “Avoty.”
Jereo F.T.
Abt: “ny asako.”
Na: “mpanora-dalàna.”
Na: “hahomby.”
Abt: “hampianatra anao.”
Na: “tehin’ny fahitsiana.”
Na: “zavamaneno fitendry.”
Na: “mpanjakavavy.”
Abt: “Hampitony ny tarehinao.”
Na mety hoe “akanjo lava misy peta-kofehy.”
Jereo F.T.
Na: “Toerana avo.”
Na mety hoe “ny ampinga.”
Na: “feona tandrok’ondry; feona trompetra.”
Na: “Mitendre mozika.”
Abt: “ampingan’ny tany.”
Na: “toerana avo.”
Na: “nifanao fotoana.”
Abt: “zanakavavin’i.”
Na: “manda voaro mafy.”
Na mety hoe “mandra-pahafatintsika.”
Abt: “Dia ianareo taranak’olombelona sy ianareo zanak’olombelona.”
Na: “hevitra ilana fahiratan-tsaina.”
Abt: “fahadisoana.”
Na: “fasana.”
Jereo F.T.
Jereo F.T.
Abt: “amin’ny tanan’ny.”
Jereo F.T.
Na: “Ilay Mahery, izany hoe ilay Andriamanitra, dia i Jehovah.”
Na: “Hatrany atsinanana ka hatrany andrefana.”
Abt: “osilahy.”
Na: “torohevitra.”
Abt: “arianao any ivohonao ny teniko.”
Na mety hoe “manaraka azy.”
Na: “Alainao baraka ny.”
Na: “ao an-tsaiko.”
Abt: “Taminao irery ihany aho no nanota.”
Na: “tao anatin’ny fahotana no bevohoka ahy ny reniko.”
Jereo F.T.
Na: “Afeno ny tarehinao.”
Na: “koseho.”
Abt: “Enga anie ianao hanohana ahy amin’ny toe-tsaina feno fahavononana.”
Na: “Tsy hataonao tsinontsinona.”
Jereo F.T.
Na: “fiarovana mafy ho azy.”
Na: “nialokaloka.”
Abt: “loza avy aminy.”
Jereo F.T.
Jereo F.T.
Na: “tsy ampy saina.”
Na mety hoe “hatahotra izy ireo nefa tsy misy zavatra mampahatahotra akory.”
Abt: “mitoby mba hanafika anareo.”
Jereo F.T.
Na: “hiadiana ho ahy eny amin’ny fitsarana.”
Na: “mifofo ny aiko.”
Na: “Tsy ataon’izy ireo eo anatrehany Andriamanitra.”
Abt: “Ataovy mangina.”
Jereo F.T.
Na: “aza miafina rehefa mitalaho fanampiana aminao aho.”
Abt: “ataovy mizarazara ny lelany.”
Mety ho “ny herisetra sy ny ady.”
Na: “izay olo-manan-kaja mitovy amiko.”
Jereo F.T.
Na: “mitabataba.”
Abt: “Hanavotra.”
Izany hoe ilay namana taloha resahina eo amin’ny and. 13 sy 14.
Na: “hangozohozo; hivembena.”
Jereo F.T.
Na: “mitady handrapaka.”
Abt: “nofo.”
Na: “hanapitra ny aiko.”
Na: “siny hoditrao.”
Abt: “ao anatin’ny fahazavan’ny.”
Jereo F.T.
Na: “Hitendry mozika.”
Jereo F.T.
Abt: “avy ao an-kibo.”
Na: “ratsy saina.”
Na: “liona tanora.”
Na: “hamoritra.”
Jereo F.T.
Abt: “ny trano.”
Na: “lian-dra.”
Na: “Mivovò.”
Na: “miboiboika.”
Na: “toerana avo.”
Na: “hivovò.”
Na: “hitendry mozika.”
Jereo F.T.
Na mety hoe “Nomenao.”
Na mety hoe “Efa niteny tao amin’ny toerany masina Andriamanitra.”
Na: “Lemaka Ivan’i.”
Abt: “toerana voaro mafy ho an’ny lohako.”
Na mety hoe “tanàna voaro mafy.”
Na: “reraka.”
Na: “Hitoetra.”
Na: “Tendreo ny fitiavana sy ny tsy fivadihana.”
Na: “hitendry mozika.”
Jereo F.T.
Na: “toerana avo.”
Na mety hoe “Ianareo rehetra manao azy ho toy ny manda mitongilana.”
Na: “amin’ny voninahiny.”
Abt: “ny nofoko.”
Abt: “hanandratako ny tanako.”
Abt: “amin’ny matavy sy ny hatavezana.”
Na: “mitady hamono ahy.”
Na: “amboadia.”
Na: “Hirehareha.”
Na: “Mifampitaona hanao ratsy.”
Abt: “lelany.”
Na: “Hirehareha.”
Abt: “nofo.”
Na: “saronanao.”
Na: “toeranao masina.”
Abt: “heriny izy.”
Abt: “izy.”
Abt: “tondraka.”
Na: “ary mandravona an’izay midongona eo aminy ianao.”
Abt: “Mitete hatavezana.”
Abt: “Mitete.”
Na: “lemaka iva.”
Na: “Mitendre mozika.”
Na: “hangozohozo; hivembena.”
Abt: “ny andilanay.”
Abt: “ny lohanay.”
Abt: “Hampamirapiratra ny tavany.”
Na: “hanaja.”
Na: “Mitendre mozika.”
Na mety hoe “mandeha eny ambony rahona.”
“Jah” no fanafohezana an’ilay anarana hoe Jehovah.
Abt: “mpitsara.”
Na: “mpikomy.”
Abt: “nivoaka teo anoloan’ny.”
Abt: “Nitete.”
Abt: “lovanao.”
Na mety hoe “eny amin’ny valan’ondry.”
Na: “maitso somary mavo.”
Na: “Dia toy ny hoe nisy lanezy teo Zalmona.”
Na: “Tendrombohitra manerinerina.”
Na: “irin’Andriamanitra.”
Na: “mandeha.”
Abt: “amin’ny helony.”
Na mety hoe “hanitsakitsahany.”
Na mety hoe “Hisy ambasadaoro.”
Na: “Mitendre mozika.”
Abt: “any anaty rahona.”
Abt: “toeranao.”
Na: “ireo manohitra ahy tsy amin’antony.”
Na mety hoe “Rehefa nitomany sy nifady hanina aho.”
Na: “nataon’izy ireo oha-pitenenana.”
Na: “lavaka.”
Abt: “aza manafina ny tavanao amin’ny.”
Na: “avoty.”
Na: “ary mitady hamoy fo aho.”
Na: “Zavamaniry misy poizina.”
Na: “fahaviniranao.”
Na: “tobiny misy manda.”
Na: “bokin’ny fiainana.”
Na: “ho fahatsiarovana.”
Na: “mifofo ny aiko.”
Na: “hiondrika sy hihaino.”
Na: “Ianao no natokisako.”
Na: “tsy voaisako.”
Abt: “sandrinao.”
Na: “rano.”
Na: “Hitendry mozika.”
Na: “navotanao.”
Na: “Hisaintsaina.”
Abt: “hitsara.”
Abt: “hitsimoka.”
Na: “Izy dia hanjaka.”
Izany hoe Eofrata.
Na: “Hanavotra.”
Na: “mpieboebo.”
Na: “Be kibo izy fa matavy.”
Na: “harena.”
Abt: “vahoakany.”
Abt: “taranaky ny zanakao.”
Na: “hanaovanao tsinontsinona ny voninahiny.”
Abt: “ny voako.”
Abt: “Hataonao mangina.”
Na: “izay mijangajanga mahafoy anao.”
Jereo F.T.
Abt: “ny hatezeranao no manetroka.”
Abt: “ny fiangonanao.”
Na: “fivavahana.”
Na: “anaty akanjonao.”
Jereo F.T.
Abt: “Akaiky ny anaranao.”
Abt: “nihalevona.”
Abt: “Aza asandratra ny tandrokareo.”
Abt: “Aza asandratra avo ny tandrokareo.”
Abt: “fisandratana.”
Na: “sy misy fangarony be dia be.”
Na: “Hitendry mozika.”
Abt: “Hotapahiko ny tandroky.”
Abt: “hasandratra kosa ny tandroky ny.”
Na: “Rakotra hazavana.”
Abt: “toe-tsain’ny.”
Jereo F.T.
Na: “manatsotra ny tanako any aminy aho ary tsy voly.”
Na: “mozika notendreko.”
Na: “mankarary ny foko.”
Abt: “ny tanany ankavanana.”
Abt: “sandrinao.”
Abt: “hanavotana.”
Na: “ny tany lonaka.”
Abt: “Tamin’ny tanan’i.”
Jereo F.T.
Na: “toromarika omeko.”
Abt: “tsy nanomana ny fony.”
Na: “nataony nitsangana toy ny rindrina.”
Abt: “Nisedra.”
Na: “anjely.”
Na: “Mpamaly ny ratsy natao taminy.”
Abt: “vavany.”
Abt: “Nanarona.”
Na mety hoe “Miala ny ainy.”
Na: “Ka nampijaly.”
Abt: “tanany.”
Abt: “nanavotany.”
Na: “Nil.”
Na mety hoe “nataony nanavy be.”
Abt: “ny ain’izy ireo.”
Abt: “Nisedra.”
Na: “nampahasaro-piaro.”
Abt: “Ary tsy mba nisy nidera.”
Abt: “Naoriny ho toy ny havoana.”
Izany hoe Davida.
Abt: “kinga ny tanany.”
Abt: “saròny.”
Abt: “sandrinao.”
Na mety hoe “hanafahana an’ireo.”
Abt: “zanaky ny fahafatesana.”
Na: “Asehoy ny famirapiratanao.”
Na mety hoe “eo anelanelan’ny.”
Abt: “hampamirapiratra ny tavanao.”
Abt: “ianao no hanetroka amin’ny.”
Abt: “hampamirapiratra ny tavanao.”
Izany hoe Eofrata.
Na: “zanany kely; sampany.”
Abt: “ny fananaran’ny tavanao.”
Abt: “hampamirapiratra ny tavanao.”
Jereo F.T.
Izany hoe Andriamanitra.
Na: “fiteny.”
Abt: “tao amin’ny toerana miafina fonenan’ny kotroka.”
Midika hoe “Filana Ady.”
Na: “ny fony mikiribiby.”
Abt: “Nandeha tamin’ny toroheviny.”
Abt: “ny fotoanany.”
Abt: “amin’ny matavy amin’ny varimbazaha.”
Abt: “izy”, izany hoe ny vahoakan’Andriamanitra.
Na: “fivoriana tarihin’Andriamanitra.”
Na: “mitovy amin’Andriamanitra.”
Na: “Tsarao.”
Izany hoe “ireo andriamanitra” eo amin’ny and. 1.
Na: “mitovy amin’Andriamanitra.”
Na: “mampitraka ny lohany.”
Abt: “olona nafeninao.”
Abt: “Miara-midinika amin’ny fo iray.”
Abt: “Lasa sandry ho.”
Na: “lalan-driakan’i.”
Na: “mpitarika eo aminy.”
Abt: “Fenoy fahafaham-baraka ny tarehin’izy ireo.”
Jereo F.T.
Na: “Tena tiako be.”
Na: “lohasaha feno hazo bakà.”
Na mety hoe “Ary mampitafy fitahiana ny tenany ilay mpampianatra.”
Na mety hoe “Jereo ny ampinganay, Andriamanitra ô!”
Abt: “Nosaronanao.”
Na: “Angony.”
Na: “fiadanana.”
Na: “Miondreha ary mihainoa.”
Na: “aminao no anolorako ny tenako.”
Na: “Omeo fo tsy voazarazara aho mba hatahorako ny anaranao.”
Jereo F.T.
Na: “Mifofo ny aiko.”
Na: “tsy ataon’izy ireo eo anatrehany ianao.”
Na: “tsara fanahy.”
Na: “tena tia fahamarinana.”
Na: “porofo.”
Na: “manaiky.”
Na: “Amiko dia ianao no loharanon’ny zava-drehetra.”
Jereo F.T.
Jereo F.T.
Na: “Miondreha ary henoy.”
Jereo F.T.
Na: “am-pasana.”
Na: “hoatran’ny olona tsy manan-kery.”
Na: “any Abadona.”
Abt: “manafina ny tarehinao amiko?”
Na mety hoe “Miara-mitangorona amiko ireny.”
Jereo F.T.
Na: “Haharitra.”
Na: “eo amin’ny fiangonan’ireo.”
Abt: “hazavan’ny tarehinao.”
Abt: “misandratra ny tandrokay.”
Abt: “hisandratra ny tandrony.”
Na: “fahefany.”
Na: “ny didim-pitsarako.”
Na: “ny fikomian’izy ireo.”
Abt: “tsy hivadika aho fa ho mendri-pitokisana foana.”
Na: “diademany.”
Na: “toeram-pialofany.”
Abt: “Nasandratrao ny tanana ankavanan’ny fahavalony.”
Abt: “tsy ho eo an-tanan’ny.”
Jereo F.T.
Abt: “nentiko teo an-tratrako.”
Na mety hoe “fialofanay.”
Na: “niterahanao toy ny hoe tao anatin’ny fanaintainana.”
Na: “Fantatrao tsara.”
Na: “noho ny tanjaka miavaka.”
Na: “mafy orina.”
Na: “mafy orina.”
Na: “Ny volon’elany no hisakanany an’izay manatona anao.”
Abt: “hamaliana.”
Na mety hoe “fiarovana mafy ho anao; fialofanao.”
Na: “ekeny.”
Na: “hasehoko azy ny famonjeko.”
Na: “mitendry mozika.”
Zavamaneno fahiny misy tadiny, mitovitovy amin’ny kabôsy.
Na: “ahitra.”
Abt: “hanandratra ny tandroko.”
Na: “fotsy volo.”
Abt: “hatavy.”
Na: “tany lonaka.”
Na: “tsy voahetsiketsika.”
Na: “Mendrika.”
Abt: “efa nitoetra tao amin’ny fahanginana.”
Na: “nampiasa saina.”
Na: “tato anatiko.”
Na: “ny fampiononanao no nampitony ahy.”
Na: “mpitsara.” Abt: “seza fiandrianana.”
Abt: “Ary lazainy fa meloka (na ratsy fanahy) ny ran’ny.”
Na: “toerana avo.”
Abt: “hampanginany.”
Na: “Hataon’i Jehovah Andriamanitsika mangina.”
Abt: “anoloan’ny tarehiny.”
Abt: “ondrin’ny tanany.”
Midika hoe “Filana Ady.”
Midika hoe “Fitsapana; Fisedrana.”
Na: “manompoa an’i.”
Na mety hoe “Miankohofa eo anatrehan’i Jehovah noho ny famirapiratan’ny fahamasinany.”
Na: “tany lonaka.”
Na: “tsy voahetsiketsika.”
Na: “efa tonga.”
Na: “tany lonaka.”
Izany hoe araka ny tsy fivadihan’Andriamanitra.
Na: “Manompoa azy.”
Abt: “zanakavavin’i.”
Na: “eo ambany fahefan’ny.”
Abt: “fahatsiarovana ny fahamasinany.”
Na: “Nahazoany fandresena.”
Na: “fandresen’Andriamanitsika.”
Na: “mitendre mozika.”
Na: “Mitendre mozika.”
Na: “tany lonaka.”
Na: “efa tonga.”
Na: “tany lonaka.”
Na mety hoe “eo anelanelan’ny.”
Na: “manompoa.”
Abt: “namaly.”
Na: “manompoa.”
Na: “Ekeo.”
Na mety hoe “fa tsy ny tenantsika.”
Na: “hitendreko mozika.”
Na: “tsy hivadika.”
Na: “zavatra tsy misy ilana azy.”
Na: “Tsy mamikitra amiko ny zavatra ataon’izy ireo.”
Abt: “hahalala.”
Na: “Haringako.”
Na: “miavonavona.”
Na: “Izay tsy mivadika.”
Abt: “eo anoloan’ny masoko.”
Na: “hataoko tsy misy intsony.”
Na: “mihareraka.”
Abt: “Aza afenina ahy ny tarehinao.”
Na: “Miondreha ary henoy aho.”
Na mety hoe “Lasa mahia kaozatra.”
Na: “maniratsira.”
Na: “aloka mihalava.”
Na: “anaranao.” Abt: “fahatsiarovana anao.”
Na: “am-pasana.”
Na: “miantra.”
Na: “tena be fitiavana sy tsara fanahy.”
Abt: “Ary tsy mahalala azy intsony izay toerana nisy azy.”
Abt: “mihaino ny feon’ny teniny.”
Abt: “any anaty rano.”
Abt: “fanahy.”
Na: “tsy ho voahozongozona.”
Na: “lalan-driaka.”
Abt: “ny fon’ny olona.”
Jereo F.T.
Abt: “manafina ny tarehinao.”
Na: “Hitendry mozika.”
Na mety hoe “Hahafinaritra anie ny fisaintsainako momba azy!”
Na: “Haleloia!” “Jah” no fanafohezana an’ilay anarana hoe Jehovah.
Na: “mitendre mozika.”
Na mety hoe “Resaho.”
Na: “Tadiavo foana ny tarehiny.”
Abt: “ny teny nandidiany.”
Abt: “Notapahiny ny hazon’ny mofo rehetra.” Mety ho hazo fanantonana ny mofo notehirizina.
Abt: “Nampijalina.”
Avy amin’ny teny hebreo midika ara-bakiteny hoe mandrendrika metaly mba hanadiovana azy.
Na: “anti-panahy.”
Mety hoe i Mosesy sy Arona.
Na: “lelafo.”
Na: “tafintohina.”
Abt: “azy ireo.”
Na: “Haleloia!” “Jah” no fanafohezana an’ilay anarana hoe Jehovah.
Na: “Haleloia!” “Jah” no fanafohezana an’ilay anarana hoe Jehovah.
Na: “mankasitraka.”
Na mety hoe “Tsy takatry ny.”
Na: “tany karakaina.”
Na: “niangana.”
Na: “sarivongana vita amin’ny metaly narendrika.”
Abt: “nijoro teo amin’izay nisy banga teo anoloany.”
Na: “niraiki-po tamin’i.”
Izany hoe sorona natolotra ho an’ny olona efa maty na ho an’andriamanitra tsy mananaina.
Midika hoe “Filana Ady.”
Na: “nianatra.”
Izany hoe nivavaka.
Abt: “tanany.”
Na: “nanenina izy.”
Na: “Hatrizay hatrizay ka ho mandrakizay.”
Na: “Ho tanteraka anie izany!”
Na: “Haleloia!” “Jah” no fanafohezana an’ilay anarana hoe Jehovah.
Na: “teo ambany fahefan’ny.”
Na: “Avy tany amin’ny fiposahan’ny masoandro sy ny filentehany.”
Na: “main’ny hetaheta.”
Na: “Tsy tia ny sakafo rehetra.”
Abt: “eo amin’ny toerana fipetrahan’ireo.”
Na: “anti-panahy.”
Na: “ataony ambony”, izany hoe ataony tsy takatra.
Abt: “hatramin’ny voninahitro.”
Na: “hitendry mozika.”
Na mety hoe “Efa niteny tao amin’ny toerany masina Andriamanitra.”
Na: “Lemaka Ivan’i.”
Abt: “toerana voaro mafy ho an’ny lohako.”
Abt: “mpiampanga.”
Na: “ratsy fanahy.”
Abt: “zanany lahy.”
Abt: “zanany lahy.”
Na: “Hamelatra fandrika hahazoana ny fananany rehetra anie ny mpampanjana-bola.”
Na: “ho tia azy sy tsy hivadika.”
Na: “fitiavana sy tsy fivadihana.”
Abt: “Mihamahia ny nofoko, tsy misy tavy (menaka).”
Na: “akanjo tsy misy tanany.”
Na: “tehin’ny herinao; tehim-pahefanao.”
Na: “Manjakà eo anivon’ny fahavalonao.”
Na: “amin’ny andro amoriana ny tafikao.”
Na: “antokona tanoranao.”
Na: “tsy hanenina.”
Na: “eo amin’ireo.”
Abt: “loha.”
Na: “ny tany manontolo.”
Ilay “Tompoko” eo amin’ny and. 1.
Na: “Haleloia!” “Jah” no fanafohezana an’ilay anarana hoe Jehovah.
Na: “Miantra.”
Na: “Tsara fototra.”
Abt: “an’ireny.”
Na: “Haleloia!” “Jah” no fanafohezana an’ilay anarana hoe Jehovah.
Na: “Miantra.”
Na: “miantra.”
Na: “Tapa-kevitra; Tsy miovaova.”
Na: “Malala-tanana.”
Abt: “Hisandratra amim-boninahitra ny tandrony.”
Na: “Haleloia!” “Jah” no fanafohezana an’ilay anarana hoe Jehovah.
Na: “mipetraka eo amin’ny seza fiandrianany.”
Na mety hoe “fanariam-pako.”
Abt: “zanakalahy.”
Na: “Haleloia!” “Jah” no fanafohezana an’ilay anarana hoe Jehovah.
Izany hoe toerana masin’Andriamanitra.
Na: “Tsy mendrika hahazo na inona na inona izahay, Jehovah ô, tsy mendrika hahazo na inona na inona.”
Abt: “zanakalahinareo.”
Abt: “any amin’ny fahanginana.”
Na: “Haleloia!” “Jah” no fanafohezana an’ilay anarana hoe Jehovah.
Na mety hoe “Feno fitiavana aho satria mihaino ny feoko i Jehovah.”
Na: “miondrika mba hihaino.”
Abt: “amin’ny androko.”
Abt: “Nahita ahy ny fahorian’ny Sheôl.”
Na: “Miantra.”
Na: “famonjena lehibe.”
Abt: “Sarobidy.”
Na: “Haleloia!” “Jah” no fanafohezana an’ilay anarana hoe Jehovah.
Na: “ry foko.”
Na: “Haleloia!” “Jah” no fanafohezana an’ilay anarana hoe Jehovah.
“Jah” no fanafohezana an’ilay anarana hoe Jehovah.
Na: “toerana malalaka.”
Na mety hoe “sy ireo manampy ahy.”
Na mety hoe “Natosikao.”
Na: “mandresy.”
Na: “vato nolavin’ny.”
Abt: “lasa lohan’ny zoro.”
Na: “izay tsy mivadika.”
Na: “mandeha amin’ny.”
Abt: “Ho mafy orina anie ny lalako.”
Abt: “hiaro ny lalany ho madio foana.”
Na: “Hianatra.”
Abt: “Ahorony hiala eo amboniko.”
Na: “mianatra.”
Abt: “lalan’ny.”
Na: “hianarako.”
Na: “ho menatra.”
Na: “Hihazakazaka hanaraka ny lalan’ny didinao aho.”
Na mety hoe “ataonao feno toky ny foko.”
Na: “Ampandehano.”
Na: “ny teninao.”
Na mety hoe “Izay natao tamin’ireo matahotra anao.”
Na: “ny teninao.”
Na: “miandry.”
Na: “toerana malalaka.”
Na: “hianarako.”
Na: “fampanantenanao.”
Na: “Izay nasainao nandrasako.”
Na: “Ao amin’ny trano ivahiniako.”
Abt: “Mampitony ny tarehinao.” Na: “Mitady tsiky avy aminao.”
Na: “ny teninao.”
Na: “Nanota tsy nahy.”
Abt: “Tsy mahatsapa na inona na inona hoatran’ny tavy.”
Na: “miandry ny teninao aho.”
Na: “ny teninao tamin’ny.”
Na mety hoe “amin’ny lainga.”
Na: “hianatra.”
Na: “Miandrandra ny famonjenao aho.”
Na: “miandry ny teninao aho.”
Izany hoe ny zavaboary rehetra noforoniny.
Abt: “malalaka be.”
Na: “ianarako.”
Na: “mianatra.”
Abt: “ny fanatitra an-tsitrapo avy amin’ny vavako.”
Na: “Eo an-tanako.”
Na: “lovako.”
Na: “Mampirisika ny foko.”
Na: “manana fo voazarazara.”
Na: “miandry ny teninao aho.”
Na: “ny teninao.”
Na: “ho menatra.”
Abt: “ny nofoko.”
Na: “ny teny marina.”
Na: “voadio.”
Na: “ny didinao.”
Abt: “sempotsempotra.”
Na: “Ataovy mamahatra tsara amin’ny teninao.”
Abt: “Avoty.”
Na: “hitsiky.” Abt: “hampamirapiratra ny tavanao.”
Avy amin’ny teny hebreo midika ara-bakiteny hoe mandrendrika metaly mba hanadiovana azy.
Na: “miandry ny teninao aho.”
Na: “hianatra.”
Na: “mamoafady.”
Na: “Raiso an-tanana ny adiko eny amin’ny fitsarana.”
Na: “ny teninao.”
Na: “ny teninao.”
Jereo F.T.
Abt: “ary inona no hampiany aminao?”
Na: “hangozohozo.”
Abt: “na mivoaka ianao na miditra.”
Abt: “Ao anatin’ny vavahadinao.”
“Jah” no fanafohezana an’ilay anarana hoe Jehovah.
Na: “manda voaro mafy.”
Na: “Leon’ny fanesoana.”
Na: “tsy hanatsotra ny tanany.”
Na: “ao amin’ny lalan-driaka any atsimo.”
Na: “zanakalahy.”
Abt: “Avy ao amin’ny lalina.”
Na: “Raha ataonao lisitra daholo ny fahadisoanay.”
“Jah” no fanafohezana an’ilay anarana hoe Jehovah.
Abt: “hatahoran’ny.”
Na: “ny tenako.”
Na: “tranolay be voninahitra.”
Na: “tranolainy be voninahitra.”
Abt: “ahodina ny tarehin’ilay.”
Abt: “ampianariko.”
Abt: “ny tandrok’i.”
Na: “diadema.”
Na: “hiroborobo.”
Na mety hoe “Asandrato ao amin’ny toerana masina ny tananareo.”
Na: “Haleloia!” “Jah” no fanafohezana an’ilay anarana hoe Jehovah.
Na: “Mitendre mozika.”
Na: “sarobidy.”
Na: “etona.”
Na mety hoe “vavahadin-drano.”
Na: “anaranao.” Abt: “fahatsiarovana anao.”
Na: “hiady ho an’ny vahoakany.”
Na: “hiantra.”
Na: “Nanao ny lanitra tamim-pahiratan-tsaina izy.”
Abt: “Nozarazarainy.”
Abt: “nofo.”
Izany hoe Babylona.
Na mety hoe “halemy.”
Na mety hoe “Mba hihantsiana an’ireo andriamani-kafa, dia hitendry mozika ho anao aho.”
Na: “toeranao masina.”
Na mety hoe “nataonao ambony mihoatra noho ny anaranao ny teninao.”
Na: “ny lalan’i.”
Na: “fantany avy lavitra fotsiny.”
Abt: “Mandrefy.”
Abt: “ny lelako.”
Na: “Mampiaiky volana ahy.”
Jereo F.T.
Na mety hoe “Notenominao.”
Na mety hoe “dia mbola ho eo am-panisana azy ireny ihany.”
Na: “mpandatsa-dra.”
Na: “araka izay saim-pantany.”
Na: “mampiasa saina.”
Na: “lalana mampidi-doza.”
Abt: “ao ambadiky ny molony.”
Na: “lavaka misy rano.”
Na: “ao amin’ilay tany.”
Jereo F.T.
Na: “araraka.”
Jereo F.T.
Na: “mihena ny heriko.”
Abt: “mahalala ahy.”
Abt: “Anjarako.”
Na: “Mihena ny heriko.”
Na: “mianatra.”
Abt: “Aza afenina ahy ny tarehinao.”
Na: “am-pasana.”
Na: “ho anao no anolorako ny tenako.”
Na: “ao amin’ny tanin’ny fahitsiana!”
Abt: “Ataovy mangina.”
Na: “Toerana avo.”
Na: “Atongilano.”
Na: “avy eo ambany fahefan’ny.”
Abt: “Ary ny tanany ankavanana dia tanana ankavanana mamitaka.”
Na: “Hitendry mozika.”
Na: “ilay mamonjy an’ireo mpanjaka.”
Na: “ho rovitra.”
Na: “momba ny herinao.”
Na: “Miantra.”
Na: “amim-pahatsorana.”
Abt: “nofo.”
Na: “Haleloia!” “Jah” no fanafohezana an’ilay anarana hoe Jehovah.
Na: “Hitendry mozika.”
Na: “ny andriana.”
Abt: “voafatotra.”
Na: “ny lalan’ny ratsy fanahy kosa ataony miolakolaka.”
Na: “Haleloia!” “Jah” no fanafohezana an’ilay anarana hoe Jehovah.
Na: “Haleloia!” “Jah” no fanafohezana an’ilay anarana hoe Jehovah.
Na: “mitendry mozika.”
Na: “kivy be; ketraka.”
Abt: “amin’ny matavy amin’ny varimbazaha.”
Na: “ranomandry.”
Na: “Haleloia!” “Jah” no fanafohezana an’ilay anarana hoe Jehovah.
Na: “Haleloia!” “Jah” no fanafohezana an’ilay anarana hoe Jehovah.
Abt: “lanitry ny lanitra.”
Abt: “virjiny.”
Na: “Na ny antitra na ny tanora.”
Abt: “Hanandratra ny tandroky ny.”
Na: “Haleloia!” “Jah” no fanafohezana an’ilay anarana hoe Jehovah.
Na: “Haleloia!” “Jah” no fanafohezana an’ilay anarana hoe Jehovah.
Na: “hitendry mozika.”
Na: “Haleloia!” “Jah” no fanafohezana an’ilay anarana hoe Jehovah.
Na: “Haleloia!” “Jah” no fanafohezana an’ilay anarana hoe Jehovah.
Na: “lanitra.”
Na: “Haleloia!” “Jah” no fanafohezana an’ilay anarana hoe Jehovah.